“Ny Famadihana sy ny Kristianina� (Tohiny2)

Published on 07/21,2006

“Maninona no tsy nofoanan’ny misionera avy hatrany ny Famadihana???”

Fantatsika fa tsy nahalala an’i Kristy fotsiny teo ny Malagasy fa nisy dia nisy tokoa ireo misionera nitondra ny Filazantsara tao amin’ny Nosy malalantsika io ka nitombo isa tsikelikely ny Malagasy Kristianina.

Maninona anefa no tsy nataon’izy ireo votoatin-draharaha haingana ny hanafoanana azy io toy ny fanompoana ireo tapakazo sy ody isan-karazany ary ireo kivatovato ninoan’ny olona sasany fa manjary mbola ampivadian’ny olona amin’ny finoana Kristianina mandraka ankehitriny? Moa dia tena tsy mbola mpino marina daholo ve ireo mbola mamadika sa ahoana marina?

Eo indrindra no itarihako anao handinika kely indray ary hanohy ny fikarohantsika miadana sy amim-paharetana. Alao hery indray ary….

“Inculturation???”

Asa moa iza teny gasy tena mahadika azy ity na hoe fanaraha-bolon-tany na hoe fanarahan-kolontsaina fa ny heviny aloha dia azontsika fintipintinina eto ihany.

“Eny, na dia olona afaka aza aho, ka tsy mpanomon’iza n’iza akory, dia nilatsaka ho mpanompon’ny olona rehetra kosa, mba hahazoako olona maromaro kokoa. Tamin’ny Jody aho dia Jody, mba hahazoako ny Jody; tamin’izay ambanin’ny Lalàna aho, dia nanao toy ny ambanin’ny Lalàna na dia tsy ambanin’ny Lalàna aza, mba hahazoako izay ambanin’ny Lalàna ; tamin’izay tsy manan-dalàna aho , dia toy ny tsy manan-dalàna na dia tsy olona tsy manan-dalàna  amin’Andriamanitra aza aho, fa ambanin’ny Lalàn’ny Kristy, mba hahazoako ny tsy manan-dalàna; tamin’ny malemy aho dia hoatra ny malemy mba hahazoako ny malemy. Eny tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho mba hamonjeko azy rehetra. Ary nono ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany mba hananko anjara aminy.” (IKo9, 19-23).

Io tenin’i Md Paoly io no mahafehy ny tena dikan’ny teny hoe Inculturation. Izany hoe mba hahafahantsika mampita ny Evanjely na Filazan-tsara amin’ny vahoaka iray dia tsy maintsy miditra amin’ny kolontsainy ianao ka ao anatin’izany kolontsaina izany no iezahana mampita ny hafatra tsikelikely fa tsy amin’ny fanafoanana tanteraka ny maha izy azy akory. I Kristy no nanao izany voalohany. Mba hitondrany ny olombelona ao Amin’Izy Andriamanitra dia naka ny fombantsika olombelona Izy ary olombelona zato isan-jato sady Andriamanitra zao isan-jato ihany koa.

Izany no Andriamanitra inoako. “Andriamanitra mahefa ny zava-drehetra, nefa koa Andriamanitra Fitiavana”. Izany hoe, tsy manery na oviana na oviana Izy, ary tsy manao tery vay manta sanatria. Manaja ny tsirairay Izy ary mampita tsikelikely amim-paharetana sy amin-kalemem-panahy ny hafatra tiany hampitaina fa tsy manafoana avy hatrany ny kolontsaiko tsy akory. Fanaony koa aza matetika ny misintona lesona na zavatra tsara avy amin’ny alalan’ny zavatra hita fa ratsy izao raha haintsika ny manetry tena eo imasony sy miaiky ny fahalementsika. Izany no naneken’i Kristy ny fomba amam-panao tamin’ny fotoanany fa tsy hoe avy amin’Andriamanitra daholo ary avy aminy irery ihany akory ny fomba sy ny fanao tamin’izany toerana sy fotoana izany. Misy dia misy tokoa ny tsy avy amin’Andriamanitr fa noho Izy Faharim-po dia ampilaminana no anitsiany ny tsy mety fa tsy amboletra akory. Aza hadino ohatra fa ny Mpanjaka hendry nandimby an’i Davida Rainy dia i Salomona (IMpanjaka1,1+), zanany tamin’i Betsabe vadin’i Oria nalainy tamin’ny tsy andrariny fotsiny izao (IISam11,3-26). Ka nefa noho ny fanekeny ny hadisoany (IISam12,13) sy ny fiverenany amin’ny lalana mahitsy dia tsy hoe nomelohina hatramin’ny farany akory izay taranaka nipoitra tamin’io ramatoa nalainy tsy andrariny io (IISam12,24: “Tia azy I Yaveh”). Aoka ary tsy isika indray no hiseho sarotiny alohan’Andriamanitra. Naharitra Izy tamintsika, mety niandry antsika taona maro mba hibebaka isika, ka nahoana isika no hanery ny hafa hanao dingan-dava ka ho simaka sy ho folaka andantony. Mety amin’ny alalan’ny fomba iray tsy dia tena zato isan-jato Kristianina no hitarihany tsikelikely azy ireo ho lasa mpanompony tsy mivadika na amin’ny mora na amin’ny sarotra fa tsy ho toa antsika izay mety mafana fo hanameloka an’izao na izatsy anio fa rehefa tonga ny tadio dia isika no hitsoaka voalohany.

“Fety amam-paty ve?”

Mora dia mora ny miteny hoe “maninona raha mamorona fety hihaonan’ny samy velona” raha te-hifankatia. Marina tokoa izany, saingy isika matoa manao zavatra iray dia satria miandry vokatra sy fahombiazana izay. Ny zavatra tsapako manokana anefa dia ity: ny fomba nentim-paharazana sy mifanaraka amin’ny kolontsaina Malagasy dia tsy vitan’ny hoe tian’ny maro fotsiny, fa indrindra indrindra tena maharitra ka mety hahomby raha haintsika ny manararaotra izany hampitana hafatra tsara amin’ny fanatsarana azy tsikelikely. Ohatra ambarako anao dia ity: mbola zaza aho no efa hira ny hoe “Mandehana re”n’i Mamy Andy Lala. Tany amin’ny taona 1970 any ho any izany. Hatramin’izao anefa dia sady mbola tian’ny olona no malaza satria mifanaraka amin’ny literatiora sy ny kolon-tsaina ary ny ribantsika ilay gadona sy ny hafatra lazainy, toy izany koa irony hira kalon’ny fahiny irony. Malaza ihany koa anefa izao irony hoe “Tiako be madama” sy irony hoe “Sipasipako “ irony (Hip op hono angaha sa inona no anarany); fa sahy milaza aho hoe tsy hateza izy ireny fa mora lefy toa afomololo satria tsy misy fakany ao amin’ny literatiora sy riba Malagasy. Ka tsara kokoa hoy aho ny mi-“ exploiter” ny zavatra izay azo lazaina fa mikoriana ao amin’ny lalandran’ny mponina raha hampita hafatra ianao noho ny maka zavatra iray tiana hatao tery vay manta fotsiny izao. Raha fintinina izany dia hoy aho hoe ny Famadihana iraiketan’ny maro io mety azo atao tsara ny haha fitaovana tena mahomby hitondrana ny olona ho eo amin’i Kristy raha tsy dia “diaboliser” n-tsika loatra izy.

Heveriko ary fa izany indrindra no nahatonga ireo Fiangonana azo lazaina ho zokiny na amin’ny taona niforonany izany na ny fielezany eran-tany sy ny fahalalana azy, tsy nanameloka avy hatrany ity fomba Malagasy nentim-paharazana izay maro mpandala ity.

“Fa ahoana no famaky ny Baiboly?”

Ho an’ireo izay tsy mahita lafiny tsara na kely aza amin’ity fomba iray ity fa manamafy hatrany hoe ràràn’ny Soratra Masina ny milalao maty dia hoy aho hoe: “Ento milamina ihany aloha fa mety mamono fanahy matetika ny ara-bakiteny”. Aza alaina ara-bakiteny fotsiny ny tenin’ny Tompo fa manimba ny heviny izany. Aza ampilazainao izay tsy nolazainy ny Tompo fa mety hivadika ho hadisoana izany. “Ny heloka ibabohana hono mody rariny, ary ny rariny itompoana mody heloka”. Raha niteny i Jesoa hoe “Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy” (Mt 8,22) dia tsy nilaza velively izy hoe aza alevina ny havanao maty. Ny tiany hambara teto dia hoe ny fanarahana Azy tsy mila fangatahana andro fa tokony ho tiantsika ambonin’ny zava-drehetra izy; eny fa ny havantsika maty aza tsy tokony hisongona ny fanarahan-dia Azy. “ Izay te-hanaraka ahy ka tia ny rainy na ny reniny na ny rahalahiny na ny anabaviny na ny havany mihoatra ahy dia tsy mendrika ny ho mpianatro” (Mt10,37 // Lc14,26-27).

Aoka tsy ho hadinontsika fa i Kristy isaky ny miteny dia miainga mandrakariva amin’ny zava-misy (surconstance na contexte). Hany ka zava-dova no mitranga raha raisintsika isan’andininy fotsiny ny teniny satria azo atao dia azo atao tokoa ny mitady teniny mifanohitra tanteraka nefa samy ao amin’ny Baiboly raha raisina isan’andininy ilay izy. Ilazako ohatra tsotra ianao eto. Hoy i Kristy amin’ny toerana iray : “ Na mbola tsy mangataka aza ianareo dia efa fantatry ny Rainareo ny ilainareo” (Mt6,8). Any antoeran-kafa anefa Izy dia milaza koa hoe “Mangataha dia homena ianareo…” (Mt7,7-11 //  Lc11,9-13 // Jn14,14+). Indraindray aza lazainy mihitsy hoe mila manao lemozy toy ilay namana nangataka mofo andro alina (Lc11,5-8) sy ilay ramatoa tamin’ny mpitsara (Lc18,1-5), raha te-hahazo izay angatahina ao amin’ny vavaka isika.

Mbola omeko ohatra iray hafa ihany ianao. Milaza i Kristy hoe “Izaho sy ny Ray dia iray ihany” (Jn10, 30; 14,9-11), nefa milaza koa Izy any an-toeran-kafa hoe “Ny mikasika ny andro farany dia tsy misy mahalala ny hiavian’izany na ny anjely na ny Zanaka aza, fa ny Ray ihany no mahay izany”.(Mt24,36) Fa ahoana marina ary izy ity, fa angaha tsy iray ihany indray Izy sy Ray sa ahoana? Dia tsy hino ny misiterin’ny Trinité Masina izany ianao na hoe ny Telo zay Ray?

Hitanao amin’izany ny maha zava-doza ny fandraisana ara-bakiteny sy ny fitiavana hanatsamatsamaka ny andalan-tSoratra Masina. Aza izay andininy mahafinaritra antsika na manamarina ny hevitsika fotsiny no raisina ao amin’ny Baiboly fa raiso izy manontolo satria raha tsy mitandrina isika  dia mampandainga ny Soratra Masina na manao azy ho fitaovana hiarovana ny hevitsika izay tiantsika hitompoana teny fantatra.

“Miitatra toy ny sima misioka hono???”

Miala tsiny amin’izay mety ho manana ity fahasembanana ity fa fomba fiteny moa izy ity ary manampy amin’ny fanazavana fotsiny fa tsy fihomehezana ny fahavoazan’ny sasanysanatria. Ny tiako hambara fotsiny eto dia hoe mitovitovy amin’izany ihany koa ny manitatra fotsiny izao ny tenin’ny Baiboly.

Hoy mantsy angamba ny sasany hoe: tsy mandîka ny didin’Andriamanitra ny tsy manao Famadihana. Marina indrindra izany. Tsy misy milaza mihitsy hoe mandîka didy akory ny tsy mamadika. Aoka tsy hitarina ny resaka fa tsy mitondra vokatsoa ny fanaovana izany. Ity anefa no aza hadino : “Tsy ampy ny mitandrina sy tsy mandika ny didy fotsiny fa ny miaina sy manataneraka azy no tena izy”. Dingana voalohany no vitantsika eo amin’ny Finoana raha mbola mitandrina tsy handika fotsiny isika. Tsy maintsy manatanteraka ny Didy isika mba ho tena mpino feno. Ka eo indrindra isika izao, mety ho anisan’ny endrika fisehoan’ny fanatanterahana ny didin’ny fifankatiavana hoy isika ity fomba iray ity. Tsy midika velively izany fa izay tsy manao azy dia mandika didy. Averiko indray hoy aho fa mila fitandremana ny manitatra sy mandray antendrony satria mandiso hevitra izany matetika.

Ao anatin’io ihany koa dia manasa anao aho mba handinika amin’ny fo tony ny momba ny hoe “dihy sy hafaliana”. Izaho manokana dia mihevitra fa tsy milaza velively ny Baiboly hoe ny fifalina sy ny dihy rehetra dia hoe fanompoantsampy avokoa. Nomen’Andriamanitra fo mitempo isika ka mahay mifaly rehefa tonga ny tokony hifaliana ary mahay malahelo koa rehefa tonga ny mifanojo amin’izany. “Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha ory amin’izay malahelo” (Rom12,15).

Heveriko fa raha mandihy ny mpanao Famadihana dia ny hafalian’ny mpiara-mifety no andihizana fa tsy ny Razana akory no fototry ny dihy. Ny mpianakavy tafahaona sy vonona hifanao “Tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja” eo amin’ny fiainana andavan’andro sy ny adidy amin’ny mpiara-monina no mifaly fa tsy ny Razana loatra angamba no ampifaliana na ifaliana.

Manasa ireo izay mamadika kosa anefa isika eto mba hanao fandinihan-tena hoe inona tokoa no tena mampandihy azy amin’io fotoana io fa tsy mety ny mitsambiki-mikimpy. Raha ny maty tokoa no andihizany dia tokony hieritreritra tsikelikely izy ka hanitsy ny diso. Mino aho fa mba hisy dikany ny fandihizan’ny mpamadika dia tokony ho foanana ohatra ny mampandihy ny Razana fa fonosy lamba izy raha inoanao fa famitàna adidy izany ary avelao amin’ny tany avy eo fa ianao no aoka handihy raha faly fa nahavita adidy na afaka nihaona tamin’ireo havanao tsy hitanao elabe. Ny fampandihizana ny Razana dia heveriko fa sady tsy fanajana azy no tsy fanajanao rahateo ny tenanao satria tsy misy dikany izany mampandihy ny olona efa maty izany. “Trafon-kena nome-mahery hono, am-bava mitsako am-po mieritreritra”.

 “Ary ny vahoakan’Israely koa  toa hoe nanao Famadihana hono????”

Mazava loatra aloha fa tsy Famadihana toy ny ataon’ny Malagasy sasantsasany no tiako ho lazaina eto. Tokony hampieritreritra antsika ihany anefa ity tranga iray ity izay ao amin’ny Baiboly ihany koa izany fa tsy noforoniko.

 I Jakoba rehefa ho faty dia niangavy an-janany mba tsy halevina any Ejipta fa entina any amin’ny tany Kanaana ny fatiny. Dia izany tokoa no nataon’ny zanany na dia nisy fotoana lava aza teo anelanelan’ny nahafatesany sy ny nandevenana azy tany amin’ny tanin’ny fasan-drazany (vakio manontolo ity tantara ity Gen49,29-50,14). Dia ahoana ary, fahavetavetana eo imason’Andriamanitra ve ny milalao faty dia i Jakoba loharano nipoiran’Israely aza nangataka an-janany hitondra ny fatiny any an-tany lavitra ary voatery nitazona ny fatiny manodidina ny telo volana teo ho eo ny zanany vao nahatafalevina azy.

Mbola akaiky kokoa ny famadihana aza ny an’i Joseph zanany faralahy satria izy dia nalevina tany Ejipta aloha vao nentina ny sisantaolany avy eo araka ny fangatahany ihany koa (vakio ity: Gen 50,24-26// Ex13,19 // Jos24,32 // He 11,22). Hoy ary aho hoe: aza terena hilaza ny tiantsika hampanjakaina ho marina fotsiny ny tenin’Andriamanitra fa angataho ny Fanahy izay hany mpanazava faratampony azy hanampy antsika hanazava izany amin’ny namantsika. Moa ve tsy mila ho Famadihana tokoa izany tantara izany e? Mety ho marina ihany ny ahy io indray andro any  ooo?

Tapahantsika kely indray aloha fa lava loatra ka mahamonamonaina

(mbola hitohy)


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=1474

Leave a Reply

One Response to “Ny Famadihana sy ny Kristianina� (Tohiny2)