Mifady hanina hoe ?

Published on 03/09,2007

Raha vao tonga ny Karemy dia ao antsain’ny olona avy hatrany ny hoe tsy fihinanan-kena sy hanim-be izay. Eny fa ny Katolika aza dia tsy vitsy no toa malok’endrika satria tonga indray ny fotoana manahirana…Fa inona tokoa moa no tena zava-dehibe amin’ny Karemy ?

Efa haintsika fa ny Karemy dia manomboka amin’ny fanosorana lavenona izay nolovaintsika tamin’ny Jody, mampahatsiahy ny maha tsinotsinona (Fah15,10, Jen 18,27; Ek 17,32…) sy ny fiekena ny heloka natao sy ny fahavononana hiova toetra amin’ny hoavy. (Job 62, 6 ; Jonas, 3, 6 ; Mat11, 21…)

Raha fintinina tsotra dia tsotra dia ny teny 40 no niavian’ny hoe Karemy. Efapolo andro iomanana amin’ny fankalazana ny Paka izay fety lehibe indrindra hoan’ny finoana Kristianina. « Raha tsy nitsangan-ko velona i Kisty dia ho foana ny finoantsika » hoy Md Paoly (Icor 15,17). 40 andro tandindon’ny namakivakian’ny vahoaka Israely ny efitra hahatongavana any amin’ny tany nampanantenaina (Ex 16,35, Ex 24, 18 Moïse...) Fa 40 andro koa tandindon’ny nitokanan’i Jesoa tany anefitra alohan’ny hanombohany ny fitoriana an-karihary ny Fanjakan’Andriamanitra ka nifadiany hanina sy fisotro (Mt 4,2,Mc 1,13, Lc 4,2)

Fibebahana???

 

Ny tena tanjon’ny Karemy dia ny fibebahana. Izany hoe ny fiovan-toetra mba ho amin’ny tsaratsara kokoa haha mendrika ny maha zanak’Andriamanitra sy ny Fitiavany antsika.

Raha miteny fibebahana matetika dia any amin’ny olona hafa no eritreretintsika haingana dia haingana fa isika toa mihevi-tena hoe tsy mila mibebaka intsony. Fiteny mahazatra anefa ny hoe ny olo-masina aza hono manota im-pito indray andro. Fomba filaza koa moa eto ny hoe masina, fa andeha hatao hoe izay tena olona miezaka mba hiaina ny maha vita batemy azy araka izay tratrany izany ampian’ny Fahasoavan’Andriamanitra.

Izaho, ianao, samy mila mibebaka satria amin’ny maha olombelona antsika dia tsy mety ho marin-drano ny fiainam-panahintsika fa misy hatrany ny avo sy iva. Voa-janahary ho toy izany isika, ka anio mety misy kilema mba resiko fa rahampitso misy hafa mipoitra indray…Mandram-pahafaty isika misy zavatra mila ahitsy mandrakariva. Mandra-maty ny fibebahana, tsy misy ny hoe efa tonga na efa tafita, samy eny an-dalana ny rehetra.

 

Mifady hanina ?

 

Ny fifadian-kanina na hena dia fitaovana ihany, mety hanampy antsika hahatongavana amin’io fibebahana io. Tsy marina kosa aloha ny hoe tsy ilaina. Ilaina matoa i Krisy aza nifady hanina, nanampy Azy handresy ny fankam-panahy tany an’efitra izany. Lazainy aza fa misy karazan-demony tsy voaroaka aza raha tsy amin’ny fifadian-kanina ihany (Mt 17,21). Ka tsy tokony hovaintsika ny soratra masina. Izy tsy miteny hoe aza mifady, fa ny fomba tokony hanaovana azy no nampianariny tsara dia ny hoe « ny fahamarinan’ny atao » (autenticité) fa tsy fisehosehoana ivelana fotsiny. (Mt 6,16-18)

Inona tokoa moa no dikan’izay mifady hena raha toa ka soloiko trondro na patsabe izay mety ho lafo vidy kokoa noho ny hena, na hoe tsy mihinan-kena fa angonina ny vola hividianana toaka himamoana amin’ny alatsinainin’ny Paka. Misy dikany kosa izy raha toa ka tsy mihinan-kena dia ny vola tokony hamidy azy omena ny mahantra izay i Jesoa miseho amin’ny endriny hafa fotsiny…(Mt25,35....)

Andao ary mba samy handinin-tena ampanetren-tena fa misy dia misy tokoa ny toetra tokony hovaina ao amintsika ao ary maro dia maro tokoa ireo malahelo sy mahantra miandry tanana avy amintsika.

 

Mazotoa aby àry, manaova karemy masina sy sambatra


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=2634

Leave a Reply

One Response to Mifady hanina hoe ?