"Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Tohiny 5)
“Ny anongotsongoana ny maty hono atahorana ny mandevim-belona”
Io ohabolana iray io dia mbola manampy antsika ihany hieritreritra lalina sy hamohafoha ny fisainana hijery akaiky hoe aiza no lesoka mila fanarenana ao amin’ny fiezahana hampifanindran-dalana ny Finoana Kristianina sy ny Famadihana.
Misy teboka vitsivitsy indray ary ireto anasako anao hanohy ny fikarohantsika. Mazava loatra fa tsy ho tapitra mihitsy ity resaka ity raha tiana hotohizana hatrany hilazana izay azo lazaina rehetra. Noho izany indrindra dia hiezaka isika mba tsy hijery eto afatsy izay teboka inoana fa tena lehibe ihany. Raha misy moa ny manontany na ny mametraka hevitra dia mety azo atao ihany ny manohy azy hatrany araka izay tratra sy tsapa fa ilaina ny maha soa azy.
Andao indray ary….
“Firaisan-kina sa Fifandrafesana?”
Hitantsika tao alohaloha tao fa hoe inoantsika hoe anisan’ny tanjon’ny Ntaolo namorona ny Famadihana ny hifankatiavan’ny velona, ny mpihavana sy ny mpiara-monina.
Raha tsy mitandrina anefa ireo izay manao Famadihana dia raha tokony ho fampanjakàna ny Fihavanana no hita soritra mazava dia ny fifampiandaniana sy ny fifampiolonolonana indraindray no mila hanjaka. Misy moa izao ny hoe zanaka am-pielezana sy ny zanatany, izany hoe ireo tsy mila ravinahitra any ivelan’ny faritra fa dia ao ihany no mihary sy mivelona. Ny zava-misy ary indraindray dia manjary misy fifaninanana ratsy teraka hoazy eo amin’ireo karazan’olona roa ireo. Ny mpila ravin’ahitra any ivelany te-hampiseho fa izy ireo dia metimety kokoa na ny fomba fiainana io na ny fomba fitafy. Manjary ireo mitovy fitafy no mifampiresaka na ny mifampiarahaba fotsiny izao aza. Hany ka izay tsara akanjo, izay samy manao kiraro, izay samy manao pataloha(ny tanora zazavavy io) ihany no mifampiresaka fa ny tambanivolo kely tsy mahalala sady tsy mahatakatra lamaody dia iavonavonana. Teraka hoazy eto mazava hoazy ny fifampiolon’olonana. Indraindray aza moa dia misy ady teraka mihitsy satria ny sasany tsy mahatanty ny eso sy ny latsalatsa atao azy intsony. Raha izany koa no ataontsika dia tsy ilaina ny anaovana Famadihana satria ny zavatra natao hampiombona indray no ho lasa “rangory fototry ny afo” hoan’ny fisarahana.
“Fandanianiam-poana”:
Zavatra iray izay tsy sahin’ny maro resahina koa ity lafiny iray ity dia ny fandaniana mandritra ny Famadihana izany.
“Ny vola fitady, ny herim-po fanary” hoy ny fomba fitenin’ny zatovo lahy ankehitriny. Milaza io fa hoe raha izaho no nitady ny vola dia azoko atao ny mandany azy amin’izay tiako handaniana azy. Mazava loatra fa raha mamadika dia misy dia misy tokoa ny vola tsy maintsy ho lany satria ilaina izany. Tokony ho jerena akaiky anefa ity fandaniana ity satria indraindray dia mihoam-papana loatra ka lasa mifanohitra amin’ny tenin’ny Evanjely amin’ny farany. Maro tokoa mantsy ny tsy misakafo any ho any nefa mandritra ny Famadihana dia vitsy no mieritreritra izany ka manary vary na hena etsy sy eroa mba hanehoana fa manan-karena ary mba hilazan’ny olona amin’ny toeran-drehetra aza hoe “Ah izany ka Famadihana nalaza, vary izany nariana sy nafafy tao izany!”. Raha izany no ataontsika dia mazava fa tsy afaka ny ho mpianatr’i Jesoa isika satria ny hafaliany dia ny mahita antsika miahy ny mijaly sy noana manodidina antsika. “Lazaiko marina aminareo fa isaky ny manao izany amin’ireo madinika indrindra ireo ianareo dia izaho no nanaovanareo izany.” (Mt25,40)
“Ny Galeoka no maha Famadihana azy eeee!!!”
Asa moa izay miseho any amin’ny faritra izay tena tsy hitako, fa hatreto izay mba nolalovako dia hitako fa ny teny hoe “Famadihana” dia midika ihany koa hoe misy ny “Toaka” mivetraka izay, na “Galeoka” moa no fiteny malaza indray izao. Tsy ny toaka angamba no ratsy tanteraka amin’ny maha toaka azy, fa mila fandinihana koa anefa ny fomba fampiasa azy ity fa indrindra mandritra ny lanonam-pianakaviana. Impiry isika no mahita ny mpihavana milaza fa mamadika mba hifankatia nefa ady no iafarany satria samy mamo dia manomboka mifandatsa, dia mifanopa ary farany moa dia mifandray tolona sy miady izay tsy mahatanty. Hitantsika mazava izany fa manjary sady tsy mifanaraka amin’ny tanjon’ny Razana namorona ny Famadihana no tsy mifanaraka rahateo amin’ny Finoana Kristianina ny fiadiana. Antsoina hifankatia isika, ary tsy hifankatia amin’ny Havana sy ny namana ihany aza fa hatramin’ny fahavalo mihitsy. (Mt5,44; Lc6,27,35)
Mitovitovy amin’io ihany ary mety ho ratsiratsy kokoa aza dia ny fomban’ny tanora lasa fomba ratsy mahazatra amin’izao koa amin’ny faritra sasany dia ny fifaninanan-dratsy. Malaza moa izao ny labiera ary tian’ny tanora kokoa noho ny Galeoka fa indrindra ireo manan-katao izany. Ny mampalahelo anefa dia toa tsy sotroina indray izy ity indraindray fa ahontsakotsan’izy ireo mba handemana ny olona manodidina azy, na ireo mandihy izany na ireo mamono ny Razana. Ny tanjona angaha eto dia ny mba ho hitan’ny olona hoe jereo aho fa manam-bola ka ariako fotsiny ny labiera. Misy aza ny mifaninana mihitsy izy ireo hoe andao hojerena hoe iza no mahalena velaran-tany malaladalaka kokoa. Dia rafitra ny fifaninanana ka misy ny manary labiera iray “casier” fotsiny izao mba hanehoana ny herin’ny tena ara-toe-karena. Tsy ilaina intsony angamba eto ny hilazako aminao hoe raha izany no atao rehefa mamadika dia tsara kokoa na ianao no tsy manao Famadihana intsony na ny Famadihana no mila foanana mihitsy.
“Dia ahoana ny Lamesa eny am-pasana izany?”
Mahakasika an’io toe-javatra io indrindra dia misy fomba fijeriko manokana tiako hatsipy ity sady hamaranako ny fifampizarana fa lavalava ihany izay voalazako izay. Lasa fomba mahazatra ny mpino Katolika amin’ny faritra maro ankehitriny ny mankalaza ny “Sorona Masina” eny ampasana rehefa manao Famadihana. Miankina amin’ny toerana iaingan’ny fanadihadiana moa angamba izy ity, fa raha ny hevitro dia toy izao. Any amin’ny faritra izay tsy afaka misaraka ny Toaka sy ny Famonosan-damba ny Razana dia hitako fa tsy dia tena mety izy ity. Ny Finoana Katolika dia milaza fa aorian’ny Vavaka Fanamasinana dia lasa Vatana sy Ran’i Kristy ny mofo sy ny divay, ary io dia maharitra fa tsy hoe mandritra ny fankalazana ihany tsy akory. (Une presence réelle et durable).
Ny mitranga anefa indrisy dia izao: ireo olona miroso mandray ny Vatan’ny Tompo ireo ihany no mifotafotan’ny toaka afaka fotoana fohy monja aorian’ny Tsodrano famaranana ny Lamesa. Indraindray aza dia mandoa etsy sy eroa, manompa ny hafa ary dia mety ho fototr’ady mihitsy aza. Ekeko fa tsy “Tonga hoan’ny olo-marina i Krisy fa hoan’ny mpanota”, ka nefa tsy midika izany hoe mamporisika antsika Izy hilomano ao amin’ny ota isika. Ho ahy manokana dia mila fanajàna miavaka ny Fankalazana ny Sorona Masina ka ny fanaovana azy eny amin’ny toerana efa hay mialoha fa ho mamo ny olona dia toa tsy fitandremana ihany. Mety ho latsaka amin’ny fankampanahy isika ka hilaza hoe raha foanana io dia hanafintohina ny olona efa zatra an’izany. Ka hampandeferin-tsika izany ny zava-masina mba hanomezana hafaliana ny olombelona. Izany tokoa mantsy no mitranga satria ny kabary lava be ny ora vonjivonjena satria ny andro tsara sy ratsy mbola ao antsaina ihany ka raha mihoatra an’izao ora dia efa andro ratsy ka tsy maintsy atao malaky ny zava-drehetra. Vokatr’izay dia atao faran’izay haingana ny Lamesa hany ka tanteraka zato isan-jato ny tenin’olona iray izay hoe “ Maro aminareo mivavaka no mivoaka ny vavaka ataonareo na dia tsy tafiditra tao akory aza ianareo”. (Vous sortez de votre prière sans même pas y entrer”) Mandeha ihany ny « Homba antsika mianakavy anie ny Tompo” sy ny sisa fa ny loha efa any am-pasana sy ny lamban-drazana ary ny galeoka ho ampy sa tsia. Heveriko fa tsaratsara kokoa angamba ny manao fanompoam-pivavahana tsotra na irony vavaka fanankinana ny Razana amin’Andriamanitra toy ny absoty irony izany.
Tokony hodinihintsika lalina ny fomba toy itony fa tsy hiezaka hikipy ka hanamarina ny zavatra tsy tokony ho hamarinina. Noho ny fitiavantsika hampiditra ny “sacré” hatraiza hatraiza dia matetika manimba azy indray isika. Tsy tadidiko ilay rangahy nanoratra io boky io fa tena tiako ny filazany hoe: “A force de vouloir sacraliser les profanes, nous ne faisons que profaniser les sacrés”. Adikako môlimôly eto izany, miala tsiny amin’ny voambolana : « Noho isika te-hanery mba ho tonga zava-masina ny zavatr’izao tontolo izao dia manjary ny zava-masina indray no avadin-tsika ho zavatr’izao tontolo izao ».
Mbola hitohy