Ny Famataran’ny hazo fijaliana.

Published on 11/08,2006

Ho faraparanako eto angamba ny resadresaka momba ny sarivongana sy ny mitovitovy aminy fa amin'ny lahatsoratra manaraka dia hijery zavatra hafa kely indray isika.

Tiako marihina kely eto hoe raha misy filazalazana ny fomba fijery samy hafa eto dia tsy sanatria entina manitatra ny elanelana mety misy izany fa kosa entina hanazavana izay tsy itovizan'ny fomba fijery mihitsy mba hanampiana fahalalana hoan'izay tsy nahalala teo aloha fotsiny ary fiezahana mba hanazava izay mety nanjavozavo tamin'ny sasany. Haintsika rahateo moa fa "Harena ny fahasamihafana" ka tokony hanampy antsika hifanantona izany fa tsy hifandosirana na hifanaratsiana santria.

Alao hery indray ary

Ny Famataran’ny hazo fijaliana.

Ny mitondra ny “mariky ny Fifanekena” (signe de l’Alliance) dia anisan’ny zavatra notakin’Andriamanitra tamin’ny vahoaka israelita raha mitodika kely amin’ny Testamenta Taloha isika, mba tsy hanadinoan’izy ireo ny Fifanekena (Alliance). (Exode 13, 9 ; Deut6, 8). Tsy mahagaga ary raha niainan’ny Kristianina hatrany amboalohany ihany koa izany fomba izany mba hamohafohazany ny finoany ilay Andriamanitra nahafoy ny Ainy ho azy ireo. Koa satria ny hazo fijaliana no nisehoan’ny Fitiavana faratampon’ilay Mpanavotra dia io no lasa famantarana anehoana ny Fifanekena Vaovao (Nouvelle Alliance) ary ireharehan’ny tena mpino toa an’i Md Paoly rahateo moa izany raha nilaza izy hoe: “ Tsy misy ataoko ho reharehako intsony afatsy ny Hazo fijalian’i Kristy Jesoa Tompontsika.”(Gal 6.14.) Misy toerana hafa i Paoly dia miteny ihany koa ny atao hoe “fitenin’ny Hazo Fijaliana” (asa moa raha madika ny hoe langage de la croix izany). (1Cor 2, 2). Io no azontsika lazaina ho fototra iaingana raha hiresaka ny famantaran’ny hazo fijaliana ataon’ny mpino katolika rehefa mivavaka isika. Nampianarin’i Kristy izay  Teny milaza manontolo ny maha Izy Azy an’Andriamanitra (dernière parole du Père) fa Tokana Olona Telo Andriamanitra, ka izany no sady anaovana ny famantaran’ny hazo fijaliana no anombohana ny vavaka amin’ny Anaran’izany Andriamanitra Telo izay Iray izany. “Atao amin’ny anaran’Izy Trinité Masina izao vavaka izao, Trinité Masina izay nambaran’i Jesoa (révelée) izay maty ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana” (sady atao eo amin’ny tena ilay marika), sahalahala amin’izay angaha no azo amintinana io fomba fivavaka io.

Ny lakroa (le crucifix)

Ny lakroa ampiasain’ny katolika amin’ny ankapobeny dia misy ny sarin’i Jesoa mifantsika apetaka eo. Maro no manao izay azo atao mba hanana azy ireny mba hapetraka ao amin’ny trano ohatra na iravahana mihitsy aza. Mendrika ary rariny izany raha ohatra ka entina mba hanehoana ny fifikirana amin’i Kristy  Mpanavotra antsika no tanjona. « Tsy menatra ny hijoro ho vavolombelony » (Mt 10,32-33) toa an’i Paoly « Tsy menatra ny evanjely aho… » (Rom 1,16 ; 2Tim 1,8)

Ireo rahalahy sy anabavy tsy katolika moa dia lakroa tsy misy sarin’i Jesoa no ampiasain’izy ireo, (asa moa na miravaka ihany koa izy ireo fa ny fahafantarako azy dia toa any ampiangonana  ihany dia asa any antokatrano koa angaha, fa ny mazava aloha dia tsy marina velively ny fiheverana fa tsy manaiky ny fampiasana lakroa mihitsy izy ireo). Ny antony tsy anasivan’izy ireo sarin’i Jesoa moa dia mba hanomezana lanjany ny fitsanganan-kovelona izany, hoe efa nitsangana ny Tompo ka tsara haseho izany. Tsy misy mahadiso an’izany, fa marina tokoa.

Raha misafidy ny hampiasa ilay misy sary anefa ny katolika dia tsy hoe tsy manome lanja ny fitsanganan-kovelona akory fa mba te hanaitaitra ny fahatsiarovana matetika ihany hoe isaky ny mijery io sary io isika dia voaantso hisaina sy hahatsiaro mandrakariva hoe : « Toy izao ny fahafoizan-tenan’ilay Andriamanitra tia antsika. » Tsy vitan’izay koa fa ny fampianaran’i Kristy dia milaza amintsika fa mbola mijaly eo anivontsika mandraka ankehitriny Izy amin’ireo kristianina enjehina etsy sy eroa na ampijaliana noho ny finoany, amin’ireo mahantra na ny kely sy bitika mijaly tsy misy mpiahy ka miandrandra fangorahana avy amintsika : « Avia ianareo ry nohasoavin’ny Raiko…..fa noana aho nomenareo hanina….. » (Mt25,34-46). Isaky ny manao fahotana koa isika dia mbola mitovitovy amin’ny mamatsika azy ihany satria raha ny tokony ho izy ny Sorona Tokana natolony dia efa nanafaka antsika amin’ny jiogan’ny satana. Izany rehetra izany no anaingana ny mpino hibanjina ny misiterin’ny Lakroa mba hanampy antsika hahatsiaro ny adidintsika hanolo-tena ihany koa ho an’Andriamanitra ka hahatonga antsika ho sahy toa an’i Paoly hilaza hoe « Mifantsika isan’andro miaraka amin’i Kristy aho… » izay nofaranany mihitsy moa hoe « ….. tsy tsy izaho intsony no velona fa Izy no velona ato amiko….. » (Gal 2,19)

Ny lakroa atao firavaka ???

Mety ho tsara ihany io fomba io raha toa ka ny fijoroana vavolombelona sy ny faniriana hiaina araka ny evanjely no antony manosika araka ny nambara teo ambony teo ihany izany. Ny indrisy anefa ny matetim-pitranga dia toa tsy izany loatra….tsy araka ny finoana izany raha toa ka lasa lamaody ihany ary ny fitondrana lakroa ho toy ny firavaka tsotra fotsiny (simple bijou) na ho kavina koa aza dia mety ho fanimbazimbana ny famatarana masina no hiafarany. Tsy mifanalavitra amin’izay ihany koa anefa ny fitondrana azy ireny ho toy ny fiaro kristianina angaha izany. Amin’izay dia manjary hapitovizintsika lanja amin’ny odin’i dada rabe ny lakroan’i Kristy…(efa noresahintsika tamin’ny lohateny hafa io) Tsy ody ny lakroa (la croix n’est pas un grigri), ary aza entina izy raha tsy ankasitrahantsika eo amin’ny fiainantsika sy ao am-pontsika…

« Fankalazana ny lakroa » « Adoration   de   la   Croix » ?

Io no fomba nahafahana nilaza ny fanompoam-pivavahana fanao ny Zoma Masina hoan’ny katolika. Io teny « adoration » io anefa mila hampifangaro zavatra fa ny “vénération » angaha no mety mahalaza azy kokoa. Na izany na tsy izany anefa ny tsy maintsy marihina sy atao an-doha dia any amin’i Kristy mivantana no mitodika izany fankalazana izany (c’est un acte spirituel qui ne s’adresse qu’au Christ Seigneur en persone)

Mila mitandrina isika amin’ireo karazana lakroa hita etsy sy eroa amin’ny lamaody sy firavaka isan-karazany satria maro amin’izy ireny no tsy misy hifandraisany amin’ny hazo fijalian’i Kristy fa avy amin’ny lovantsofina ejipsianina (mythologie égyptienne).

Famantarana moa ireny ka famantarana ihany ary zavatra ety ivelany manampy antsika hiditra amin’ny zavatra ao anatiny. Ny tena zava-dehibe anefa dia ny ao anatiny izany hoe ny fo entintsika mitia an’ilay “nitia antsika mialoha” (1Jean 4,19)…Izany rahateo moa no ngeza indrindra amin’ny didy hoy i Kristy raha nanontaniana Izy. “Ny lehibe indrindra amin’ny didy rehetra dia ity: ‘Tiavo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo…..ny faharoa mitovy aminy ihany dia ity Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ ” Mc 12,29-31. Mt 22,38-40)


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=2083

Leave a Reply

One Response to Ny Famataran’ny hazo fijaliana.