Mody manetry tena mba hahasandratra ???

Published on 09/02,2007

Miverina matetika ao antsofintsika ity fampianarana momba ny fanetren-tena ity (Lk14. 1a,7-14) ary mino aho fa azontsika tsara satria mazava be fa saingy ny mampihantra azy no tena sarotra. Aza mifidy ny toerana any aloha sao afabaraka raha tonga ny olona manan-danja kokoa noho ianao…

Maro amin’ireo eveka hono no mijaly amin’ny famindran-toerana ireo pretrany izay nanao itony « spécialisation » itony satria samy efa manomana toerana heveriny ho sahaza azy ny tsirairay ao andohany ao. Ny sasany mbola any Roma dia efa manoratra amin’ny evekany hoe ilazao ny conférence épiscopale fa vita ny doctorat-ko sao misy grand séminaire mitady mpampianatra. Izany hoe izy ihany dia efa mahavita ny « affectation » hoazy…Ny relijiozy koa tsy lavitra an’izany ny mahazo ny provincial na régional, ry pasitera no tsy haiko raha mba miandry affectation koa …Anio i Kristy dia mampianatra fa izay manetry tena ihany no hahazo hafaliana maharitra.

Misy koa anefa ny mandray ity fampianarana ity ho fianarana stratejia hiakarana toerana bebe kokoa.. . Mody manetry tena..kay mila fanandratana…Nisy hono pretra iray nantsoin’ny Papa Pio XII dia nilazany hoe ianao nofidiko ho evaka amin’ny diosezy iray. Namaly ity farany hoe “tsy mendrika an’izany aho Papa ray masina” dia hoy ny Papa hoe, tsy manino ary raha tsy mendrika ianao fa voatery hitady hafa aho izany… Dia nody ilay ranamana nalahelo saika nitomany….Tsy izany koa no faretre-tena ampianarina antsika anio… Mody manetry tena nefa kay feno faniriana mafy ao am-po.

Mietry tena izay miaiky fa toy ny tany (humus, hoy ny latinina): izany hoe voafetra. Ny tany koa anefa dia afaka mamokatra raha manaiky ho lonahin’Andriamanitra ka afaka hanasoa ny hafa. Tsy faretre-ntena ihany koa izany ny milaza hoe “inona moa izahay, tsy mahavita inona fa tsinotsinona e”..Voafetra isika, saingy asan-tanan’Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra ihany koa ka afaka manao zavatra raha mety hampiaNy.Ny manetry tena izany dia izay mahay miaiky sy mifaly amin’ny talentany sady miaiky am-pitiavana fa manana kilema ary vonona ny hioitra. “Sambatra izay mahay mitia ny tenany, fa hahay mitia ny hafa izy, sambatra izay mahay mihomehy ny kilemany fa tsy hitsahatra mihomehy izy…” (Tsy tafintohina izy na analana momba ny kilemany aza satria efa hainy mialoha ary ekeny am-pitiavana.) Loharanom-pahasambarana ny fanetren-tena fa tsy ny fanaovana “course au pouvoir.”

Asaina mitia maimaim-poana koa isika. Maro ireo olona tsy hay iraisa-miaina ao antrano, nefa any ivelany izy dia mova tsy olo-masina!!! Raha tsy haintsika ny mitia ny akaiky antsika, ahoana no hahaizantsika mitia ny mahantra maimaim-poana. Mety ho tia mahantra koa anefa isika, tsy mila tambiny materialy, saingy mila tambiny ara sosialy na moraly???Te hahazo fankasitrahana sy doka hoe tsara fanahy i moperanay na ilay prezidànay na maseranay na pasitera… Mahafinaritra antsika ny mifanasa: hihinana glasy na zava-pisotro, ny mirevy hoy ny tanora , fa na ny manome 50 centimes aza hoan’ireo mahantra dia mafy hoantsika…Ampianarin’i Kristy isika anio hoe ataovy maimaim-poana fotsiny izao. Ka raha miangona ary ianao anio, mila manontany tena sao dia satria teren’ny toerana misy ka menatra raha tsy miangona. Sao dia mba te hohitan’ny olona hoe tia vavaka? Na koa aza sao dia te-ho any an-danitra na matahotra ny afobe??? Hoy i Kristy hoe: “Tiavo aho maimaim-poana, tsy hoe satria te hahita ny lanitra ianao, na matahotra ny afobe, fa satria ny mitia Ahy mimaim-poana dia fototr’hasambarana”. Raha tonga amin’izay isika dia efa mba manomboka mahay mitia marina an’Andriamanitra…Andao hiezaka, hianatra tena manetry tena.... 


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=3330

Leave a Reply

One Response to Mody manetry tena mba hahasandratra ???