"Sampy daholo ve ny sary vongana rehetra?" (Famaranana)

Published on 10/03,2006

Raha fehezina ny tafa dia hoy isika hoe : ny Katolika tena te-ho matotra amin’ny finoany dia tokony hiezaka hiala tsikelikely amin’ny firaiketana diso tafahoatra amin’ny fitaovam-pivavahana (objets de piété) izay mety hanalavitra ny fampianaran’ny Evanjely raha tsy mitandrina satria « Rien de trop n’est bon » hoy ny frantsay. (ratsy avokoa rehefa tafahoatra). Loza mitatao mantsy no mety ho vakatr’izany na dia mety tsy ampoizina akory aza. Mahatonga antsika hihidy ao anaty famitahan-tena indraindray izy ireny ary mahatonga antsika halemy eo antrehan’ny finoana jentilisa ka mety hianjera any sady mety tsy dia ho fitaovana mahomby amin’ny fijoroana ho vavolom-belona mahatarika ny olona loatra koa angamba…Samia mamisavisa e

Mazava fa tsy manameloka ny sary vongana na ny zavatra hafa amin’ny maha izy azy isika fa ny mila tandremana fotsiny dia ny tsy fiankinan-doha tanteraka amin’izy ireny. Azo ampiasina izy ireny fa ilaina ahîna tanteraka ny hiainana finoana marina, tena velona sy lalina mifamatotra tanteraka amin’ny zama-misy aram-panahy. Tsy tokony ho hadino rahateo ny tsy dia hanafintohina ny manodidina satria ny tena kristianina dia tokony ho vavolombelon’ny tena finoana sy ny fitiavana ny rahalahy.

Heveriko anefa fa raha tiantsika ny hilaza hevitra manoloana ireo heverintsika ho fanompoana hery hafahafa dia tokony hataontsika amim-pahatsorana sy fitandremana ary faharetana izany. Tsy amin’ny fitsikerana azy tsy misy antra (sauvagement) ny fomba fivavaka mahazatra ny olona hatrizay no hanitsiana ny olona. Mety hiteraka tsy fifankahazoana (incomprehension) vaovao indray izany na mety ho ady mihitsy aza no hiafarany na mety ho voampanga indray ianao fa manana toentsaina sekta mpanohitra katolika, fa indrindra hoan’ireo izay efa nifikitra tanteraka amin’izany. Ny tena tanjona dia ny mandresy lahatra amimpanajana ka tokony hialana lavitra ny fizarazarana sy ny adilahy tsy ilaina. Aoka hanana faharetana sy fanajana ary halemem-panahy isika : « Aoka ho vonona mandrakariva hahay manazava ny fanantenana ao aminareo ianareo. Ka nefa ataovy amim-panajana sy halemem-panahy izany. » (1Pi3, 15-16; ITim5, 1; IITim4, 1). Aoka hiezahantsika ny mba hampifantoka ny zava-drehetra ao amin’i Kristy (tout recentrer sur le Christ) sy ny Tenin’Andriamanitra mba hamohafohazana ny fanahy amin’ny finoana lalina sy matotra. (foi profonde et intelligente).

Raha misy anefa efa miharihary izao ny mila ho fanompoantsampy sy finoanoam-poana dia atao ahoana ny tsy hiteny avy hatrany amin’ny hasarotam-piaron’ny finoana tena izy? Toa an’i Jesoa tamin’ireo mpivarotry ny Tempoly (Jn 2, 16-17), na i Moizy teo anoloan’ny zanak’omby volamena (Ex32,25-35). Tsy nisalasala izy ireo nanapatra hery mba hiarovana (pour purifier) ny maha izy azy ny tranon’Andriamanitra.

Hoan’ireo izay miampanga ny Katolika ho mpanompo sampy dia aza hadino ny tenin’i Paoly : « Madio ny zava-drehetra hoan’izay madio (tout est pur pour qui est pur) » (Tite 1,15). Ny fampiasana famantarana sy sary masina dia madio (pur) hoan’izay manompo an’Andriamanitra amim-pahamariana amin’ny fo madio sy mahitsy. (Jn 4,23)

Alohan’ny hilazana fa fanompoantsampy dia jereo ihany aloha ny vokatry ny evanjely ao. Tsaraontsika amin’ny voany ny hazo (Lc 6,44). Raha ny finoana an’i Kristy, miaraka amin’ny fitiavanamana (charité), ny fiadanam-po (paix) sy ireo hasambarana lazain’ny evanjely dia samy hita taratra ao amin’izy ireo daholo, aza maika kosa ianao ny miampanga azy ho mpanompo sampy eee !!!

Diniho kely ange e !

Dia ny tena finoana sy ny tena fampianaram-pinoana katolika manontolo ve izany no efa diso tanteraka manerana ny tany ? (Univesellement perverties). Dia tsy misy mpiandry ondry na mpino katolika mba mazava fijery sy mahitsy ary « teraka indray » sy tarihin’ny Fanahy Masina mihitsy ve izany ao ka afaka manatsikafona ireo heverinao ho fanompoantsampy ireo. 

Dia sanatria ve ho jamba daholo na tsy mahay ny Baiboly avokoa ireo pretra na relijiozy na lahika katolika ka dia hoe hilentika tanteraka ao anaty hadisoana na fanompoanatsampy araka ny fihevitrao azy ??? Mino ve ianao fa dia adala daholo izy ireo na dia minia mikimpy fotsiny izao ???(Stupides ou de mauvaise foi)

Efa niaikay isika fa hoe matetika tokoa ny sarambabem-bahoaka no mila hirona ao amin’ny finoanoam-pahatany sy ny fisainana mazia mazia. Ekena am-panetren-tena izany ary tsy maintsy tsaboina koa. Fa ny mihevitra kosa hoe ny katolika rehetra dia manompo sampy, dia hoy izahay hoe dia mba mariky ny tsy dia fisainana lavitra loatra kosa angamba izany. Na koa fandraisana ara-bakiteny sy amim-pahajambana ny Baiboly.

Aleo tsy dia mandany andro loatra amin’ny fizarazarana fahatany vokatry ny ady noho ny resaka sary izay mila hitovitovy amin’ny resaka hena natolotra tamin’ny sampy tamin’ny andron’i Paoly (Icor10,23 ss) isika. F’andao kosa samy hanao ezaka mba hanameloka ireo tena sampy izay mivandravandra sy mahasarika bebe kokoa ny olona noho ny resaka sary vongana, dia ireo zay tsy eken’ny Tenin’Andriamanitra izany toy ny :

-Filandratsin’ny nofo sy ny fitiavana hafaliana diso toerana miharo fitiavan-tena izay mila hanandevo ny olona mihitsy. (Ijn2, 16).

-Ny vola, fa indrindra raha lasa tompointsika izy (Mt 6,24)

-Ny fahefana sy ny voninahitr’olombelona

-Ary aza hadino ny fanompoana ireo fanahy samy hafa toy ny fanahin’ny maty, ny fanandroana isan-karazany, ireo fahefana kely madinidinika tsy dia mazava loatra, ny filana vonjy amin’ireo mpimasy sy fampiharana nentin-drazana mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Evanjely (ny fanaovana sorona, ny fiarovana sy ody maro)...Ny finoana ny fanandroana sy ny faminavinana ny lasa na ny hoavy (pratiques divinatoires) izay tena fanompoantsampy ka tsy sitrak’Andriamanitra (Dt 18,10,12). Ireo no tena tokony hiezahana hofongorana fa tsy lany andro amin’ny adim-borotsiloza isika!!!

Misaotra amin’ny faharetana dia se afara koa ee!


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=1919

Leave a Reply

One Response to "Sampy daholo ve ny sary vongana rehetra?" (Famaranana)