BEMOLANGA
Koa satria moa RFI ihany no mba radio mpandrotsirotsy ny tena rehefa aty amin'itony tany iasana lavidavitra ny Nosy malala itony...ary koa satria société française ny Total dia ankalazainy tanteraka ny resaka mikasika azy... teo ampihainoana ny filazana ny petrole any gasikara ny tena dia nikoropaka namaky tetsy sy teroa fa tara vaovao eo ka sao ilaozan'ny olona lava...Teo ampamakia ary dia toa mba velom-panantenana ihany hoe raha izao no mitohy dia mety ho zary zava-misy ihany ny hiran'i Mahaleo hoe Rahoviana no hitranga asa angamba atsy ho atsy dia ho tonga i Bemolanga, isika tsy ho lany vatsy....Hotanteraka tokoa anie izany... jereo moa ity link manaraka ity raha toa ka tsy naharaka io vaovao io ianao e.
http://fr.allafrica.com/stories/200809180005.html
Izay efa naheno moa dia aza esoina amin'ny fihomehezana izahay fa lavitry afo ny kitay eeee
Tonga dia salamà