Ilay Samaritana Tsara fanahy
Raha vao mamaky ity andalan-tsoratra masina ity isika (Lc10,25-37) dia matetika ny fanoharana no ao an-doha voalohany, hany ka dia izany rahateo moa no fahafantaran’ny maro azy : « ilay Samaritanina tsara fanahy ». Mino anefa aho fa ny fanontaniana voalohany napetrak’ilay mpanora-dalàna dia tokony hampetraky ny mpino tsirairay, fa ny tanjona fotsiny no mila ovaina, tsy han-kana fanahy fa tena iandrasana valiny. « Inona no tokony hataoko hahazoako ny lanitra ? »
Raha fintiniko eto ny mba fahazahoako ny valin-tenin’ingahy Mpampianatra dia toy izao:
Tia an’Andriamanira amin’ny fo manontolo : Raha te hahazo ny lanitra ianao, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna dia « Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny sainao manontolo…ary tiavo ny namanao tahaka ny tenenao. »
Heveriko fa manomboka tia an’Andriamanitra ny olona iray raha toa ka isaky ny mihetsika na ny tenany na ny sainy na ny fanahiny (raha azo lazaina izany) dia manontany tena aloha izy raha mifanaraka amin’ny maha zanak’Andriamanitra sy ny fitiavaNy azy izay nataony na izay ataony sy kasainy hatao rehetra.
Tsy hoe lasa tongalafatra avy hatrany akory izany, fa farafaharatsiny mba misy ny faniriana. Ny fahatsapana amim-panetren-tena fa mpanota ny tena dia anisan’ny dingana lehibe indrindra mankany amin’ny fiombonam-piainana amin’Andriamanitra. Raha olona tsy mahatsapa ny kilemany dia azo lazaina fa mbola lavitra ny hiovàny na ny hibebahana izany.
Tiavo ny hafa tahaka ny tenanao : Somary sarotra adika moa ilay teny hoe « prochain » satria tsy dia « namana » loatra no mahalaza azy, sa ve hoe « ny akaiky ». Azontsika anefa ny hafatra na dia mikaviavia aza ny dikan-teny. Ny fitiavana an’Andriamanitra tsy hita maso dia tokony hiharihary amin’ny fitiavana ny olom-belona rahalahy sy anabavintsika fa indrindra ireo izay mila vonjy avy amintsika. Ireo tsy fantan-tsika ary tsy nampoizina hifanena amintsika mihintsy aza ka nefa mila ny vonjy avy amintsika dia ireny mihitsy no lazain’Ingahy Mpampianatra hoe « namantsika ». Tsy voafaritra mialoha ny namana fa izay te-hahazo ny lanitra no tokony ho tonga naman’izay mifanena aminy ka mila ny fanampiany.
Ny mpisorona nandalo fotsiny: Ny hevitra tonga ao an-dohan’ny maro avy hatrany maheno an’io andalana io dia hoe mba ratsy fanahy ilay mpisorona. Mety ho marina ihany fa tsy dia nanana fangorahana loatra izy, nefa tsy tokony hohadino fa tsy nahazo nikasika ra ny mpisorona satria lasa maloto izy « impur » araka ny lalàna nifehy ny fandraharahany.
Mazava anefa ny hafatry ny Tompo eto : na dia ny lalàna aza dia tsy tokony ho lasa alohan’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Moa tsy izany tokoa moa no nataony ka nanamelohana Azy ho faty : ny fanavotany olona maro marary tamin’ny andro sabata no anisan’ny tena niampangan’ny jody Azy ho faty. Raha zohina dia i Jesoa na Jesosy no tena endrika velona nampihantra ity fanoharana natony mitantara ilay samaritana tsara fanahy ity. « Maty hoan’ny mpanota ». Fa isika koa dia asainy hanaraka ny ohatra nataony. Mila mampanjaka ny Fitiavana, eny fa na dia mety hisy lalàna mety ho voadika aza, satria ny lalàna natao hanampy antsika hitia an’Andriamanitra sy ny namana.
Tsy nijanona teo foana anefa ilay samaritana lazain’ny fanoharana fa nanohy ny diany rehefa avy namonjy ilay naratra. Midika izay fa tsy hoe hitsoahana ny adidy nankinina amintsika ka hoe tsy tokony hanao afatsy ny famonjena izay mila izany fotsiny isika. Ny fanaovana tsara ny adidy nankinina amin’ny tsirairay no làlana tsotra indrindra hamaliana ny fiantsoan’Andriamanitra antsika ho masina toa Azy.(Mt5,48)
Na izany na tsy izany dia mila manokatra fijery isika satria maro ireo maratra amoron-dàlana tsy miandry afatsy isika mba ho velona. Mety ho endrika isehoany ohatra ny toy izao: jereo eto na klikeo ny sary ery ambony.