Ny Malagasy vahoaka hafa, miavaka amin’ny maro.

Published on 10:51, 03/15,2009

Efa nisy fotoana ihany niresahako teto hoe maro ny mampiavaka ny Malagasy amin’ny mponin’ireo firenena hafa ato amin’ny kontinantan’i Afrika izay misy azy na dia misy ihany koa aza ny mampitovy azy amin’izy ireo. (Hitanao eto ny lahatsoratra tamin’izay.)

Na dia misy ifandraina amin’izay ihany aza ity lahatsoratra ity dia hafa mihintsy ny hafatra tiako hampitaina eto. Mahita ny zavatra mitranga ao antanàna ao tokoa mantsy ny tena dia lasa ny fisainana ka manontany tena hoe nataon’ny Malagasy aiza re ity Fahendrena ireharehany fa mampiavaka azy? Nataony aiza ity hoe mandala ny FIHAVANANA satria ladim-boatavo ny fiainana ka raha sarihana iray ihany? Nataony aiza koa ilay hoe fanajany ny Ray aman-dReny satria nahitana masoandro sy kitapo nifonosana sy ny soatoavina maro hafa tsy hovoatanisa eto? Fa hafa amin’ny inona tokoa moa isika ?

Tsy vitsy no mitroatra matetika raha mahita Malagasy manao ankarihary zavatra heverin’ny maro fa tsy dia tsara loatra. Ohatra, miseho gazety fa milalao film X na zavatra mitovitovy amin’izany fa hoe manala baraka ny maha Malagasy. Hoatran’ny hoe ny Tena Malagasy dia tsy misy manota izany, fa mahafehy tena tsara sy Hendry toa Anjely kely daholo. Raha mba mamaky irony forum irony anefa ny tena (ohatra resaka ‘sexualité’ ao @ moov.mg) dia mahita fa kay ny Malagasy koa dia maro no manana fiainana tena tsy azon’ny saina eritreretina mihintsy.

Izao indray dia misy olana ara-politika dia dorana ny Fiangonan’izay heverina fa mpomba ny mpifanandrina amin’izay tohanan’ny tena (efa hatramin’ny 1991 io)…Ny tranon’ny mpanao politika mifanaraka amin’izany moa dia efa tsy resahina intsony… Robaina ny tranombarotra lehibe na dia an’olona tsy misy ifandraisany amin’ny raharaha politika aza…dorana koa avy eo…na dia misy olona may ao anatiny ao aza tsy atao olana izany…Mifamono ny olona mpanohana ny andaniny sy ny ankilany…Mifanaratsy amin’ny radio sy télé ny mpanao politika ary ny ankamaroan’ny zavatra ambara dia lainga sy fandrangitana fifankahalana fotsiny izao mba ‘handresena’….Mizara ny tafika, tsy mitovy hevitra ary atahorana hiady antrano koa aza sanatria… Dia very hevitra ny tena hoe fa sao mba tsy any Madagasikara ary izao zava-miseho izao fa raha ny fiheverana ny atao hoe Malagasy dia tsy azon’ny saina eritreretina izao toe-java-miseho izao !!! Sao mba any Congo Brazzaville isika, sa any Congo Kinsasa, na any Angola na any Somalie, Soudan na Côte d’Ivoire na ireo tany hafa nahitana ady mitovitovy amin’izao. Any amin’ireny firenena misy na nisy ady ireny koa anie ka mba misy Fihavanaan e. Any Afrique central ohatra dia tsy misy ny teny hoe “cousin- cousine” fa “frère – soeur” aby ny zanaky ny mpirahaly sy mpirahavavy na zanaky ny mpi-“cousin- cousine”, tsy misy hoe dadatoa fa “papa” aby ny rahalahin’ny dada fa ampiana ny anarany fotsiny hanavahana azy amin’ny sasany (ohatra papa Georges) toy izany koa tsy misy ny teny hoe “nenitoa” fa “maman” daholo ny rahavavin-dreny….Manambara fifankatiavana sy fihavanana ihany koa izany,…ka nefa dia mifamono toy ny biby rehefa misy ny tsy fitovizan-kevitra sy ny tombotsoa arovana…

Mahita ny zava-misy amin’izao fotoana izao any Gasikara dia menatr’olona ihany ny tena indraindray ary mametra-panontaniana hoe fa izao tokoa ve kay ny tena fomban’ny Malagasy e, toa mitovy amin’ny sasany ihany kay ?

Mazava loatra fa maro ny zavatra mampiavaka antsika amin’ny vahoaka hafa noho ireo soatoavina ananantsika saingy ny soatoavina tsy iainana intsony dia malaza tsy ihinanana toa viliantsahona fotsiny. Ny tiako hambara dia ity : Toy ny olon-drehetra isika Malagasy. Misy ny soa sy tsara mampiavaka antsika toy ny ananan’ny sasany ny soa mampiavaka azy ihany koa izay tsy ananantsika. Rariny sy hitsiny raha ireharehantsika izany. Misy koa anefa ireo kilema izay ananantsika ary mila ialàna toy ny tokony hialandry zareo sasany amin’ny kilema ananany ihany koa. Ny vahoaka rehetra eran-tany dia samy misy olona tsara fanahy, tsara fitondran-tena sy ratsy fanahy ary ratsy fitondran-tena avokoa. Na Malagasy na tsy Malagasy dia samy zanak’Andriamanitra antsoina hiova fo ka hametraka Azy ho ivon’ny fiainana sy Fepetra Fototra tokony hibaiko ny fifandraisantsika amin’ny namana manodidina. Raha lany andro tamin’ny fitanisana izay mety ho tsara mampiavaka antsika amin’ny hafa isika teo aloha, izao kosa dia tokony mba hanokana fotoana bebe kokoa hijerevana akaiky izay tsara ilaina iainana ary izay ratsy tsy maintsy hialàna fa izay ihany no hampandroso antsika amin’ny lafiny rehetra ary tena hampiavaka antsika marina. Mila fiovam-po izao toe-draharaha izao fa raha mbola ny Vola ny Voninahitra sy ny Mahafinaritra ny vatana no mibaiko ny fon’ny Malagasy dia tsy hisy zava-banona eo. Samia mibebaka dia hitondra soa hoan’ny Malagasy ny soatoavina ananany sy ny harena ananany tony ny Petrole sy ny harena ankibon’ny tany hafa efa voaporofo ankehitriny fa misy ao aminy, fa raha tsy izany dia hitovy amin’ireo firenena manana izany isika ka ny ady sy ny viol isan-karazany fotsiny no mahoraka fa ny zava-misy tsy miova.

Alao hery aby e, se afara koa


Mitolona hoe?

Published on 07:54, 01/30,2009

Na dia somary sahirana aza ny tena dia mba hanoratra kely eto ihany fa tsy hay ny mangina manoloana ny zava-misy manjoa ny tanindrazana ankehitriny.

Iarahan'ny maro mahita angamba ny tsy fetezan'ny zavatra maro eo amin'ny fitantanana ny raharaham-bahoaka tato ho ato.... Amidy ny tany etsy... trandrahina ny harena ankibon'ny tany eroa... boeing roa anaty mandat roa.... izay misy vola rehetra dia tsy maintsy tafiditra ao ny mpitondra... dia tsy hita izay mba fiatraikan'izany eo amin'ny fiainanan'ny vahoana madinika....amin'izay anefa dia tsy hay intsony na pasitera ny sasany na filohan'ny repoblika fa zay fiangonana andalovany (izay misy ny finoany no lazaiko eto) toa mahazo fitenenena hatrany izy... hatramin'ny fampianarana na toriteny izany.... dia asa moa izy ity.... nefa toa rehefa zohina toa misy hery hafa any ambadimbadika any ary io no tena inoana sy ianteherana amin'ny atao rehetra.... Be mpiteny izany ka asa...Maro ny misiterin'ny fiainan'ny zanak'olom-belona e!

Na izany aza anefa dia ny fanimbana ny zavatra vitany izay tsy hoan'iza fa hoantsika ihany, (.. na iza na iza handimby azy eo... ) izany ve no atao hoe mitolona??? Tsy dia mino izany loatra ny tenako... Eny mety tokony efa hiala tokoa angamba itony mpitondra itony hahitana izay mba hataon'izay miditra eo indray...(izay tsy dia ho lavitra izao ihany angamba satria na ity farany ity aza anie inona moa no tsy nampanantenainy antsika... ary moa tsy vahoaka an'alin-kisa no nanohana azy mba handraisany io fitondrana io raha mbola nanao ny nataony teo ny tarika Ambodiantafana???) ka nefa sao mba misy fomba mihaja sy tsy mahamenatr'olona toy izao azo atao ihany hahatongavana amin'izany e.... hoan'ny tena izay mba sendra aty ivelan'ny gasikara aty moa (miala tsiny raha manafitohina ny sasany koa ny filazana izany) dia toa mahatsiaro ho menatr'olona rehefa mijery ny vaovao amin'ny télé miaraka amin'ny olona tsy Gasy ny tena ka mahita ny mpiray tanindrazana mandoro sy manapotika zavatra iombonana toy ireny... mandroba ny fananan'ny olona ... indraindray na matetika mihintsy aza olona tsy misy hidirany amin'ny fitondrana akory... rehefa mety ho tranom-barotra lehibe dia robaina sy dorana avokoa.... indrisy dia izany ve no toentsaina hoentintsika hampandroso an'i Gasikara....

Mahaiza miresaka sy mivazavaza daholo fa raha io no toe-tsaina hitondrana ny zavatra tsy holasa izany io e, na dia ny iray amin'ireo Mpaminany aza no hitsanan-kovelona ka hatao filohan'ny Malagasy eo tsy hisy zava-banona raha zay vita hopotehina sy ho dorana toy izao!

Ary izay mitarika ny olona hanao izany rehetra izany.... avelako hanohana azy ankalalahana izay te hanohana azy fa zah manokana tsy matoky hoe olona hanao soa zay faly amin'ny fahapotehan-javatra toy ireny... fa indrindra ny famoizana aina maro.... Sao dia mba misy mpanohana an'izao zavatra izao any hoany eee? Sao mba misy te hiverina eo indray??? Na sao misy nahita fa mba mihatsara ihany ny tanàna na dia mety mbola mahantra aza ny vahoaka ka aleo averina ratsy toy ny tamin'ny androny ihany fa mba menatr'olona izy hoe taon-jato maro no teo nefa tsy nisy fiovana endrika toy izao (fara faharatsiny ahay ny endriky ny tanana sy ny fanana iombonana toa mba niova kosa e, aleo jerena amin'ny maso tsy miangatra ny zavatra... dia lazao fa miandany atsy na aroa indray ah raha milaza izany, tsy maninona...) Asa moa ?

Indrisy mantsy, samy milaza tia tanindrazana daholo izay mivoaka eo, ... fa tena tiantsika tokoa ve i Madagasikara??? Samia mandinika dia mamaly mangina ao ampony izany fanontaniana izany....

Tsy ny mpitondra no hanova an'i Gasikara fa ny fiovan'ny fomba fijerin'ny tsirairay sy ny fahavononany hametraka ny anjara birikony

Samia salamà aby


Iza marina ianao?

Published on 20:31, 11/29,2008

Mba nanaitra ahy ity lohahevitra iray ity teny amin’ny fampianarana kely mba narahina teny… teny amin’ny vaky boky kely mba natao teny … ka indro zaraiko aminao sao mba mety hanampy anao hahafantatra bebe kokoa ny tenanao. Mikasika ny maha izy ny tena izy ity, ilay ataon’ny frantsay hoe “identité”. Misy fomba maro matetika ny fomba jerin’ny olona ny tenany sy ny famaritany ny maha izy azy. (Mety ho lavalava kely fa mahareta e… sao mba hilaina ihany.)

 

1- Misy ireo mamaritra ny maha izy azy miainga amin’ny zavatra ananany (asa moa izay tena mahalaza ny hoe ‘par rapport’ fa io no tiako hadika amin’ny hoe ‘miainga avy amin’ny’ eto). Ity voalohany ity ilay karazan’olona raha vao anontaniana hoe iza ianao dia mamaly hoe: “izaho no tompon’ny trano lehibe eroa ananona” na hoe “izaho no tompon’ilay fiara marika izao na miloko toy izatsy” na hoe “topon’ilay tany misy an’izao etsy ananona” sns… Ny olana anefa dia izao : raha potika teo ary ireo zavatra ananany izay heveriny ho fototry ny maha izy azy sy entiny hamaritarana ny tenany ireo dia iza izany izy? Tsinotsinona anie izany izy raha vao potika ireo zavatra heveriny fa maha izy azy ireo e, dia mety hamono tena tampoka… Tsy ampy hatao fototry ny maha izy antsika ny Harena…ny fananana. Ny tena mahagaga aza moa dia ny olona tena manan-karena tsy dia misehoseho firy fa miezaka manafina izany aza… ireny no heveriko fa manan-karena satria azo lazaina ho manan-karena ara materialy sy ara toe-tsaina angaha izany…. Jereo fa ny olona tena mpanana matetika tsy dia mampiasa irony zavatra lafo vidy irony loatra… fa saika ireo eo ho eo ihany na ny tsy manana mihitsy aza no miezaka manenjika ny raha tena raitra (fiara lafo vidy, telephone, ordinateur…sns) asa mety misy zavatra tsapany fa tsy ampy ao amin’ny maha izy azy ao ka ny fananany ireny no heverina fa hanome hery kokoa azy na hampisy ‘valeur’ bebe kokoa ny tenany… Nefa ny tena marina tsy izy no mafy…. raha heverina fa maha-mafy ny fananana azy ireny… fa ilay zavatra ihany… Mety ny fiara na ny akanjo na ny famataran’andro, na ny finday na ny solon-tsaina no lafo vidy fa tsy ilay tompony akory…

 

2- Misy ireo mamaritra ny maha izy azy miainga amin’ny fifandraisany amin’ny olona hafa. Itony indray raha anotaniana ny maha izy azy dia irony miteny hoe “zah zanak’i Mr le président” na hoe “zandrin’i député ranona”, na koa “rahalahin’i maître ranona”… “fianakavian-dranona”… Matetika rehefa mba mahazo toerana heverin’ny besinimaro ho manan-danja ny olona iray vao mipoitra daholo ny havany rehetra… “havanay io”… “avy any aminay iny”… Dia raha tsy eo koa ary ireo olona atao fototry ny maha izy azy ireo dia iza ihany koa izany izy? Ity ilay tonga amin’ny fitenin-jatovo mpisavika hoe “aza mitoky salaka am-bodin-drahalahy”. Izany hoe rehefa hisavika omby ianao aza mijery hoe efa misalaka ny rahalahinao dia ampy izay fa ny salaka mamatotra azy tsy mamatotra anao… raha ny zokinao no karaté, tsy ianao akory no haharesy ny fahavalo hisakan-dalana anao…. Mbola tafiditra eto amin’ity karazana ity na dia ny fifandraisana akaiky toy ny fanambadiana aza. “Izaho no vadin’i Miss Madagascar”… “na thirst lady…” dia raha tsy eo io vadinao io dia iza ianao?

 

3- Misy indray ireo mamaritra ny maha izy azy miainga amin’ny asa ataony na toerana misy azy eo amin’ny seha-piainana. “Izaho no directeurn’ny sekoly eroa ananona”.. “izaho no Maire ao amin’ny commune atsy”… “izaho no curé eroa na pasitera etsy…”… “izaho no eveka etsy…” Dia raha misy fitondram-panjakana sanatria mandrara ny fampianarana ohatra na ny fivavahana dia mihidy daholo na sekoly na Eglizy ary tsy azo atao ny manao raha mifanaraka amin’ny maha pampianatra na maha pretra na pasitera eny fa na dia any antrano mangingina aza dia iza izany ianao? Ianao fotsiny izao, tsy asiana Eglizy, tsy asiana Sekoly, tsy asiana Birao? Mahay miaina ve ianao, ary sambatra amin’izany fiainana izany raha tsy misy ireo asa na didy amaritanao na apitovizinao amin’ny maha Inao anao ireo?

 

4- Misy indray koa mapitovy ny tenany amin’ny fianarana nataony. Itony ilay olona efa tsy manana anarana intsony indraindray fa lasa hoe “docteur…” na koa “professeur…”, na “comptable…” Na koa irony miteny hoe: “Izaho dokotera en…” , “izaho manana licence amin’izao…” “izaho manana bac dimy”… “izaho mahay miteny tenim-pirenena maro”… Maro no mihevitra fa arakaraky ny ananana marim-pahaizana maro no tena maha olona manan-danja azy… Ny hitako anefa dia tsy hoe ireo mpampianatra manana titre be sy lehibe no mahafapo amin’ny fampianarana (raha hiresaka fampianarana ohatra isika eto) fa ireo izay nahay nahatonga nofo izay kely hainy…. Lasa fiainany izay nianarany… Dia raha alefa mipetraka na miasa any amin’ny toerana tsy misy hifandraisany na kely amin’ny titre-nao ary ianao avy eo dia iza izany no filazanao ny tenanao?

Ny fiainana angamba no mety tsara kokoa atao fitsipika amaritana ny maha izy antsika fa tsy ny fianarana raha tsy izany tonga amin’ilay olona iray nahavita ny ‘soutenancen’ny tezy doktora’ nody tao antrano miaraka amin’ny havany sasany dia hoy izy tamin’ilay rahalahiny iray hoe “toa tsy miarahaba ahy akory ialahy nefa zaho anie izao dokotera e” hoy ilay ray namaly azy tsotsotra hoe “eny, taloha ianao “idiot” (fesso hoy ny italiana) toa anay rehetra ihany, izao kosa ianao “idiot” diplomé (eri fesso come noi, adesso sei fesso qualificato…) Aza manody anie izany! (lol).

 

5- Mety mifandraika amin’izany ihany ny karazan’ireo izay mapitovy na mamaritra ny tenany arakaraky ny talenta ananany. Toy izany ohatra ny miteny hoe : “mpilalaon’ny bfv aho” na hoe “mpiandry tsato-kazon’ny barean’i Madagasikara aho… na tsy haiko inoa koa. Eo koa ny hoe “mpitendry gitara n’ny tarika Rebika”, na “mpitsoka mozikan’ny governemanta”… na zavatra hafa (miala tsiny amin’ireo anarana tarika na ekipa raha misy sendra amin’ireo, tsy ianao akory no resahiko eto fa ireo sokajin’olona manana fomba fijery toy izany, iza no mahita mety ho izaho ihany no tena mpanao izany anie…., Dia raha sendra tsy afaka manao ireo zavatra anananao talenta ireo intsony ary ianao… asa sanatria misy loza dia tapa-tongotra na tapa-tanana dia tsy afaka milalao intsony, na tsy afaka mitendry ireo zava-maneno intsony sns…

 

Mety hisy hieritreritra angamba any hoany hoe mialona koa ity rangah ity toa be resaka. Tsy any ny olana sanatria fa mba te-hampitodika antsika marina amin’ny tenantsika hahalala bebe kokoa antsika hoe fa iza tokoa moa ity izaho ity…. mba hanitsiana izay tsy mety na hanamafisana izay mila izany. Raha esorina ny harena sy ny ananako, raha esorina ireo olona ataoko amaritako ny tenako (fifandraisana), raha esorina ny fianarana nataoko, raha esorina ny asako?

Inoako fa ny tena tokony hamaritana ny maha izy ny tena dia tsy ireo zavatra ireo fa ny “être” hoy ny frantsay… adikao izay mahay mandika azy… ny “izaho” na ny “maha izy ny tena” angaha izany, nefa toa lasa “totologie” izy izany.(lol). Mety ho"partie"n'ny être ireo talenta sy ireo fahaizana sy ny sisa, nefa kosa tsy ampy hatao famaritana fototra ny maha izy ny tena, "identité" hoy isika ary aloha ary.

Aza apetraka amin’ny zava-mandalo ny maha izy antsika fa amin’ny zavatra tsy miova mandrakizay amin’izay dia na aiza na aiza isika, na inona na inona ananantsika, na iza na iza miaraka amintsika, na inona na inona ataontsika dia ho sambatra mandrakariva isika…

“izaho dia zanak’Andriamanitra, tena tiany aho ary misy zavatra iandrasany ahy matoa nohariany aho ary io zavatra io dia izaho ihany no afaka manao azy…amin’ny fombako, amin’ny maha tokana ahy, amin’ny talenta nomena ahy” io ihany heveriko no zavatra tsy hiova fa mitoetra ka tokony hametrahana ny “maha izy” antsika. Raha misy mahita raha hafa tsy miova koa dia mba ilazao aho hanampiako ny kely mba inoako fa marina…

Tsy mino an’Andriamnitra ve ianao? Tsy haiko raha afaka hahita zavatra tsy miova hametrahanao ny maha izy anao ianao…. Izaho aloha tsy mino hoe hisy hafa ka nefa hajaiko ny safidinao… Ny ahy kosa zaraiko sy torîko ny Finoako satria izy maha izaho ahy. Izay ro AGNARANDRAY TSA AFIFY e!

Salamà aby ooo se afara koa e


Firy ny "marina" e ?

Published on 15:10, 11/18,2008

Mandinidinika ny zava-misy sy ny adihevitra ifanaovana etsy sy eroa aho dia tonga ato antsaiko indray ilay fomba fitenin’i dadatoanay izay rehefa misy olona miady hevitra iny ka henony miteny hoe “Izao no tena marina”. Hoy izy matetika mamaly ny olona miteny toy izany: “Aza atao fahazarana ny miteny izany hoe marina marina izany fa ny ‘marina’ io raha be.” Raha atao malagasy ofisialy angaha ity hoe ‘ny marina raha be’ ity dia hoe ‘maro ny marina fa tsy tokana akory’. Dia ahoana tokoa moa izany fa firy ny marina?

Maro amintsika angamba no hamaly haingana dia haingana hoe tsy misy “marina” be dia be izany fa tokana ihany ny “marina”. Mety ho marina angamba izany, ka nefa mila jerena ihany koa hoe fa inona moa ny “marina”, ary ahoana no famaritanao azy io?

Ny “marina” tsy azo iadian-kevitra amiko dia mety hisy tokoa ary marina iraisam-pirenena angaha izany no hilazako azy io ka tsy misy ifanolanana fa rehefa izay dia izay. Toy izany ohatra ny ataon’ny frantsay hoe “vérité scientifique” sy ny “vérité historique” satria “fait” tsy azo ovaina izany. Ny 2 X 2 ohatra dia tsy miova isaky ny faritra na ny expériencen’ny tsirairay ny valiny fa efa nifarahan’izao tontolo izao sy ny kajiny fa 4.

Ao amin’ny Finoana ihany koa raha tsy hiteny afatsy ny maha Kristianina izay mba hain’ny tena bebe kokoa miohatra amin’ny Finoana hafa dia i Kristy no Marina ary tsy misy afaka hampianatra raha hafa tsy mifanaraka amin’izay nolazainy fa raha tsy izany dia diso lalana izay ilay fampianarana.

Eo amin’ny fiainana andavan’andro kosa dia heveriko fa mety hanana ny rariny ihany ilay dadatoanay satria ny zava-misy, ny zavatra hita, ny fianarana nolalovana, na ny toerana nibeazana sy nahaterahana na nanarahana fiofanana dia mampiova ny fomba fijerin’ny tsirairay ka tsy mampitovy ny heverina hoe “marina.” Naheno Koreana iray aho tamina radio nanao fifampizarana momba ilay antsoin’ny kristianina matetika hoe Eokominisma (firaisan’ny mpino no andikana azy ihany koa) dia hoy izy hoe ny tena sarotra amin’izy io dia ny tsirairay mbola samy resy lahatra amin’ny heveriny hoe “marina” ka raha tsy mbola miaiky ny andaniny sy ny ankilany fa misy zavatra heveriny hoe diso nefa “marina” hoan’ny ankilany dia ho sarotra mandrakariva ny fandidiana. Misy ohabolana any aminay hoy izy milaza hoe “Ao anaty trano misy olona 1000 dia misy “marina” 1000 ihany koa.” Teo moa izy dia nitantara hoe tany aminay hoy izy niray trano tamin’ny italiana aho ary ry zareo no nanorina ny trano… nimenomenona hoy izy izahay Koréanina rehetra fa tena tsy ampy ny jiro fa maizina lava ao antrano dia tsy resy lahatra mihintsy hoy izy ny italianina fa hoe efa ampy io fahazavana io fa fandaniam-poana raha mihoatra an’io… Dia nanaiky tsy fidiny izahay hoy izy fa tsy nisy azo atao hampiova hevitra azy ireo… Efa tonga aty Roma aho hoy izy mahita ny hazavan’ny jiro ao amin’ny trano aty zay vao azoko ny antony nahatonga azy ireo hidrikina fa tena ampy tamin’izy ireo tokoa ny hazavana tao amin’ny tranonay… satria maso italianina no nentiny nanorina trano tany Koré nefa ny Koréana kay izany tsy vitan’ny hoe kely maso ety ivelany fotsiny fa tena kely toa azy iny koa ny fahitàny raha tsy mazava tsara ny jiro.

Ny ohatra iray tena malagasy indray dia ity: noheveriko fa ny malagasy rehetra dia faly tamin’ny fahazahoana ny Fahaleovan-tena! Fa tena diso hevitra aho tamin’izay! Nisy tokoa ny malagasy nitomany raha vao nahazo ny Fahaleovan-tena i Madagasikara? Fa ahoana loatra? Tsotra ny antony: satria izy hono dia ‘andevo’ taloha (miala tsiny amin’ny fiteny fa izay no zava-nisy ary mahalaza tsara ny tiako hambara eto) ary ny mpanjanan-tany no nanafoana ny fanandevozana ka natahotra izy hoe raha miverina amin’ny gasy ny Fitondrana dia hiverina amin’ny fiainana nampijaly azy hatrizay izy…Niezaka nipetraka tamin’ny toerany aho ka azoko tsara ny nambarany. Hitantsika amin’izay ny maha samy hafa ny fomba fijery ny zavatra: miainga amin’ny zavatra iainan’ny tsirairay io, miainga amin’ny zavatra nolalovany (nahafaly na hampijaly koa), miainga amin’ny traikefa hoy isika ankehitriny, miainga amin’ny fianarana sy ny sisa araka izay efa nolazaiko tery ambony….  

Raha fintiniko izany dia mety ho maro tokoa ny “marina” ka mety azo atao ny misoroka ny olana sy ny fifamaliana tsy dia mitera-bokatsoa loatra eo amin’ny fiaraha-monina raha samy mba mahay mampandefitra izay heveriny fa “marina” ny tsirairay ka hanomezana rariny ny heverin’ny sasany ho “marina” ihany koa. Asa ny fomba fiantsoana azy angamba mety mitavozavoza, mety tsy ny teny hoe “marina” no teny tokony hampiasaiko nefa azonao sahady ny tiako hambara dia aza asia olana loatra e. Ity tokoa angamba ilay hoe “Marina ny anao fa ny ahy tsa disoako”.

Dia samia ela velogna aby hitady ny marina e!!!!!!


OLOMBELONA KOA NY MAINTY

Published on 06:58, 11/05,2008

Dia Filohan'ny Firenena matanjaka indrindra eto an-tany moa izany i Baracl OBAMA. Mino aho fa mahasarika ny fijerin'izao tontolo izao izany vaovao izany. Misy ny faly, misy kosa ny malahelo ary azo lazaina koa aza fa kivy sady matahotra... loza izany hoan'ny sasany...

Ho ahy manokana dia mahafinaritra ahy ny zavatra toy itony... Mino aho fa maro ny mitovy hevitra amiko izay mitovitovy volon-koditra amin'io Filoha vaovao io. Izahay mainty izany raha tsorina ny resaka e. Aoka tsy ho raisinao ho fanavakavaham-bolon-koditra izany fiteniko izany fa zava-misy izany indrisy eto amin'ity tany ity... Tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany... Maro tokoa mantsy no milaza fa tsy raciste nefa ny zava-misy dia mampivandravandra fotsiny izao fa raha vao mainty hoditra ianao dia na ny fomba fijery anao aza miova... ary sarotra hoazy ny hino fa mba mety mahavita zavatra tsara ianao.... (Raha sendra mba mahita olona efa antitra tsy manaan seza hipetrahana ianao anatin'ireny train na bus na metro ireny aty amin'itony tany lazaina fa mandroso itony ka hoe hanome azy ny fipetrahanao fa hoe zaza tsara taiza sy mahalala fomba.... matetika dia ianao indray aza no angarihany satria... mainty... porte malheur hono.... Hoan'ny sasany aza raha mivoaka ny trano izy ka mifanena amin'olona mainty hoditra dia miverina any antrano fotsiny izao fa hoe tsy hahomby hoe ny dia fa nahita monstre.... miala tsiny amin'ny fomba filaza fa zava-mitranga izany indrisy... ary hoan'izay mbola tsy nahita sy tsy nandré izany dia aza hadino fa misy izay....Tadidiko eto ny tenin'ilay camérounais iray niteny tao amin'ny RFI hoe indraindray isika aty amintsika tsy mieritreritra izany hoe maintsy aho satria tsy misy mampihosy loha amin'izany aty amintsika fa raha vao midina ny avion tonga amin'ny aeroportn'ireo mazava hoditra ny tena dia tonga dia mahatsapa hoazy hoe kay maintsy aho.... na ny fomba fitazan'ny olona anao aza dia manampy anao hahatsapa fa tsy mitovy aminy ianao...)

Mazava loatra fa tsy i Obama no hampandroso ny tontolon'ny mainty indrindra ara-ekonomika... sao dia be koa ny ho diso fanantenana amin'izay... fa kosa amiko ny tokony hahafaly dia hoe miova ny tantara satria mba efa manomboka mino izao tontolo izao fa ny olona mainty hoditra dia mba azo ametrahana fitokisana ihany koa... na ho tsara na ho ratsy ny vokatry ny fitondrany mandritra io mandat-ny io efa zava-dehibe amiko ny fiovan'izany tantara izany: ny fahasahiana manome azy ny possibilité hi prouver ny aptitude-ny... miala tsiny raha misy teny frantsay miditra eny antsefatsefany eny fa indraindray ireny mampazava ny resaka kokoa.

Ny irarina fotsiny dia mba hahomby amin'ny ataony izy... ka hitombo hatrany ny fivoaran'ny toe-tsaina satria ny fanaporofoana amin'ny alalan'ny asa sy ny fiainana tokoa no hampiova tsikelikely ny fijerin'ny sasany... na dia misy koa aza ireo izay tsy afaka ny hiova fijery izany mihintsy na inona na inona soa sy tsara vitan'ny tsy mitovy hevitra sy volon-koditra aminy...

Ny mahagaga dia ity... ny maintsy tsy dia manisy olana amin'izay resaka loko izany amin'ny ankapobeny... raha mahomby ilay olona dia mahomby satria nahavita azy... raha tsy nahomby dia tsy nahomby ka mila soloina... Tsy izany kosa anefa no fijerin'ny fotsy matetika raha sanatria ka ny mainty no tsy mahomby fa hafa avy hatrany ny vaki-teny fa dia ny volon-kodiny no aroso voalohany hoanisan'ny anton'ny tsy fahombiazana... eeeeeeeeeeeeeehhhhhhhhhh miangatra loatra ianao ry olona;;;;;;;;;

Asa any an-danitra any raha hisy maha samy hafa ny maintsy sy ny fotsy koa... inoako fa tsa hisy izay satria Andriamanitra TSY MANAN-DOKO araka ny Finoako tsy miova...

Salamà aby oooooooooo


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10  Manaraka»