"Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Tohiny)
Mety ho sampy ve izany ny Razana sa tsia???
Raha miainga amin’ireo fomba famaratantsika ny “sampy” notanisaintsika ireo ary; moa ve azo heverina ho toy ny sampy ihany koa ny Razana izay “lazaina” ao amin’ny Famadihana?
Zavatra lehibe loatra ity resahintsika ity ka tsy mety raha mihazakazaka mamaly hoe eny na tsia. Mba tsy ho valin-teny an-kamehana fotsiny no hifampizarantsika eto dia andao aloha hiezahana ho takarina hoe inona moa no mety tena tanjon’ny Razana na ireo Ntaolo namorona ity raharaha ity? Mino aho fa ny fiezahana mamaly an’io fanontaniana io ihany aloha no tokony hiaingana mba tsy hirotoroto foana hiteniteny foana eto isika.
Inona no mety ho tanjon’ny Famadihana?
Raha ny mba fahazahoako ny antony nahatonga ny razantsika Hendry sy lalim-pandinihana (Cf “Ankalazao ny Tompo”), (Boky fivavahana Katolika, Alahady Faha3 Vavaka hariva P.184), dia tahatahaka izao no fahitako azy. Mety tsara aloha ny manamarika eto fa mety hiova arakaraky ny toerana na faritra (region et province) ny fomba arahin’ny olona rehefa mamadika ka tsy afaka hitompo teny fantatra aho eto. Mba hialana amin’izay mety ho endrika lainga sy fitenitenenana foana dia lazaiko eto hoe raha mandray ohatra momba ny fomba amam-panao amin’ny famadihana aho dia fantaro mialoha fa any Imady Ambositra any izay no toearam-pitrandrahana iaingantsika.
Misy roa no antony hitako nampisy ny Famadihana. Ny voalohany amin’izany dia ny mba hahatsiarovan’ny tarana fara mandimby fa nisy fototra nipoirana izy ireo ka tokony hanaja izany fototra izany. Tsy tokony hitsipa-doha laka-nitana izy ireo fa hahatsiaro mandrakariva fa tsy olona raha tsy teo ireo Ray sy Reny izay efa nodimandry ireo ka noho izany tokony hanaja sy hahatsiaro azy ireo mandrakariva.
Hatreto aloha izany dia hitantsika fa tsy misy endrika “sampy” amin’ireo sokajy telo hitantsika ao amin’ny Famadihana satria tsy hoe akory ny Razana no tompoina ary omena azy ny toeran’Andriamanitra. Raha izay mantsy no mitranga dia lasa sampy izy amin’izay fotoana izay. Ny mifanohitra amin’izany anefa no toa hitako hatreto satria ny fanajàna ny nahitana masoandro dia anisan’ny didin’Andriamanitra ihany koa. “Manajà ny Ray aman-dReninao mba ho ela velona ianao” (Ex20,12 // Det5,16). Raha dinihitsika tsara aza dia ity didy iray ity ihany no misy valisoa ampanantenain’Andriamanitra avy hatrany: “mba ho ela velona ianao”, fa ny sisa rehetra tsy misy fampanantenana eo noho eo toy izany.
Tsikaritra ihany koa matetika fa ireo mandray fitenenana “mikabary” amin’ny fotoana anaovana Famadihana dia ny Fisaorana an’Andriamanitra no anokafany ny kabariny. Midika izany amiko fa miaiky tanteraka izay mamadika fa Andriamanitra no fototry ny misy rehetra ary na ireo Razana havadika aza dia noharîny ihany koa ka tsy afaka ny hisongona Azy velively. Hatreto koa aloha izany dia tsy afaka ny ho “sampy” ny Razana avadika.
“Andriamanitra natao Didim-poitra”:
Mazava loatra fa tsy misy resaka Famadihana mivantana ao amin’ny Baiboly satria tsy teto Madagasikara akory no niforonany.Tonga eto Madagasikara ny Baiboly satria tonga Nofo ny Zanak’Andriamanitra ary naka ny fomban’olombelona feno. Avy eo Izy naniraka ny mpianany hitory ny Vaovao Mahafaly eran’izao tontolo izao (Mt28,18-19) dia tonga any amin’ny Malagasy izay manao Famadihana koa izany Vaovao Mahafaly izany ankehitriny. Ka moa rehefa tonga Kristianina ve ny Malagasy dia tokony hariany manontolo ny zavatra mampiavaka azy??
Tsy dia mino loatra an’izany aho ary resy lahatra rahateo fa tsy ny maha Malagasy manontolo akory dia tsy tian’Andriamanitra. Tokony hahatonga saina antsika ny hoe I Jesoa anie ka Andriamanitra e, ka nefa dia nanaraka ny fomba jody zato isan-jatony Izy. Nanaiky hoforaina Izy, natolotra tao an-tempoly Izy na dia tompon’ny Tempoly aza (Mt1,21 // Lc 2,21-24), nandoa hetra Izy na dia tompon’izao tontolo izao aza (Mt17,27). Nanaja ny Sabata izy na dia Tompon’ny Sabata aza fa kosa tsikelikely Izy no nanitsy ny fampitomboana diso toerana nataon’ny Jody ka ny Sabata izay natao hahasambatra ny olombelona indray no lasa natao biby fampatahorana toy ny gadra namatotra azy ireo. (Mt12,3-8 // Jn5,16-17)
“Didy vaovao no omeko anareo”
Fa iverenako ny hoe misy antony roa no nahatonga ny razana namorona ny Famadihana araka ny fahitako azy. Efa hitantsika ny iray voalohany dia ny hoe fanajana ny Ray sy Reny. Ny faharoa kosa dia heveriko fa anisan’ny tanjon’ireo izay namorona azy ity ny mba hahaizan’ny mpianakavy mifankatia sy mifanampy ary miraihina toy ny tantely.
Ny Famadihana tokoa mantsy izao no hany sisa fotoana ahafahan’ny mpihavana mifankahita sy mifankafantatra. Samy aparitaky ny filàn-dravin’ahitra ka raha tsy misy ny fihaonana dia na ny mpifady aza mety hifanambady satria tsy mifankafantatra intsony. Firy moa izao no zanaky ny mpihavana no tsy mifankahalala intsony satria samy mifanalavitra ka tsy misy fihaoana raha tsy isaky ny fito na dimy taona anaovana ity lanonam-pianakavy ity. Sa sanatria dia hiandry fahafatesan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana ve vao hihaona ny mpihavana? Nefa dia azonao an’eritreritra amizay fa raha ranomaso no hihaonana tsy hisy fifankahalala sy fifankatiavana firy hiseho eo. Samy revon’ny ranomaso ka na ny fotoana hifampitafàna sy hikoranana aza mety sarotra be ihany.
Hatreto ihany koa dia mbola tsia ny valin’ny fanontaniana napetratsika hoe “Manompo sampy ve ny mamadika”. Tsy misy zavatra hitantsika misongadina hoe mifanohitra amin’ny fampianaran’I Kristy satria Izy koa dia nampianatra antsika hifankatia: “Didy vaovao no omeko anareo dia ny hifankatiavanareo” (Jn13,34) sy hahay mifanampy: “Raha mifankatia marina ianareo dia ho fantatry ny olona rehetra fa mpianatro” (Jn13,35)
(Mbola hitohy tsy ho ela)