Afrikana, avy any Madagasikara :
Dia misaotra anareo rehetra izay nanafana ity kianja kely ity tamin’ny fanomezana ny hevitrareo mikasika ilay lohahevitra natsidiko kely teto. Hitako fa efa ela no nilaozanareo ity fifampizarana ity, ka nefa araka ny nampanantenaiko dia mba hilaza ny tena hevitro amin’izay aho fa mba efa malala-dalaka rahateo moa ny fotoana izao fa fialan-tsasatra e.
Tsy fifandirana moa izy ity na hoe fifamaliana sanatria fa mba fifampizarana hevitra ihany. Ny mety hilazana azy angaha dia hoe fizarana ny fomba fahazahoana ny zava-misy. Amiko mantsy dia tsy hoe zavatra miova araka ny hevitry ny tsirairay io fa zavatra azo heverina ho toy ny kajy ihany. Izany hoe io no eo fa ny fomba famaky azy no mety hiova arakarakan’ny zavatra hitan’ny tsirairay sy ny fahareseny lahatra.
Izao ary no mba fomba fahitàko fahitàko ity toe-javatra ity raha tsotsoriko malakilaky eto:
Kontinanta sa Firenena, sa Tanàna : Raha misy olona mandeha ivelan’i Gasikara dia fomba fiteny ny hoe : lasa any « an-dafy », na hoe any « am-pita. » Raha miainga amin’ny fandrasana ireo teny ireo isika dia mazava ny hafatra ambara fa hoe lasa nihazo tany hafa ankoatran’i Gasikara : miampita eny an-dafy milaza fiampitana rano, satria moa Nosy i Gasikara mamintsika. Raha io dikan-teny io no iaingantsika dia mazava fa raha ny tokony ho izy izany dia rehefa miampita ny ranomasina manodidina an’i Gasikara dia tokony hitombona mandrakariva io fomba fiteny io « expression » (mazava loatra raha hiteny an’Anosibe sy Sainte Marie na nosy hafa mbola anatin’i Madagasikara isika dia tsy fampiasa loatra ireo teny ireo satria na dia miampita rano aza dia mbola eto Gasikara ihany izany).
Ny mahatalanjona ahy anefa dia raha misy mandeha any amin’ny firenena iray ato amin’ny kontinantan’i Afrika dia miova avy hatrany ny filazan’ny maro azy : « lasa any Afrika izy ». Toa hotran’ny hoe tanana iray ny fiheverana ilay hoe Afrika. Toa sahala amin’ny anarana Firenena izany ny fiheverana ilay hoe Afrika na ho mety ho toy ny tanànana mihitsy aza hoan’ny sasany. Toa sahala amin’ny hoe avy ao Antananarivo lasa any Fianarantsoa izany ny fijery azy.
Ny fantatro anefa hatramin’izao aloha dia firenena roa no mitondra anarana hoe Afrika dia « Afrique du Sud » ary ny « République Centre Africaine » (mba hanondroana mazava ny toerana misy azy ato amin’ny kontinanta angamba no antony), fa ny sisa dia firenena samy manana ny anarany daholo. Ka raha misy ny olona mankany amin’ny firenena iray amin’ny kontinanta hafa dia mazava ny fomba fiteny hoe lasa any an-dafy izy, any Frantsa na Italia na Canada na Grande Brétagne sy ny sisa hafa ihany koa. Fa raha nisy olona nankany Cameroun ohatra na Sénégal na Congo, na Kénya na firenena iray hafa aty amin’ny kontinanta misy antsika dia tsotra ny resaka, lasa any Afrika izy. Fa moa ve firenena, sa tanàna na renivohitra ity hoe Afrika ity e? Toa kontinanta hono izy izao kouu, ary ao anatiny ao i Madagasikara, izany no mba henoko tany an-tsekoly ka asa raha efa niala tao izy hatramin’izay tsy namerenako lesona izay intsony na mbola ao ihany. Mino aho fa mbola tsy niova izy io kaaa, toa mbola ao ihany i Madagasikara.
Tsy mitovy, fa hafa ny Malagasy ? Na dia samy ato amin’ny kontinanta iray anefa dia mazava loatra fa tsy mitovy ary tsy ho azo afangaro amin’ny Camerounais na Sénégalais na ny avy amin’ny firenena hafa ny Malagasy. Tsy mitovy mihitsy isika na fomba na toe-tsaina na kolon-tsaina, na volon-koditra koa aza, saingy tsy midika izany hoe mivoaka tao amin’ny kontinanta isika satria hafa noho izy ireo. Ny tenako mba nipetraka tany amina firenena iray tany Afrique centrale 3 taona eo ho eo (Afrika moa no filazan’ny malagasy maro azy fa ny ahy avahako araky ny faritra hoe: Afrika avaratra, na Afrika antsimo, na Afrika afovoany Afrique Australe, araky ny fomba fitenin’ny mpahay jeografia azy)ary fantatro ny maha samy hafa antsika Malagasy amin’ireo mponina any. Misy koa anefa ny itovizany amintsika ary mino aho fa betsaka kokoa ny itovizantsika amin’izy ireo amin’ny kolon-tsaina noho ny itovizan-tsika amin’ny aziatika na ny eropeanina na ny amerikanina na dia ny kontinanta eropeanina ihany aza no efa mba nonenako kely ihany koa. Ny espagnole koa anie tsy mitovy velively amin’ny frantsay sy ny italiana e, fa samy eropeanina izy ireo. Na ny samy gasy aza anie samy hafa e. Ny tenanay izao dia Betsileo, ary ireharehako izany, ka nefa izaho koa dia Malagasy mitovy amin’ireo Malagasy hafa foko amiko. Tsy mitovy ny fisainana sy ny fomba any Mananjary sy any Antseranana, fa samy malagasy ihany koa izy ireo ireo. Ny zavatra mahafaly ny Betsileo mety ho loza hoan’ny mponin’i Mananjary, ohatra akaiky ; ny zaza kambana ariana hoan’ny olona sasany satria loza, nefa hoan’ny hafa ireny dia loharanon-kafaliana tsy manampaharoa sy tsy manan-tsahala hoan’izay niteraka azy. Dia samy malagasy ihany anefa na dia mifanipaka fomba fijery toy izany aza. Dia toy izany koa heveriko ny Malagasy manoloana ireo rahalahiny sy anabaviny any amin’ny firenena hafa ato amin’ny iray kontinanta voafaritra fa misy azy. Ireharehako ny maha Malagasy ahy, fa ao anatin’ny kontinanta iray izahay dia ekeko ampitiavana koa fa afrikana aho satria ao anatin’izany kontinanta izany I Gasikara tany nipoirako ary mamiko. Tsy mifanohitra velively izany amiko. Raha ovaina koa ny kontinana misy an’i Gasikara indray andro any dia ekeko moramora ihany koa izany satria tsy mampiova ny maha Malagasy ahy na dia kely aza.
Mainty hoditra ny afrikana? Matetika dia matetika dia raha vao miteny hoe Afrika dia tsy ny maha kontinanta azy no tonga ao antsain’ny olona fa sarin’olona mainty be sy ny ady na zavatra hafa ihany koa. Marina fa ny ankamaroan’ny gasy dia saika mazavazava hoditra miohatra amin’ireo rahalahy sy anabavy ireo. Fa midika inona moa izany? Ny gasy koa anie misy loko isan-karazany e, fa samy gasy ihany. Ankoatr’izay koa, araka ny nambaran’I Bekoto dia mba efa nandalo tao Etiopia aho indray andro dia talanjona fotsiny fa toa sahala amin’ny hoe any Tanà na any Antsirabe izany no fahitako ny volon-koditry ny olona saingy tsy miteny Malagasy fotsiny, toy izany koe ireo eritreana sy iny tany mifanakaky amin’ny faritra misy azy iny. Ary indrindra indrindra moa ireo any Afrika avaratra, ireo arabo : Maroka, Tonizia, Algeria…dia fotsy lavitra noho isika izy ireo ka nefa dia ato anatin’ny kontinanta ihany. Manaraka ireo zavatra atao aty amin’ny kontinantantsika izy ireo, anatin’izany ohatra ny « Can » amin’ny foot ball izany, mandray anjara ao izy ireo fa tsy manao « Euro » na « Copa america » akory… Toy izany koa any Afrika antsimo, Zimbabwe iny misy ireo fotsy hoditra tsy nody ary tena anglisy razana mihitsy fa tsy menatra izy ireo na malahelo na tezitra amin’ny maha afrikana tantsimo azy. Sady izao koa anie no tokony tsy hadino e, raha aty eropa isika dia miavaka hoazy ny lokontsika sady avahan’ny olona rahateo moa, eny fa na dia ireo malagasy tena fotsy mila ho vazaha irony aza izany : raha any Italia isika antsoin’izy ireo hoe « di colore » satria ry zareo moa izany fotsy angaha dia tsy manan-doko (neutre), any Espagne antsoiny hoe « negros » any Frantsa na Suisse francophone na tany hafa miteny frantsay dia antsoiny hoe « noirs », ny hoe africain moa mazava hoazy dia manaraka eny ihany koa, ary ho ahy dia tsy mandratra ahy velively izany satria heveriko fa mifanaraka amin’ny zava-misy sady tsy mampiova ny maha Malagasy ahy rahateo fa indrindra moa ny maha zanak’Andriamanitra ahy. Fehiny: amiko manokana dia tsy antony (raison) handavana ny maha anatin’ny kontinantan’i Afrika antsika velively raha ny fihodira izay mety mampiavaka antsika satria tsy mampiova ny fizarana ara-jeografika misy izany. Ny italiana sy ny frantsay koa tsy mitovy loko nefa samy eropeana. Ny amerikanina koa misy maintsy ary misy fotsy, nefa samy amerikanina ihany.
Mahantra ny afrikanina? Raha vao miteny afrika koa isika dia ny fahantrana sy ny jaly ary ny fahoriana ao amin’io kontinanta io no eritreretina avy hatrany ka mahatonga ny sasany tsy te-handré mihitsy hoe afrikana. Tsy antony tokony hitsoahana koa izany amiko satria tsy izany akory Afrika, fa trangan-javatra misy ao ihany izany toy ny any an-kafa ihany koa e, misy ny tsara ary misy ny ratsy. Isika koa anie tsy dia hoe manankarena mankaiza e. Asa fahatelo fa faharoa avy any amin’ny gisitra angamba isika raha ny harin-karena no jerena, ary maro amin’ny firenena ato amin’ny kontinantantsika no matanjaka ihany koa ara-toe-karena. Raha nandalo tao amin’ny aeroportn’i Adis Abeba aho araka ny nambarako ery ambony ery dia nanampim-bava fotsiny amin’ny habeny sy ny hatsarany. Be mpilaza toy izany koa iny Lagos iny, iny Douala iny, fa indrindra moa ao Johannesbourg dia goavana izay tsizy, na i Fiumicinon’i Roma aza tsy afaka mifampitaha aminy akory. Mahita ireny ny tena dia toa misalasala aza hiantso an’Ivato hoe aeroport international. Tsy hanaratsy ny an’ny tena sanatria, fa ireharehana io satria io no antsika, fa kosa mba hilazana hoe tsy dia zavatra ratsy ihany akory no misy any amin’ireo firenena manodidina antsika fa maro koa ny zavatra tsara, mety tsy hananantsika velively aza.Tsy fifandresen-dahatra moa izy ity fa mba fifampizarana fomba fahitana ny zavatra ihany. Hajaintsika ny tsirairay, satria ao anatin’ny olona 1000 hono misy « marina » 1000. Fa ny tena « Marina » moa dia Andriamanitra ihany, na dia mety misy aza ny « marina » ifarahan’ny olom-belona satria mifanakaiky kokoa amin’ny maha izy azy ny zavatra iray.Mazotoa daholo e, ary asandrato ny antsika fa tsara io eeee, na i Gasikara tany nipoirana izany na i Afrika kontinanta faritra jeografika misy antsika… hatramin’izao aloha, …mandram-piovany, …raha hiova. Fa izay te-hiova sy tsy manaiky an’io koa tsy dia tsy terentsika velively fa afaka manaja ny safidiny sy ny fahafahana maha zanak’Andriamanitra azy izy.Misaotra antsika aby ! Se afara koa!!!!!