Iza marina ianao?

Published on 11/29,2008

Mba nanaitra ahy ity lohahevitra iray ity teny amin’ny fampianarana kely mba narahina teny… teny amin’ny vaky boky kely mba natao teny … ka indro zaraiko aminao sao mba mety hanampy anao hahafantatra bebe kokoa ny tenanao. Mikasika ny maha izy ny tena izy ity, ilay ataon’ny frantsay hoe “identité”. Misy fomba maro matetika ny fomba jerin’ny olona ny tenany sy ny famaritany ny maha izy azy. (Mety ho lavalava kely fa mahareta e… sao mba hilaina ihany.)

 

1- Misy ireo mamaritra ny maha izy azy miainga amin’ny zavatra ananany (asa moa izay tena mahalaza ny hoe ‘par rapport’ fa io no tiako hadika amin’ny hoe ‘miainga avy amin’ny’ eto). Ity voalohany ity ilay karazan’olona raha vao anontaniana hoe iza ianao dia mamaly hoe: “izaho no tompon’ny trano lehibe eroa ananona” na hoe “izaho no tompon’ilay fiara marika izao na miloko toy izatsy” na hoe “topon’ilay tany misy an’izao etsy ananona” sns… Ny olana anefa dia izao : raha potika teo ary ireo zavatra ananany izay heveriny ho fototry ny maha izy azy sy entiny hamaritarana ny tenany ireo dia iza izany izy? Tsinotsinona anie izany izy raha vao potika ireo zavatra heveriny fa maha izy azy ireo e, dia mety hamono tena tampoka… Tsy ampy hatao fototry ny maha izy antsika ny Harena…ny fananana. Ny tena mahagaga aza moa dia ny olona tena manan-karena tsy dia misehoseho firy fa miezaka manafina izany aza… ireny no heveriko fa manan-karena satria azo lazaina ho manan-karena ara materialy sy ara toe-tsaina angaha izany…. Jereo fa ny olona tena mpanana matetika tsy dia mampiasa irony zavatra lafo vidy irony loatra… fa saika ireo eo ho eo ihany na ny tsy manana mihitsy aza no miezaka manenjika ny raha tena raitra (fiara lafo vidy, telephone, ordinateur…sns) asa mety misy zavatra tsapany fa tsy ampy ao amin’ny maha izy azy ao ka ny fananany ireny no heverina fa hanome hery kokoa azy na hampisy ‘valeur’ bebe kokoa ny tenany… Nefa ny tena marina tsy izy no mafy…. raha heverina fa maha-mafy ny fananana azy ireny… fa ilay zavatra ihany… Mety ny fiara na ny akanjo na ny famataran’andro, na ny finday na ny solon-tsaina no lafo vidy fa tsy ilay tompony akory…

 

2- Misy ireo mamaritra ny maha izy azy miainga amin’ny fifandraisany amin’ny olona hafa. Itony indray raha anotaniana ny maha izy azy dia irony miteny hoe “zah zanak’i Mr le président” na hoe “zandrin’i député ranona”, na koa “rahalahin’i maître ranona”… “fianakavian-dranona”… Matetika rehefa mba mahazo toerana heverin’ny besinimaro ho manan-danja ny olona iray vao mipoitra daholo ny havany rehetra… “havanay io”… “avy any aminay iny”… Dia raha tsy eo koa ary ireo olona atao fototry ny maha izy azy ireo dia iza ihany koa izany izy? Ity ilay tonga amin’ny fitenin-jatovo mpisavika hoe “aza mitoky salaka am-bodin-drahalahy”. Izany hoe rehefa hisavika omby ianao aza mijery hoe efa misalaka ny rahalahinao dia ampy izay fa ny salaka mamatotra azy tsy mamatotra anao… raha ny zokinao no karaté, tsy ianao akory no haharesy ny fahavalo hisakan-dalana anao…. Mbola tafiditra eto amin’ity karazana ity na dia ny fifandraisana akaiky toy ny fanambadiana aza. “Izaho no vadin’i Miss Madagascar”… “na thirst lady…” dia raha tsy eo io vadinao io dia iza ianao?

 

3- Misy indray ireo mamaritra ny maha izy azy miainga amin’ny asa ataony na toerana misy azy eo amin’ny seha-piainana. “Izaho no directeurn’ny sekoly eroa ananona”.. “izaho no Maire ao amin’ny commune atsy”… “izaho no curé eroa na pasitera etsy…”… “izaho no eveka etsy…” Dia raha misy fitondram-panjakana sanatria mandrara ny fampianarana ohatra na ny fivavahana dia mihidy daholo na sekoly na Eglizy ary tsy azo atao ny manao raha mifanaraka amin’ny maha pampianatra na maha pretra na pasitera eny fa na dia any antrano mangingina aza dia iza izany ianao? Ianao fotsiny izao, tsy asiana Eglizy, tsy asiana Sekoly, tsy asiana Birao? Mahay miaina ve ianao, ary sambatra amin’izany fiainana izany raha tsy misy ireo asa na didy amaritanao na apitovizinao amin’ny maha Inao anao ireo?

 

4- Misy indray koa mapitovy ny tenany amin’ny fianarana nataony. Itony ilay olona efa tsy manana anarana intsony indraindray fa lasa hoe “docteur…” na koa “professeur…”, na “comptable…” Na koa irony miteny hoe: “Izaho dokotera en…” , “izaho manana licence amin’izao…” “izaho manana bac dimy”… “izaho mahay miteny tenim-pirenena maro”… Maro no mihevitra fa arakaraky ny ananana marim-pahaizana maro no tena maha olona manan-danja azy… Ny hitako anefa dia tsy hoe ireo mpampianatra manana titre be sy lehibe no mahafapo amin’ny fampianarana (raha hiresaka fampianarana ohatra isika eto) fa ireo izay nahay nahatonga nofo izay kely hainy…. Lasa fiainany izay nianarany… Dia raha alefa mipetraka na miasa any amin’ny toerana tsy misy hifandraisany na kely amin’ny titre-nao ary ianao avy eo dia iza izany no filazanao ny tenanao?

Ny fiainana angamba no mety tsara kokoa atao fitsipika amaritana ny maha izy antsika fa tsy ny fianarana raha tsy izany tonga amin’ilay olona iray nahavita ny ‘soutenancen’ny tezy doktora’ nody tao antrano miaraka amin’ny havany sasany dia hoy izy tamin’ilay rahalahiny iray hoe “toa tsy miarahaba ahy akory ialahy nefa zaho anie izao dokotera e” hoy ilay ray namaly azy tsotsotra hoe “eny, taloha ianao “idiot” (fesso hoy ny italiana) toa anay rehetra ihany, izao kosa ianao “idiot” diplomé (eri fesso come noi, adesso sei fesso qualificato…) Aza manody anie izany! (lol).

 

5- Mety mifandraika amin’izany ihany ny karazan’ireo izay mapitovy na mamaritra ny tenany arakaraky ny talenta ananany. Toy izany ohatra ny miteny hoe : “mpilalaon’ny bfv aho” na hoe “mpiandry tsato-kazon’ny barean’i Madagasikara aho… na tsy haiko inoa koa. Eo koa ny hoe “mpitendry gitara n’ny tarika Rebika”, na “mpitsoka mozikan’ny governemanta”… na zavatra hafa (miala tsiny amin’ireo anarana tarika na ekipa raha misy sendra amin’ireo, tsy ianao akory no resahiko eto fa ireo sokajin’olona manana fomba fijery toy izany, iza no mahita mety ho izaho ihany no tena mpanao izany anie…., Dia raha sendra tsy afaka manao ireo zavatra anananao talenta ireo intsony ary ianao… asa sanatria misy loza dia tapa-tongotra na tapa-tanana dia tsy afaka milalao intsony, na tsy afaka mitendry ireo zava-maneno intsony sns…

 

Mety hisy hieritreritra angamba any hoany hoe mialona koa ity rangah ity toa be resaka. Tsy any ny olana sanatria fa mba te-hampitodika antsika marina amin’ny tenantsika hahalala bebe kokoa antsika hoe fa iza tokoa moa ity izaho ity…. mba hanitsiana izay tsy mety na hanamafisana izay mila izany. Raha esorina ny harena sy ny ananako, raha esorina ireo olona ataoko amaritako ny tenako (fifandraisana), raha esorina ny fianarana nataoko, raha esorina ny asako?

Inoako fa ny tena tokony hamaritana ny maha izy ny tena dia tsy ireo zavatra ireo fa ny “être” hoy ny frantsay… adikao izay mahay mandika azy… ny “izaho” na ny “maha izy ny tena” angaha izany, nefa toa lasa “totologie” izy izany.(lol). Mety ho"partie"n'ny être ireo talenta sy ireo fahaizana sy ny sisa, nefa kosa tsy ampy hatao famaritana fototra ny maha izy ny tena, "identité" hoy isika ary aloha ary.

Aza apetraka amin’ny zava-mandalo ny maha izy antsika fa amin’ny zavatra tsy miova mandrakizay amin’izay dia na aiza na aiza isika, na inona na inona ananantsika, na iza na iza miaraka amintsika, na inona na inona ataontsika dia ho sambatra mandrakariva isika…

“izaho dia zanak’Andriamanitra, tena tiany aho ary misy zavatra iandrasany ahy matoa nohariany aho ary io zavatra io dia izaho ihany no afaka manao azy…amin’ny fombako, amin’ny maha tokana ahy, amin’ny talenta nomena ahy” io ihany heveriko no zavatra tsy hiova fa mitoetra ka tokony hametrahana ny “maha izy” antsika. Raha misy mahita raha hafa tsy miova koa dia mba ilazao aho hanampiako ny kely mba inoako fa marina…

Tsy mino an’Andriamnitra ve ianao? Tsy haiko raha afaka hahita zavatra tsy miova hametrahanao ny maha izy anao ianao…. Izaho aloha tsy mino hoe hisy hafa ka nefa hajaiko ny safidinao… Ny ahy kosa zaraiko sy torîko ny Finoako satria izy maha izaho ahy. Izay ro AGNARANDRAY TSA AFIFY e!

Salamà aby ooo se afara koa e


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=5654

Leave a Reply

One Response to Iza marina ianao?