Moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?

Published on 08/25,2007

Io fanontaniana napetraka tamin’i Jesoa io no heveriko fa votoatin’ny evanjely aroso hodinihintsika amin’ity Alahady faha 21 D mandavan-taona ity. Tsy manome valiny mivantana ny Tompo fa mampitandrina fotsiny hoe “tery ny vavahady ka mila fikelezana aina raha te-hiditra.”

Mampandinika antsika io tenin’ny Tompo io ka tokony hisaintsaina ihany ireo izay mitory fa ho voavonjy daholo ny olon-drehetra na ahoana na ahoana finoany sy fomba fiainany satria hono efa novidin’i Kristy tamin’ny ràny sady be indrafo Andriamanitra. Marina fa efa nosokafan’Andriamanitra amin’ny olon-drehetra ny fanjakany araka ny fanoharana momba ilay nanomana fanasàna ka niantsoana ny olona teny amin’ny kihon-dalana. Atolony maimaim-poan ny Fanjakany, ka nefa tsy midika ho kidaon-drano izany fa tsy maintsy entina ihany ny akanjo fitondra amin’ny fampakarana. Io akanjo fitondra amin’ny fampiakarana io dia tsy inona fa ny fiezahana hanara-dia an’i Kristy: maka tahaka ny fainany sy ny nataony: MITIA. “Amin’ny faran’ny androntsika dia hotsaraina ny amin’ny  Fitiavana isika” hoy i Md Jean de la Croix izay. Izay mahay araka ny nitiavan’i Krity dia nahita ilay varavarana tery ka afaka manantena fa ho ao amin’ny fanasana miaraka amin’ny olona maro avy amin’ny lafy valon’ny tany. Eto koa izany dia tokony hihevi-tena sy handinika lalina ireo izay mitory fa isa voafetra no hiditra any an-danitra. Fandraisana ara-bakiteny ilay 144000 ao amin’ny apokalipsa io, ka nefa raha io isa io ihany no tafiditra any dia tsy efa feno ve izao lanitra izao??? Dia mba mahidy toerana koa Andriamanitra inoanareo izany ka!!!

Ampisainin’i Kristy koa eto izay mihevi-tena ho ao amin’ny antokom-pinoana na fiangonana voafidy toy ny israelita izay nihevitra fa ho voavonjy “automatique” satria taranak’i Abrahama. Tsy miankina amina firehana izy ity fa ezaka manokana, ary tsy “privilège” ny maha taranaka voafidy fa “mission” sy adidy. Amin’ny fitsaràna isika hoy ilay mahay azy izay tsy hanontaniana hoe ‘inona ianao tety an-tany’, fa hoe ‘ahoana no nanaovanao azy?’ Tsy hanontaniana isika hoe Pretra sa lahika sa relijiozy sa dekona sa mpiandry fa kosa hoe ahoana ny fomba ny niainanao azy? Sao dia hatoky tena mantsy isika hoe mpiangona isak’alahady sy mifady hanina in-droa isan-kerinandro..., nandroaka demony tamin’ny anaran’ny Tompo, ka nefa ny fiainantsika lavitra ny lalana nosoritany (mpanao ratsy). Azo itarina koa aza ity araka ny fiheverako azy hoe tsy hanontaniana akory isika hoe ‘inona no finoanao’ fa hoe ‘ahoana no niainanao azy’. Hoy ny mpampianatra anankiray izay hoe “raha nisy olona nampianarina mba hino fa ny mamono olona dia asa soa mahavonjy azy dia arakaraky ny amonoany betsaka (raha ataony am-pitiavana sy faharesen-dahatra izany) no hahavoavonjy azy…” Mety handratra no sofintsika ny maheno izany ka nefa raha dinihina lalina dia mpandinika tokoa. Miaina ny Fitiavan’i Krisy ve isika, sao variana amin’ny adim-borotsiloza hoe ianareo katolika mihinan-drà sy kisoa, izahay kosa toy izao sy izao...misy mihitsy moa aza sahy milaza hoe tompon’ny marina ka azo antoka fa ho hovoavonjy.... Ho tanteraka tokoa anie izany!!!!!!!!!!!!Se afara koa e

(N.B: ireo teny somary miova loko dia misy link-n'ny références hoan'izay tsy mahalala. Misaotra)


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=3297

Leave a Reply

One Response to Moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?