"Sampy daholo ve ny sary vongana rehetra ???" (Tohiny)

Published on 09/20,2006

Hitantsika tamin’ny farany fa tsy ny sary vongana rehetra akory no raràn’Andriamanitra fa misy amin’izy ireny aza Izy mihitsy no nangataka ny vahoakany mba hanao izany fanehoana izany hanamarihana ny fonenany eo anivon’izy ireo andro aman’alina. (Ex 25,18-20; Fanisana ‘nombres’21 sy ny hafa koa). Na tiana na tsy tiana anefa dia misy mandrakariva ny fanitsiana tsy maintsy atao mba ho tena araka ny tokony ho izy ny fomba fivavaka sady mba ho tena araky ny Evanjely sy ho tena Kristianina. Alohan’ny hamakianao ity anefa dia manasa anao hamaky ny tapany voalohany, raha tsy izany dia mety hivilana ny fandraisana ny hevitra aroso eto. Andao indray ary...

« Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay mamarara » ….

Inona tokoa moa no azo lazaina manoloana ireo toetsaina majika sy fanompoana fahatany izay matetim-pitranga eo amin’ny fomba fivavaky ny sasany manoloana ireo sary vongana na sary masina na ny sapilé sy ny medailles na ny peratra na ny rano voahasina na ny menaka na ny labozia na ny emboka na ireo vavaka nentim-paharazana ? Mazava loatra fa tsy ireo fitaovam-pivavahana ireo no hoe ratsy (en soi) fa ny fomba fampiasa azy no mila hanalavitra ny Evanjely indraindray. Indrisy fa indraindray dia ny firaiketana loatra amin’izy ireny mila hanakaiky kokoa ny finoanoam-poana sy ny fitokisana hery majika « fétichisme ou superstition » fa tsy dia finoana kristinina loatra.

Ahoana moa no hahagaga raha lazain’ny sasany fa fanompoantsampy ny an’ny katolika sasany :

-Raha mahita ireo fomba fivavaka toy io voalazantsika io isika, eo anatrehan’ny sary vongan’i Masina Maria matetika (tsy dia matetika loatra ny an’i Jesoa),

-Raha mahita ny mpino mifandrombaka amin’ny medailles sy ny peratra ka mividy azy ireny lafo be, ka nefa manoloana ireo boky mikasika ny finoana mety hanampy hampivelatra fahalanana sy handalina ny finoana (literatiora kristianina) dia milaza fa tsy manam-bola fa hoe lafo be na hoe zavatra tokony ho zaraina fotsiny ireny … !!!

-Raha mahita fa ny fandraisan’ny olona ny Baiboly na ny medailles na ny sapilé dia toy ny fiarovana na fitaovam-piadiana toy ny fiaro na ody gasy izany…Na koa ny boky fivavahana sasantsasany karohina mafy fa hoe vahaolana amin’ny olana rehetra misy ???

-Raha mahita olona mitondra rano amin’ny siny na siny be na sira amina kitapo na penina na sary masina hotsofin’ny pretra rano toy ny hoe mba hanomezana azy ireny hery majika! Toa manjary mila ho lasa fanandroana ihany izany fa miova endrika fotsiny (grigris traditionnnels transférés).

Ny zavatra matetim-pitranga dia ireo kristianina mbola tafajanona ao amin’ny fahazazana aram-panahy (infantilisme spirituel) sy ny tsy fahalalàna firy ny Baiboly no tena mifikitra mafy sy mandiso ireo fomba fivavaka manoloana sary vongana na fitaovam-pivavahana. Ahoana moa no hahagaga raha tsy manana afatsy izy ireny hianteherana ao amin’ny finoanao ny sasany ??? Jereo ange rehefa mirava lamesa ohatra matetika ny zavatra amidin’ny olona eo ambaravaram-piangonana, raha misy Baiboly vitsivitsy eo dia efa betsaka izay. Tsy firy ny zavatra mba afaka mamelona tsara ny fanahy (nourriture spirituelle sérieurse) toy ny literatiora na boky fiofanana fa ny ankamaroany dia ireo zavatra voatanisantsika entina ho tsofindrano malaky. Inona no tanjona anefa amin’izany ??? Io no mampamitan-tena ny maro matetika ka lasa tsy mitombo aram-pinoana fa voky sakafon-jaza lava izao…

Indraindray aza moa ny tena mahita ireo varotra fitaovam-pivavahana maro loatra na mila ho diso toerana dia alaim-panahy hieritreritra ny nataon’i Kristy indray andro tao amin’ny Tempoly hoe: “Esory teto ireto...Aza ataonareo tranom-barotra ny tranon’ny Raiko”. (Mt 21. Me 11, Lc 19, Jn 2)

Isaorana moa ny Tompo fa efa tsy vitsy izao ny mpiandry ondry miezaka mamoaka ny ondry andrasany tao anatin’io fahazazana aram-panahy io. Noho ny tsy fahampian’ny finoana matotra mantsy dia maro ny mpino tsy mandroso velively eo amin’ny fiainam-panahiny fa vao maika aza milentika any amin’ny lalan’ny fahaverezana.

« Very ny vahoakako fa tsy ampy fahalalana!!! » (Osée 4.6)

Misy moa milaza fa hoe rariny sy hitsiny na hoe aza tena ilaina mihitsy ny fisian’ireo fomba fivavaka fanaon’ny olona ireo satria hoe isika olom-belona dia voafetra. Manasa antsika hiaiky ampanetren-tena anefa fa matetika ireo tsy katolika tsy mampiasa ireo zavatra tanisaintsika ireo ny tsy dia hoe akory malemy amin’ny finoany miohatra amin’izay mampiasa ka nefa mandiso ny fomba tena tokony hampiasaina azy. Mampieritreritra!!!


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=1839

Leave a Reply

One Response to "Sampy daholo ve ny sary vongana rehetra ???" (Tohiny)