Ferragosto sa Assunzione?

Published on 19:10, 08/14,2011

Miarahaba antsika indray aloha

Fomba fitenin'ny Italiana ny hoe Buon Ferragosto rehefa tonga ny 15 Aogositra. Io teny io dia manana ny dikany manokana izany mampahatsiahy indrindra fetifety fanaon'ny romana tany amin'ny 8ème siècle av J.C tany, nanamarika ihany koa ny fialantsasatra nomen'ny Amperora Ottaviano Augusto (Ferie Augusti= fialantsasatr'i Augusto raha adika tsotsotra). Noho izy mitontona ny 15 mihintsy anefa dia nanjary teraka ny fifanjevoan'ny dikan-teny (confusion) hoy ny Frantsay ka na dia ny kristianina katolika izay mino sy mankalaza amin'ny fomba manetriketrika ny fiakaran'i Masina Maria any an-danitra aza dia io teny io no ifampiarahabana. Mazava anefa arak'io voalazantsika io fa raha ity fety kristianina ity no tiana ho tsipihina dia tsy misy hidirany mihitsy izany io hoe "ferragosto" io na kely aza.

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany izany fa raha te-handalina bebe kokoa ianao dia vakio ity lahatsoratra kely ity amin'ny tenindry zareo dia ho azaonao ny tiako hambara

Il Ferragosto è una festività che cade il 15 agosto. Negli altri paesi europei la festa assume il nome di assunzione di Maria. Tradizionalmente dedicata alle gite fuori porta, è spesso caratterizzata da lauti pranzi al sacco e, data la calura stagionale, da rinfrescanti bagni in acque marine, fluviali o lacustri. Molto diffuso anche l'esodo verso le località montane o collinari, in cerca di refrigerio.

Il termine Ferragosto deriva dalla locuzione latina feriae Augusti (riposo di Augusto) indicante una festività istituita dall'imperatore Ottaviano Augusto nel 18 a.C. che si aggiungeva alle esistenti e antichissime festività cadenti nello stesso mese, come i Consualia, per celebrare i raccolti e la fine dei principali lavori agricoli. L'antico Ferragosto, oltre agli evidenti fini di autopromozione politica, aveva lo scopo di collegare le principali festività agostane allo scopo di fornire un adeguato periodo di riposo, anche detto Augustali, necessario dopo le grandi fatiche profuse durante le settimane precedenti.

Nel corso dei festeggiamenti, in tutto l'impero si organizzavano corse di cavalli e gli animali da tiro, asini e muli, venivano dispensati dal lavoro e agghindati con fiori. Tali antiche tradizioni rivivono oggi, pressoché immutate nella forma e nella partecipazione, durante il "Palio dell'Assunta" che si svolge a Siena il 16 agosto.

Nell'occasione, i lavoratori porgevano auguri ai padroni, ottenendo in cambio una mancia: l'usanza si radicò fortemente, tanto che in età rinascimentale fu resa obbligatoria dai decreti pontifici.

Coincide con la festa cattolica della dormizione e assunzione di Maria (madre di Gesù).

Source http://it.wikipedia.org/wiki/Ferragosto

Hoan'izay tsy mahazo an'io fa mahazo Frantsay kosa dia afaka manova ny fiteny tiany eo amin'ny ankavanan'ny takelaka eo, na ity ihany koa misy fanazavana fohifohy afaka manampy azy

Ferragosto

En Italie, le terme « ferragosto » désigne communément les vacances d’été que prennent, généralement les Italiens au mois d’août. Du latin Feriae Augusti ( repos d’août) le ferragosto est une fête ancienne qui se déroule le 15 août pour célébrer la fin des travaux des champs.

A cette occasion, les travailleurs remettaient leurs vœux aux propriétaires terriens en échange d’une obole. Cette coutume a toujours cours à Rome. Elle a, même, été rendue obligatoire à la renaissance par arrêté pontifical.

La fête se double de celle de la Consualia , en l’honneur du Dieu Conso, protecteur des greniers et de l’agriculture.

Sous le règne de l’Empereur Auguste (18 avant JC), ces fêtes ont été rebaptisées en « Augustali » et c’est de cette appellation que vient le terme de « Ferragosto ». Les festivités étaient, notamment, constituées de courses de chevaux et d’animaux de trait, lesquels se voyaient, pour l’occasion, dispensés des travaux des champs.

Dans la région du Centre, rien de tout cela sinon quelques moissons à l’ancienne et des activités culturelles de plein-air. C’est pendant ce mois d’août, également, que votre serviteur a choisi de prendre un peu de recul.

Source http://centrinfos.hautetfort.com/archive/2007/08/19/ferragosto.html

Dia manaova fetin'ny Assomption sambatra daholo ny Katolika ary ny tsy mino izany kosa dia manaova fialan-tsasatry ny aogositra sambatra ihany koa.

Se afara koa e


Elaela

Published on 09:36, 08/11,2011

Elaela indray izay tsa teto koa fa maro moa ny raha mandrisigna.

Tsa misy hambara fa dia faly miverigna kely eto indray aloha.

Ho hita miadana eo madina izay azo ifampizarana e.

Mihodigny tany mihodigny hoy Dedessa izay ka dia arakaraky ny fihodikodignany agny ro ahafahana na tsa ahafahana maketo ... arakarak'izay ihany koa ny mety ho votoatin'ny fifampizarana

Samia moa soava aby aloha!


Moa tia ahy ve ianao?

Published on 07:12, 06/29,2009

Fety lehibe hoan’ny Eglizy Katolika Romanina anio satria ny apostoly roa izay antsoina amin’ny fomba fiteny frantsay mahazatra hoe “les deux piliers de l’Eglise” no ankalazaina dia i Pierre sy Paul. Asa moa raha mahadika tsara ny hoe “pilier” ny teny hoe andry fa sahala amin’irony tongon-davarangana milanja izay aorina eo amboniny irony mantsy no antsoina amin’io teny io.

Ny fiantsona ny Eglizy hoe Katolika Romanina moa dia mifandray amin’i Md Pierre ihany. Na dia i Kristy mantsy no nanorina ny Eglizy dia tsy nantsoina hoe Eglizy Katolikan’i Jerosalema ny Eglizy katolika. Tany tokoa mantsy no tanàna lehibe niriariavan’ity Andriamanitra naka nofo nonina teto amin-tsika ity. Katolika Romanina anefa no lasa fiantsoana ny Eglizy noho ny antony tsotsotra efa haintsika ihany. Jesoa dia nisafidy ny hanankina ny Egliziny tamin’ity apostoly ity taorian’ny nilazany ampahibemaso ny finoany “profession de foi” (Mt 16, 18) ary nampanantena fa hivavaka ho azy mba tsy ho diso làlana na ho solafaka ny finoany (Lk 22, 32). Ankalazaina amin’ny 22 Fevrier moa io tranga io dia ilay antsointsika hoe “ny fiketrahan’i Md Pierre” (la chaire de Pierre). I Pierre no Papa voalohany, Evekan’i Roma ary maty martiora novonoina teto Roma (araka ny lovan-tsofina dia teo amin’ny toerana misy ny Bazilika mitondra ny anarany eo indrindra no nisehoan’izany ary nandevenana azy rahateo moa) noho ny finoany an’i Kristy. Ny Papa rehetra taty aoriany kosa dia mpandimby azy ary nandray ny fahefana sy ny adidy hitantana izany Eglizy izany. Ny fiantsoana mahazatra ny Eglizy Katolika hoe Romanina izany dia manamarika ny fanekeny io fifampitohizan’ny fahefana noraisin’i Pierre tamin’i Jesoa io ka nifandovalovan’ny apostoly nifandimby hatramin’izao androntsika izao.

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany moa iny fa ny tena tiako hifampizarana dia ny tenin’Andriamanitra mifanandrify indrindra amin’izany fankalazana izany. I Pierre manokana no ho resahiko fa i Paoly efa be no henontsika momba azy satria taona natokana ho azy rahateo moa ity taona ity.

Ry Simona zanak’i Joany, moa tia ahy ve ianao?

Naverin’i Jesoa in-telo tamin’i Pierre io fanontaniana io taorian’ny nitsangany ho velona ka nisehoany tamin’ireo mpiany, ary isaky ny valin-tenin’i Pierre hoe “eny tiako ianao” dia mitohy amin’ny fanomezana iraka hamahana ny zanak’ondriny sy ny reniondriny ny resaka (Jn 21, 15-17). Fa maninona no naverin’ny Tompo in-telo io fanontaniana io? Jesoa ihany no tena mahay ny valin’io fanontaniana io … afaka mba famakafaka sy fandinika ihany koa anefa isika.

Maro ny mpamakafaka io andalan’ny Soratra Masina io no mampifandray ny fanontaniana miverina in-telo amin’ny fandàvan’i Pierre in-telo an’i Jesoa … ary mety nihevitra toy izany koa i Pierre matoa izy nalahelo raha vao naverina in-telo taminy ny fanontaniana. Mety ho marina sy mitombona ihany aloha izany fifandraisana izany. Na i Md Augustin aza dia efa nampifandray ireo toe-javatra roa ireo. Hoy indrindra izy tamin’izay: “Aza malahelo ianao ry apostoly raha anontaniana in-telo: valio indray mandeha, indroa, eny in-telo aza. Aoka ny fiekem-pinoanao mba handresy in-telo noho ny fitiavana, satria ny hambom-po diso toerana tao aminao dia resy in-telo noho ny tahotra. Tsy maintsy vahanao in-telo izay nofatoranao in-telo. Vahao amin’ny fitiavana izay nofatoranao tamin’ny tahotra … na izany aza anefa, ny Tompo dia, nanankina ny andian’ondriny tamin’i Pierre indray mandeha, in-droa, in-telo mihintsy aza ny Tompo.”[1]

Ny fahitako azy manokana anefa dia na mety ho eo aza izay rohy misy amin’ny fandavana in-telo sy ny fanontaniana in-telo izay dia heveriko fa tsy dia izay loatra angamba no teboka tena tian’ny Tompo ho tsipihina eto fa misy hafatra lalin-dalina kokoa noho izany tiany hahatongavana. Heveriko fa mantsy fa raha izany no teboka iaingana sy tsipihina mafy dia manjary Jesoa manao kajy no torin-tsika … Jesoa manao maso efai-maso, nify efai-nify … namely in-telo ny iray dia asiana in-telo koa izany dia rava ady sahala izany ny baolina. Ny mifanohitra amin’izany indrindra anefa no nampianariNy dia ny hanolorana ny takolaka ilany raha misy mamely ny ambadika, na koa ny hitiavana hatramin’ny fahavalo aza (Mt 5, 38-48).

Heveriko fa raha namerina in-telo io fanontaniana io tamin’i Pierre i Jesoa dia tsy ilay fandavany Azy in-telo loatra akory no tiany hampahatsiahivina azy satria ny fanomezana natolony ny mpianany taorian’ny fitsanganany ho velona dia ny fiadanana sy ny famelan-keloka (Jn 20, 19-23) fa tsy ny fanefana trosa sy ny fanaovana am-pamoaka momba ny fandavan’ny mpianatra sy ny fitsoahan’izy ireo Azy tamin’ny nisamborana Azy tsy akory. Ny fahitako azy manokana dia zavatra hafa no tian’i Jesoa hahatongavana tamin’io fanontaniana in-telo misesy io dia ny hanomezan’i Pierre valin-teny tena azy manokana (réponse personnelle) ary valin-teny tena mampiditra antsehatra tokoa ny nanome azy (réponse qui engage la personne), valin-teny omena ampahafantarana tsara ny teny omena (réponse donnée consciencieusement) … Tian’i Jesoa ho valin-teny mandray andraikitra ny an’i Pierre (réponse responsable) ka manomana azy hifanaraka amin’izay takian’izany any aoriana … Raha tohizana tokoa mantsy ny famakiana ny tenin’i Jesoa dia hitantsika fa taorian’ny valin-teny fanin-telo nomen’i Pierre sy nanankinanany aminy ny reniondriny no nilazan’i Jesoa sahady ny “martiry” miandry azy any aoriana … Martiry izay tsy holavin’i Pierre intsony satria vokatry ny valin-teny nomeny ampahalalana tsara ny teny nomeny (réponse consciencieuse). Hoy i Joany mpanoratra ny Evanjely hoe “Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan'i Piera voninahitra an'Andriamanitra” (Jn 21, 19). Heveriko izany fa raha namerina in-telo io fanontaniana io i Jesoa hoe “tia ahy ve ianao?” dia satria tiany hapetraka eo alohan’ny valin-teny omeny i Pierre, zay vao omena adidy hamahana ny ondry sy antsoina hanaraka Azy avy eo. Mila manontany tena sy mahatsapa tsara mantsy i Pierre hoe tena Fitiavana tokoa ve ny ifandraisany aminy manomboka izao, sao dia mbola ilay fanarahan-dia miandrandra zavatra toy ny tany aloha hoe “indro izahay nandao ny zava-drehetra ka inona no mba valisoa hoazonay amin’izany?” (Mt 19, 27 // Lk 18, 28 …) Rehefa sahy nanome valiteny manokana i Pierre dia avy amin’izay ny fanamafisana avy amin’ny Tompo tsy hoe hamahana ny andian’ondriny fotsiny ihany fa mba hanarahany Azy ihany koa … manaraka Azy hatramin’ny fanomezana ny aina toy ny nataon’i Jesoa ho fanavotana izao rehetra izao.

Hevitro moa io, famakafakana manokana mba nateraky ny fandinihana teny ho eny, ary inoako koa anefa fa tsy mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Fiangonana. Raha samy hilaza izay heveriny tokoa mantsy ny tsirairay ka tsy mitodika amin’ny lazain’ny Fiangonana dia tsy hoela dia ho feno karazana fiangonana madinidinika ny tany satria samy hilaza ny tiany holazaina sy ny takatry ny lohany ny tsirairay. Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia mila vakina ao anaty sy miaraka amin’ny Fiangonana (dans et avec l’Eglise) satria araka ny tenin-tsika tary ampiandohana dia ny Tompo mihintsy no nanome ny iraka an’i Pierre hitantana izany Egliziny izany ary nomeny toky fa hivavaha ho azy mba tsy ho solafaka ny finoany.

Dia samy ho sahy hanome valin-teny manokana (personnelle) sy tompon’andraikitra (responsabile) ary ho sahy hisedra izay tohin’izany valin-tenintsika izany koa anie isika kristianina rehetra ho toa an’i Pierre tsy hitory am-bava fotsiny hoe Tiako ianao fa hanaporofo izany hatramin’ny fanomezana ny mamintsika indrindra ho Azy.

Raha mba tonga amin’izany tokoa mantsy ny Malagasy rehetra mitonona ho kristianina … sy milaza fa tia tanin-drazana, dia mba ho tonga nofo ihany indray andro any ilay hiraina isan-taona amin’ny 26 jiona na matetika noho izay aza hoe “Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay”. Ho tanteraka tokoa anie izany!



[1] Saint Augustin, Sermons 295, 1-2. 4. 7-8, Patrologiaie Latinae 38, 1348-1352.


Démocratie et patriotisme à la malgache!

Published on 08:22, 06/14,2009

Quand on pense aux peines que les peuples des pays développés se sont faites pour arriver à mettre en place la véritable “démocratie” … chanson préférée de tout le monde aujourd’hui, on comprend pourquoi les Malgaches n’arrivent pas (ou bien ne veulent pas) à sortir de cette crise politique qui paralyse le pays depuis plusieurs mois déjà. Il ne faut pas croire, en effet, que ces grands pays, dits démocrates, que nous connaissons aujourd’hui, sont parvenus à faire de ce fameux système la seule règle de jeu réglementant l’accession au pouvoir et la gouvernance de leurs pays par un coup de baguette magique … une règle, faut-il le préciser, respectée par tout le monde, du moins généralement parlant ! Pour y arriver, ils se sont tués, ils ont connu des guerres civiles … ils ont connus un sac de problème … Et comment voulons-nous que cela tombe du ciel à Madagascar ?

Comment voulons-nous instaurer chez nous une véritable démocratie, et cela d’un seul coup, quand la majorité de notre population n’a fréquenté que l’école élémentaire, … la plupart des électeurs ne sait même pas lire ce qui est écrit sur le bulletin de vote … et ne sait même pas signer la case correspondant à son nom après avoir voté? Comment voulons-nous parler de l’informatisation du système de vote quand il y a des milliers de bureaux de vote n’ont jamais vu même pas une vieille machine à écrire ? … des bureaux de vote se trouvent au fond de la brousse, au fond de la forêt … et le président lui-même ignore leur existence ? Enfin ! c’est bien d’aspirer aux bonnes choses, aux bons principes mais c’est mieux d’être réaliste. Ne rêvons pas une démocratie toute faite, démocratie au même niveau que celle des américains ou des européens d’aujourd’hui … Ils ont déjà vécu une très longue histoire pour en arriver là … et admettons-le… ils ont des vrais politiciens et non pas des opportunistes … Chez eux les gens vont à l’université pour se spécialiser à la politique avant de s’y lancer … le temps d’un cowboy devenu président a été bien enterré pour de bon … Chez nous, quelqu’un peut se lever d’un bon matin et s’autoproclame président d’une HAT qu’on invente à toute HÂTE sur la place du 13 mai, et ça marche … la HCC vient seulement l’entériner … et les militaires sont prêts à faire la parade ! Beau spectacle non !

Chez eux, les gens manifestent dans les rues à tout moment, … non pas pour que le président quitte le pouvoir tout de suite comme chez nous ... mais pour qu’il se réveille s’il s’endort sur quelques points qui touchent leurs intérêts. Chez eux… Madame Clinton fait campagne pour Mr Obama après avoir été son rivale dans les primaires … parce qu’après tout ils sont d’un même parti « les démocrates » … mais chez nous quelqu’un peut être ministre Herivelona il y a quelques années, et après il peut devenir Premier ministre d’un autre régime … mais rien ne l’empêche aussi de descendre sur la place du 13, non seulement pour demander le départ de celui qu’il soutenait à peine, mais aussi pour courir derrière une machine qui passe, dit-on, à grande vitesse, sans pourtant savoir si elle marche vite, toute pressée, pour arranger ou pour détruire … et personne ne sait ce qui va encore se qui va se passer après … ! En tout cas c’est pas encore fini !

Certains pourront penser que je suis pessimiste… peut être bien que je lu suis… mais je vois quand même que le problème va beaucoup plus loin. Je ne veux certainement pas dire que pour devenir des vrais démocrates, les Malgaches doivent eux aussi s’entretuer d’abord … Je veux tout simplement dire que si nous aimons vraiment Madagascar, nous devons abandonner désormais la politique de « copier coller » …. la politique de « miara-mirona ry kala alika (maty ou velona on ne sait plus) ». Ce n’est pas parce que les filles parisiennes se baladent presque nues durant l’été que les Antsiraberoises doivent elles aussi faire de même au plein milieu de l’hiver du Vakinankaratra … Ce n’est certainement pas en accédant au pouvoir par un coup d’Etat qu’on puisse instaurer une véritable démocratie, aussi mauvais que puisse paraître le gouvernement en place, parce que le coup d’état en son essence même contredit la démocratie. Comment voulons-nous que la démocratie devienne notre règle de jeu si celui qui en parle et qui prétend nous l’imposer accède au pouvoir de façon anti-démocratique ? Cela ne colle pas non !

Tout le monde se dit patriote … tout le monde termine son discours par la flatteuse expression « masina ny Tanindrazana » (la nation est sacrée, le pays est sacré, pour ne pas traduire Tanindrazana par terre des ancêtres). Les militaires concluent leur communiqué par « hoan’ny Tanindrazana » (pour le Pays) … ceux du Capsat comme ceux d’autres régiments … Et tout le monde se dit préoccupé par l’intérêt supérieur de l’état … entretemps, pendant des mois et des mois on se réunit ici et là pour trouver une sortie de crise … et on n’arrive pas à se mettre d’accord sur quelques points qui font la divergence … et le pays reste terrassé et asphyxié … Tout simplement parce que tout le monde mise sur ses propres intérêts. Arrêtez donc de nous prendre comme des canards. Moi personnellement je suis convaincu que le politicien malgache qui aime vraiment son pays n’est pas encore né. Je l’attend encore … et je suis sûr que je ne suis pas le seul à avoir cette conviction. En tout cas, ce vrai politicien malgache n’est pas encore parmi ces gens qui, avant hier étaient Arema, hier étaient Tim et aujourd’hui sont Tgvistes, … et que sais-je encore ! Chez nous il suffit d’un moindre mouvement pour que les députés ou maires fassent une déclaration commune qu’ils soutiennent le mouvement … pour, martèle-t-on, l’intérêt supérieur du pays! Or … en réalité c’est parce qu’on a peur de perdre la petite chaise qu’on s’est acquise … belle politique non !

Ah ! quand est ce que le sort de Madagascar, le sort des pauvres paysans (la majorité de la population) ne dépendra plus de la décision unilatérale des politiciens des grandes villes avec leurs partisans … des soit disant patriotes … vraiment je suis impatient de voir ce moment !

Que des choses étonnantes ! On kidnappe des généraux … et il suffit d’une assise militaire pour que tout le monde s’embrasse comme des frères. Etait-ce vraiment une réconciliation ? En tout cas ce qu’on veut nous faire croire … Et des généraux kidnappés par des mutins (pas plus gradés qu’eux-mêmes) viennent participer activement à cette assise dont la cérémonie d’ouverture a été présidée par un ‘président’ (du moins pour ceux qui l’appellent ainsi) conduit au pouvoir par leurs kidnappeurs … on y a parlé des tenues, d’augmentation de salaire avant la fête nationale, d’hélicoptère, peut être d’autres choses aussi … et ils se sont tous donnés la mains à la fin … une cérémonie très émouvante raconte-t-on ! Quelle fraternité ? C’est « trop » sincère non ! Malheureusement rien de « trop » n’est bon ! Je ne suis pas fort en politique… mais là je vois flou !

J’avait déjà écrit ici une fois que je n’était pas d’accord avec la façon dont le président, actuellement en exil, a voulu gérer certaines choses de ce pays …. Mais je le répète, une fois de plus ici, que je n’avale pas non plus la façon avec laquelle on a voulu résoudre le problème. Cette façon me fait honte, à moi personnellement … elle bafoue nos valeurs malgaches … quelle violence, quelle brutalité, quelle cruauté, j’allais même dire quelle sauvagerie … Et avec tout ça … et ce qui suivra encore, vous voulez nous dire que vous cherchez l’intérêt suprême de l’Etat ?

Quand on sait que 95% de ces acteurs se disent croyants, … chrétiens ... Quand on voit que chaque dimanche, les Eglises Malgaches (toutes confessions confondues) est pleine comme un œuf … et le lendemain on se dirige vers 13 mai pour jeter les pierres aux autres, pour piller les grands magasins (qui ne sont pas forcement en lien avec Tiko et/ou ses actionnaires…) ou pire encore pour bruler tout simplement les maisons et/ou les biens d’autrui sans se préoccuper même pas de la vie de ceux qui peuvent s’y trouver au même moment … On se dirige vers un palais présidentiel … avec une foule impressionnante … sachant déjà ce qui attendait devant … mais il fallait à tout pris provoquer la colère de la foule et salir davantage l’image de l’adversaire pour arriver au but qu’on s’était fixé … et après on parle des martyrs … La démocratie a-t-elle de récompense à octroyer à ses martyres ? Je n’en sais rien. Je sais que le Christ en a promise pour ceux qui perdent leur vie à cause de la foie en Lui … Et ceux qui ont malheureusement péris pour avoir couru derrière une machine, « tgv » ou « regarega » qu’elle puisse être, qu’est-ce qu’ils auront comme récompense ? Peut être le développement de notre pays ? Nous l’espérons sincèrement. L’histoire nous en dira davantage ! Ce qui est sûr déjà c’est que les événements d’Ambohitsirohitra ont donné la possibilité aux partisans du coup de force de parler de crime de sang dont l’acteur ne doit pas bénéficier d’une éventuelle amnistie … et on ne parle pas du tout de ceux qui sont morts calcinés dans les grands magasins qu’on avait pillés et incendiés lors de la violente manifestation que certaines appellent « révolution orange » … Quelle belle politique … des Malgaches patriotes et démocrates … mais aussi des croyants … chrétiens … peut être catholiques !

En tout cas, en tant que Chrétien … Catholique… je dois dire avec une certaine déception que nous sommes encore très loin d’être des véritables disciples de Jésus, le Dieu qui a pris chair par Amour de l’humanité ! C’est aux Malgaches de devenir chrétiens (disciple de Jésus) et non pas à Jésus de devenir Malgache (suivre nos caprices … et respecter nos valeurs que nous arborons, malheureusement seulement quand ça tourne à notre avantage !) A bon entendeur !

Pour devenir un bon politicien chrétien, il faut avant tout devenir un bon chrétien digne de ce nom : « craindre et aimer Dieu de tout son cœur, de toutes ses forces, de toute son âme et aimer ses frères comme soi-même » (Mt 22, 37-39) comme ont fait les vrais politiciens de l’histoire de l’humanité. Je pense particulièrement à David, à Salomon, et aux autres rois de l’Ancien Testament … ce sont des politiciens au vrai sens du terme … des vrais d’ailleurs … Saint Louis roi de France fut aussi un grand politicien … catholique … les initiateurs de l’union européenne étaient des membres du parti « démocratie chrétienne » et leur procès de béatification est déjà en cour … il y a une longue liste des saints politiciens que nous ne pouvons pas reprendre ici. Ce que nous voulons souligner ici c’est le fait qu’on peut bien être à la fois un politicien et un bon chrétien … Ce n’est pas vrai que pour être un bon politicien il faut être un grand manipulateur, un grand menteur ... mais pour en arriver là … il faut arrêter de bavarder avant de démontrer par les actes ! Il faut que notre foi en Jésus Christ devienne le point de référence de tout notre agir ! Il faut qu’il devienne le centre de notre intérêt, le centre de toute notre vie ! Pour faire simple : « Il faut se convertir » !

Seulement quand nos politiciens aimeront Dieu de toutes leurs forces … seulement quand nos politiciens aimeront leur frères comme eux-mêmes … que notre rêve exprimé par l’hymne nationale « Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay » (textuellement : « et notre Madagascar sera une heureuse terre ») deviendra une réalité. Ainsi soit-il !

Samia mieritseritsa e !!!!!!!!!!!!


Ny andriamanitry ny 13 Mai hoe?

Published on 10:08, 04/18,2009

Mahita ny karazana fikomiana sy tolona nifandimby eto amin’ny Firenena ny tena dia mba lasa ihany ny saina amin’ny toe-javatra sasantsasany. Nanomboka tamin’ny 2002 moa ny tenanay vao tena nanaraka ny raharaham-pirenena satria tamin’ny 1972 mbola tsy olombelona ary tamin’ny 1991 mbola zaza tsy nivaky loha tamin’izay ady sezan’ny olona any fa ny fianarana no nimasoana.

Ny zavatra takîna amin’ny fikomiana na/sy tolona moa dia tsy mitovy, toy izany koa ny fomban’ny mpitarika azy sy ny fomba nanaovana azy, ka nefa mahagaga fa misy itovitovizany hatrany. Tamin’ny 2002 ohatra dia nisy fifidianana ary nazava ihany ny fandresen’ny andaniny saingy tsy nahafoy ny hiala ny sasany ka dia iny niaraha-nahita iny. Notapahina ny tetezana e, ny pôtôn-jiro mamantsy an’Antananarivo e, tsy navela hiakatra ny carburant avy any Toamasina e… maro ny raha nijaliana tamin’izay fa mety efa hadino sahady moa. Ity 2009 ity kosa dia teraka teny andalana teny ilay fikomiana vokatry ny tsy hafalian’ny olona tamin’ny fitantanana amin’ny ankapobeny (ampihimamba ny sehatra ara-toe-karena, fividianana avion isan-taitaika nefa ny vahoaka fadiranovana, projet mamoafady toy ny fivarotana tany lehibe noho i Belgique mandritra ny 99 taona be izao… sy ny sisa tsa hotanisaina eto) na dia resaka télé Viva aza no pitik’afo nandrehitra ny vanja… Ny very seza taloha rahateo moa araka ny mahazatra dia zarany aza misy mahasahy manomboka ny grevy… sitrany ahay mba seza kely koa aloha mandrampitabataban’ny vahoaka indray… Tsy hiresaka eto aho hoe iza no maro an’isa ny mpomba sa ny mpanohitra izao antsoina hoe teteza-mita izao fa dia avelantsika ny tantara no hamaly izany….

Ny mahatsikaiky ahy fotsiny dia ity: isaky ny misy lazaina hoe tolona dia misy foana ny fanompoam-pivavahana eo amin’ny 13 Mai. Asa moa na tena ilay Andriamanitra inoan’ny kristianina na ny finoana hafa tokoa no antsoina eo amin’ireny na zavatra hafa.

Ny mpanohana and-Ravalomanana Marc tamin’ny 2002 dia niantso an’Andriamanitra teo amin’io kianja io ary dia rehefa tafapetraka teo amin’ny toerany dia nisaotra Azy fa hoe fitahiany sy fatantanany no nahavita ny tolona.

Tonga koa ny TGViste ny 2009 dia milaza fa miantso an’io Andriamanitra io ihany koa hanalana ilay raika lahy eo amin’ny toerana, dia rehefa azo koa ny tadiavina dia milaza koa fa fitahiana avy amin’Andriamanitra ny nahavitana ny tolona.

Tamin’ireo roa ireo dia samy nisy itony hoe Mpiandry itony daholo hoe handroaka demony hono, eny amin’ny ministera sy ny karazany izany…. Dia asa moa demony inona no tamin’ireny toerana ireny fa dia tsy mety lasa mihintsy izany satria miverina ao foana? Tokony handini-tena koa ireny milaza fa mpandroaka azy ireny sao dia izy ireo no tena mitondra devoly any aminy ka tsy hainy manavaka intsony izay tena devoly horoahina sy ny azy manokana? Asa moa kooo?

Ny zavatra mba tena mahagaga koa dia ny hoe, alohan’ny kabary dia manao fanompoam-pivavahana, dia avy eo miara-mirona manao diabe mandroba sy mandoro tranom-barotra na orin’asa na tranon’olona toy ny PDS, eny fa na dia mety ho olona tsy misy ifandraisany amin’ny fitondrana mihintsy aza. Mandritra ny dia amin’izany dia mandeha ihany ny hiram-pivavahana!!! Toy izany koa miakatra any amin’ny lapam-panjakana mihiram-pivavahana ka nefa dia efa hay izao fa mangarom-biby an-davaka no atao any satria na mahay na tsy mahay ny mpitondra ao, na tian’ny vahoaka na tsia, ny palais dia toerana tsy azo aleha hatramin’izay ary tsy ho azo aleha na oviana na ovina. Asa moa amin’izao raha mankeny Ambotsirohitra eny ny mpitolona eo Ambohijatovo raha horaisin’i Andry Rajoelina amin’ny oroka fiarahabana tratran’ny Paka !!! Tsy mino aho!!!!

Resaka hafa moa ny momba an’io fa izay nitarika ny olona ho any noho ny tanjona manokana no tokony hieritreritra ny amin’izany (atao izay handrangitana ny ankilany mba hanerena azy nampiasa hery misy hilazana hoe io fa mpanono olona, mba hankahalan’ny maro azy misimisy kokoa hatrany satria ny Malagasy sensible amin’ny vono ain’olona “au moins théoriquement”) fa ny tena tiako hambara eto dia ny hoe Andriamanitra tokoa ve ity antsoina eo amin’ny 13 Mai na amin’izay toerana hafa amoriana vahoka  ity sa inona e? Izany moa no nanoratako ny loha-teny amin’ny “a” kely fa tsy “A” sora-baventy satria toa tsy dia resy lahatra loatra aho hoe tena Andriamanitra nasehon’i Kristy novonoina sy nitsangan-kovelona noho ny otantsika, ankalazaintsika amin’izao vanimpotoana izao indrindra no ivavahana amin’ireny toerana ireny. Ny Andriamanitra nasehon’i Kristy mantsy na inona na inona antony dia tsy afaka hifanindran-dalana amin’ny herisetra, halatra, vono olona sy ny sisa na oviana na oviana. Andriamanitra mampianatra hivavaka sy hanao soa ny fahavalo no nampianariny (Mt 5, 44 ; Lc 6, 28) fa tsy handroba ny an’ny sasany (eny fa na dia mety tsy ho ampahamarianana aza no nahazahoany izany). Andriamanitra mampianatra hamela heloka impitopolo fito no nasehony (Mt 18, 21-23), …Andriamanitra mamela heloka na dia miverina im-pito ao anatin’ny andro iray aza ny fahavalo noho ny heloka iray averiny amin’ny tena (Lk 17, 4)….Andriamanitra mampianatra hanolotra ny takolaka iray raha asian’ny hafa teha-maina ny ankilany (Mt 5, 39)…. Andriamanitra tena mitsinjo ny soan’ny besinimaro fa tsy mamoky resaka ny hafa mba hampetipety ny an’ny tena fotsiny….

Tokony mba samy handinika ny tsirairay hoe tena mino sy tia an’Andriamanitra tokoa ve izaho sa dia atao fitaovana hahazoana olona fotsiny hoe mivavaka izahay, manomboka amin’ny hira masina ny fotoana? Tena kristianina tokoa ve ny Malagasy marobe mameno Fiangonana isan’alahady ireny sa dia efa fomba fanao moa izy ity ka manahirana raha tsy hatao?

Tsy izany kosa angamba no tena finoana takîn’Andriamanitra amintsika, ka tokony samy hanararaotra izao fotoana izao handinihan-tena sy hanitsiana izay azo ahitsy fa mbola tsy tara.

Tonga dia salamà aby eee!


Ny Malagasy vahoaka hafa, miavaka amin’ny maro.

Published on 10:51, 03/15,2009

Efa nisy fotoana ihany niresahako teto hoe maro ny mampiavaka ny Malagasy amin’ny mponin’ireo firenena hafa ato amin’ny kontinantan’i Afrika izay misy azy na dia misy ihany koa aza ny mampitovy azy amin’izy ireo. (Hitanao eto ny lahatsoratra tamin’izay.)

Na dia misy ifandraina amin’izay ihany aza ity lahatsoratra ity dia hafa mihintsy ny hafatra tiako hampitaina eto. Mahita ny zavatra mitranga ao antanàna ao tokoa mantsy ny tena dia lasa ny fisainana ka manontany tena hoe nataon’ny Malagasy aiza re ity Fahendrena ireharehany fa mampiavaka azy? Nataony aiza ity hoe mandala ny FIHAVANANA satria ladim-boatavo ny fiainana ka raha sarihana iray ihany? Nataony aiza koa ilay hoe fanajany ny Ray aman-dReny satria nahitana masoandro sy kitapo nifonosana sy ny soatoavina maro hafa tsy hovoatanisa eto? Fa hafa amin’ny inona tokoa moa isika ?

Tsy vitsy no mitroatra matetika raha mahita Malagasy manao ankarihary zavatra heverin’ny maro fa tsy dia tsara loatra. Ohatra, miseho gazety fa milalao film X na zavatra mitovitovy amin’izany fa hoe manala baraka ny maha Malagasy. Hoatran’ny hoe ny Tena Malagasy dia tsy misy manota izany, fa mahafehy tena tsara sy Hendry toa Anjely kely daholo. Raha mba mamaky irony forum irony anefa ny tena (ohatra resaka ‘sexualité’ ao @ moov.mg) dia mahita fa kay ny Malagasy koa dia maro no manana fiainana tena tsy azon’ny saina eritreretina mihintsy.

Izao indray dia misy olana ara-politika dia dorana ny Fiangonan’izay heverina fa mpomba ny mpifanandrina amin’izay tohanan’ny tena (efa hatramin’ny 1991 io)…Ny tranon’ny mpanao politika mifanaraka amin’izany moa dia efa tsy resahina intsony… Robaina ny tranombarotra lehibe na dia an’olona tsy misy ifandraisany amin’ny raharaha politika aza…dorana koa avy eo…na dia misy olona may ao anatiny ao aza tsy atao olana izany…Mifamono ny olona mpanohana ny andaniny sy ny ankilany…Mifanaratsy amin’ny radio sy télé ny mpanao politika ary ny ankamaroan’ny zavatra ambara dia lainga sy fandrangitana fifankahalana fotsiny izao mba ‘handresena’….Mizara ny tafika, tsy mitovy hevitra ary atahorana hiady antrano koa aza sanatria… Dia very hevitra ny tena hoe fa sao mba tsy any Madagasikara ary izao zava-miseho izao fa raha ny fiheverana ny atao hoe Malagasy dia tsy azon’ny saina eritreretina izao toe-java-miseho izao !!! Sao mba any Congo Brazzaville isika, sa any Congo Kinsasa, na any Angola na any Somalie, Soudan na Côte d’Ivoire na ireo tany hafa nahitana ady mitovitovy amin’izao. Any amin’ireny firenena misy na nisy ady ireny koa anie ka mba misy Fihavanaan e. Any Afrique central ohatra dia tsy misy ny teny hoe “cousin- cousine” fa “frère – soeur” aby ny zanaky ny mpirahaly sy mpirahavavy na zanaky ny mpi-“cousin- cousine”, tsy misy hoe dadatoa fa “papa” aby ny rahalahin’ny dada fa ampiana ny anarany fotsiny hanavahana azy amin’ny sasany (ohatra papa Georges) toy izany koa tsy misy ny teny hoe “nenitoa” fa “maman” daholo ny rahavavin-dreny….Manambara fifankatiavana sy fihavanana ihany koa izany,…ka nefa dia mifamono toy ny biby rehefa misy ny tsy fitovizan-kevitra sy ny tombotsoa arovana…

Mahita ny zava-misy amin’izao fotoana izao any Gasikara dia menatr’olona ihany ny tena indraindray ary mametra-panontaniana hoe fa izao tokoa ve kay ny tena fomban’ny Malagasy e, toa mitovy amin’ny sasany ihany kay ?

Mazava loatra fa maro ny zavatra mampiavaka antsika amin’ny vahoaka hafa noho ireo soatoavina ananantsika saingy ny soatoavina tsy iainana intsony dia malaza tsy ihinanana toa viliantsahona fotsiny. Ny tiako hambara dia ity : Toy ny olon-drehetra isika Malagasy. Misy ny soa sy tsara mampiavaka antsika toy ny ananan’ny sasany ny soa mampiavaka azy ihany koa izay tsy ananantsika. Rariny sy hitsiny raha ireharehantsika izany. Misy koa anefa ireo kilema izay ananantsika ary mila ialàna toy ny tokony hialandry zareo sasany amin’ny kilema ananany ihany koa. Ny vahoaka rehetra eran-tany dia samy misy olona tsara fanahy, tsara fitondran-tena sy ratsy fanahy ary ratsy fitondran-tena avokoa. Na Malagasy na tsy Malagasy dia samy zanak’Andriamanitra antsoina hiova fo ka hametraka Azy ho ivon’ny fiainana sy Fepetra Fototra tokony hibaiko ny fifandraisantsika amin’ny namana manodidina. Raha lany andro tamin’ny fitanisana izay mety ho tsara mampiavaka antsika amin’ny hafa isika teo aloha, izao kosa dia tokony mba hanokana fotoana bebe kokoa hijerevana akaiky izay tsara ilaina iainana ary izay ratsy tsy maintsy hialàna fa izay ihany no hampandroso antsika amin’ny lafiny rehetra ary tena hampiavaka antsika marina. Mila fiovam-po izao toe-draharaha izao fa raha mbola ny Vola ny Voninahitra sy ny Mahafinaritra ny vatana no mibaiko ny fon’ny Malagasy dia tsy hisy zava-banona eo. Samia mibebaka dia hitondra soa hoan’ny Malagasy ny soatoavina ananany sy ny harena ananany tony ny Petrole sy ny harena ankibon’ny tany hafa efa voaporofo ankehitriny fa misy ao aminy, fa raha tsy izany dia hitovy amin’ireo firenena manana izany isika ka ny ady sy ny viol isan-karazany fotsiny no mahoraka fa ny zava-misy tsy miova.

Alao hery aby e, se afara koa


Mitolona hoe?

Published on 07:54, 01/30,2009

Na dia somary sahirana aza ny tena dia mba hanoratra kely eto ihany fa tsy hay ny mangina manoloana ny zava-misy manjoa ny tanindrazana ankehitriny.

Iarahan'ny maro mahita angamba ny tsy fetezan'ny zavatra maro eo amin'ny fitantanana ny raharaham-bahoaka tato ho ato.... Amidy ny tany etsy... trandrahina ny harena ankibon'ny tany eroa... boeing roa anaty mandat roa.... izay misy vola rehetra dia tsy maintsy tafiditra ao ny mpitondra... dia tsy hita izay mba fiatraikan'izany eo amin'ny fiainanan'ny vahoana madinika....amin'izay anefa dia tsy hay intsony na pasitera ny sasany na filohan'ny repoblika fa zay fiangonana andalovany (izay misy ny finoany no lazaiko eto) toa mahazo fitenenena hatrany izy... hatramin'ny fampianarana na toriteny izany.... dia asa moa izy ity.... nefa toa rehefa zohina toa misy hery hafa any ambadimbadika any ary io no tena inoana sy ianteherana amin'ny atao rehetra.... Be mpiteny izany ka asa...Maro ny misiterin'ny fiainan'ny zanak'olom-belona e!

Na izany aza anefa dia ny fanimbana ny zavatra vitany izay tsy hoan'iza fa hoantsika ihany, (.. na iza na iza handimby azy eo... ) izany ve no atao hoe mitolona??? Tsy dia mino izany loatra ny tenako... Eny mety tokony efa hiala tokoa angamba itony mpitondra itony hahitana izay mba hataon'izay miditra eo indray...(izay tsy dia ho lavitra izao ihany angamba satria na ity farany ity aza anie inona moa no tsy nampanantenainy antsika... ary moa tsy vahoaka an'alin-kisa no nanohana azy mba handraisany io fitondrana io raha mbola nanao ny nataony teo ny tarika Ambodiantafana???) ka nefa sao mba misy fomba mihaja sy tsy mahamenatr'olona toy izao azo atao ihany hahatongavana amin'izany e.... hoan'ny tena izay mba sendra aty ivelan'ny gasikara aty moa (miala tsiny raha manafitohina ny sasany koa ny filazana izany) dia toa mahatsiaro ho menatr'olona rehefa mijery ny vaovao amin'ny télé miaraka amin'ny olona tsy Gasy ny tena ka mahita ny mpiray tanindrazana mandoro sy manapotika zavatra iombonana toy ireny... mandroba ny fananan'ny olona ... indraindray na matetika mihintsy aza olona tsy misy hidirany amin'ny fitondrana akory... rehefa mety ho tranom-barotra lehibe dia robaina sy dorana avokoa.... indrisy dia izany ve no toentsaina hoentintsika hampandroso an'i Gasikara....

Mahaiza miresaka sy mivazavaza daholo fa raha io no toe-tsaina hitondrana ny zavatra tsy holasa izany io e, na dia ny iray amin'ireo Mpaminany aza no hitsanan-kovelona ka hatao filohan'ny Malagasy eo tsy hisy zava-banona raha zay vita hopotehina sy ho dorana toy izao!

Ary izay mitarika ny olona hanao izany rehetra izany.... avelako hanohana azy ankalalahana izay te hanohana azy fa zah manokana tsy matoky hoe olona hanao soa zay faly amin'ny fahapotehan-javatra toy ireny... fa indrindra ny famoizana aina maro.... Sao dia mba misy mpanohana an'izao zavatra izao any hoany eee? Sao mba misy te hiverina eo indray??? Na sao misy nahita fa mba mihatsara ihany ny tanàna na dia mety mbola mahantra aza ny vahoaka ka aleo averina ratsy toy ny tamin'ny androny ihany fa mba menatr'olona izy hoe taon-jato maro no teo nefa tsy nisy fiovana endrika toy izao (fara faharatsiny ahay ny endriky ny tanana sy ny fanana iombonana toa mba niova kosa e, aleo jerena amin'ny maso tsy miangatra ny zavatra... dia lazao fa miandany atsy na aroa indray ah raha milaza izany, tsy maninona...) Asa moa ?

Indrisy mantsy, samy milaza tia tanindrazana daholo izay mivoaka eo, ... fa tena tiantsika tokoa ve i Madagasikara??? Samia mandinika dia mamaly mangina ao ampony izany fanontaniana izany....

Tsy ny mpitondra no hanova an'i Gasikara fa ny fiovan'ny fomba fijerin'ny tsirairay sy ny fahavononany hametraka ny anjara birikony

Samia salamà aby


Iza marina ianao?

Published on 20:31, 11/29,2008

Mba nanaitra ahy ity lohahevitra iray ity teny amin’ny fampianarana kely mba narahina teny… teny amin’ny vaky boky kely mba natao teny … ka indro zaraiko aminao sao mba mety hanampy anao hahafantatra bebe kokoa ny tenanao. Mikasika ny maha izy ny tena izy ity, ilay ataon’ny frantsay hoe “identité”. Misy fomba maro matetika ny fomba jerin’ny olona ny tenany sy ny famaritany ny maha izy azy. (Mety ho lavalava kely fa mahareta e… sao mba hilaina ihany.)

 

1- Misy ireo mamaritra ny maha izy azy miainga amin’ny zavatra ananany (asa moa izay tena mahalaza ny hoe ‘par rapport’ fa io no tiako hadika amin’ny hoe ‘miainga avy amin’ny’ eto). Ity voalohany ity ilay karazan’olona raha vao anontaniana hoe iza ianao dia mamaly hoe: “izaho no tompon’ny trano lehibe eroa ananona” na hoe “izaho no tompon’ilay fiara marika izao na miloko toy izatsy” na hoe “topon’ilay tany misy an’izao etsy ananona” sns… Ny olana anefa dia izao : raha potika teo ary ireo zavatra ananany izay heveriny ho fototry ny maha izy azy sy entiny hamaritarana ny tenany ireo dia iza izany izy? Tsinotsinona anie izany izy raha vao potika ireo zavatra heveriny fa maha izy azy ireo e, dia mety hamono tena tampoka… Tsy ampy hatao fototry ny maha izy antsika ny Harena…ny fananana. Ny tena mahagaga aza moa dia ny olona tena manan-karena tsy dia misehoseho firy fa miezaka manafina izany aza… ireny no heveriko fa manan-karena satria azo lazaina ho manan-karena ara materialy sy ara toe-tsaina angaha izany…. Jereo fa ny olona tena mpanana matetika tsy dia mampiasa irony zavatra lafo vidy irony loatra… fa saika ireo eo ho eo ihany na ny tsy manana mihitsy aza no miezaka manenjika ny raha tena raitra (fiara lafo vidy, telephone, ordinateur…sns) asa mety misy zavatra tsapany fa tsy ampy ao amin’ny maha izy azy ao ka ny fananany ireny no heverina fa hanome hery kokoa azy na hampisy ‘valeur’ bebe kokoa ny tenany… Nefa ny tena marina tsy izy no mafy…. raha heverina fa maha-mafy ny fananana azy ireny… fa ilay zavatra ihany… Mety ny fiara na ny akanjo na ny famataran’andro, na ny finday na ny solon-tsaina no lafo vidy fa tsy ilay tompony akory…

 

2- Misy ireo mamaritra ny maha izy azy miainga amin’ny fifandraisany amin’ny olona hafa. Itony indray raha anotaniana ny maha izy azy dia irony miteny hoe “zah zanak’i Mr le président” na hoe “zandrin’i député ranona”, na koa “rahalahin’i maître ranona”… “fianakavian-dranona”… Matetika rehefa mba mahazo toerana heverin’ny besinimaro ho manan-danja ny olona iray vao mipoitra daholo ny havany rehetra… “havanay io”… “avy any aminay iny”… Dia raha tsy eo koa ary ireo olona atao fototry ny maha izy azy ireo dia iza ihany koa izany izy? Ity ilay tonga amin’ny fitenin-jatovo mpisavika hoe “aza mitoky salaka am-bodin-drahalahy”. Izany hoe rehefa hisavika omby ianao aza mijery hoe efa misalaka ny rahalahinao dia ampy izay fa ny salaka mamatotra azy tsy mamatotra anao… raha ny zokinao no karaté, tsy ianao akory no haharesy ny fahavalo hisakan-dalana anao…. Mbola tafiditra eto amin’ity karazana ity na dia ny fifandraisana akaiky toy ny fanambadiana aza. “Izaho no vadin’i Miss Madagascar”… “na thirst lady…” dia raha tsy eo io vadinao io dia iza ianao?

 

3- Misy indray ireo mamaritra ny maha izy azy miainga amin’ny asa ataony na toerana misy azy eo amin’ny seha-piainana. “Izaho no directeurn’ny sekoly eroa ananona”.. “izaho no Maire ao amin’ny commune atsy”… “izaho no curé eroa na pasitera etsy…”… “izaho no eveka etsy…” Dia raha misy fitondram-panjakana sanatria mandrara ny fampianarana ohatra na ny fivavahana dia mihidy daholo na sekoly na Eglizy ary tsy azo atao ny manao raha mifanaraka amin’ny maha pampianatra na maha pretra na pasitera eny fa na dia any antrano mangingina aza dia iza izany ianao? Ianao fotsiny izao, tsy asiana Eglizy, tsy asiana Sekoly, tsy asiana Birao? Mahay miaina ve ianao, ary sambatra amin’izany fiainana izany raha tsy misy ireo asa na didy amaritanao na apitovizinao amin’ny maha Inao anao ireo?

 

4- Misy indray koa mapitovy ny tenany amin’ny fianarana nataony. Itony ilay olona efa tsy manana anarana intsony indraindray fa lasa hoe “docteur…” na koa “professeur…”, na “comptable…” Na koa irony miteny hoe: “Izaho dokotera en…” , “izaho manana licence amin’izao…” “izaho manana bac dimy”… “izaho mahay miteny tenim-pirenena maro”… Maro no mihevitra fa arakaraky ny ananana marim-pahaizana maro no tena maha olona manan-danja azy… Ny hitako anefa dia tsy hoe ireo mpampianatra manana titre be sy lehibe no mahafapo amin’ny fampianarana (raha hiresaka fampianarana ohatra isika eto) fa ireo izay nahay nahatonga nofo izay kely hainy…. Lasa fiainany izay nianarany… Dia raha alefa mipetraka na miasa any amin’ny toerana tsy misy hifandraisany na kely amin’ny titre-nao ary ianao avy eo dia iza izany no filazanao ny tenanao?

Ny fiainana angamba no mety tsara kokoa atao fitsipika amaritana ny maha izy antsika fa tsy ny fianarana raha tsy izany tonga amin’ilay olona iray nahavita ny ‘soutenancen’ny tezy doktora’ nody tao antrano miaraka amin’ny havany sasany dia hoy izy tamin’ilay rahalahiny iray hoe “toa tsy miarahaba ahy akory ialahy nefa zaho anie izao dokotera e” hoy ilay ray namaly azy tsotsotra hoe “eny, taloha ianao “idiot” (fesso hoy ny italiana) toa anay rehetra ihany, izao kosa ianao “idiot” diplomé (eri fesso come noi, adesso sei fesso qualificato…) Aza manody anie izany! (lol).

 

5- Mety mifandraika amin’izany ihany ny karazan’ireo izay mapitovy na mamaritra ny tenany arakaraky ny talenta ananany. Toy izany ohatra ny miteny hoe : “mpilalaon’ny bfv aho” na hoe “mpiandry tsato-kazon’ny barean’i Madagasikara aho… na tsy haiko inoa koa. Eo koa ny hoe “mpitendry gitara n’ny tarika Rebika”, na “mpitsoka mozikan’ny governemanta”… na zavatra hafa (miala tsiny amin’ireo anarana tarika na ekipa raha misy sendra amin’ireo, tsy ianao akory no resahiko eto fa ireo sokajin’olona manana fomba fijery toy izany, iza no mahita mety ho izaho ihany no tena mpanao izany anie…., Dia raha sendra tsy afaka manao ireo zavatra anananao talenta ireo intsony ary ianao… asa sanatria misy loza dia tapa-tongotra na tapa-tanana dia tsy afaka milalao intsony, na tsy afaka mitendry ireo zava-maneno intsony sns…

 

Mety hisy hieritreritra angamba any hoany hoe mialona koa ity rangah ity toa be resaka. Tsy any ny olana sanatria fa mba te-hampitodika antsika marina amin’ny tenantsika hahalala bebe kokoa antsika hoe fa iza tokoa moa ity izaho ity…. mba hanitsiana izay tsy mety na hanamafisana izay mila izany. Raha esorina ny harena sy ny ananako, raha esorina ireo olona ataoko amaritako ny tenako (fifandraisana), raha esorina ny fianarana nataoko, raha esorina ny asako?

Inoako fa ny tena tokony hamaritana ny maha izy ny tena dia tsy ireo zavatra ireo fa ny “être” hoy ny frantsay… adikao izay mahay mandika azy… ny “izaho” na ny “maha izy ny tena” angaha izany, nefa toa lasa “totologie” izy izany.(lol). Mety ho"partie"n'ny être ireo talenta sy ireo fahaizana sy ny sisa, nefa kosa tsy ampy hatao famaritana fototra ny maha izy ny tena, "identité" hoy isika ary aloha ary.

Aza apetraka amin’ny zava-mandalo ny maha izy antsika fa amin’ny zavatra tsy miova mandrakizay amin’izay dia na aiza na aiza isika, na inona na inona ananantsika, na iza na iza miaraka amintsika, na inona na inona ataontsika dia ho sambatra mandrakariva isika…

“izaho dia zanak’Andriamanitra, tena tiany aho ary misy zavatra iandrasany ahy matoa nohariany aho ary io zavatra io dia izaho ihany no afaka manao azy…amin’ny fombako, amin’ny maha tokana ahy, amin’ny talenta nomena ahy” io ihany heveriko no zavatra tsy hiova fa mitoetra ka tokony hametrahana ny “maha izy” antsika. Raha misy mahita raha hafa tsy miova koa dia mba ilazao aho hanampiako ny kely mba inoako fa marina…

Tsy mino an’Andriamnitra ve ianao? Tsy haiko raha afaka hahita zavatra tsy miova hametrahanao ny maha izy anao ianao…. Izaho aloha tsy mino hoe hisy hafa ka nefa hajaiko ny safidinao… Ny ahy kosa zaraiko sy torîko ny Finoako satria izy maha izaho ahy. Izay ro AGNARANDRAY TSA AFIFY e!

Salamà aby ooo se afara koa e


Firy ny "marina" e ?

Published on 15:10, 11/18,2008

Mandinidinika ny zava-misy sy ny adihevitra ifanaovana etsy sy eroa aho dia tonga ato antsaiko indray ilay fomba fitenin’i dadatoanay izay rehefa misy olona miady hevitra iny ka henony miteny hoe “Izao no tena marina”. Hoy izy matetika mamaly ny olona miteny toy izany: “Aza atao fahazarana ny miteny izany hoe marina marina izany fa ny ‘marina’ io raha be.” Raha atao malagasy ofisialy angaha ity hoe ‘ny marina raha be’ ity dia hoe ‘maro ny marina fa tsy tokana akory’. Dia ahoana tokoa moa izany fa firy ny marina?

Maro amintsika angamba no hamaly haingana dia haingana hoe tsy misy “marina” be dia be izany fa tokana ihany ny “marina”. Mety ho marina angamba izany, ka nefa mila jerena ihany koa hoe fa inona moa ny “marina”, ary ahoana no famaritanao azy io?

Ny “marina” tsy azo iadian-kevitra amiko dia mety hisy tokoa ary marina iraisam-pirenena angaha izany no hilazako azy io ka tsy misy ifanolanana fa rehefa izay dia izay. Toy izany ohatra ny ataon’ny frantsay hoe “vérité scientifique” sy ny “vérité historique” satria “fait” tsy azo ovaina izany. Ny 2 X 2 ohatra dia tsy miova isaky ny faritra na ny expériencen’ny tsirairay ny valiny fa efa nifarahan’izao tontolo izao sy ny kajiny fa 4.

Ao amin’ny Finoana ihany koa raha tsy hiteny afatsy ny maha Kristianina izay mba hain’ny tena bebe kokoa miohatra amin’ny Finoana hafa dia i Kristy no Marina ary tsy misy afaka hampianatra raha hafa tsy mifanaraka amin’izay nolazainy fa raha tsy izany dia diso lalana izay ilay fampianarana.

Eo amin’ny fiainana andavan’andro kosa dia heveriko fa mety hanana ny rariny ihany ilay dadatoanay satria ny zava-misy, ny zavatra hita, ny fianarana nolalovana, na ny toerana nibeazana sy nahaterahana na nanarahana fiofanana dia mampiova ny fomba fijerin’ny tsirairay ka tsy mampitovy ny heverina hoe “marina.” Naheno Koreana iray aho tamina radio nanao fifampizarana momba ilay antsoin’ny kristianina matetika hoe Eokominisma (firaisan’ny mpino no andikana azy ihany koa) dia hoy izy hoe ny tena sarotra amin’izy io dia ny tsirairay mbola samy resy lahatra amin’ny heveriny hoe “marina” ka raha tsy mbola miaiky ny andaniny sy ny ankilany fa misy zavatra heveriny hoe diso nefa “marina” hoan’ny ankilany dia ho sarotra mandrakariva ny fandidiana. Misy ohabolana any aminay hoy izy milaza hoe “Ao anaty trano misy olona 1000 dia misy “marina” 1000 ihany koa.” Teo moa izy dia nitantara hoe tany aminay hoy izy niray trano tamin’ny italiana aho ary ry zareo no nanorina ny trano… nimenomenona hoy izy izahay Koréanina rehetra fa tena tsy ampy ny jiro fa maizina lava ao antrano dia tsy resy lahatra mihintsy hoy izy ny italianina fa hoe efa ampy io fahazavana io fa fandaniam-poana raha mihoatra an’io… Dia nanaiky tsy fidiny izahay hoy izy fa tsy nisy azo atao hampiova hevitra azy ireo… Efa tonga aty Roma aho hoy izy mahita ny hazavan’ny jiro ao amin’ny trano aty zay vao azoko ny antony nahatonga azy ireo hidrikina fa tena ampy tamin’izy ireo tokoa ny hazavana tao amin’ny tranonay… satria maso italianina no nentiny nanorina trano tany Koré nefa ny Koréana kay izany tsy vitan’ny hoe kely maso ety ivelany fotsiny fa tena kely toa azy iny koa ny fahitàny raha tsy mazava tsara ny jiro.

Ny ohatra iray tena malagasy indray dia ity: noheveriko fa ny malagasy rehetra dia faly tamin’ny fahazahoana ny Fahaleovan-tena! Fa tena diso hevitra aho tamin’izay! Nisy tokoa ny malagasy nitomany raha vao nahazo ny Fahaleovan-tena i Madagasikara? Fa ahoana loatra? Tsotra ny antony: satria izy hono dia ‘andevo’ taloha (miala tsiny amin’ny fiteny fa izay no zava-nisy ary mahalaza tsara ny tiako hambara eto) ary ny mpanjanan-tany no nanafoana ny fanandevozana ka natahotra izy hoe raha miverina amin’ny gasy ny Fitondrana dia hiverina amin’ny fiainana nampijaly azy hatrizay izy…Niezaka nipetraka tamin’ny toerany aho ka azoko tsara ny nambarany. Hitantsika amin’izay ny maha samy hafa ny fomba fijery ny zavatra: miainga amin’ny zavatra iainan’ny tsirairay io, miainga amin’ny zavatra nolalovany (nahafaly na hampijaly koa), miainga amin’ny traikefa hoy isika ankehitriny, miainga amin’ny fianarana sy ny sisa araka izay efa nolazaiko tery ambony….  

Raha fintiniko izany dia mety ho maro tokoa ny “marina” ka mety azo atao ny misoroka ny olana sy ny fifamaliana tsy dia mitera-bokatsoa loatra eo amin’ny fiaraha-monina raha samy mba mahay mampandefitra izay heveriny fa “marina” ny tsirairay ka hanomezana rariny ny heverin’ny sasany ho “marina” ihany koa. Asa ny fomba fiantsoana azy angamba mety mitavozavoza, mety tsy ny teny hoe “marina” no teny tokony hampiasaiko nefa azonao sahady ny tiako hambara dia aza asia olana loatra e. Ity tokoa angamba ilay hoe “Marina ny anao fa ny ahy tsa disoako”.

Dia samia ela velogna aby hitady ny marina e!!!!!!


OLOMBELONA KOA NY MAINTY

Published on 06:58, 11/05,2008

Dia Filohan'ny Firenena matanjaka indrindra eto an-tany moa izany i Baracl OBAMA. Mino aho fa mahasarika ny fijerin'izao tontolo izao izany vaovao izany. Misy ny faly, misy kosa ny malahelo ary azo lazaina koa aza fa kivy sady matahotra... loza izany hoan'ny sasany...

Ho ahy manokana dia mahafinaritra ahy ny zavatra toy itony... Mino aho fa maro ny mitovy hevitra amiko izay mitovitovy volon-koditra amin'io Filoha vaovao io. Izahay mainty izany raha tsorina ny resaka e. Aoka tsy ho raisinao ho fanavakavaham-bolon-koditra izany fiteniko izany fa zava-misy izany indrisy eto amin'ity tany ity... Tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany... Maro tokoa mantsy no milaza fa tsy raciste nefa ny zava-misy dia mampivandravandra fotsiny izao fa raha vao mainty hoditra ianao dia na ny fomba fijery anao aza miova... ary sarotra hoazy ny hino fa mba mety mahavita zavatra tsara ianao.... (Raha sendra mba mahita olona efa antitra tsy manaan seza hipetrahana ianao anatin'ireny train na bus na metro ireny aty amin'itony tany lazaina fa mandroso itony ka hoe hanome azy ny fipetrahanao fa hoe zaza tsara taiza sy mahalala fomba.... matetika dia ianao indray aza no angarihany satria... mainty... porte malheur hono.... Hoan'ny sasany aza raha mivoaka ny trano izy ka mifanena amin'olona mainty hoditra dia miverina any antrano fotsiny izao fa hoe tsy hahomby hoe ny dia fa nahita monstre.... miala tsiny amin'ny fomba filaza fa zava-mitranga izany indrisy... ary hoan'izay mbola tsy nahita sy tsy nandré izany dia aza hadino fa misy izay....Tadidiko eto ny tenin'ilay camérounais iray niteny tao amin'ny RFI hoe indraindray isika aty amintsika tsy mieritreritra izany hoe maintsy aho satria tsy misy mampihosy loha amin'izany aty amintsika fa raha vao midina ny avion tonga amin'ny aeroportn'ireo mazava hoditra ny tena dia tonga dia mahatsapa hoazy hoe kay maintsy aho.... na ny fomba fitazan'ny olona anao aza dia manampy anao hahatsapa fa tsy mitovy aminy ianao...)

Mazava loatra fa tsy i Obama no hampandroso ny tontolon'ny mainty indrindra ara-ekonomika... sao dia be koa ny ho diso fanantenana amin'izay... fa kosa amiko ny tokony hahafaly dia hoe miova ny tantara satria mba efa manomboka mino izao tontolo izao fa ny olona mainty hoditra dia mba azo ametrahana fitokisana ihany koa... na ho tsara na ho ratsy ny vokatry ny fitondrany mandritra io mandat-ny io efa zava-dehibe amiko ny fiovan'izany tantara izany: ny fahasahiana manome azy ny possibilité hi prouver ny aptitude-ny... miala tsiny raha misy teny frantsay miditra eny antsefatsefany eny fa indraindray ireny mampazava ny resaka kokoa.

Ny irarina fotsiny dia mba hahomby amin'ny ataony izy... ka hitombo hatrany ny fivoaran'ny toe-tsaina satria ny fanaporofoana amin'ny alalan'ny asa sy ny fiainana tokoa no hampiova tsikelikely ny fijerin'ny sasany... na dia misy koa aza ireo izay tsy afaka ny hiova fijery izany mihintsy na inona na inona soa sy tsara vitan'ny tsy mitovy hevitra sy volon-koditra aminy...

Ny mahagaga dia ity... ny maintsy tsy dia manisy olana amin'izay resaka loko izany amin'ny ankapobeny... raha mahomby ilay olona dia mahomby satria nahavita azy... raha tsy nahomby dia tsy nahomby ka mila soloina... Tsy izany kosa anefa no fijerin'ny fotsy matetika raha sanatria ka ny mainty no tsy mahomby fa hafa avy hatrany ny vaki-teny fa dia ny volon-kodiny no aroso voalohany hoanisan'ny anton'ny tsy fahombiazana... eeeeeeeeeeeeeehhhhhhhhhh miangatra loatra ianao ry olona;;;;;;;;;

Asa any an-danitra any raha hisy maha samy hafa ny maintsy sy ny fotsy koa... inoako fa tsa hisy izay satria Andriamanitra TSY MANAN-DOKO araka ny Finoako tsy miova...

Salamà aby oooooooooo


Maty noho ny finoany!

Published on 14:46, 10/21,2008

Raha misy ny faratapony amin’ny fijoroana ho vavolom-belona amin’ny maha mpino kristianina dia inoako marimarina fa tsy misy mihoatra ny fanolorana ny aina noho izany finoana izany. Io ilay antsointsika amin’ny fiteny mahazatra hoe “Maty maritiry”.

Rehefa tonga amin’izay dingana izay ny mpino iray dia heveriko fa efa tena lasa fiainany tokoa ny Tompo fa tsy Andriamanitra mpamonjy voina (dépaneur) fotsiny ihany. Mbola maro tokoa mantsy indrisy ny manana fifandraisana amin’Andriamanitra toy ny mifandray amin’ny pompier sy ny polisy ka rehefa sendra ny sarotra ihany vao mahatsiaro mitodika Aminy fa rehefa manga ny lanitra dia mahavita tena. Ny ataontsika ihany no ataotaontsika hoy Samoela izay. Rehafa may ihany ny ady vao mitodika any Aminy. Dia ataontsika dépaneur tokoa moa Izy raha izay no mbola fifandraisantsika Aminy. Ny manana finoana matotra dia heveriko fa izay tsy afaka manao zavatra iray intsony ka tsy ieritreretany ary tsy iantsoany an’Andriamanitra…

Sarotra hoan’izay tonga amin’izay dingana izay ny hilomano ao anatin’ny ota na dia mety ho solafaka toy ny besinimaro ihany aza izy… Tsy mitovy mantsy ny solafaka amin’ny fahotana sy ny milomano ao amin’ny ratsy tanteraka. Ity farany ity dia efa mionona amin’ny toerana na toetra misy azy ka tsy mahatsapa ny ilàna ny fiovàna intsony…..Efa lasa manana rohim-pihavanana amin’ny fahotana mihintsy ka na dia mety hamono olona izao aza dia efa tsy manenjika azy intsony ny eritreriny…efa lasa normale izay ratsy rehetra mahazatra azy ka milamin-tsaina tanteraka izy….Indrisy misy izany…

Nisy pasitera iray hono nalaza mampiroborobo fiangonana be ka izay tany amindrana azy dia feno mandrakariva ny trano fiangonana. Te-hitsapa ny tena halalin’ny finoan’ny kristianina tao amin’ity fiangonana nisy azy àry ity pasitera iray izay tezitra tamin’ny fandaozan’ny kristianina tany aminy hamonjy ilay malaza mahay mitory teny ka niditra taratara tao ampiangonana izy raha iny nampianatra tsara iny ingahy rapasy malaza mahavory olona.

“Izay tena kristianina dia aza mihetsika fa hotifiriko amin’ity basy ity mba ho tena maritiry tsara araka ny finoanareo” hoy ity ranamana mifono ny lohany (manao cagoule izany) sady narangarangany ny basy teny an-tanany…

Tapitra nitsoaka hono ny “mpino” afatsy ingahy pasitera izay tsy afa-nanoatra sy ireo ray amandreny sasantsasany efa tsy manana hery firy hoenti-miriotra mafy intsony ary ireo manana aretim-po ka tsy afa nihetsi-mahery…

Teo dia nesorin’ilay pasitera ny saron-dohany ary nariany ilay basin-jaza kilalao teny an-tanany ka hoy izy hoe: “Tohizo pasitera ny fanompoam-pivavahana fa nivoaka daholo ny mpihatsaravelatsihy fa isika tena te-ho kristianina no sisa.”!!!

Mampieritreritra izany o!!! Impiry tokoa moa ny mpitory teny no lasa mitory Tena ka manangona ny olona hanodidina azy fa tsy manampy azy ireo kosa ho MPIANATR’I KRISY, hany ka ny vokatra tsy lalim-paka fa ny “lazany ro magneohoeo madigna”…. Dia mba tsa ho toy izany anie isika sy ny mpitondra ny Fiangonantsika…

Tonga dia salamà eee Se afara koa


Ny Baiboly sy ny Telephone portable

Published on 06:56, 10/11,2008

  Naharay email tamin’ny namako anankiray aho andro vitsivitsy lasa izay ary lasa ny saina nandinika ity fifampizarana kely nataona Eveka Camerounais iray nalefany tamiko. Efa mba ela ihany no nieritreretan’ny tena ny zavatra toy itony fa rehefa misy olon-kafa milaza azy moa ny zavatra iray dia mainka koa manainga ny fisainana sy manery ny tena hiato sy handinika misimisy kokoa. Resaka momba ny fiainan’ny Kristianina andavan’andro sy ny fiainany ny Tenin’Andriamanitra moa ilay izy. Tsapa ary tsy iadiankevitra tokoa mantsy fa ny tsy fahampian’ny ezaka ataon’ny tsirairay hamaky ny Baiboly no mahatonga ny finoana tsy tena ho latsa-paka ka zary kristianina anarana ny maro an’isa. Raha mba nataontsika toy ny fifandraisantsika amin’ny tontolon’ny Finday tokoa mantsy na ireo zavatra moderina amin’izao ka tsy afa-miaina intsony isika raha tsy misy azy dia inoana sy tsy isalasalana fa ho zavatra hafa noho izao iainantsika izao ny tontolo ifamoivoizantsika ankehitriny.

Diniho tokoa ange e!!!

Alaivo sary antsaina tokoa anie raha tao ka ataontsika toy ny ampiasaintsika ny telephone portable ny fampiasantsika ny Baiboly!

Raha toa ka entintsika manaraka antsika mandrakariva ao anaty kitapo kely fitondrana ny atotan-taratasy tsy misaraka amintsika ireny, na afatotra eo amin’ny andilana amin’ny fehikibo toy ny fitondrantsika ny portable ireny na ao anaty paosin’ny palitao na akanjo mafana?

Raha jeren-tsika isan-tsitaitaika mandritry ny andro toy ny portable rehefa hijery sao misy sms iny isika ?

Raha toa ka miverin-dalana mihitsy isika raha sendra hadino any antrano izy eo ambony birao ?

Raha ampiasaintsika izy handefasana hafatra matetika any amin’ny namantsika ?

Raha toa ka tena ampiasaintsika lalandava izy ka zary toa tsy afa-miaina intsony isika raha tsy misy azy ?

Raha toa ka omentsika ny zanantsika izy mba hoan’ny sécuritén’izy ireo sy mba hahafahantsika mifandray amin’izy ireo mandrakariva ?

Raha toa ka entintsika mivahiny izy mba hitsinjovana ny tranga mety hilàntsika vonjy na fanampiana eny andala eny ?

Raha toa ka vantany vao misy loza mananontanona na loza manambana iny dia izy avy hatrany no raisin’ny tanantsika voalohany ?

  « Aoka ho eo ambavanao lalandava ny teninin’ny Lalàna »   Jos 1,8.

Tsy tokony ho hadinontsika anefa fa ny Baiboly dia tsy mba toy ny telephone portable fa izy dia misy réseau lalandava na aiza na aiza alehantsika ka azontsika atao mandrakariva ny manokatra azy na aiza na iza misy antsika.

Tsy misy hampitebiteby antsika ny resaka vidina credit satria efa naloan’i Kristy avokoa  ny facturen-tsika rehetra ary ny crédit dia tsy lany mandrakizay.

Manampy an’izany : ny fifandraisana tsy tapaka na oviana na oviana ; ny bateria dia feno mandrakizay mandrakizay….

« Ataovy ao am-ponao ny Teny » Job 22, 22.

“Tadiavo ny Tompo dia ny mbola mety ho hitanao Izy, antsoy Izy dia ny mbola akaiky.” Izaia 55,6.

 

 


BEMOLANGA

Published on 07:24, 09/19,2008

Koa satria moa RFI ihany no mba radio mpandrotsirotsy ny tena rehefa aty amin'itony tany iasana lavidavitra ny Nosy malala itony...ary koa satria société française ny Total dia ankalazainy tanteraka ny resaka mikasika azy... teo ampihainoana ny filazana ny petrole any gasikara ny tena dia nikoropaka namaky tetsy sy teroa fa tara vaovao eo ka sao ilaozan'ny olona lava...Teo ampamakia ary dia toa mba velom-panantenana ihany hoe raha izao no mitohy dia mety ho zary zava-misy ihany ny hiran'i Mahaleo hoe Rahoviana no hitranga asa angamba atsy ho atsy dia ho tonga i Bemolanga, isika tsy ho lany vatsy....Hotanteraka tokoa anie izany... jereo moa ity link manaraka ity raha toa ka tsy naharaka io vaovao io ianao e.
http://fr.allafrica.com/stories/200809180005.html

Izay efa naheno moa dia aza esoina amin'ny fihomehezana izahay fa lavitry afo ny kitay eeee

Tonga dia salamà


Ampiasao ny Kapaoty Anglisy

Published on 09:27, 09/17,2008

Raha ity resaka kapaoty anglisy ity no hatomboka dia mino aho fa ho lava ny fifampizarana satria dia samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay. Misy ny milaza fa tsara ny fampiasana azy e, misy kosa ny milaza fa tena tsy misy ilana azy io fa mamporisika ny olona amin'ny filan'ny nofo fotsiny nefa ny aretina tsy mihena velively ny fiparitahany. Misy aza moa milaza fotsiny izao fa raha tokony hiaro amin'ny aretina izy itony dia mainka koa aza manome aretina mivantana fotsiny izao...Nisy kapaoty iray kontenera hono tao Cameroun tao indray mandeha efa infecté n'ny VIH mbola tao anaty fonosana mihitsy ka dia nodorana manontolo...izay efa nampiasa moa izany dia mazava loatra fa tratra eeee... "Fatram-pitady ny manganana hono ka tratran'ny mangidy tsy ho telina". Aza mba voany ihany!!!

Tsy hilaza ny hevitro aho fa tsy dia spécialisten'ny sexe loatra fa zavatra hafa tena hafa tsy mikasika firaisana ara-nofo mihintsy no amporisihako anao hampiasa azy io...

Ho gaga angamba ianao hoe inona koa ity sampona holazain'i dadafara ... tsy sampona ary tsy angano fa azonao andramana avy hatrany fa tena azo ampiasaina amina zavatra hafa mahasoa izy io kay re olona eee. Misy raha any eto an-tany eto eee!!!

Vokatry ny resaka sy ny fifampizarana tesy sy teroa dia nisy nanoro ahy fa misy menaka izany hono izy ireo (ny kapaoty io) ary io menaka io dia tena mampaniry ny volo efa sola...

Nihomehy toa anao eto ampamakiana ity fifampizarana ity koa ny tenako vao naheno izany... Nisy anefa ny nijoro ho vavolombelona dia tsy nihomehy intsony aho fa nitahiry izany tao am-poko, (miala tsiny amin'ny fomba filazako azy) ary dia nizara ny lesona tamin'ny namako tsikelikely araka izay vitako aho avy eo.

Misy namako ary efa tena nangarangarana ny lohany toy ireny voatavo ireny ka nilazako mangingina io resaka io izy. Rafitra nanandrana koa ilay ranamana ary dia gaga aho fa mbola 12 andro monja izay no nanombohany (alohan'ny hatory hosorana ny faritra sola) dia efa rakotra volo malemy maniry ny lohany... Mino aho fa afaka iray volana any dia tsy hahalala azy intsony izay mifanena aminy zatra nahita ny lohany mamirapiratra taranin'ny masoandro fa solapaiko teo...(Indrisy tsy azoko atao ny maka sary azy dia hataoko tantely afadrakotra eto ny maha olona azy fa dia anjaranao ny hino na tsia) Tsy tsara anefa hono izy ity ampiasaina amin'ny atoandro fa entin'ny hatsembohana mankao amin'ny maso ka mampamaivay azy izay tsizy fa amin'ny alina ihany ary manasa loha ny maraina...

Ka raha sola ianao, inona no andrasana? Tsy lafo rahateo, ary tsy misy mahita anao na kapaoty na inona no nampaniry azy tao. Se aligna hatory tsa misy mahita anao afatsy ny Mahita ny miafina...

Dia mazotoa ary manandrana e... izay tsy te ho sola... Misy koa mantsy maniry ny ho sola...safidy io ary raha izay ro mahasambatra azy... maninona moa? Agnarandray tsa afify io

Se afara koa e


Vo velogna ato madina

Published on 20:28, 09/16,2008

Manakory aby e

Misy manontany tena mintsy angamba hoe nakaia e tsialahy

Vo velogna ato madina e fa sahirana kely

Vo hoavy tsa ho ela koa

Samia salama aby tsery aloha

Havaratana ny andro


Saint Valentin???

Published on 17:00, 04/12,2008

Tsy hoe izao akory vao fetin'i St Valentin, (hoan'izay mankalaza izany), fa mba nijerijery ireo document-ko tato aho dia hitako tato fa kay efa nisy olona nanontany ahy ity raharaha ity indray andro ka dia io no hitako raha nanontany an'i Ngahy Google aho, ka mba tsy ho very indray sady sao mba manampy izay liana hahalala misimisy kokoa ny amin'izany dia indro alefako eto izy.

Dia ankafizo ary e, amin'ny teny frantsay anefa fa azafady hoan'izay tsa mahazo a

hi hi, fiaignana aby izany e,  (tohiny)


Kalanoro

Published on 18:53, 03/25,2008

Akory aby ooo

Vitasoan'ny Paka aby indra ary aloha e

Elaela moa izay ka nefa hatao akory moa fa fiaignana aby izany, izay ro maha fiaignana azy, indray mba mianganangana indray mionganongana e

Fa mba lasa ny saiko mandinika ny resaka heno etsy sy eroa, ny hevitra voizina amin'ny tantara sy ny horonan-tsary momba ity lazaina fa hoe Kalanoro sy Zazavavin-drano ity

Mba ho faly aho raha misy manana hevitra tena mazava momba azy ireo eto ka manome porofo dia mba hitombo ny fahalalàna. Ny anay mantsy dia noheverinay ho angano tantrain'ny olona izy io hatramin'ny fahazazana ka nefa toa misy resaka heno etsy sy eroa mampametram-panotaniana

Dia izay fahalianana tehampitombo fahalalàna izay ro mba anontaniana anao efa nahita!!!!

Misaotra mialoha ary e


Ndrondroa andro

Published on 06:59, 11/13,2007

Miarahaba anao indray ary aloha e

Dia gaga angamba ianao hoe nakaiza ary i dadafara. Mety tsy gaga ihany koa ianao satria hainao avy hatrany ny antony.

Tsy hita moa izy ity fa mba hahafahana manoratra eto ampilaminana dia tsy maintsy manana net antrano aloha fa toy izany koa ny fotoana. Ireo zavatra roa ireo anefa dia samy nandao ahy nandritra izay fotoana somary nanjavonako kely izay. Ndrondroa andro izay hotsin'ny agny atanana. Koa hatao akory moa fa fiaignana aby izao.

Tsa misy raha mora moa eto antany eto ka nefa manomboka izao angamba dia mety mba hitady fotoana hanoratana ihany na dia ny fifampiarahabana manao ahoana ihany aza

Samia ela velogna e. Tonga dia salamà


Ndrondroa andro

Published on 06:59, 11/13,2007

Miarahaba anao indray ary aloha e

Dia gaga angamba ianao hoe nakaiza ary i dadafara. Mety tsy gaga ihany koa ianao satria hainao avy hatrany ny antony.

Tsy hita moa izy ity fa mba hahafahana manoratra eto ampilaminana dia tsy maintsy manana net antrano aloha fa toy izany koa ny fotoana. Ireo zavatra roa ireo anefa dia samy nandao ahy nandritra izay fotoana somary nanjavonako kely izay. Ndrondroa andro izay hotsin'ny agny atanana. Koa hatao akory moa fa fiaignana aby izao.

Tsa misy raha mora moa eto antany eto ka nefa manomboka izao angamba dia mety mba hitady fotoana hanoratana ihany na dia ny fifampiarahabana manao ahoana ihany aza

Samia ela velogna e. Tonga dia salamà


Mody manetry tena mba hahasandratra ???

Published on 10:02, 09/02,2007

Miverina matetika ao antsofintsika ity fampianarana momba ny fanetren-tena ity (Lk14. 1a,7-14) ary mino aho fa azontsika tsara satria mazava be fa saingy ny mampihantra azy no tena sarotra. Aza mifidy ny toerana any aloha sao afabaraka raha tonga ny olona manan-danja kokoa noho ianao… (tohiny)


MANDAITRA VE NY ODY?

Published on 21:56, 08/28,2007

  Lasa ny eritreritro androany noho ny resaka henoko tetsy tsy teroa ka tonga ato antsaiko ity fanontaniana ity hoe fa tena mandaitra tokoa ve ny ody e ? Izaho manokana aloha dia tsy misalasala ny milaza fa misy tokoa ny atao hoe ody gasy, misy koa tsy gasy fa ody inoan’ny olona tsy gasy…Maro ny olona no mampiasa azy io sy ny miantehitra amin’ny heriny. Fa moa ve tena mandaitra tokoa izy io sa manakory? (tohiny)


Moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?

Published on 20:25, 08/25,2007

Io fanontaniana napetraka tamin’i Jesoa io no heveriko fa votoatin’ny evanjely aroso hodinihintsika amin’ity Alahady faha 21 D mandavan-taona ity. Tsy manome valiny mivantana ny Tompo fa mampitandrina fotsiny hoe “tery ny vavahady ka mila fikelezana aina raha te-hiditra.”  (tohiny)


“Tonga aho hitondra afo eto an-tany ka akory ny faniriako mba hirehetany..�.

Published on 20:11, 08/18,2007

Somary manahirana ny tenin’i Jesoa amin’ny evanjely anio raha jerena maimaika sy raisina ara-bakiteny. Ambetin-teniny amin’ny fampianarany mantsy ny Fiadanana, ary io no teny lazainy voalohany ho fiarahabana ny mpianany ary asainy torin’izy ireo (Mt 10,12ss; Lk 10,5ss...sns), ka ahoana eto Izy milaza fa tsy hitondra Fiadanana fa kosa fisarahana? (tohiny)


"Ny omby aloha vao ny sarety"

Published on 15:16, 07/21,2007

Maro ny mpanao famoaboasana ity an-dalan-tsoratra masina mikasika an’i Marta sy i Maria ity no manisy tsindrim-peo hilazana ny fahambonian’ny safidin’i Maria izay nipetraka nihaino ny Tompo fotsiny fa tsy nanampy tamin’ny asa fanompoana. (Lk 10, 38-42). Misy koa anefa ireo izay be fihetseham-po loatra ka te-ho Kristianina mihoatra an’I Kristy tenany amin’ny filazana ny mifanohitra amin’izay teny nambarany. Tsotsoriko eto ny mba fahazahoako ny fampianaran’I Jesoa amin’ity Evanjely ity.

 (tohiny)


Ilay Samaritana Tsara fanahy

Published on 14:32, 07/14,2007

Raha vao mamaky ity andalan-tsoratra masina ity isika (Lc10,25-37) dia matetika ny fanoharana no ao an-doha voalohany, hany ka dia izany rahateo moa no fahafantaran’ny maro azy : « ilay Samaritanina tsara fanahy ». Mino anefa aho fa ny fanontaniana voalohany napetrak’ilay mpanora-dalàna dia tokony hampetraky ny mpino tsirairay, fa ny tanjona fotsiny no mila ovaina, tsy han-kana fanahy fa tena iandrasana valiny. « Inona no tokony hataoko hahazoako ny lanitra ? »

Raha fintiniko eto ny mba fahazahoako ny valin-tenin’ingahy Mpampianatra dia toy izao:

 (tohiny)


Afrikana, avy any Madagasikara :

Published on 15:11, 07/10,2007

Dia misaotra anareo rehetra izay nanafana ity kianja kely ity tamin’ny fanomezana ny hevitrareo mikasika ilay lohahevitra natsidiko kely teto. Hitako fa efa ela no nilaozanareo ity fifampizarana ity, ka nefa araka ny nampanantenaiko dia mba hilaza ny tena hevitro amin’izay aho fa mba efa malala-dalaka rahateo moa ny fotoana izao fa fialan-tsasatra e.

 Tsy fifandirana moa izy ity na hoe fifamaliana sanatria fa mba fifampizarana hevitra ihany. Ny mety hilazana azy angaha dia hoe fizarana ny fomba fahazahoana ny zava-misy. Amiko mantsy dia tsy hoe zavatra miova araka ny hevitry ny tsirairay io fa zavatra azo heverina ho toy ny kajy ihany. Izany hoe io no eo fa ny fomba famaky azy no mety hiova arakarakan’ny zavatra hitan’ny tsirairay sy ny fahareseny lahatra.

Izao ary no mba fomba fahitàko fahitàko ity toe-javatra ity raha tsotsoriko malakilaky eto: (tohiny)


Afrikana ve hoa ny gasy e?

Published on 06:41, 06/07,2007

Betsaka ny zavatra mba tonga ato antsaiko ato momba ity hevitra iray ity ka saika mba hanainga anao kely aloha aho hoe inona tokoa no tena marina, Afrikana ve ny Malagasy sa inona?

Maro tokoa mantsy isika no tafintohina mihitsy raha vao antsoin'ny olona hoe afrikana, ary tsikaritro koa fa raha vao miresaka hoe afrikana isika dia toa manala-tena amin'ny fomba miolaka na mivantana izao mihitsy aza.

Ka inona ary isika izany? Sa dia marina ny fananihanian'ny namako avy any Afrika afovoany izay hoe ianareo avy any amin'ny kontinanta faha 6???

Misaotra anao mifampizara

Ho lazaiko eo ihany ny hevitro avy eo fa mbola sempotra kely fotsiny aho

Mazotoa e, dia mirary fetim-pirenena Malagasy sambatra


Teny Baiko hono???

Published on 22:35, 03/17,2007

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany ity ny ahy

Akaiky tokoa mantsy ity ny 29 Marsa hahatsiarovana ireo maherifon'ny Firenena. Maty tamin'ny tolona ho fanavotana an'i Gasikara Nosy mamy teo ambany fangejan'ny vahiny mpanjanan-tany.

Efa mahaleo tena moa i Gasikara ary efa efapolo taona mahery be izao no tsy voazanaka intsony isika.

Dia ahoana ary no mbola misy mampiasa ihany ny fomba fiteny "expression" hoe "Teny baiko"???

 (tohiny)


Mifady hanina hoe ?

Published on 14:29, 03/09,2007

Raha vao tonga ny Karemy dia ao antsain’ny olona avy hatrany ny hoe tsy fihinanan-kena sy hanim-be izay. Eny fa ny Katolika aza dia tsy vitsy no toa malok’endrika satria tonga indray ny fotoana manahirana…Fa inona tokoa moa no tena zava-dehibe amin’ny Karemy ?

 (tohiny)


NOVAMBRA VOLAN’NY MATY.

Published on 21:38, 11/29,2006

Anisan’ny fomba fanao ao amin’ny Fiangonana Katolika ny fahatsiarovana sy fivavahana misimisy kokoa hoan’ireo havana efa nodimandry mandritra ny volana Novembre. Tsy haiko loatra ny antony ara-tantara nahatonga azy io fa ny tiako mba hifampizarana minao eto dia ny fampianaran’ny Fiangonana mifandray amin’izany. “Tradition” moa no filaza azy, nefa tsy tiako ny mampiasa ny dikan-teny hoe “Lovantsofina” satria tsy mahadika azy amin’ny lafiny rehetra io. Lovantsofina toa sahala amin’ny zavatra tsaho no fandraisako azy fa tsy misy fototra loatra, ny “Tradition” anefa dia azo adika ihany koa hoe “harena”, ny “fomba fanao nahasoa ka notehirizina” mandraka ankehitriny….Tsy io moa no tena votoatin’ity fifampizarana ity fa mba te-hifampizara fijery sy finoana kely aminao aho.

 (tohiny)


Ny Famataran’ny hazo fijaliana.

Published on 21:41, 11/08,2006

Ho faraparanako eto angamba ny resadresaka momba ny sarivongana sy ny mitovitovy aminy fa amin'ny lahatsoratra manaraka dia hijery zavatra hafa kely indray isika.

Tiako marihina kely eto hoe raha misy filazalazana ny fomba fijery samy hafa eto dia tsy sanatria entina manitatra ny elanelana mety misy izany fa kosa entina hanazavana izay tsy itovizan'ny fomba fijery mihitsy mba hanampiana fahalalana hoan'izay tsy nahalala teo aloha fotsiny ary fiezahana mba hanazava izay mety nanjavozavo tamin'ny sasany. Haintsika rahateo moa fa "Harena ny fahasamihafana" ka tokony hanampy antsika hifanantona izany fa tsy hifandosirana na hifanaratsiana santria.

Alao hery indray ary

 (tohiny)


MIVAVAKA MANDOHALIKA???

Published on 16:29, 10/26,2006

Maro no gaga ary matetika aza mitsikera ny katolika mihitsy rehefa sendra mahatsikaritra azy ireo manao ny fivavahany eo am-pandongalihana. Fa raran’ny fampianaran’i Kristy ve ny mandohalika rehefa mivavaka ? Andeha hojerentsika kely ny momba an’io sao mba afaka manampy ny sasany amin’ny fahazahoana kely ny tokony sy ny tsy tokony ho izy eo amin’ny fiainana ny finoana kristianina.

 (tohiny)


"Sampy daholo ve ny sary vongana rehetra?" (Famaranana)

Published on 07:41, 10/03,2006

Raha fehezina ny tafa dia hoy isika hoe : ny Katolika tena te-ho matotra amin’ny finoany dia tokony hiezaka hiala tsikelikely amin’ny firaiketana diso tafahoatra amin’ny fitaovam-pivavahana (objets de piété) izay mety hanalavitra ny fampianaran’ny Evanjely raha tsy mitandrina satria « Rien de trop n’est bon » hoy ny frantsay. (ratsy avokoa rehefa tafahoatra). Loza mitatao mantsy no mety ho vakatr’izany na dia mety tsy ampoizina akory aza. Mahatonga antsika hihidy ao anaty famitahan-tena indraindray izy ireny ary mahatonga antsika halemy eo antrehan’ny finoana jentilisa ka mety hianjera any sady mety tsy dia ho fitaovana mahomby amin’ny fijoroana ho vavolom-belona mahatarika ny olona loatra koa angamba…Samia mamisavisa e

 (tohiny)


"Sampy daholo ve ny sary vongana rehetra ???" (Tohiny)

Published on 08:38, 09/20,2006

Hitantsika tamin’ny farany fa tsy ny sary vongana rehetra akory no raràn’Andriamanitra fa misy amin’izy ireny aza Izy mihitsy no nangataka ny vahoakany mba hanao izany fanehoana izany hanamarihana ny fonenany eo anivon’izy ireo andro aman’alina. (Ex 25,18-20; Fanisana ‘nombres’21 sy ny hafa koa). Na tiana na tsy tiana anefa dia misy mandrakariva ny fanitsiana tsy maintsy atao mba ho tena araka ny tokony ho izy ny fomba fivavaka sady mba ho tena araky ny Evanjely sy ho tena Kristianina. Alohan’ny hamakianao ity anefa dia manasa anao hamaky ny tapany voalohany, raha tsy izany dia mety hivilana ny fandraisana ny hevitra aroso eto. Andao indray ary...

 (tohiny)


Sampy daholo ve ny sary vongana rehetra ???

Published on 21:35, 09/15,2006

Anisan’ny andraisan’ny Katolika fanenjehana hatraiza hatraiza ny resaka fanajana ny sary vongana na ireo sary fampisehoana endrika izay antsoina mahazatra hoe « sary masina ». Fa moa ary ve tena sampy tokoa izy ireny ? Io toko iray io no andeha hanombohantsika ny votoatin’ity fifampizarana ity. Alao hery ary….

 (tohiny)


Manompo sampy ve ny Katolika?

Published on 20:08, 09/04,2006

Sarobabay, izay voa aza tezitra.

Manoloana ireo fitsikerana maro atao ny Fiangonana Katolika izay matetika tsy misy fototra iorenany (sans fondement) heveriko fa tsara raha mba miezaka manome valin-teny mazava sy mahafapo eto isika izay voakasika amin’izany. Ho an’ireo mpitsikera izany dia karazana valin-kafatra sy fanazavana no hiezahantsika haroso azy ireo eto. Ho an’ireo rahalahy sy anabavy katolika kosa dia aoka hazava ny resaka fa tsy maintsy lazaina ihany koa ary tsy maintsy ahitsy tanteraka ireo fomba fivavaka fanaon’ny besinimaro izay manimba endrika ny tena Finoana Kristianina Katolika.  Anisan’ny tsinjovintsika amin’izany ny mba hampazava ny adihevitra ataon’ny mpino katolika amin’ireo hafa finoana ka hitarika ny tsirairay hanao votoatindraharaha ny vavaka hoan’ny firaisan’ny mpino.

 (tohiny)


"Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Famintinana)

Published on 17:22, 08/20,2006

« Teny famaranana »

Raha atao bango tokana izay rehetra voalaza izay dia hoy aho hoe tsy ratsy zato isan-jato angamba ny Famadihana ary mety ho azo atao ihany koa ny mampifanindran-dalana azy amin’ny Finoan Kristianina raha haintsika ny miaina ny Finoantsika araka ny nampitan’i Kristy azy (La Foi Chrétienne c’est une affaire d’amour). « Tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao hatao » (Aime vraiment et fais ce que tu veux). St Augustin. Hitanao nandritra izay fanazavana lavalava niarahantsika nanaraka izay angamba ny antony mahatonga ahy mandray io teny famaranana io ; afatsy dia hoe angaha tsy te-hahazo fotsiny izao ianao, (à moins d’une mauvaise foi).

 (tohiny)


"Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Tohiny 5)

Published on 22:29, 08/10,2006

“Ny anongotsongoana ny maty hono atahorana ny mandevim-belona”

Io ohabolana iray io dia mbola manampy antsika ihany hieritreritra lalina sy hamohafoha ny fisainana hijery akaiky hoe aiza no lesoka mila fanarenana ao amin’ny fiezahana hampifanindran-dalana ny Finoana Kristianina sy ny Famadihana.

Misy teboka vitsivitsy indray ary ireto anasako anao hanohy ny fikarohantsika. Mazava loatra fa tsy ho tapitra mihitsy ity resaka ity raha tiana hotohizana hatrany hilazana izay azo lazaina rehetra. Noho izany indrindra dia hiezaka isika mba tsy hijery eto afatsy izay teboka inoana fa tena lehibe ihany. Raha misy moa ny manontany na ny mametraka hevitra dia mety azo atao ihany ny manohy azy hatrany araka izay tratra sy tsapa fa ilaina ny maha soa azy.

Andao indray ary….

 (tohiny)


"Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Tohiny 4)

Published on 04:30, 08/06,2006

"Ny Fanandroana"

Mbola mikasika ny "indro kelin'ny mpandrafitra" ihany ny resatsika eto. Maro moa no mety ho fomba fijery ny teny hoe "Fanandroana", fa raha ny fahitako azy maimaika eto dia hitako fa sarotra ihany ny hanekena azy ity hoe hampifanarahana amin'ny finoana Kristianina.

Eo indrindra no itaritako anao indray hanohy tsikelikely ny fandinihantsika hoe hatraiza ao amin'ny Famadihana tokoa no azo ekena raha mpino Kristianina isika ary hatraiza no tokony hahitsy na tokony havela mihitsy aza.

Alao hery indray ary.

 (tohiny)


"Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Tohiny3)

Published on 21:54, 07/28,2006

“Indro kely hoy ny mpandrafitra”

Hatreto dia niezaka nijery ny lafiny mety mahatsara ny Famadihana isika. Izao kosa dia hanao jery kiana ireo rehetra mety ho hadisoana na fanitarana diso toerana isika. Efa nisy santionany ihany lasa tany aloha tany nilazantsika fa misy dia misy tokoa ny “Indro kelin’ny mpandrafitra”. Izany hoe tsy ny atao amin’ny Famadihana rehetra akory dia mety avokoa fa misy dia misy tokoa ny lesoka ary tsy maintsy ahitsy na tsy maintsy avela fotsiny izao satria tsy Kristianina ny minia mikimpy rehefa misy ny tsy maintsy ahitsy. “Tsy i Kristy akory no ho terentsika ho tonga Malagasy, fa isika Malagasy no tokony hiezaka ho tonga tena Kristianina”, ka aoka tsy hisitrisitrika ao ambanin’ny hoe tsara io e, kolontsaina io e, fa misy dia misy tokoa araka ny hevitro ny kolon-tsaina tsy afaka hifanindran-dàlana loatra amin’ny fampianaran’ny Evanjely ka mila ahitsy tsikelikely.

 (tohiny)


“Ny Famadihana sy ny Kristianina� (Tohiny2)

Published on 12:12, 07/21,2006

“Maninona no tsy nofoanan’ny misionera avy hatrany ny Famadihana???”

Fantatsika fa tsy nahalala an’i Kristy fotsiny teo ny Malagasy fa nisy dia nisy tokoa ireo misionera nitondra ny Filazantsara tao amin’ny Nosy malalantsika io ka nitombo isa tsikelikely ny Malagasy Kristianina.

Maninona anefa no tsy nataon’izy ireo votoatin-draharaha haingana ny hanafoanana azy io toy ny fanompoana ireo tapakazo sy ody isan-karazany ary ireo kivatovato ninoan’ny olona sasany fa manjary mbola ampivadian’ny olona amin’ny finoana Kristianina mandraka ankehitriny? Moa dia tena tsy mbola mpino marina daholo ve ireo mbola mamadika sa ahoana marina?

Eo indrindra no itarihako anao handinika kely indray ary hanohy ny fikarohantsika miadana sy amim-paharetana. Alao hery indray ary….

 (tohiny)


"Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Tohiny)

Published on 07:48, 07/14,2006

Mety ho sampy  ve izany ny Razana sa tsia???

Raha miainga amin’ireo fomba famaratantsika ny “sampy” notanisaintsika ireo ary; moa ve azo heverina ho toy ny sampy ihany koa ny Razana izay “lazaina” ao amin’ny Famadihana?

Zavatra lehibe loatra ity resahintsika ity ka tsy mety raha mihazakazaka mamaly hoe eny na tsia. Mba tsy ho valin-teny an-kamehana fotsiny no hifampizarantsika eto dia andao aloha hiezahana ho takarina hoe inona moa no mety tena tanjon’ny Razana na ireo Ntaolo namorona ity raharaha ity? Mino aho fa ny fiezahana mamaly an’io fanontaniana io ihany aloha no tokony hiaingana mba tsy hirotoroto foana hiteniteny foana eto isika.

 (tohiny)


“Ny Famadihana sy ny Kristianina�

Published on 04:05, 07/10,2006

“Mifanohitra amin’ny finoana Kristianina ve ny Famadihana?”

Apetraky ny olona matetika io fanontaniana io ary tsy mahagaga izany fa rariny sy hitsiny indrindra. Ary koa satria moa tonga indray ity ny fotoanan’ny Famadihana hoan’ny Malagasy monina ao afovoan-tany. Eo ampieritreretana izany indrindra aho no nanapakevitra hoe tsara raha mba mifampizara kely momba azy ity isika. Tsapako fa mampifamaly mpianakavy maro ity raharaha ity fa indrindra ireo fianakaviana izay tsy Fiangonana tokana no ivavahan’ny tsirairay ka samy manana ny Fiekem-pinoany toy ny Katolika izany na Fjkm na Flm na irony Fiangonana vao teraka taty afara kely irony. Ny tena tsikaritro matetika aloha dia ity farany ity no tena sarotiny amin’ny hoe tsy tokony hamadika intsony rehefa mivavaka fa manompo sampy ny manao Famadihana. Fa moa ary ve mifanohitra amin’ny fampianaran’i Kristy tokoa ity fomba Malagasy iray izay toa lalain’ny maro ity?

 (tohiny)


“Ny Finoana sy ny Finoanoam-poana�

Published on 08:00, 07/04,2006

“Mionona e, izao no lahatra”:

Matetika no ahenoantsika io fomba fiteny io rehefa mamangy fahoriana isika. Fa tsy mifanalavitra loatra amin’izany ny teny fampiasan’ny olona rehefa manoratra irony taratasy filaza-manjo irony hoe : “Sitrak’Andriamanitra ny niantso ny zanany Ranona…”(Il a plu à Dieu, ou bien Dieu a permis que…)

Tsy fanahy iniantsika na ny marimarina kokoa angaha tsy tandritandrintsika (sans nous rendre compte) dia manendrikendrika an’Andriamanitra ho loharanon’ny fahafatesana isika amin’izany.

Fa moa sitrak’Andriamanitra tokoa ary ve ny fahafatesan’ny olona iray? Andriamanitra ve no namorona ny fahafatesana?
 (tohiny)


Ny agnarandray tsa afify

Published on 22:15, 06/23,2006

"Ny agnarandray tsa afify"

Io no anarana nosafidiko homena ity blaogy ity. Tsy ny tanindrazana agny antanana akory no tiako holazaina eto fa ny maha isika antsika fotsiny izao.

Ary koa satria dinidinika momba ny finoana no tiako hifanakalozana aminao eto dia tsara hazava izany fa ny maha "Kristianina" ahy sy ianao no tiako hambara eto amin'ny teny hoe "Ny agnarandray".

 (tohiny)


Fiarahabana sy fisaorana

Published on 05:32, 06/21,2006

Miarahaba anao

Hafaliana ho ahy ny mandray anao amin'ity blaogy ity. Misaotra ny mpandrindra nahazoana izao teknolojia raitra ahafahantsika mitafa sy midinika izao. Manantena aho fa hiara-mitady ny mahasoa eto isika, hifanampy, hanao mpirahalahy mianala ka ianao ho tokiko ary izaho hiezaka mba ho mendrika ny ho tokinao ihany koa

Mankasitraka


1 2 3 4 5 6 7 8 9 10  Manaraka»