"Ny Famadihana sy ny Kristianina" (Tohiny 4)
"Ny Fanandroana"
Mbola mikasika ny "indro kelin'ny mpandrafitra" ihany ny resatsika eto. Maro moa no mety ho fomba fijery ny teny hoe "Fanandroana", fa raha ny fahitako azy maimaika eto dia hitako fa sarotra ihany ny hanekena azy ity hoe hampifanarahana amin'ny finoana Kristianina.
Eo indrindra no itaritako anao indray hanohy tsikelikely ny fandinihantsika hoe hatraiza ao amin'ny Famadihana tokoa no azo ekena raha mpino Kristianina isika ary hatraiza no tokony hahitsy na tokony havela mihitsy aza.
Alao hery indray ary.
“Andro tsara, andro ratsy hono e!e!e!?”
Resaka hafa tanteraka indray ity nefa mahakasika ireo tokony ho jerena akaiky koa dia ny Fanandroana. Firy tokoa moa no mamadika ka tsy mijery ny andro tsara aloha. Mino aho fa mety tsy misy mihitsy izany. Alohan’ny hamadika dia jerena aloha hoe oviana no andro tsara ary oviana no andro ratsy tsy mety. Fa iza moa isika no afaka hilaza fa ratsy ny andro izay noharian’Andriamanitra ka nefa Izy nahary azy nahita fa tsara izay nataony. (Gen1,10). Raha tena mino isika dia tokony tsy hisy fanavakavahana andro izany fa an’Andriamanitra daholo izy rehetra. Moa isika rehefa miondrana ivelan’i Gasikara ve mijery ny andro hoe tsara sa ratsy zay vao mamandrika billet eny amin’ny avion?? Moa tsy ny compagnie no manery antsika amin’ny andro sy ny daty ary ny ora, ka inona no andro ratsy sy tsara eo, inona no olana mitranga eo? Mino aho fa io anisan’ny tsy mampandroso ny kontinanta Afrikanina satria be loatra ny fady ka na ny zavatra mety hampandroso tsy atao fa hoe fady. Misy ireo tsy miasa Talata sy Alakamisy fa hoe andro ratsy, ny Alahady rahateo efa tsy miasa dia firy ary no andro hiasana zany, dia ahoana no hahafahanao hamelona ny fianakavianao raha toa ka fambolena no asanao. Mila fandinihana lalina io teboka iray io.
“Fanidim-pasana hono??”
Mitovitovy amin’io ihany ny momba ny Fasana. Firy no Fasana hitanao hoe tsy misy “Fanidy”. Io moa sarotra hazavaina angaha fa raha fintinina dia toy izao ny dikany. Ny olona manamboatra Fasana amin’ny faritra maro dia miantso mpanandro na mpahay ny hery miafina angaha izany, ka io olona io no milaza hoe izao no paipai-dafika momba ny Fasana. Mety hilaza ohatra izy hoe ny Fasana dia tsy azo sokafana raha tsy andro toy izao, tsy azo andevenana amin’ny andro toy izao, amin’izao ora vao azo hidiana izy. Ity fomba iray ity koa dia manambara fa mbola tsy tena lalim-paka ny Finoantsika fa mbola matahotra hery miafina. An’Andriamanitra ny zavatra rehetra ka tsy tokony hisy hery hafa hatahorana na hohajaina intsony. Ny tanjon’ny Famadihana ihany no tokony ho kendrena dia ny sisa mila tsaboina sy ahitsy izay mety tsy mamela antsika tena hiaina tanteraka ny finoantsika. Mazava loatra fa mety ho sarotra hoan’izay tsy mitovy fijery amiko ny hanaiky io fijeriko io ka nefa raha mandinika tsara izy dia mety ho resy lahatra ihany hoe izany tokoa anie no mino e. Tsy maintsy mandà tena raha tena te- ho mpianany.(Mt10,38; 16,24;Mc8,38; Lc9,23;14,24).
Mila mitandrina isika tsy ho latsaka amin’ny fankapanahy izay te-hanamarina mandrakariva izay zavatra tiantsika. Indraindray aza dia mila andalana ao amin’ny Baiboly mihitsy mba hanamarinan-tena. Ohatra hoe, te-hisotro toaka izy dia lazainy hoe ny Baiboly anie mamporisika hisotro divay koa e (ITim5,23) ka nefa eto dia noho Timoty narary kibo sy marary lava no toroin’i Paoly hevitra momba an’io fa tsy hoe hila fahafinaretana akory. Tandremo ary fa ny demony koa indraindray mahay mitanisa andalan-tsoratra ao amin’ny Baiboly mba hanamarinany ny heviny. (Mt4,6).
“Atero koa alao”
Misy fomba sasantsasany ao amin’ny Famadihana ihany koa mila fanitsiana. Tsy hoe mety hahatonga azy ho fanompoan-tsampy akory fa kosa manimba ny mety ho tena tanjon’ny Razana namorona azy ity. Anisan’izany ohatra ilay atao hoe “Fitia tsy mba hetra” ka nefa lasa nivadika ho “Atero koa alao” araka ny fomba fiantsoan’ny olona azy ankehitriny any Betsileon’Imady any.
Rahefa namadika ny Ray aman-dRenintsika taloha dia fomban’izy ireo ny mifanao tan-tsoroka. Izany hoe mifanampy ary tsy avela hitondra entana irery ireo “Teraky ny mpahatsiahy” na ireo izay mamadika izany. “Ny taon-trano tokoa moa tsy vitan’ny irery”, ary “Ny asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana” ka izany no mahatonga azy ireo manome ity atao hoe “fitia tsy mba hetra” ity mba hanamaivamaivana kokoa ny entana entin’ireto tompom-pety mivantana. Tompom-pety mivantana hoy aho satria rehefa tena dinihina moa dia samy tompom-pety ihany satria hoy isika hoe “Ladim-boatavo ny fiainana ka raha fotorana iray ihany”. Misy fomba fiteny milaza an’io moa any amin’ity lazaintsika hoe toerana iaingan’ny fitrandrahana ity dia ny hoe: “Imady tsinaim-balala tokana, sarihana iray ihany, avela iray ihany”. Ny fitia tsy mba hetra izany dia mety ho vola ary mety ho vary fotsy entin’ny olona amin’ny sobika voazaitra. Tsodrano no fomba fiantsoana azy an-davan’andro.
Indrisy anefa fa nitombo hevitra tsikelikely ra-mpanao Famadihana ka nanjary nosoratana ao amin’ny kahier na boky mirakitra ny Famadihana ireo tsodrano entin’ny olona miarahaba sy manotrona azy. Mety tsara ihany koa ny tanjona tamin’io tany ampiandohana saingy niova tsikelikely hany ka lasa sanatria boky fanoratana trosa ilay izy. Ny zava-misy ary vokatr’izay dia lasa tsy manao fihetsika maimaim-poana intsony ny mpihavana fa manjary miainga amin’ny vola na vary nentin’ny andaniny ny ankilany rehefa mitondra tsodrano amin’ny fotoana anaovany Famadihana. Ny loza aza dia toa lasa fampiteraham-bola an-kolaka hoan’ny sasany satria raha mitondra iray alina izy ohatra amin’ny olona mamadika iray dia efa miandrandra an-drivony eo ambonin’izay izy izany amin’ny fotoana hanaovany Famadihana koa satria io no ataon’ny olona hoe entina miakatra ny fitondrana fa tsy entina midina. Ny hitako manokana izao dia misy efa mifampitondra vola an-tapitrisa maro ny olona manao famadihana izao. Misy ny efa manita-tsaina mifampitondra omby koa aza.
Mila ahitsy tsikelikely koa ity fomba ity satria tsy ampitandremana akory isika dia manome enta-mavesatra ny taranaka aman-dimby. Hadinontsika anefa indraindray hoe ny haren’ny Ray na Reny tsy voatery hananan’ny zanany any aoriana kely any. Ny vokatra mety ho azo amin’ity ary izany dia tsy ny fifankatiavana intsony fa mety hifamaly ary ady sanatria no hiafarany. Asa moa na nisy tokoa na tsia ny tantara kely lazaiko anao eto hanamafisako an’io ka nefa na nisy na tsia dia mampieritreritra ka tokony handraisana fanapahan-kevitra haingana. Nisy mpihavana hono nifampitondra an-tapitrisany amin’ny famadihana satria ny fomba fiteny dia hoe: “Ny dohadohany ro lagnonana”. Izany hoe ny lazany no maha Famadihana azy ka tsy maintsy atao izay mampirefotra azy araka izay tratra. Kanjo taty aoriana kely dia nandalo fahasahiranana ilay ankilany ka tsy afaka nitondra niakatra ny tsodrano entina intsony. Raikitra ary hono ny fifanontaniana hoe: “F’angaha tsa nitaratra noho niala tagny andragno?” izany hoe “angaha tsy nijery kahier ianareo fa tokony ambonin’izay no entinareo satria izahay mahalala ny nomenay anareo tamin’ny ianareo nanao Famadihana farany ka tokony ho voaraikitrareo antsoratra ao ny lanjam-bola nentinay”. Raikitra ny hoe: “Tsy manaiky an’io izahay fa kely loatra izany, ny anay ny vola miasa ka nahoana no haletikareo fotsiny any sy ny sisa….” Tokony hampieritreritra antsika io tantara kely io ka tokony hovaina haingana izay fomba mitovitovy amin’io nambarako io satria tsy izany no tanjon’ny Razana namorona ny Famadihana.
Dia hatreo koa aloha ny androany.
(Hitohy tsy ho ela)