Ny agnarandray tsa afify

Published on 06/23,2006

"Ny agnarandray tsa afify"

Io no anarana nosafidiko homena ity blaogy ity. Tsy ny tanindrazana agny antanana akory no tiako holazaina eto fa ny maha isika antsika fotsiny izao.

Ary koa satria dinidinika momba ny finoana no tiako hifanakalozana aminao eto dia tsara hazava izany fa ny maha "Kristianina" ahy sy ianao no tiako hambara eto amin'ny teny hoe "Ny agnarandray".

"Ny agnarandray tsa afify, ny vady tsa ampangatahina". Ohabolana na fomba fiteny any Betsileon'Ambositra any izy ity. Fomba fitenin'ny lehilahy izay vonona ny hihary amin'ny heriny manontolo. Ny hafatra ampitainy dia tahatahaka izao: tsy mahamenatra ny an'ny tena ary tsy enti-misitrika na dia mety ho tsy zarizary aza no fijerin'ny hafa azy. Ny tompony dia mirehareha amin'ny fanana azy, tsy mirehareha amin'ny dikany hoe "mipoerapoera" akory fa ilay ataon'ny frantsay hoe "fier d'être ou d'avoir quelque chose". Ireharehana ny ananana ary miezaka hameno ny banga, ka na dia mety tsy manana ny ampy aza dia tsy manary toky ary tsy avela hangataka na oviana na oviana ny vady satria baraka sy fanambaniana ny maha izy ny tena izany.

 Tsotra ary izany ny tian-kolazaina eto dia ny hoe: tokony hirehareha isika amin'ny maha mpino antsika. Tsy tokony hahamenatra antsika ny finoantsika fa tokony aderadera aza satria faly isika ary sahy mijoro ho vavolombelona fa hasambarana tokoa ny miaraka amin'Andriamanitra. Moa tsy izany tokoa moa no nolazain'i Jesoa tamin'ny fampianarany hoe "Ary amin'izany izay rehetra manaiky ahy eo anatrehan'ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra"  Mt10,32. Tsy hoe hila tambiny amin'ny Tompo akory sanatria isika satria Izy mampisanatra antsika hitia maimaim-poana toa Azy ihany koa. Tsy mila tambiny ny fitiavantsika Azy, ka nefa raha omeny fotsiny ho fanampiny izany dia ho adala ve isika sanatria ka handà fanomezana sa hanao toy ny "Adala nomen-tanan'ondry ka na soloana hofany aza dia tsy manaiky".

Ireharehantsika ny maha zanak'Andriamanitra antsika sy ny maha sambatra antsika miaraka aminy. Tsy fireharehana satria fitia te-hirehareha fotsiny izao koa anefa fa mba hitarihana ny hafa ho sambatra miaraka amintsika ao amin'ny Tompo. Olo-masina iray izay tsy tadidiko loatra ny anarany nilaza fa "Tsy afaka mandeha irery any an-danitra isika fa tsy maintsy mitondra vavolombelona hafa miaraka amintsika"; Koa alao hery ary, aza enti-misitrika ny finoana ho voninahitry ny Avo sady hitarihana ny hafa ho eo Aminy.

Tsara ny manamarika eto am-panombohana fa mety hiovaova arakaraka ny zava-misy ny teny hampiasaintsika eto dia ny frantsay sy ny teny malagasy izany. Raha tena ilaina moa dia afaka milaza amiko ihany ireo maniry ny handikana azy amin'ny teny hafa toy ny anglais na italiana dia hataontsika izay ezaka azo atao.

Mankasitraka anao


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=1281

Leave a Reply

One Response to Ny agnarandray tsa afify