"Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Famintinana)

Published on 08/20,2006

« Teny famaranana »

Raha atao bango tokana izay rehetra voalaza izay dia hoy aho hoe tsy ratsy zato isan-jato angamba ny Famadihana ary mety ho azo atao ihany koa ny mampifanindran-dalana azy amin’ny Finoan Kristianina raha haintsika ny miaina ny Finoantsika araka ny nampitan’i Kristy azy (La Foi Chrétienne c’est une affaire d’amour). « Tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao hatao » (Aime vraiment et fais ce que tu veux). St Augustin. Hitanao nandritra izay fanazavana lavalava niarahantsika nanaraka izay angamba ny antony mahatonga ahy mandray io teny famaranana io ; afatsy dia hoe angaha tsy te-hahazo fotsiny izao ianao, (à moins d’une mauvaise foi).

« Aza matoritory manana aretina »

Manainga anao Kristianina izay mandala ny Famadihana kosa anefa aho mba tsy « hatoritory manana aretina ». Tsy tokony ho faly fotsiny hilaza hoe tsara io, fa tokony hotandremana ireo voalazantsika hoe « Indro kelin’ny mpandrafitra ». Aoka mba ho voahaja ny maha izy azy ary hahitsy izay mety ho fahadisoana teraka taty aoriana (deviation) na izay fampitarana diso toerana (exageration). Raha tsy izany dia mety ho lasa tafiditra ao amin’ny Fanompoan-tsapy sokajy faharoa sy fahatelo hitantsika tary aloha ary izy ity. Mety ho lasa fomba ihany ohatra ny finoana an’Andriamanitra fa ny fitahiana sy ny fahombiazana eo amin’ny fiainana rehetra dia any amin’ny Razana no ianteherana bebe kokoa araka ny fomba fiteny mahazatra hoe « hotahin’ny Razana e ». Heveriko fa ireo nahitantsika masoandro na ireo rehetra efa nialoha lalana antsika dia tsy izy ireo loatra angamba no hoe mitahy fa Andriamanitra ihany. Izy ireo kosa araka ny finoantsika dia mety mba efa eo akaikin’Andriamanitra (arakaraky ny famafazany teto an-tany ihany koa moa io (Mt25,31-46)) ka afaka mivavaka ho antsika (interceder). Mety ny fomba filaza moa no samy hafa fa ny hevitra mety mifanakaiky eo ihany.

Ny mety hitranga ihany koa dia ny tsy fahatongavan-tsaina intsony nefa kay ny tena efa miankin-doha tanteraka any mihitsy. Mety tsy hahoana ohatra na misy ny hohanin’ny ankizy amin’ny fahavaratra sy maintso ahitra fa rehefa fotoana Famadihana dia tsy maintsy atao izany fa tsy jerena intsony hoe inona aloha no tokony ho lasa aloha, ny mahasoa sa ny mahafinaritra. Tokony hialana tanteraka ny manao lalan-kitan-kisoa ka tsy misy fanaovana jery todika sy tsikera fa dia “teren-ko masaka toa voalobo-jaza” fotsiny izao. Tsy misy zavatra tafahoatra hono ka tsara hoy ry zareo frantsay: “Rien de trop n’est bon”, ka samia mamisavisa e! Tsy mety koa ny hoe “Tsy hita izay maha ratsy an’io fa manao daholo ny olona”. Tsy ny olona no tokony hataontsika fakana tahaka (repère) fa ny Tompo ihany. Mety hahazo 0 /20 ohatra ny maro ao ampianarana fa iray ihany no mahazo 18/20 na 20/20 mihitsy aza, tsy hoe rehefa maro no manao ny zavatra iray akory dia marina mandrakariva izay ny ataony.

“Ny marina itompoana mody heloka”

Ho anao izay manana fijery hafa kosa hoe tena « Fanompoan-tsapy ranofotsiny izy ity » dia manasa anao koa aho mba hipetraka sy handinika ireo mety ho lafiny tsara alohan’ny hanamelohana azy hoe ratsy tanteraka izy. Fitenintsika tokoa mantsy ny hoe “Heloka ibabohana mody rariny ary ny rariny itompoana mody heloka”. Midika izany fa isika rehetra dia asaina hiaina ny “fanetren-tena” ka raha misy hadisoana natao tsy tokony ho menatra ny mangata-pamelan-keloka sy mila ny fanampian’ny hafa satria ny fibebahana no hanome antsika ny rariny avy eo. Mety hisy kosa ny “marina” izay mety ho lasa hadisoana noho ny fizirizirina tsy te-hihaino ny hafa fa te-hampanjaka mandrakariva ny fomba fijeriny sy ny heviny. “Ny marina tsy misy fitiavana mandratra”. (La vérité sans la charité blesse) Ary na aiza na aiza misy ratra dia sarotra ny hino fa sitrak’Andriamanitra izany satria “Ny voninahitr’Andriamanitra dia ny mahita antsika olombelona velona sy sambatra miriaria eto an-tany” St Irenée.

Matetika rehefa misy zavatra tsy tiantsika dia haingana be isika manao teny famaranana hoe ratsy io. Toy izany koa rehefa misy olona tsy tiantsika dia na ny miantso ny anarany aza tsy ataontsika fa antsoin-tsika amin’ny asa kely fanaony fotsiny izy toy ny hoe: “ilay mpanao kiraro ve, na ilay soafera taxi ve, na ilay mpanjaitra ve, na ilay mpivarotra tavoahangy ve???” Mametraka elanelana avy hatrany eo amintsika sy ilay olona io fomba fijery io hany ka voasakana isika mba hahita (découvrir) izay mety ho hatsaràny (ses qualities). Moa tsy izany tokoa moa no nataon’ny mpiray tanàna tamin’i Jesoa raha tonga nampianatra teo amin’ny tany nahalehibe Azy Izy. Hoy izy ireo hoe: “ Hainay io e, Zanaky ny mpandrafitra io…”.  Mt13,53-58 // Mc6,1-6 //Lc4,16-24) ka nefa ny olona hafa tanàna aminy tsy mahita teny hilazana ny soa vitany sy tsy mitsahatra mametra-panontaniana hoe “Fa iza loatra ary ity lehilahy ity?”. Na ireo mpianany mpiara-miasa aminy akaiky aza dia ny fametrahana matetika io fanontaniana io (Mc4,41 // Mt8,27 // Lc8,25) no tena nahalalany ny Tompo ka nanarahan’izy ireo Azy hatramin’ny fara fofon’ain’izy ireo mihitsy.

Rehefa olona tiantsika tokoa mantsy no resahina dia toa satry foana ny hiresaka momba azy, ny hihaona aminy satria toa tsy mety tapitra ny harena misy ao aminy ka tiantsika ho hay isan’andro hianarana sy hotahafina. Mino ary aho fa ity fihetsika faharoa ity mandrakariva no tokony horain’ny tena Kristianina ho fitsipi-piainany satria misy foana ny harena azo alaina amin’ny zavatra iray raha haintsika ny manararaotra maka lesona tsara am’izany ary manitsy izay lesoka. Tsy izay tokoa ve no lazain’i Md Paoly hoe “Entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy ny zava-drehetra” (Rom8,28).

Tsy azo terena ny fibebahana fa asan’ny Fanahy Masina izany. Fitiavana Izy ka tsy manery. Isika koa mila miezaka mba hanana faharetana amin’ny rahalahy sy anabavy mety malemilemy noho isika fa tsy azo atao amboletra satria mety ho lasa heloka hoantsika izany. Tsy haintsika koa anie raha toa ka tena ataon’izy ireo izy ity ho fanomezana voninahitra ny Nahary azy e. “Izay rehetra ataonareo dia ataovy izany ho voninahitry ny Tompo” (Icor 10,31). Iza tokoa moa no mahita ny atifon’ny tsirairay??? Mety amin’ny alalan’io no itarihan’ny Fanahy Masina azy tsikelikely hahatsapany fa tena tsy misy dikany tokoa ny olombelona satria rehefa maty dia io no miseho, ataon’ny olona izay ataony fa ianao tsy mahatsapa n’inon’inona intsony fa efa maty e. Amin’izay izy ohatra dia hahatsapa fa ny zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika dia tokony ny hitady izay fomba rehetra mba hametrahana eo ampovoan’ny fiainanatsika an’Andriamanitra, fa ny sisa rehetra dia ambiny ihany. “Katsaho aloha ny Fanjakan’ny Lanitra sy ny Fahamarinany fa ny sisa homena anao ho fanampiny maimaimpoana” (Mt6,33)

“Ny vehivavy janga no hialoha lalana anareo any am-paradisa”

Sao ary isika dia lany andro mitsikera sy mitsara ny rahalahintsika ka nefa izy ireo mety manao zavatra tsara sy miezaka hanompo an’Andriamanitra fa isika mijery ivelany sy maika maika manameloka fotsiny ihany.

Mino ve ianao fa ireo Kristianina Malagasy namadika rehetra dia very any amin’ny afo mandrakizay avokoa??? Sarotra ho ahy ny mino an’izany na dia tsy mbola tany andanitra aza aho ary tsy mbola nahita olona niverina avy any ihany koa. Ento mora ihany fa aza maika manameloka fa sao tanteraka amintsika ilay teny hoe: “Ny poblikana sy ny mpivaro-tena no hialoha lalana anareo any am-paradisa” (Mt21,31). Sao dia mba ireo manao Famadihana heverintsika ho mpanota matevin-koditra sy mpanompo sampy no mba masin-toetra kokoa noho isika ary tia an’Andriamanitra lavitra noho isika.

Ho anao izay manana finoana efa matotra kosa ka mahatsapa fa tsy ny mamadika na ny tsy mamadika no inona fa ny “Finoana an’Andriamanitra ho fototry ny zava-drehetra ary Izy ihany no afaka mamonjy antsika” dia misaora Azy mandrakizay fa fanomezany maimaim-poana izany finoana matotra anananao izany. (Foi adulte). Aza omena tsiny be fahatany ihany koa ireo izay manameloka bontolo be izao ity fomba ity fa ento mora satria tsy azo atao ny tonga fanafintohinana hoan’izay malemy noho ianao. Hoy mantsy I Md Paoly hoe: “ Ny amin’ny hena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika ihany, fa samy manam-pahalalana isika rehetra. Ny fahalalana anefa mampiebo, fa ny fitiavana no mpandroso…Tandremo anefa sao manafintohina ny malemy izany fahalalahanao izany…” (Vakio manontolo ICor8). Raha fintiniko eto ny hevitra ambaran’io toko faha 8 io (par rapport à notre sujet) raha miainga amin’ny laza adina vahavahaintsika eto dia toy izao: “Na dia hainao aza fa rehefa Andriamanitra no hany Hery itokianao sy apetrakao eo afovoan’ny fiainanao manontolo ka tsy ny mamadika na ny mamadika no hahavery anao amin’ny afobe na hahavonjy anao fa ny Finoana an’i Jesoa ho Mpamonjy (“Tsy ny asa andidian’ny lalàana no anamarinana ny olona fa ny finoana an’i Jesoa Kristy”Gal2,16); dia aza terena hino izay inoanao na hanao izay ataonao ny hafa fa tsy nahazo ny fahasoavana mitovy ianareo. Raha azo atao aza dia atao eo imasony ny ataonao ho fanajana azy sy ny Tompo izay nahafoy ny Ainy ho azy ihany koa. Ho azy ireo mantsy mety ota be tsy misy famelana ny manao Famadihana, dia hajao ny finoany fa aza terena izy sao lasa fanafintohinana hoazy ny ataonao ka heloka ho anao indray izany. Mivavaha fotsiny fa mba ho tsapany miandalana fa ny Finoana Kristianina dia tsy fitandremana fomba ivelany ihany fa ny Fo enti-mitia ny Tompo no tena izy.

Hevitro izany, Finoako izany ary tsy afeniko aminao fa ireharehako satria hare-ko na ratsy na tsara : « Ny agnaran-dray tsa afify e ». Mety ho hafa ny fijerinao, manaja ny hevitrao aho, manasa anao ihany anefa aho mba handinika lalina sy miadana sao dia mba ho marina ny ahy indray andro any na dia diso aza izy anio. Averiko indray ny fiteniko tany ampanombohana hoe izay tsara dia tokony hiezahana tohizana, fa izay lesoka kosa mila fanarenana haingana na fanafoanana mihitsy aza satria : « Ny Malagasy no tokony hiezaka ho tonga Kristianina fa tsy i Kristy no ho terentsika ho tonga Malagasy”

Dia izao e ro mandavà !!!


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=1682

Leave a Reply

One Response to "Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Famintinana)