Moa tia ahy ve ianao?

Published on 09:12, 06/29,2009

Fety lehibe hoan’ny Eglizy Katolika Romanina anio satria ny apostoly roa izay antsoina amin’ny fomba fiteny frantsay mahazatra hoe “les deux piliers de l’Eglise” no ankalazaina dia i Pierre sy Paul. Asa moa raha mahadika tsara ny hoe “pilier” ny teny hoe andry fa sahala amin’irony tongon-davarangana milanja izay aorina eo amboniny irony mantsy no antsoina amin’io teny io.

Ny fiantsona ny Eglizy hoe Katolika Romanina moa dia mifandray amin’i Md Pierre ihany. Na dia i Kristy mantsy no nanorina ny Eglizy dia tsy nantsoina hoe Eglizy Katolikan’i Jerosalema ny Eglizy katolika. Tany tokoa mantsy no tanàna lehibe niriariavan’ity Andriamanitra naka nofo nonina teto amin-tsika ity. Katolika Romanina anefa no lasa fiantsoana ny Eglizy noho ny antony tsotsotra efa haintsika ihany. Jesoa dia nisafidy ny hanankina ny Egliziny tamin’ity apostoly ity taorian’ny nilazany ampahibemaso ny finoany “profession de foi” (Mt 16, 18) ary nampanantena fa hivavaka ho azy mba tsy ho diso làlana na ho solafaka ny finoany (Lk 22, 32). Ankalazaina amin’ny 22 Fevrier moa io tranga io dia ilay antsointsika hoe “ny fiketrahan’i Md Pierre” (la chaire de Pierre). I Pierre no Papa voalohany, Evekan’i Roma ary maty martiora novonoina teto Roma (araka ny lovan-tsofina dia teo amin’ny toerana misy ny Bazilika mitondra ny anarany eo indrindra no nisehoan’izany ary nandevenana azy rahateo moa) noho ny finoany an’i Kristy. Ny Papa rehetra taty aoriany kosa dia mpandimby azy ary nandray ny fahefana sy ny adidy hitantana izany Eglizy izany. Ny fiantsoana mahazatra ny Eglizy Katolika hoe Romanina izany dia manamarika ny fanekeny io fifampitohizan’ny fahefana noraisin’i Pierre tamin’i Jesoa io ka nifandovalovan’ny apostoly nifandimby hatramin’izao androntsika izao.

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany moa iny fa ny tena tiako hifampizarana dia ny tenin’Andriamanitra mifanandrify indrindra amin’izany fankalazana izany. I Pierre manokana no ho resahiko fa i Paoly efa be no henontsika momba azy satria taona natokana ho azy rahateo moa ity taona ity.

Ry Simona zanak’i Joany, moa tia ahy ve ianao?

Naverin’i Jesoa in-telo tamin’i Pierre io fanontaniana io taorian’ny nitsangany ho velona ka nisehoany tamin’ireo mpiany, ary isaky ny valin-tenin’i Pierre hoe “eny tiako ianao” dia mitohy amin’ny fanomezana iraka hamahana ny zanak’ondriny sy ny reniondriny ny resaka (Jn 21, 15-17). Fa maninona no naverin’ny Tompo in-telo io fanontaniana io? Jesoa ihany no tena mahay ny valin’io fanontaniana io … afaka mba famakafaka sy fandinika ihany koa anefa isika.

Maro ny mpamakafaka io andalan’ny Soratra Masina io no mampifandray ny fanontaniana miverina in-telo amin’ny fandàvan’i Pierre in-telo an’i Jesoa … ary mety nihevitra toy izany koa i Pierre matoa izy nalahelo raha vao naverina in-telo taminy ny fanontaniana. Mety ho marina sy mitombona ihany aloha izany fifandraisana izany. Na i Md Augustin aza dia efa nampifandray ireo toe-javatra roa ireo. Hoy indrindra izy tamin’izay: “Aza malahelo ianao ry apostoly raha anontaniana in-telo: valio indray mandeha, indroa, eny in-telo aza. Aoka ny fiekem-pinoanao mba handresy in-telo noho ny fitiavana, satria ny hambom-po diso toerana tao aminao dia resy in-telo noho ny tahotra. Tsy maintsy vahanao in-telo izay nofatoranao in-telo. Vahao amin’ny fitiavana izay nofatoranao tamin’ny tahotra … na izany aza anefa, ny Tompo dia, nanankina ny andian’ondriny tamin’i Pierre indray mandeha, in-droa, in-telo mihintsy aza ny Tompo.”[1]

Ny fahitako azy manokana anefa dia na mety ho eo aza izay rohy misy amin’ny fandavana in-telo sy ny fanontaniana in-telo izay dia heveriko fa tsy dia izay loatra angamba no teboka tena tian’ny Tompo ho tsipihina eto fa misy hafatra lalin-dalina kokoa noho izany tiany hahatongavana. Heveriko fa mantsy fa raha izany no teboka iaingana sy tsipihina mafy dia manjary Jesoa manao kajy no torin-tsika … Jesoa manao maso efai-maso, nify efai-nify … namely in-telo ny iray dia asiana in-telo koa izany dia rava ady sahala izany ny baolina. Ny mifanohitra amin’izany indrindra anefa no nampianariNy dia ny hanolorana ny takolaka ilany raha misy mamely ny ambadika, na koa ny hitiavana hatramin’ny fahavalo aza (Mt 5, 38-48).

Heveriko fa raha namerina in-telo io fanontaniana io tamin’i Pierre i Jesoa dia tsy ilay fandavany Azy in-telo loatra akory no tiany hampahatsiahivina azy satria ny fanomezana natolony ny mpianany taorian’ny fitsanganany ho velona dia ny fiadanana sy ny famelan-keloka (Jn 20, 19-23) fa tsy ny fanefana trosa sy ny fanaovana am-pamoaka momba ny fandavan’ny mpianatra sy ny fitsoahan’izy ireo Azy tamin’ny nisamborana Azy tsy akory. Ny fahitako azy manokana dia zavatra hafa no tian’i Jesoa hahatongavana tamin’io fanontaniana in-telo misesy io dia ny hanomezan’i Pierre valin-teny tena azy manokana (réponse personnelle) ary valin-teny tena mampiditra antsehatra tokoa ny nanome azy (réponse qui engage la personne), valin-teny omena ampahafantarana tsara ny teny omena (réponse donnée consciencieusement) … Tian’i Jesoa ho valin-teny mandray andraikitra ny an’i Pierre (réponse responsable) ka manomana azy hifanaraka amin’izay takian’izany any aoriana … Raha tohizana tokoa mantsy ny famakiana ny tenin’i Jesoa dia hitantsika fa taorian’ny valin-teny fanin-telo nomen’i Pierre sy nanankinanany aminy ny reniondriny no nilazan’i Jesoa sahady ny “martiry” miandry azy any aoriana … Martiry izay tsy holavin’i Pierre intsony satria vokatry ny valin-teny nomeny ampahalalana tsara ny teny nomeny (réponse consciencieuse). Hoy i Joany mpanoratra ny Evanjely hoe “Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan'i Piera voninahitra an'Andriamanitra” (Jn 21, 19). Heveriko izany fa raha namerina in-telo io fanontaniana io i Jesoa hoe “tia ahy ve ianao?” dia satria tiany hapetraka eo alohan’ny valin-teny omeny i Pierre, zay vao omena adidy hamahana ny ondry sy antsoina hanaraka Azy avy eo. Mila manontany tena sy mahatsapa tsara mantsy i Pierre hoe tena Fitiavana tokoa ve ny ifandraisany aminy manomboka izao, sao dia mbola ilay fanarahan-dia miandrandra zavatra toy ny tany aloha hoe “indro izahay nandao ny zava-drehetra ka inona no mba valisoa hoazonay amin’izany?” (Mt 19, 27 // Lk 18, 28 …) Rehefa sahy nanome valiteny manokana i Pierre dia avy amin’izay ny fanamafisana avy amin’ny Tompo tsy hoe hamahana ny andian’ondriny fotsiny ihany fa mba hanarahany Azy ihany koa … manaraka Azy hatramin’ny fanomezana ny aina toy ny nataon’i Jesoa ho fanavotana izao rehetra izao.

Hevitro moa io, famakafakana manokana mba nateraky ny fandinihana teny ho eny, ary inoako koa anefa fa tsy mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Fiangonana. Raha samy hilaza izay heveriny tokoa mantsy ny tsirairay ka tsy mitodika amin’ny lazain’ny Fiangonana dia tsy hoela dia ho feno karazana fiangonana madinidinika ny tany satria samy hilaza ny tiany holazaina sy ny takatry ny lohany ny tsirairay. Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia mila vakina ao anaty sy miaraka amin’ny Fiangonana (dans et avec l’Eglise) satria araka ny tenin-tsika tary ampiandohana dia ny Tompo mihintsy no nanome ny iraka an’i Pierre hitantana izany Egliziny izany ary nomeny toky fa hivavaha ho azy mba tsy ho solafaka ny finoany.

Dia samy ho sahy hanome valin-teny manokana (personnelle) sy tompon’andraikitra (responsabile) ary ho sahy hisedra izay tohin’izany valin-tenintsika izany koa anie isika kristianina rehetra ho toa an’i Pierre tsy hitory am-bava fotsiny hoe Tiako ianao fa hanaporofo izany hatramin’ny fanomezana ny mamintsika indrindra ho Azy.

Raha mba tonga amin’izany tokoa mantsy ny Malagasy rehetra mitonona ho kristianina … sy milaza fa tia tanin-drazana, dia mba ho tonga nofo ihany indray andro any ilay hiraina isan-taona amin’ny 26 jiona na matetika noho izay aza hoe “Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay”. Ho tanteraka tokoa anie izany!



[1] Saint Augustin, Sermons 295, 1-2. 4. 7-8, Patrologiaie Latinae 38, 1348-1352.


Démocratie et patriotisme à la malgache!

Published on 10:22, 06/14,2009

Quand on pense aux peines que les peuples des pays développés se sont faites pour arriver à mettre en place la véritable “démocratie” … chanson préférée de tout le monde aujourd’hui, on comprend pourquoi les Malgaches n’arrivent pas (ou bien ne veulent pas) à sortir de cette crise politique qui paralyse le pays depuis plusieurs mois déjà. Il ne faut pas croire, en effet, que ces grands pays, dits démocrates, que nous connaissons aujourd’hui, sont parvenus à faire de ce fameux système la seule règle de jeu réglementant l’accession au pouvoir et la gouvernance de leurs pays par un coup de baguette magique … une règle, faut-il le préciser, respectée par tout le monde, du moins généralement parlant ! Pour y arriver, ils se sont tués, ils ont connu des guerres civiles … ils ont connus un sac de problème … Et comment voulons-nous que cela tombe du ciel à Madagascar ?

Comment voulons-nous instaurer chez nous une véritable démocratie, et cela d’un seul coup, quand la majorité de notre population n’a fréquenté que l’école élémentaire, … la plupart des électeurs ne sait même pas lire ce qui est écrit sur le bulletin de vote … et ne sait même pas signer la case correspondant à son nom après avoir voté? Comment voulons-nous parler de l’informatisation du système de vote quand il y a des milliers de bureaux de vote n’ont jamais vu même pas une vieille machine à écrire ? … des bureaux de vote se trouvent au fond de la brousse, au fond de la forêt … et le président lui-même ignore leur existence ? Enfin ! c’est bien d’aspirer aux bonnes choses, aux bons principes mais c’est mieux d’être réaliste. Ne rêvons pas une démocratie toute faite, démocratie au même niveau que celle des américains ou des européens d’aujourd’hui … Ils ont déjà vécu une très longue histoire pour en arriver là … et admettons-le… ils ont des vrais politiciens et non pas des opportunistes … Chez eux les gens vont à l’université pour se spécialiser à la politique avant de s’y lancer … le temps d’un cowboy devenu président a été bien enterré pour de bon … Chez nous, quelqu’un peut se lever d’un bon matin et s’autoproclame président d’une HAT qu’on invente à toute HÂTE sur la place du 13 mai, et ça marche … la HCC vient seulement l’entériner … et les militaires sont prêts à faire la parade ! Beau spectacle non !

Chez eux, les gens manifestent dans les rues à tout moment, … non pas pour que le président quitte le pouvoir tout de suite comme chez nous ... mais pour qu’il se réveille s’il s’endort sur quelques points qui touchent leurs intérêts. Chez eux… Madame Clinton fait campagne pour Mr Obama après avoir été son rivale dans les primaires … parce qu’après tout ils sont d’un même parti « les démocrates » … mais chez nous quelqu’un peut être ministre Herivelona il y a quelques années, et après il peut devenir Premier ministre d’un autre régime … mais rien ne l’empêche aussi de descendre sur la place du 13, non seulement pour demander le départ de celui qu’il soutenait à peine, mais aussi pour courir derrière une machine qui passe, dit-on, à grande vitesse, sans pourtant savoir si elle marche vite, toute pressée, pour arranger ou pour détruire … et personne ne sait ce qui va encore se qui va se passer après … ! En tout cas c’est pas encore fini !

Certains pourront penser que je suis pessimiste… peut être bien que je lu suis… mais je vois quand même que le problème va beaucoup plus loin. Je ne veux certainement pas dire que pour devenir des vrais démocrates, les Malgaches doivent eux aussi s’entretuer d’abord … Je veux tout simplement dire que si nous aimons vraiment Madagascar, nous devons abandonner désormais la politique de « copier coller » …. la politique de « miara-mirona ry kala alika (maty ou velona on ne sait plus) ». Ce n’est pas parce que les filles parisiennes se baladent presque nues durant l’été que les Antsiraberoises doivent elles aussi faire de même au plein milieu de l’hiver du Vakinankaratra … Ce n’est certainement pas en accédant au pouvoir par un coup d’Etat qu’on puisse instaurer une véritable démocratie, aussi mauvais que puisse paraître le gouvernement en place, parce que le coup d’état en son essence même contredit la démocratie. Comment voulons-nous que la démocratie devienne notre règle de jeu si celui qui en parle et qui prétend nous l’imposer accède au pouvoir de façon anti-démocratique ? Cela ne colle pas non !

Tout le monde se dit patriote … tout le monde termine son discours par la flatteuse expression « masina ny Tanindrazana » (la nation est sacrée, le pays est sacré, pour ne pas traduire Tanindrazana par terre des ancêtres). Les militaires concluent leur communiqué par « hoan’ny Tanindrazana » (pour le Pays) … ceux du Capsat comme ceux d’autres régiments … Et tout le monde se dit préoccupé par l’intérêt supérieur de l’état … entretemps, pendant des mois et des mois on se réunit ici et là pour trouver une sortie de crise … et on n’arrive pas à se mettre d’accord sur quelques points qui font la divergence … et le pays reste terrassé et asphyxié … Tout simplement parce que tout le monde mise sur ses propres intérêts. Arrêtez donc de nous prendre comme des canards. Moi personnellement je suis convaincu que le politicien malgache qui aime vraiment son pays n’est pas encore né. Je l’attend encore … et je suis sûr que je ne suis pas le seul à avoir cette conviction. En tout cas, ce vrai politicien malgache n’est pas encore parmi ces gens qui, avant hier étaient Arema, hier étaient Tim et aujourd’hui sont Tgvistes, … et que sais-je encore ! Chez nous il suffit d’un moindre mouvement pour que les députés ou maires fassent une déclaration commune qu’ils soutiennent le mouvement … pour, martèle-t-on, l’intérêt supérieur du pays! Or … en réalité c’est parce qu’on a peur de perdre la petite chaise qu’on s’est acquise … belle politique non !

Ah ! quand est ce que le sort de Madagascar, le sort des pauvres paysans (la majorité de la population) ne dépendra plus de la décision unilatérale des politiciens des grandes villes avec leurs partisans … des soit disant patriotes … vraiment je suis impatient de voir ce moment !

Que des choses étonnantes ! On kidnappe des généraux … et il suffit d’une assise militaire pour que tout le monde s’embrasse comme des frères. Etait-ce vraiment une réconciliation ? En tout cas ce qu’on veut nous faire croire … Et des généraux kidnappés par des mutins (pas plus gradés qu’eux-mêmes) viennent participer activement à cette assise dont la cérémonie d’ouverture a été présidée par un ‘président’ (du moins pour ceux qui l’appellent ainsi) conduit au pouvoir par leurs kidnappeurs … on y a parlé des tenues, d’augmentation de salaire avant la fête nationale, d’hélicoptère, peut être d’autres choses aussi … et ils se sont tous donnés la mains à la fin … une cérémonie très émouvante raconte-t-on ! Quelle fraternité ? C’est « trop » sincère non ! Malheureusement rien de « trop » n’est bon ! Je ne suis pas fort en politique… mais là je vois flou !

J’avait déjà écrit ici une fois que je n’était pas d’accord avec la façon dont le président, actuellement en exil, a voulu gérer certaines choses de ce pays …. Mais je le répète, une fois de plus ici, que je n’avale pas non plus la façon avec laquelle on a voulu résoudre le problème. Cette façon me fait honte, à moi personnellement … elle bafoue nos valeurs malgaches … quelle violence, quelle brutalité, quelle cruauté, j’allais même dire quelle sauvagerie … Et avec tout ça … et ce qui suivra encore, vous voulez nous dire que vous cherchez l’intérêt suprême de l’Etat ?

Quand on sait que 95% de ces acteurs se disent croyants, … chrétiens ... Quand on voit que chaque dimanche, les Eglises Malgaches (toutes confessions confondues) est pleine comme un œuf … et le lendemain on se dirige vers 13 mai pour jeter les pierres aux autres, pour piller les grands magasins (qui ne sont pas forcement en lien avec Tiko et/ou ses actionnaires…) ou pire encore pour bruler tout simplement les maisons et/ou les biens d’autrui sans se préoccuper même pas de la vie de ceux qui peuvent s’y trouver au même moment … On se dirige vers un palais présidentiel … avec une foule impressionnante … sachant déjà ce qui attendait devant … mais il fallait à tout pris provoquer la colère de la foule et salir davantage l’image de l’adversaire pour arriver au but qu’on s’était fixé … et après on parle des martyrs … La démocratie a-t-elle de récompense à octroyer à ses martyres ? Je n’en sais rien. Je sais que le Christ en a promise pour ceux qui perdent leur vie à cause de la foie en Lui … Et ceux qui ont malheureusement péris pour avoir couru derrière une machine, « tgv » ou « regarega » qu’elle puisse être, qu’est-ce qu’ils auront comme récompense ? Peut être le développement de notre pays ? Nous l’espérons sincèrement. L’histoire nous en dira davantage ! Ce qui est sûr déjà c’est que les événements d’Ambohitsirohitra ont donné la possibilité aux partisans du coup de force de parler de crime de sang dont l’acteur ne doit pas bénéficier d’une éventuelle amnistie … et on ne parle pas du tout de ceux qui sont morts calcinés dans les grands magasins qu’on avait pillés et incendiés lors de la violente manifestation que certaines appellent « révolution orange » … Quelle belle politique … des Malgaches patriotes et démocrates … mais aussi des croyants … chrétiens … peut être catholiques !

En tout cas, en tant que Chrétien … Catholique… je dois dire avec une certaine déception que nous sommes encore très loin d’être des véritables disciples de Jésus, le Dieu qui a pris chair par Amour de l’humanité ! C’est aux Malgaches de devenir chrétiens (disciple de Jésus) et non pas à Jésus de devenir Malgache (suivre nos caprices … et respecter nos valeurs que nous arborons, malheureusement seulement quand ça tourne à notre avantage !) A bon entendeur !

Pour devenir un bon politicien chrétien, il faut avant tout devenir un bon chrétien digne de ce nom : « craindre et aimer Dieu de tout son cœur, de toutes ses forces, de toute son âme et aimer ses frères comme soi-même » (Mt 22, 37-39) comme ont fait les vrais politiciens de l’histoire de l’humanité. Je pense particulièrement à David, à Salomon, et aux autres rois de l’Ancien Testament … ce sont des politiciens au vrai sens du terme … des vrais d’ailleurs … Saint Louis roi de France fut aussi un grand politicien … catholique … les initiateurs de l’union européenne étaient des membres du parti « démocratie chrétienne » et leur procès de béatification est déjà en cour … il y a une longue liste des saints politiciens que nous ne pouvons pas reprendre ici. Ce que nous voulons souligner ici c’est le fait qu’on peut bien être à la fois un politicien et un bon chrétien … Ce n’est pas vrai que pour être un bon politicien il faut être un grand manipulateur, un grand menteur ... mais pour en arriver là … il faut arrêter de bavarder avant de démontrer par les actes ! Il faut que notre foi en Jésus Christ devienne le point de référence de tout notre agir ! Il faut qu’il devienne le centre de notre intérêt, le centre de toute notre vie ! Pour faire simple : « Il faut se convertir » !

Seulement quand nos politiciens aimeront Dieu de toutes leurs forces … seulement quand nos politiciens aimeront leur frères comme eux-mêmes … que notre rêve exprimé par l’hymne nationale « Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay » (textuellement : « et notre Madagascar sera une heureuse terre ») deviendra une réalité. Ainsi soit-il !

Samia mieritseritsa e !!!!!!!!!!!!


Ny andriamanitry ny 13 Mai hoe?

Published on 12:08, 04/18,2009

Mahita ny karazana fikomiana sy tolona nifandimby eto amin’ny Firenena ny tena dia mba lasa ihany ny saina amin’ny toe-javatra sasantsasany. Nanomboka tamin’ny 2002 moa ny tenanay vao tena nanaraka ny raharaham-pirenena satria tamin’ny 1972 mbola tsy olombelona ary tamin’ny 1991 mbola zaza tsy nivaky loha tamin’izay ady sezan’ny olona any fa ny fianarana no nimasoana.

Ny zavatra takîna amin’ny fikomiana na/sy tolona moa dia tsy mitovy, toy izany koa ny fomban’ny mpitarika azy sy ny fomba nanaovana azy, ka nefa mahagaga fa misy itovitovizany hatrany. Tamin’ny 2002 ohatra dia nisy fifidianana ary nazava ihany ny fandresen’ny andaniny saingy tsy nahafoy ny hiala ny sasany ka dia iny niaraha-nahita iny. Notapahina ny tetezana e, ny pôtôn-jiro mamantsy an’Antananarivo e, tsy navela hiakatra ny carburant avy any Toamasina e… maro ny raha nijaliana tamin’izay fa mety efa hadino sahady moa. Ity 2009 ity kosa dia teraka teny andalana teny ilay fikomiana vokatry ny tsy hafalian’ny olona tamin’ny fitantanana amin’ny ankapobeny (ampihimamba ny sehatra ara-toe-karena, fividianana avion isan-taitaika nefa ny vahoaka fadiranovana, projet mamoafady toy ny fivarotana tany lehibe noho i Belgique mandritra ny 99 taona be izao… sy ny sisa tsa hotanisaina eto) na dia resaka télé Viva aza no pitik’afo nandrehitra ny vanja… Ny very seza taloha rahateo moa araka ny mahazatra dia zarany aza misy mahasahy manomboka ny grevy… sitrany ahay mba seza kely koa aloha mandrampitabataban’ny vahoaka indray… Tsy hiresaka eto aho hoe iza no maro an’isa ny mpomba sa ny mpanohitra izao antsoina hoe teteza-mita izao fa dia avelantsika ny tantara no hamaly izany….

Ny mahatsikaiky ahy fotsiny dia ity: isaky ny misy lazaina hoe tolona dia misy foana ny fanompoam-pivavahana eo amin’ny 13 Mai. Asa moa na tena ilay Andriamanitra inoan’ny kristianina na ny finoana hafa tokoa no antsoina eo amin’ireny na zavatra hafa.

Ny mpanohana and-Ravalomanana Marc tamin’ny 2002 dia niantso an’Andriamanitra teo amin’io kianja io ary dia rehefa tafapetraka teo amin’ny toerany dia nisaotra Azy fa hoe fitahiany sy fatantanany no nahavita ny tolona.

Tonga koa ny TGViste ny 2009 dia milaza fa miantso an’io Andriamanitra io ihany koa hanalana ilay raika lahy eo amin’ny toerana, dia rehefa azo koa ny tadiavina dia milaza koa fa fitahiana avy amin’Andriamanitra ny nahavitana ny tolona.

Tamin’ireo roa ireo dia samy nisy itony hoe Mpiandry itony daholo hoe handroaka demony hono, eny amin’ny ministera sy ny karazany izany…. Dia asa moa demony inona no tamin’ireny toerana ireny fa dia tsy mety lasa mihintsy izany satria miverina ao foana? Tokony handini-tena koa ireny milaza fa mpandroaka azy ireny sao dia izy ireo no tena mitondra devoly any aminy ka tsy hainy manavaka intsony izay tena devoly horoahina sy ny azy manokana? Asa moa kooo?

Ny zavatra mba tena mahagaga koa dia ny hoe, alohan’ny kabary dia manao fanompoam-pivavahana, dia avy eo miara-mirona manao diabe mandroba sy mandoro tranom-barotra na orin’asa na tranon’olona toy ny PDS, eny fa na dia mety ho olona tsy misy ifandraisany amin’ny fitondrana mihintsy aza. Mandritra ny dia amin’izany dia mandeha ihany ny hiram-pivavahana!!! Toy izany koa miakatra any amin’ny lapam-panjakana mihiram-pivavahana ka nefa dia efa hay izao fa mangarom-biby an-davaka no atao any satria na mahay na tsy mahay ny mpitondra ao, na tian’ny vahoaka na tsia, ny palais dia toerana tsy azo aleha hatramin’izay ary tsy ho azo aleha na oviana na ovina. Asa moa amin’izao raha mankeny Ambotsirohitra eny ny mpitolona eo Ambohijatovo raha horaisin’i Andry Rajoelina amin’ny oroka fiarahabana tratran’ny Paka !!! Tsy mino aho!!!!

Resaka hafa moa ny momba an’io fa izay nitarika ny olona ho any noho ny tanjona manokana no tokony hieritreritra ny amin’izany (atao izay handrangitana ny ankilany mba hanerena azy nampiasa hery misy hilazana hoe io fa mpanono olona, mba hankahalan’ny maro azy misimisy kokoa hatrany satria ny Malagasy sensible amin’ny vono ain’olona “au moins théoriquement”) fa ny tena tiako hambara eto dia ny hoe Andriamanitra tokoa ve ity antsoina eo amin’ny 13 Mai na amin’izay toerana hafa amoriana vahoka  ity sa inona e? Izany moa no nanoratako ny loha-teny amin’ny “a” kely fa tsy “A” sora-baventy satria toa tsy dia resy lahatra loatra aho hoe tena Andriamanitra nasehon’i Kristy novonoina sy nitsangan-kovelona noho ny otantsika, ankalazaintsika amin’izao vanimpotoana izao indrindra no ivavahana amin’ireny toerana ireny. Ny Andriamanitra nasehon’i Kristy mantsy na inona na inona antony dia tsy afaka hifanindran-dalana amin’ny herisetra, halatra, vono olona sy ny sisa na oviana na oviana. Andriamanitra mampianatra hivavaka sy hanao soa ny fahavalo no nampianariny (Mt 5, 44 ; Lc 6, 28) fa tsy handroba ny an’ny sasany (eny fa na dia mety tsy ho ampahamarianana aza no nahazahoany izany). Andriamanitra mampianatra hamela heloka impitopolo fito no nasehony (Mt 18, 21-23), …Andriamanitra mamela heloka na dia miverina im-pito ao anatin’ny andro iray aza ny fahavalo noho ny heloka iray averiny amin’ny tena (Lk 17, 4)….Andriamanitra mampianatra hanolotra ny takolaka iray raha asian’ny hafa teha-maina ny ankilany (Mt 5, 39)…. Andriamanitra tena mitsinjo ny soan’ny besinimaro fa tsy mamoky resaka ny hafa mba hampetipety ny an’ny tena fotsiny….

Tokony mba samy handinika ny tsirairay hoe tena mino sy tia an’Andriamanitra tokoa ve izaho sa dia atao fitaovana hahazoana olona fotsiny hoe mivavaka izahay, manomboka amin’ny hira masina ny fotoana? Tena kristianina tokoa ve ny Malagasy marobe mameno Fiangonana isan’alahady ireny sa dia efa fomba fanao moa izy ity ka manahirana raha tsy hatao?

Tsy izany kosa angamba no tena finoana takîn’Andriamanitra amintsika, ka tokony samy hanararaotra izao fotoana izao handinihan-tena sy hanitsiana izay azo ahitsy fa mbola tsy tara.

Tonga dia salamà aby eee!


Ny Malagasy vahoaka hafa, miavaka amin’ny maro.

Published on 11:51, 03/15,2009

Efa nisy fotoana ihany niresahako teto hoe maro ny mampiavaka ny Malagasy amin’ny mponin’ireo firenena hafa ato amin’ny kontinantan’i Afrika izay misy azy na dia misy ihany koa aza ny mampitovy azy amin’izy ireo. (Hitanao eto ny lahatsoratra tamin’izay.)

Na dia misy ifandraina amin’izay ihany aza ity lahatsoratra ity dia hafa mihintsy ny hafatra tiako hampitaina eto. Mahita ny zavatra mitranga ao antanàna ao tokoa mantsy ny tena dia lasa ny fisainana ka manontany tena hoe nataon’ny Malagasy aiza re ity Fahendrena ireharehany fa mampiavaka azy? Nataony aiza ity hoe mandala ny FIHAVANANA satria ladim-boatavo ny fiainana ka raha sarihana iray ihany? Nataony aiza koa ilay hoe fanajany ny Ray aman-dReny satria nahitana masoandro sy kitapo nifonosana sy ny soatoavina maro hafa tsy hovoatanisa eto? Fa hafa amin’ny inona tokoa moa isika ?

Tsy vitsy no mitroatra matetika raha mahita Malagasy manao ankarihary zavatra heverin’ny maro fa tsy dia tsara loatra. Ohatra, miseho gazety fa milalao film X na zavatra mitovitovy amin’izany fa hoe manala baraka ny maha Malagasy. Hoatran’ny hoe ny Tena Malagasy dia tsy misy manota izany, fa mahafehy tena tsara sy Hendry toa Anjely kely daholo. Raha mba mamaky irony forum irony anefa ny tena (ohatra resaka ‘sexualité’ ao @ moov.mg) dia mahita fa kay ny Malagasy koa dia maro no manana fiainana tena tsy azon’ny saina eritreretina mihintsy.

Izao indray dia misy olana ara-politika dia dorana ny Fiangonan’izay heverina fa mpomba ny mpifanandrina amin’izay tohanan’ny tena (efa hatramin’ny 1991 io)…Ny tranon’ny mpanao politika mifanaraka amin’izany moa dia efa tsy resahina intsony… Robaina ny tranombarotra lehibe na dia an’olona tsy misy ifandraisany amin’ny raharaha politika aza…dorana koa avy eo…na dia misy olona may ao anatiny ao aza tsy atao olana izany…Mifamono ny olona mpanohana ny andaniny sy ny ankilany…Mifanaratsy amin’ny radio sy télé ny mpanao politika ary ny ankamaroan’ny zavatra ambara dia lainga sy fandrangitana fifankahalana fotsiny izao mba ‘handresena’….Mizara ny tafika, tsy mitovy hevitra ary atahorana hiady antrano koa aza sanatria… Dia very hevitra ny tena hoe fa sao mba tsy any Madagasikara ary izao zava-miseho izao fa raha ny fiheverana ny atao hoe Malagasy dia tsy azon’ny saina eritreretina izao toe-java-miseho izao !!! Sao mba any Congo Brazzaville isika, sa any Congo Kinsasa, na any Angola na any Somalie, Soudan na Côte d’Ivoire na ireo tany hafa nahitana ady mitovitovy amin’izao. Any amin’ireny firenena misy na nisy ady ireny koa anie ka mba misy Fihavanaan e. Any Afrique central ohatra dia tsy misy ny teny hoe “cousin- cousine” fa “frère – soeur” aby ny zanaky ny mpirahaly sy mpirahavavy na zanaky ny mpi-“cousin- cousine”, tsy misy hoe dadatoa fa “papa” aby ny rahalahin’ny dada fa ampiana ny anarany fotsiny hanavahana azy amin’ny sasany (ohatra papa Georges) toy izany koa tsy misy ny teny hoe “nenitoa” fa “maman” daholo ny rahavavin-dreny….Manambara fifankatiavana sy fihavanana ihany koa izany,…ka nefa dia mifamono toy ny biby rehefa misy ny tsy fitovizan-kevitra sy ny tombotsoa arovana…

Mahita ny zava-misy amin’izao fotoana izao any Gasikara dia menatr’olona ihany ny tena indraindray ary mametra-panontaniana hoe fa izao tokoa ve kay ny tena fomban’ny Malagasy e, toa mitovy amin’ny sasany ihany kay ?

Mazava loatra fa maro ny zavatra mampiavaka antsika amin’ny vahoaka hafa noho ireo soatoavina ananantsika saingy ny soatoavina tsy iainana intsony dia malaza tsy ihinanana toa viliantsahona fotsiny. Ny tiako hambara dia ity : Toy ny olon-drehetra isika Malagasy. Misy ny soa sy tsara mampiavaka antsika toy ny ananan’ny sasany ny soa mampiavaka azy ihany koa izay tsy ananantsika. Rariny sy hitsiny raha ireharehantsika izany. Misy koa anefa ireo kilema izay ananantsika ary mila ialàna toy ny tokony hialandry zareo sasany amin’ny kilema ananany ihany koa. Ny vahoaka rehetra eran-tany dia samy misy olona tsara fanahy, tsara fitondran-tena sy ratsy fanahy ary ratsy fitondran-tena avokoa. Na Malagasy na tsy Malagasy dia samy zanak’Andriamanitra antsoina hiova fo ka hametraka Azy ho ivon’ny fiainana sy Fepetra Fototra tokony hibaiko ny fifandraisantsika amin’ny namana manodidina. Raha lany andro tamin’ny fitanisana izay mety ho tsara mampiavaka antsika amin’ny hafa isika teo aloha, izao kosa dia tokony mba hanokana fotoana bebe kokoa hijerevana akaiky izay tsara ilaina iainana ary izay ratsy tsy maintsy hialàna fa izay ihany no hampandroso antsika amin’ny lafiny rehetra ary tena hampiavaka antsika marina. Mila fiovam-po izao toe-draharaha izao fa raha mbola ny Vola ny Voninahitra sy ny Mahafinaritra ny vatana no mibaiko ny fon’ny Malagasy dia tsy hisy zava-banona eo. Samia mibebaka dia hitondra soa hoan’ny Malagasy ny soatoavina ananany sy ny harena ananany tony ny Petrole sy ny harena ankibon’ny tany hafa efa voaporofo ankehitriny fa misy ao aminy, fa raha tsy izany dia hitovy amin’ireo firenena manana izany isika ka ny ady sy ny viol isan-karazany fotsiny no mahoraka fa ny zava-misy tsy miova.

Alao hery aby e, se afara koa


Mitolona hoe?

Published on 08:54, 01/30,2009

Na dia somary sahirana aza ny tena dia mba hanoratra kely eto ihany fa tsy hay ny mangina manoloana ny zava-misy manjoa ny tanindrazana ankehitriny.

Iarahan'ny maro mahita angamba ny tsy fetezan'ny zavatra maro eo amin'ny fitantanana ny raharaham-bahoaka tato ho ato.... Amidy ny tany etsy... trandrahina ny harena ankibon'ny tany eroa... boeing roa anaty mandat roa.... izay misy vola rehetra dia tsy maintsy tafiditra ao ny mpitondra... dia tsy hita izay mba fiatraikan'izany eo amin'ny fiainanan'ny vahoana madinika....amin'izay anefa dia tsy hay intsony na pasitera ny sasany na filohan'ny repoblika fa zay fiangonana andalovany (izay misy ny finoany no lazaiko eto) toa mahazo fitenenena hatrany izy... hatramin'ny fampianarana na toriteny izany.... dia asa moa izy ity.... nefa toa rehefa zohina toa misy hery hafa any ambadimbadika any ary io no tena inoana sy ianteherana amin'ny atao rehetra.... Be mpiteny izany ka asa...Maro ny misiterin'ny fiainan'ny zanak'olom-belona e!

Na izany aza anefa dia ny fanimbana ny zavatra vitany izay tsy hoan'iza fa hoantsika ihany, (.. na iza na iza handimby azy eo... ) izany ve no atao hoe mitolona??? Tsy dia mino izany loatra ny tenako... Eny mety tokony efa hiala tokoa angamba itony mpitondra itony hahitana izay mba hataon'izay miditra eo indray...(izay tsy dia ho lavitra izao ihany angamba satria na ity farany ity aza anie inona moa no tsy nampanantenainy antsika... ary moa tsy vahoaka an'alin-kisa no nanohana azy mba handraisany io fitondrana io raha mbola nanao ny nataony teo ny tarika Ambodiantafana???) ka nefa sao mba misy fomba mihaja sy tsy mahamenatr'olona toy izao azo atao ihany hahatongavana amin'izany e.... hoan'ny tena izay mba sendra aty ivelan'ny gasikara aty moa (miala tsiny raha manafitohina ny sasany koa ny filazana izany) dia toa mahatsiaro ho menatr'olona rehefa mijery ny vaovao amin'ny télé miaraka amin'ny olona tsy Gasy ny tena ka mahita ny mpiray tanindrazana mandoro sy manapotika zavatra iombonana toy ireny... mandroba ny fananan'ny olona ... indraindray na matetika mihintsy aza olona tsy misy hidirany amin'ny fitondrana akory... rehefa mety ho tranom-barotra lehibe dia robaina sy dorana avokoa.... indrisy dia izany ve no toentsaina hoentintsika hampandroso an'i Gasikara....

Mahaiza miresaka sy mivazavaza daholo fa raha io no toe-tsaina hitondrana ny zavatra tsy holasa izany io e, na dia ny iray amin'ireo Mpaminany aza no hitsanan-kovelona ka hatao filohan'ny Malagasy eo tsy hisy zava-banona raha zay vita hopotehina sy ho dorana toy izao!

Ary izay mitarika ny olona hanao izany rehetra izany.... avelako hanohana azy ankalalahana izay te hanohana azy fa zah manokana tsy matoky hoe olona hanao soa zay faly amin'ny fahapotehan-javatra toy ireny... fa indrindra ny famoizana aina maro.... Sao dia mba misy mpanohana an'izao zavatra izao any hoany eee? Sao mba misy te hiverina eo indray??? Na sao misy nahita fa mba mihatsara ihany ny tanàna na dia mety mbola mahantra aza ny vahoaka ka aleo averina ratsy toy ny tamin'ny androny ihany fa mba menatr'olona izy hoe taon-jato maro no teo nefa tsy nisy fiovana endrika toy izao (fara faharatsiny ahay ny endriky ny tanana sy ny fanana iombonana toa mba niova kosa e, aleo jerena amin'ny maso tsy miangatra ny zavatra... dia lazao fa miandany atsy na aroa indray ah raha milaza izany, tsy maninona...) Asa moa ?

Indrisy mantsy, samy milaza tia tanindrazana daholo izay mivoaka eo, ... fa tena tiantsika tokoa ve i Madagasikara??? Samia mandinika dia mamaly mangina ao ampony izany fanontaniana izany....

Tsy ny mpitondra no hanova an'i Gasikara fa ny fiovan'ny fomba fijerin'ny tsirairay sy ny fahavononany hametraka ny anjara birikony

Samia salamà aby


1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»