Maty noho ny finoany!

Published on 14:46, 10/21,2008

Raha misy ny faratapony amin’ny fijoroana ho vavolom-belona amin’ny maha mpino kristianina dia inoako marimarina fa tsy misy mihoatra ny fanolorana ny aina noho izany finoana izany. Io ilay antsointsika amin’ny fiteny mahazatra hoe “Maty maritiry”.

Rehefa tonga amin’izay dingana izay ny mpino iray dia heveriko fa efa tena lasa fiainany tokoa ny Tompo fa tsy Andriamanitra mpamonjy voina (dépaneur) fotsiny ihany. Mbola maro tokoa mantsy indrisy ny manana fifandraisana amin’Andriamanitra toy ny mifandray amin’ny pompier sy ny polisy ka rehefa sendra ny sarotra ihany vao mahatsiaro mitodika Aminy fa rehefa manga ny lanitra dia mahavita tena. Ny ataontsika ihany no ataotaontsika hoy Samoela izay. Rehafa may ihany ny ady vao mitodika any Aminy. Dia ataontsika dépaneur tokoa moa Izy raha izay no mbola fifandraisantsika Aminy. Ny manana finoana matotra dia heveriko fa izay tsy afaka manao zavatra iray intsony ka tsy ieritreretany ary tsy iantsoany an’Andriamanitra…

Sarotra hoan’izay tonga amin’izay dingana izay ny hilomano ao anatin’ny ota na dia mety ho solafaka toy ny besinimaro ihany aza izy… Tsy mitovy mantsy ny solafaka amin’ny fahotana sy ny milomano ao amin’ny ratsy tanteraka. Ity farany ity dia efa mionona amin’ny toerana na toetra misy azy ka tsy mahatsapa ny ilàna ny fiovàna intsony…..Efa lasa manana rohim-pihavanana amin’ny fahotana mihintsy ka na dia mety hamono olona izao aza dia efa tsy manenjika azy intsony ny eritreriny…efa lasa normale izay ratsy rehetra mahazatra azy ka milamin-tsaina tanteraka izy….Indrisy misy izany…

Nisy pasitera iray hono nalaza mampiroborobo fiangonana be ka izay tany amindrana azy dia feno mandrakariva ny trano fiangonana. Te-hitsapa ny tena halalin’ny finoan’ny kristianina tao amin’ity fiangonana nisy azy àry ity pasitera iray izay tezitra tamin’ny fandaozan’ny kristianina tany aminy hamonjy ilay malaza mahay mitory teny ka niditra taratara tao ampiangonana izy raha iny nampianatra tsara iny ingahy rapasy malaza mahavory olona.

“Izay tena kristianina dia aza mihetsika fa hotifiriko amin’ity basy ity mba ho tena maritiry tsara araka ny finoanareo” hoy ity ranamana mifono ny lohany (manao cagoule izany) sady narangarangany ny basy teny an-tanany…

Tapitra nitsoaka hono ny “mpino” afatsy ingahy pasitera izay tsy afa-nanoatra sy ireo ray amandreny sasantsasany efa tsy manana hery firy hoenti-miriotra mafy intsony ary ireo manana aretim-po ka tsy afa nihetsi-mahery…

Teo dia nesorin’ilay pasitera ny saron-dohany ary nariany ilay basin-jaza kilalao teny an-tanany ka hoy izy hoe: “Tohizo pasitera ny fanompoam-pivavahana fa nivoaka daholo ny mpihatsaravelatsihy fa isika tena te-ho kristianina no sisa.”!!!

Mampieritreritra izany o!!! Impiry tokoa moa ny mpitory teny no lasa mitory Tena ka manangona ny olona hanodidina azy fa tsy manampy azy ireo kosa ho MPIANATR’I KRISY, hany ka ny vokatra tsy lalim-paka fa ny “lazany ro magneohoeo madigna”…. Dia mba tsa ho toy izany anie isika sy ny mpitondra ny Fiangonantsika…

Tonga dia salamà eee Se afara koa


Ny Baiboly sy ny Telephone portable

Published on 06:56, 10/11,2008

  Naharay email tamin’ny namako anankiray aho andro vitsivitsy lasa izay ary lasa ny saina nandinika ity fifampizarana kely nataona Eveka Camerounais iray nalefany tamiko. Efa mba ela ihany no nieritreretan’ny tena ny zavatra toy itony fa rehefa misy olon-kafa milaza azy moa ny zavatra iray dia mainka koa manainga ny fisainana sy manery ny tena hiato sy handinika misimisy kokoa. Resaka momba ny fiainan’ny Kristianina andavan’andro sy ny fiainany ny Tenin’Andriamanitra moa ilay izy. Tsapa ary tsy iadiankevitra tokoa mantsy fa ny tsy fahampian’ny ezaka ataon’ny tsirairay hamaky ny Baiboly no mahatonga ny finoana tsy tena ho latsa-paka ka zary kristianina anarana ny maro an’isa. Raha mba nataontsika toy ny fifandraisantsika amin’ny tontolon’ny Finday tokoa mantsy na ireo zavatra moderina amin’izao ka tsy afa-miaina intsony isika raha tsy misy azy dia inoana sy tsy isalasalana fa ho zavatra hafa noho izao iainantsika izao ny tontolo ifamoivoizantsika ankehitriny.

Diniho tokoa ange e!!!

Alaivo sary antsaina tokoa anie raha tao ka ataontsika toy ny ampiasaintsika ny telephone portable ny fampiasantsika ny Baiboly!

Raha toa ka entintsika manaraka antsika mandrakariva ao anaty kitapo kely fitondrana ny atotan-taratasy tsy misaraka amintsika ireny, na afatotra eo amin’ny andilana amin’ny fehikibo toy ny fitondrantsika ny portable ireny na ao anaty paosin’ny palitao na akanjo mafana?

Raha jeren-tsika isan-tsitaitaika mandritry ny andro toy ny portable rehefa hijery sao misy sms iny isika ?

Raha toa ka miverin-dalana mihitsy isika raha sendra hadino any antrano izy eo ambony birao ?

Raha ampiasaintsika izy handefasana hafatra matetika any amin’ny namantsika ?

Raha toa ka tena ampiasaintsika lalandava izy ka zary toa tsy afa-miaina intsony isika raha tsy misy azy ?

Raha toa ka omentsika ny zanantsika izy mba hoan’ny sécuritén’izy ireo sy mba hahafahantsika mifandray amin’izy ireo mandrakariva ?

Raha toa ka entintsika mivahiny izy mba hitsinjovana ny tranga mety hilàntsika vonjy na fanampiana eny andala eny ?

Raha toa ka vantany vao misy loza mananontanona na loza manambana iny dia izy avy hatrany no raisin’ny tanantsika voalohany ?

  « Aoka ho eo ambavanao lalandava ny teninin’ny Lalàna »   Jos 1,8.

Tsy tokony ho hadinontsika anefa fa ny Baiboly dia tsy mba toy ny telephone portable fa izy dia misy réseau lalandava na aiza na aiza alehantsika ka azontsika atao mandrakariva ny manokatra azy na aiza na iza misy antsika.

Tsy misy hampitebiteby antsika ny resaka vidina credit satria efa naloan’i Kristy avokoa  ny facturen-tsika rehetra ary ny crédit dia tsy lany mandrakizay.

Manampy an’izany : ny fifandraisana tsy tapaka na oviana na oviana ; ny bateria dia feno mandrakizay mandrakizay….

« Ataovy ao am-ponao ny Teny » Job 22, 22.

“Tadiavo ny Tompo dia ny mbola mety ho hitanao Izy, antsoy Izy dia ny mbola akaiky.” Izaia 55,6.

 

 


BEMOLANGA

Published on 07:24, 09/19,2008

Koa satria moa RFI ihany no mba radio mpandrotsirotsy ny tena rehefa aty amin'itony tany iasana lavidavitra ny Nosy malala itony...ary koa satria société française ny Total dia ankalazainy tanteraka ny resaka mikasika azy... teo ampihainoana ny filazana ny petrole any gasikara ny tena dia nikoropaka namaky tetsy sy teroa fa tara vaovao eo ka sao ilaozan'ny olona lava...Teo ampamakia ary dia toa mba velom-panantenana ihany hoe raha izao no mitohy dia mety ho zary zava-misy ihany ny hiran'i Mahaleo hoe Rahoviana no hitranga asa angamba atsy ho atsy dia ho tonga i Bemolanga, isika tsy ho lany vatsy....Hotanteraka tokoa anie izany... jereo moa ity link manaraka ity raha toa ka tsy naharaka io vaovao io ianao e.
http://fr.allafrica.com/stories/200809180005.html

Izay efa naheno moa dia aza esoina amin'ny fihomehezana izahay fa lavitry afo ny kitay eeee

Tonga dia salamà


Ampiasao ny Kapaoty Anglisy

Published on 09:27, 09/17,2008

Raha ity resaka kapaoty anglisy ity no hatomboka dia mino aho fa ho lava ny fifampizarana satria dia samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay. Misy ny milaza fa tsara ny fampiasana azy e, misy kosa ny milaza fa tena tsy misy ilana azy io fa mamporisika ny olona amin'ny filan'ny nofo fotsiny nefa ny aretina tsy mihena velively ny fiparitahany. Misy aza moa milaza fotsiny izao fa raha tokony hiaro amin'ny aretina izy itony dia mainka koa aza manome aretina mivantana fotsiny izao...Nisy kapaoty iray kontenera hono tao Cameroun tao indray mandeha efa infecté n'ny VIH mbola tao anaty fonosana mihitsy ka dia nodorana manontolo...izay efa nampiasa moa izany dia mazava loatra fa tratra eeee... "Fatram-pitady ny manganana hono ka tratran'ny mangidy tsy ho telina". Aza mba voany ihany!!!

Tsy hilaza ny hevitro aho fa tsy dia spécialisten'ny sexe loatra fa zavatra hafa tena hafa tsy mikasika firaisana ara-nofo mihintsy no amporisihako anao hampiasa azy io...

Ho gaga angamba ianao hoe inona koa ity sampona holazain'i dadafara ... tsy sampona ary tsy angano fa azonao andramana avy hatrany fa tena azo ampiasaina amina zavatra hafa mahasoa izy io kay re olona eee. Misy raha any eto an-tany eto eee!!!

Vokatry ny resaka sy ny fifampizarana tesy sy teroa dia nisy nanoro ahy fa misy menaka izany hono izy ireo (ny kapaoty io) ary io menaka io dia tena mampaniry ny volo efa sola...

Nihomehy toa anao eto ampamakiana ity fifampizarana ity koa ny tenako vao naheno izany... Nisy anefa ny nijoro ho vavolombelona dia tsy nihomehy intsony aho fa nitahiry izany tao am-poko, (miala tsiny amin'ny fomba filazako azy) ary dia nizara ny lesona tamin'ny namako tsikelikely araka izay vitako aho avy eo.

Misy namako ary efa tena nangarangarana ny lohany toy ireny voatavo ireny ka nilazako mangingina io resaka io izy. Rafitra nanandrana koa ilay ranamana ary dia gaga aho fa mbola 12 andro monja izay no nanombohany (alohan'ny hatory hosorana ny faritra sola) dia efa rakotra volo malemy maniry ny lohany... Mino aho fa afaka iray volana any dia tsy hahalala azy intsony izay mifanena aminy zatra nahita ny lohany mamirapiratra taranin'ny masoandro fa solapaiko teo...(Indrisy tsy azoko atao ny maka sary azy dia hataoko tantely afadrakotra eto ny maha olona azy fa dia anjaranao ny hino na tsia) Tsy tsara anefa hono izy ity ampiasaina amin'ny atoandro fa entin'ny hatsembohana mankao amin'ny maso ka mampamaivay azy izay tsizy fa amin'ny alina ihany ary manasa loha ny maraina...

Ka raha sola ianao, inona no andrasana? Tsy lafo rahateo, ary tsy misy mahita anao na kapaoty na inona no nampaniry azy tao. Se aligna hatory tsa misy mahita anao afatsy ny Mahita ny miafina...

Dia mazotoa ary manandrana e... izay tsy te ho sola... Misy koa mantsy maniry ny ho sola...safidy io ary raha izay ro mahasambatra azy... maninona moa? Agnarandray tsa afify io

Se afara koa e


Vo velogna ato madina

Published on 20:28, 09/16,2008

Manakory aby e

Misy manontany tena mintsy angamba hoe nakaia e tsialahy

Vo velogna ato madina e fa sahirana kely

Vo hoavy tsa ho ela koa

Samia salama aby tsery aloha

Havaratana ny andro


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10  Manaraka»