Ny Malagasy vahoaka hafa, miavaka amin’ny maro.
Efa nisy fotoana ihany niresahako teto hoe maro ny mampiavaka ny Malagasy amin’ny mponin’ireo firenena hafa ato amin’ny kontinantan’i Afrika izay misy azy na dia misy ihany koa aza ny mampitovy azy amin’izy ireo. (Hitanao eto ny lahatsoratra tamin’izay.)
Na dia misy ifandraina amin’izay ihany aza ity lahatsoratra ity dia hafa mihintsy ny hafatra tiako hampitaina eto. Mahita ny zavatra mitranga ao antanàna ao tokoa mantsy ny tena dia lasa ny fisainana ka manontany tena hoe nataon’ny Malagasy aiza re ity Fahendrena ireharehany fa mampiavaka azy? Nataony aiza ity hoe mandala ny FIHAVANANA satria ladim-boatavo ny fiainana ka raha sarihana iray ihany? Nataony aiza koa ilay hoe fanajany ny Ray aman-dReny satria nahitana masoandro sy kitapo nifonosana sy ny soatoavina maro hafa tsy hovoatanisa eto? Fa hafa amin’ny inona tokoa moa isika ?
Tsy vitsy no mitroatra matetika raha mahita Malagasy manao ankarihary zavatra heverin’ny maro fa tsy dia tsara loatra. Ohatra, miseho gazety fa milalao film X na zavatra mitovitovy amin’izany fa hoe manala baraka ny maha Malagasy. Hoatran’ny hoe ny Tena Malagasy dia tsy misy manota izany, fa mahafehy tena tsara sy Hendry toa Anjely kely daholo. Raha mba mamaky irony forum irony anefa ny tena (ohatra resaka ‘sexualité’ ao @ moov.mg) dia mahita fa kay ny Malagasy koa dia maro no manana fiainana tena tsy azon’ny saina eritreretina mihintsy.
Izao indray dia misy olana ara-politika dia dorana ny Fiangonan’izay heverina fa mpomba ny mpifanandrina amin’izay tohanan’ny tena (efa hatramin’ny 1991 io)…Ny tranon’ny mpanao politika mifanaraka amin’izany moa dia efa tsy resahina intsony… Robaina ny tranombarotra lehibe na dia an’olona tsy misy ifandraisany amin’ny raharaha politika aza…dorana koa avy eo…na dia misy olona may ao anatiny ao aza tsy atao olana izany…Mifamono ny olona mpanohana ny andaniny sy ny ankilany…Mifanaratsy amin’ny radio sy télé ny mpanao politika ary ny ankamaroan’ny zavatra ambara dia lainga sy fandrangitana fifankahalana fotsiny izao mba ‘handresena’….Mizara ny tafika, tsy mitovy hevitra ary atahorana hiady antrano koa aza sanatria… Dia very hevitra ny tena hoe fa sao mba tsy any Madagasikara ary izao zava-miseho izao fa raha ny fiheverana ny atao hoe Malagasy dia tsy azon’ny saina eritreretina izao toe-java-miseho izao !!! Sao mba any Congo Brazzaville isika, sa any Congo Kinsasa, na any Angola na any Somalie, Soudan na Côte d’Ivoire na ireo tany hafa nahitana ady mitovitovy amin’izao. Any amin’ireny firenena misy na nisy ady ireny koa anie ka mba misy Fihavanaan e. Any Afrique central ohatra dia tsy misy ny teny hoe “cousin- cousine” fa “frère – soeur” aby ny zanaky ny mpirahaly sy mpirahavavy na zanaky ny mpi-“cousin- cousine”, tsy misy hoe dadatoa fa “papa” aby ny rahalahin’ny dada fa ampiana ny anarany fotsiny hanavahana azy amin’ny sasany (ohatra papa Georges) toy izany koa tsy misy ny teny hoe “nenitoa” fa “maman” daholo ny rahavavin-dreny….Manambara fifankatiavana sy fihavanana ihany koa izany,…ka nefa dia mifamono toy ny biby rehefa misy ny tsy fitovizan-kevitra sy ny tombotsoa arovana…
Mahita ny zava-misy amin’izao fotoana izao any Gasikara dia menatr’olona ihany ny tena indraindray ary mametra-panontaniana hoe fa izao tokoa ve kay ny tena fomban’ny Malagasy e, toa mitovy amin’ny sasany ihany kay ?
Mazava loatra fa maro ny zavatra mampiavaka antsika amin’ny vahoaka hafa noho ireo soatoavina ananantsika saingy ny soatoavina tsy iainana intsony dia malaza tsy ihinanana toa viliantsahona fotsiny. Ny tiako hambara dia ity : Toy ny olon-drehetra isika Malagasy. Misy ny soa sy tsara mampiavaka antsika toy ny ananan’ny sasany ny soa mampiavaka azy ihany koa izay tsy ananantsika. Rariny sy hitsiny raha ireharehantsika izany. Misy koa anefa ireo kilema izay ananantsika ary mila ialàna toy ny tokony hialandry zareo sasany amin’ny kilema ananany ihany koa. Ny vahoaka rehetra eran-tany dia samy misy olona tsara fanahy, tsara fitondran-tena sy ratsy fanahy ary ratsy fitondran-tena avokoa. Na Malagasy na tsy Malagasy dia samy zanak’Andriamanitra antsoina hiova fo ka hametraka Azy ho ivon’ny fiainana sy Fepetra Fototra tokony hibaiko ny fifandraisantsika amin’ny namana manodidina. Raha lany andro tamin’ny fitanisana izay mety ho tsara mampiavaka antsika amin’ny hafa isika teo aloha, izao kosa dia tokony mba hanokana fotoana bebe kokoa hijerevana akaiky izay tsara ilaina iainana ary izay ratsy tsy maintsy hialàna fa izay ihany no hampandroso antsika amin’ny lafiny rehetra ary tena hampiavaka antsika marina. Mila fiovam-po izao toe-draharaha izao fa raha mbola ny Vola ny Voninahitra sy ny Mahafinaritra ny vatana no mibaiko ny fon’ny Malagasy dia tsy hisy zava-banona eo. Samia mibebaka dia hitondra soa hoan’ny Malagasy ny soatoavina ananany sy ny harena ananany tony ny Petrole sy ny harena ankibon’ny tany hafa efa voaporofo ankehitriny fa misy ao aminy, fa raha tsy izany dia hitovy amin’ireo firenena manana izany isika ka ny ady sy ny viol isan-karazany fotsiny no mahoraka fa ny zava-misy tsy miova.
Alao hery aby e, se afara koa