"Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Tohiny3)

Published on 07/28,2006

“Indro kely hoy ny mpandrafitra”

Hatreto dia niezaka nijery ny lafiny mety mahatsara ny Famadihana isika. Izao kosa dia hanao jery kiana ireo rehetra mety ho hadisoana na fanitarana diso toerana isika. Efa nisy santionany ihany lasa tany aloha tany nilazantsika fa misy dia misy tokoa ny “Indro kelin’ny mpandrafitra”. Izany hoe tsy ny atao amin’ny Famadihana rehetra akory dia mety avokoa fa misy dia misy tokoa ny lesoka ary tsy maintsy ahitsy na tsy maintsy avela fotsiny izao satria tsy Kristianina ny minia mikimpy rehefa misy ny tsy maintsy ahitsy. “Tsy i Kristy akory no ho terentsika ho tonga Malagasy, fa isika Malagasy no tokony hiezaka ho tonga tena Kristianina”, ka aoka tsy hisitrisitrika ao ambanin’ny hoe tsara io e, kolontsaina io e, fa misy dia misy tokoa araka ny hevitro ny kolon-tsaina tsy afaka hifanindran-dàlana loatra amin’ny fampianaran’ny Evanjely ka mila ahitsy tsikelikely.

“Na sakako na sakanao, rehefa vandana dia kary izay”

Io fomba fiteny io no tena mahalaza ny tiako hambara hoe, rehefa misy tsy mety dia tsy maintsy lazaina amin’ny maha izy azy ny zavatra satria raha afenina ny aretina dia tsy ho voatsabo velively izay. Mandray ohatra vetivety aho eto hanamafisako an’io filazako io. Asa moa na marina na tsia fa henoko hoe misy faritra iray eto amintsika izay tsy mitaiza zaza kambana fa tsy maintsy ariana satria loza hoazy ireo izany. Malahelo aho tsy maintsy milaza eto hoe, na inona na inona mety ho fanazavana na mety ho anton’izany fomba izany dia tsy afaka ny hifanindran-dalana amin’ny fampianaran’i Kristy na oviana na oviana izany. Noharian’Andriamanitra mitovy endrika aminy isika (Gen 1, 27), ary eny fa na ny zaza any an-kibon-dreniny aza dia efa manana “mission” mazava ho azy Andriamanitra. (Jer1,5). Izany rahateo moa no mahatonga ny fanalan-jaza tsy eken’ny Fiangonana ary tsy ho ekeny mandrakizay satria mitovy amin’ny mamono olona. Tsy afaka ho loza mihitsy ny zaza na kambana izy na tokana satria zanak’Andriamanitra ary noharîny ho sambatra toa antsika ihany.

Miverina amin’ny Famadihana isika izay votoatin’ny resa-tsika aho. Ato ihany koa mantsy araka ny fijeriko azy dia misy ireo zavatra na fomba mila ahitsy mba ho tena marina ny fitenintsika matetika hoe: “sady Malagasy no Kristianina”. Andeha horaisintsika tsikelikely eto ary izany teboka izany. Anisan’izay ohatra ny hoe mangata-tsaotra hono ka mila manolotra omby amin’ny Razana.

“Mila omby hono ny Razana”?

Misy dia misy tokoa ireo fomba ao amin’ny Famadihana no tsy vitan’ny hoe tsy mifanaraka amin’ny Fampianaran’i Kristy fa dia tena mifanohitra aminy mihitsy. Ireny fomba ireny no tokony hiezahana ahitsy tsikelikely, mba tsy hilazana hoe foanana tanteraka fa saingy atao miadana sy amin-kalemem-panahy.

Anisan’izany ohatra ny hoe mangatam-pitahiana amin’ny Razana hono dia: “Manao saotra dia manolotra omby na zavatra hafa mitovitovy amin’izany”. Toy izany koa ireo miady tsihim-pamadihana fa hoe misy fitahiana manokana hono. Raha mbola izany ny finoantsika dia mbola lavitra isika ka mila ezaka satria dia lasa sampy tokoa izy amin’izay fotoana izay ka tsy azo atao ny manakipy maso eo anoloan’ny marina fa manota amin’ny Fanahy Masina izany ka mety tsy hahazoana famelana mandrakizay. (Mt12, 32).

Hataon’ny Razana inona moa omby na tantely na toaka na tsy haiko inona koa? Raha any amin’izy ireo isika no miandrandra vonjy dia mbola tsy matoky isika izany fa Andriamanitra no loharanon’ny soa rehetra.

“Mangatsiaka hono ny Razana ka tafio malaky”

Araka ny fijeriko azy dia mety mitovitovy amin’izany ihany koa ireo milaza fa mangatsiaka ny Razana ka mila tafiana haingana. Fa dia ahoana loatra ary ny fihevitsika izany. Moa rehefa maty ve mety haheno hatsiaka indray???

Mino aho fa tsy hoe mangatsiaka akory ny Razana ka mila tafina no antony namonosana lamba azy ireo fa kosa fomba fampisehoana fotsiny izao hoe “lena ve niaraka ihany ka maina vao hifanary”. Izany hoe mampiseho fa manaja ny ray sy reny na havana lasa nialoha lalana izay mamadika ka io no fomba nataon’ny nahitana masoandro dia iezahana tohizana izay tsy ratsy fa ny ratsy kosa avela tsikelikely. “Aza mitsi-padoha laka-nitana” hoy ny fitenintsika. Noho izany dia tokony avela amizay ny fomba fijery sy fomba fiteny tsy dia misy dikany mitombina loatra fa sady tsy mampisy dikany ny ataontsika ilay izy no tsy mifanaraka rahateo amin’ny foto-pinoantsika.

(Dia hatreo indray ary aloha ny androany e. Mbola hitohy tsy ho ela. Misaotra amin'ny faharetanao)


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=1532

Leave a Reply

One Response to "Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Tohiny3)