“Ny Famadihana sy ny Kristianina�

Published on 07/10,2006

“Mifanohitra amin’ny finoana Kristianina ve ny Famadihana?”

Apetraky ny olona matetika io fanontaniana io ary tsy mahagaga izany fa rariny sy hitsiny indrindra. Ary koa satria moa tonga indray ity ny fotoanan’ny Famadihana hoan’ny Malagasy monina ao afovoan-tany. Eo ampieritreretana izany indrindra aho no nanapakevitra hoe tsara raha mba mifampizara kely momba azy ity isika. Tsapako fa mampifamaly mpianakavy maro ity raharaha ity fa indrindra ireo fianakaviana izay tsy Fiangonana tokana no ivavahan’ny tsirairay ka samy manana ny Fiekem-pinoany toy ny Katolika izany na Fjkm na Flm na irony Fiangonana vao teraka taty afara kely irony. Ny tena tsikaritro matetika aloha dia ity farany ity no tena sarotiny amin’ny hoe tsy tokony hamadika intsony rehefa mivavaka fa manompo sampy ny manao Famadihana. Fa moa ary ve mifanohitra amin’ny fampianaran’i Kristy tokoa ity fomba Malagasy iray izay toa lalain’ny maro ity?

“Manompo sampy ve ny manao Famadihana?”

Marihiko eto am-piandohana fa fomba fijeriko manokana no zaraiko aminao eto ary mba vokatry ny fikarohako sy ny fiketriketrehan’ny zanak’atidohako fotsiny fa tsy hoe fampianaran’ny Eglizy izao na izatsy akory; tsara ny ilazana izany mba tsy handaingana hoe izao na izatsy no fijerin’ny Eglizy momba an’io ary mba tsy hampandainganao ahy ihany koa hoe izao hono no lazain’ny Fiangonana momba an’io hoy i Dadafara. (Ce que je vais vous dire ici n’engage que moi)

Mba hazava ny resaka dia heveriko fa ilaina aloha ny hamaritana kely ny teny hoe “sampy” eto.  Araka ny fahitako azy dia misy sokajy telo azo fitimpitinina maimaika eto ny azo antsoina hoe “sampy”.

Ny “sampy” sokajy voalohany dia izay zavatra raisin’ny olona ka inoany ary apetrany eo amin’ny toeran’Andriamanitra. Izany hoe ho azy ity zavatra ity dia tsy zavatra fotsiny akory fa io no lasa toy ny andriamanitra ho azy ka io no iantorahany amin’izay zava-manjo azy, na fangatahany izay zavatra ilainy. Mihevitra izany izay miantehitra amin’ny sampy fa tsy mahavita n’inoninona izy raha tsy misy ity zavatra izay efa nanjary notopoiny toy ny andriamanitra kely ity. Raha fintinina izany dia izay mety hataon’ny olona ambonin’ny zavatra rehetra ka topoiny ary lasa maka ny toeran’Andriamanitra mihitsy aza, izany no atao hoe “sampy.”

Ny sokajy faharoa dia irony karazan’olona mino irony ka nefa minomino ihany fa tsy tena mino tanteraka. Izany hoe rehefa ao ampiangonana dia miventy ny fiekem-pinoana izy hoe “Izaho mino an’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra”, ka nefa eo amin’ny fiainana an-davan’andro dia hay tsy azony loatra ity teny hoe “mahefa ny zavatra rehetra” ity na mety azony ihany fa tononiny fotsiny fa tsy iezahany mba dinihina lalina akory. Ny vokany dia zary mizara roa ny fony satria tsy mino ny fahefan’Ilay lazainy fa inoany izy ka lasa “tsy miady tsy miady nefa ny kobay an-kelika ihany”. Izany hoe milaza mino an’Andriamanitra nefa tsy matoky ny heriny fa mbola miantehitra amin’ny herin’ny mpimasy na mpitsabo amin’ny hery miafina hafahafa ihany. Ny olona ato amin’ity sokajy ity dia ireo izay miteny hoe “tsara ny mivavaka ka nefa aza atao ambanin-javatra ny fiarovana”, izany hoe ny ody sy ny kasokasoka manaraka eny ihany fa ny hira sy ny tonom-bavaka amin’Andriamanitra dia mba fomba iny ka fomba. Ny fivavahana dia atao ihany any ampiangonana fa ny hery tena itokisana rehefa tena zohina dia tsy Andriamanitra fa ity hery entina an-katakonana ity. Ireo olona voalazako eto ireo dia tsy mihevi-tena velively hoe manompo sampy nefa dia izany tokoa saingy amin’ny endriny asa, ataontsika angaha hoe somary malefaka na hoe misasaka kely satria moa mety ho tsy mahatsiaro tena izy ireo eo ampiainana izany. Andriamanitra ho azy dia mijanona ho Zanahary ihany, izany hoe loharanon’ny aina fa ny fahombiazana sy ny tohin’ny fiainana raha tena zohina ny finoany dia ilay zavatra no tena heveriny fa manampy azy kokoa, na koa tsy hoe manampy azy kokoa fa kosa ny fony manontolo dia efa lasa sy babony tanteraka. Ao anatin’izany ireo miantehitra amin’i Dadarabe na ny hery miafina hafa .

Misy sokajiny iray fahatelo mila hitovitovy amin’ity faharoa ity nefa misy mampiavaka kely azy dia ireo izay tsy mieritreritra mihitsy hoe manompo sampy nefa ny tena marina (en réalité) dia izany no zava-misy. Tsy iza izany fa ireo izay manana zavatra na olona iray izay tsy tandritandriny loatra nefa efa tena mampiankin-doha azy tanteraka ary efa tena mety tompoiny mihoatra lavitra noho Andriamanitra mihitsy aza angamba na dia tsy mihevitra ny manompo azy akory izy. Ny fony sy ny sainy dia lasa any bebe kokoa ary miohatra ny fieritreretany sy ny fanompoany an’Andriamanitra aza ny fieritreretany sy ny fiheverany an’io ka zary andaniany fotoana sy hery bebe kokoa. Mety ho ny vola io ohatra, na ny seza na ny fahefana, na harena isan-karazany na ny vonihitra na ny fahafinaretan’ny nofo: (ny lehilahy hoan’ny vehivavy ary ny vehivavy hoan’ny lehilahy), ny fidorohana isan-karazany sy ny zavatra mampiankin-doha hafa ihany koa. Endrika iray fisehoan’ny sampy ihany koa izany. .....(Mbola hitohy)


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=1394

Leave a Reply

One Response to “Ny Famadihana sy ny Kristianina�