Manompo sampy ve ny Katolika?

Published on 09/04,2006

Sarobabay, izay voa aza tezitra.

Manoloana ireo fitsikerana maro atao ny Fiangonana Katolika izay matetika tsy misy fototra iorenany (sans fondement) heveriko fa tsara raha mba miezaka manome valin-teny mazava sy mahafapo eto isika izay voakasika amin’izany. Ho an’ireo mpitsikera izany dia karazana valin-kafatra sy fanazavana no hiezahantsika haroso azy ireo eto. Ho an’ireo rahalahy sy anabavy katolika kosa dia aoka hazava ny resaka fa tsy maintsy lazaina ihany koa ary tsy maintsy ahitsy tanteraka ireo fomba fivavaka fanaon’ny besinimaro izay manimba endrika ny tena Finoana Kristianina Katolika.  Anisan’ny tsinjovintsika amin’izany ny mba hampazava ny adihevitra ataon’ny mpino katolika amin’ireo hafa finoana ka hitarika ny tsirairay hanao votoatindraharaha ny vavaka hoan’ny firaisan’ny mpino.

Sady magnatsaka no mangady abado

Ny fampianarana sy ny fiainam-pinoana katolika dia matetika tsy azon’ny olona loatra ary dia voatsikeran’ireo kristianina hafa finoana tsy misy antra mihitsy. Tsy vitsy noho izany ireo kristianina no voakorontan-tsaina tanteraka ary tsy mahay intsony ny lalan-kaleha. Misy mihitsy aza ny mandao ny Eglizy.

Eo anatrehan’izany zava-misy izany dia tsy haintsika ny mipetraka fotsiny amin’izao. Hiezaka mba hamaly sy hitondra fanazavana amin’izany indrindra ary no anisan’ny tanjon-tsika amin’ity fifampizarana eto ity.

Inty tokoa no tonga amin’ny fomba fiteny vaovao agny Imady agny hoe : « Sady magnatsaka no mangady abado ». Izany hoe sady manamboatra ny tahalaky ny tanimbary no manangona ny abado sendra mipoitra eny ampiasana eny ihany koa hatao laoka. Amin’ity fifampizarana ity tokoa mantsy izany dia sady hanome valin-teny sy fanazavana hoan’ireo mpanao tsikera isika no hankahery ireo katolika voarebireby amin’izany matetika. Hiezaka ihany koa anefa isika hanasa ny katolika sasantsasany hanao famafan-trano amin’izay mety ho fomba diso na tsy dia ao loatra amin’ny fomba fivavaka sy ny fampiharana sasany.

Nampieritreritra ahy ny tenin’ity tanora iray indray andro raha nilaza izy hoe : « Ny olana momba ny resaka Masina Maria dia anisan’ireo antony nanosika ahy handao ny Fiangonana Katolika ho any amin’ny finoana hafa. Izany dia satria maro ireo fanazavana sy famakafakana tsy dia amin’ny toerany loatra sady tsy azoko mihitsy momba ny hoe nahoana ary atao ahoana ny fitodika amin’i Masina Maria na ny mangataka ny vavaka ataony. Mazava amiko izy izao ary misaotra an’izay nanazava an’ireo aloka nanamaizina ahy s’ireo mpino maro hafa namako aho. Hiverina ao amin’ny Fiangonana amin’izay aho izao. »

Mila manazava ny fototry ny finoany izany ny katolika, toa an’ireo kristianina rehetra rahateo moa izay tokony ho afaka manazava ny finoany sy ny fanantenany (1Piera 3,15).

« Iray no nangalatra ka Ialasora raivohitra no lazaina fa mpangalatra akoho »

Amin’ny alalan’ny fihaonana imbetsaka tamin’ireo havana hafa finoana dia tsapako fa maro amin’izy ireo no tsy hoe ratsy saina akory (mauvaise foi) na entanim-pitia te-hitsikera fotsiny, (fara faharatsiny aloha ireo izay tena nizara ny ao ampony ampirahalahina ny tsy fankasitrahany ny fombam-pivavahana sasantsany ao amin’ny finoana katolika), fa mila fanazavana fotsiny izy ireo amin’izay teboka tsy dia azony loatra. Matetika dia avy amin’ny fanaon’ny katolika sasany ihany izany noho izy ireo manitatra na mandiso zavatra fotsiny izao vokatry ny tsy fahapian’ny fandalinam-pinoana.  Ahoana tokoa moa no hitenenanao mafy azy ireo (reprocher) raha toa ka miharihary fa maro ireo katolika izay tsy misy fahalana mihitsy ny Baiboly na zara fa manana fahalalana kely fotsiny, na koa ny fiainana tena zara raha misy tandindon’izany Baiboly izany. Tsy tenenina intsony amin’izany ireo vavaka ataon’ny sasany izay efa matetika voatsikera fahatany hoe fanompoantsampy na fanompoana an’i Maria…satria nitarina loatra ana nodisoina lalana fotsiny izao (dévié). Aza gaga ianao amin’izany raha mitsikera anao ny protestanta na ny pantekontista ?

Manindrona ny fanahy matetika ny mahita ny fahatairan’ireo rahalahy sy anabavy pantekotista raha mahita mpino katolika manambara amin-kafanam-po sy fahefana (autorité) ny Tenin’Andriamanitra mitory ny « Fahaterahana vaovao » ao amin’ny Tompo. Taitra izy ireo ary misy mihitsy ny vaky miteny hoe : « F’ahoana koa itony, tsy tena katolika ireo ka !!! » Ho azy ireo mantsy dia efa raikitra ao an-dohany matetika hoe ny « tena katolika » tsy mitory ny Tenin’Andriamanitra na ny « Fahaterahana vaovao » izany fa mijanona voahidy ao amin’ny « dogme » sy ny fombam-pivavahana isan-karazany mahazatra azy ireo.

Izany tokoa indrisy no endrika efa nomen’ny olona ny atao hoe « Katolika » ! ? ?

Tsy vitsy hoy aho ny tsara sitrapo (bonne volonté) tsikaritro tamin’ireo namako ao amin’ireo fiangonana hafa fa indrindra raha haintsika ny mihaino azy ireo. Maro izy ireo no faly mahatsapa (constater) fa ny Fiangonana Katolika dia tsy araka ny noheveriny na nampahafantarina azy hatramin’izay hoe mpanompo sampy na hoe maty (morte), ary amin’ireo katolika dia tsy mitsaha-mitombo ny kristianina taitra na mifoha amin’ny finoany (chrétiens réveillés) araka ny fomba fitenin’izy ireo ihany moa.

Raha tsorina izany dia maro amin’ireo rahalahy sy anabavy lazaina hoe « nisaraka » (séparé) no tsy nisaraka loatra araka ny iheverana azy matetika, na koa hoe mihidy ao amin’ireo fitsaratsarana sy fitsikerana fahatany. Tsy vitsy izy ireo no mifaly amin’ny asan’Andriamanitra izay miseho etsy sy eroa, eny fa na dia ao amin’ny Eglizy Katolika aza. Izany no marika ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesoa, na inona na inona anaran’ny Fiangoanany, raha tena tarihin’ny Fanahy Masina tokoa izy. Satria mantsy ity farany ity dia tsy Fanahin’ny fizarazarana na ny fanendrikendrehana fa Fanahin’ny firaisana ao anaty fahamarinana.

Tsy handany andro amin’ny adihevitra tsy ahitam-bokatra isika eto amin’ity dinidinika ity ary hiala lavitra ihany koa ireo izay diso mpandray ny tendrony roa loatra (extrémiste de tout bord) na mpitsikera be fahatany na mpankahala mihitsy ny finoana katolika: misy tokoa mantsy eo amin’ny sasatsasany ny fahateren-tsaina sy ny tsy fahampiana fivelaran-tsaina sy fanahy ka mety hampilatsaka azy ireo ao amin’ny ota manohitra ny Fanahy Masina araka ny nolazain’Izy Tompo (Mat 22, 31-32)

FAMPAHATSIAHIVANA MIALOHA :

Tsara ny manamarika eto mialoha fa ny mikasika ny fampianaran’ny finoaka katolika ihany no horesahintsika eto fa tsy hiresaka ny mahakasika ny finoana kristianina amin’ny ankapobeny akory toy ny hoe ny Trinité Masina, ny maha Andriamanitra an’i Kristy, ny Fitsanganan-kovelona. Ho jerentsika amin’ny manaraka angamba ny amin’izay. Mitovy amin’izany koa ireo mikasika ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny ara-moraly.

Hiezaka hiainga mandrakariva amin’ny Tenin’Andriamanitra isika eto araka izay azo atao, satria ny ankamaroan’ireo tsikera dia samy milaza ho mifototra amin’ny Baiboly avokoa ; Baiboly izay raisin’ny finoana sasany ho fahefana tokana azo ianteherana sy iaingana.

Tsy hamitatena koa anefa isika na dia ho dondrona be (naïf) ka hino hoe noho ity resadresaka eto ity dia maro no ho resy lahatra amin’ny fanazavana hataontsika. Hanontany foana mantsy ny maro amin’izy ireo hoe : « Ao amin’ny Baiboly ve izany ? » Ny fampianaran’ny Fiangonana Katolika anefa tsy ny Baiboly ihany no iaingana hanamarinana na hanazavana azy. (Amin’io tranga io dia inoana fa tsy dia hisy loatra ny ady hevitra). Misy ireo fampianarana azo avy amin’ny fahazoana ny Baiboly sy ny fiainana azy ary ny fanazavana azy ao amin’ny Eglizy katolika izay miezaka mba hanaja (ho “fidèle”@) ny Lovantsofina apostolika [asa moa raha mahadika tsara ny teny hoe “Tradition” io hoe lovantsofina io]. (Catéchisme de l’Eglise catholique n°78-82).

Maro rahateo moa ny andalana ao amin’ny baiboly no mety hohazavain’ny olona amin’ny fomba maro samihafa. Aoka ary tsy hamita-tena isika (qu’on ne se fasse pas d’illusion) : raha resy lahatry ny Foto-pinoany ny tsirairay, resy lahatry ny Fiangonany sy ny fomba fanazavany ny Baiboly (son interprétation), dia mila fotoana sy fifanakalozan-kevitra maro mba hisian’ny fifankahazoana tsara (compréhension mutuelle). Raha tsy izany, aleo dia mangina fotsiny toy izay mandany andro sy fotoana amin’ny ady tsy misy farany izay mampizarazara ny olombelona sy mandrovitra ny Vatan’i Kristy.

Ity fifampizarana ataontsika ity ary izany dia tsy hoe fitaovam-piadiana akory. Mazava loatra fa anisan’ny tanjontsika eto ny hanampy ny katolika mba hahazo sy hahay manazava ny finoany. (Se rendre raison de leur foi catholique). Ka nefa ny tena tanjona foibe eto dia tsotsotra ihany : “hampiseho amin’ireo katolika sy ireo hafa finoana fa ny Eglizy Katolika dia tsy ao anaty fahadisoana velively ary tsy manompo sampy na oviana na ovina araka ny filazan’ny sasany sy iezahany hapitaina etsy sy eroa, ary ny fampianarany dia miorina tanteraka ao amin’ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra na fara rahakeliny tsy mifanohitra velively aminy.

Na izany na tsy izany anefa dia manainga ny katolika ihany koa ity dinidinika ity mba hanao fandinihan-tena satria indraindray dia tsy hoe tsy misy antony akory ny antony itsikeran’ny olona antsika ary ilazany fa manompo sampy isika amin’ireo vavaka « de dévotion ». « Jereo aloha ny sakamandimby eo ambony masonao alohan’ny hanalanao ny singam-bozaka eo amin’ny an’ny hafa » (Mt 7,3)

Tsy maintsy eken-tsika amim-panetren-tena fa ny fomba fivavaka sasany fanaon’ny maro dia misy tokoa ny mila jerena akaiky satria mila hampifangarao zavatra ary mety hanome rariny ny tsikera sasany amin’izany satria izy ireny matetika dia toa lasa toen-tsaina miandrandra mazia mazia fa tsy dia tena finoana kristianina. (Mentalité magique).

Mahafinaritra ahy ny tenin’i Charles Delhez (s.j) ao amin’ny bokiny ‘Droit de réponse aux questions des sectes, P.9) raha nilaza izy hoe : « Marina aloha fa ny finoana ao amin’ny Eglizy Katolika indraindray dia fenoin’ny olona fombafomba izay manakaiky kokoa ny mazia mazia fa lavitra ny finoana kristianina tena izy. Tsy nitsahatra niady nanohitra ny finoanoampoana teraka tsy misy farany izay anisan’ny fahazaran-dratsin’ny zanak’olombelona ny Eglizy toy ny nataon’ireo Mpaminany tany Israely izay niezaka ho ‘mpanadio’ ny fomba diso lalana (purificateur). Amin’ny alalan’ny tsikera izay matetika tsy misy hevitra tena ifotorany dia manasa antsika ny sekta mba ho malina (être vigilant) eo manoloana an’izay mety ho fisehona finoana mazia mazia izay fanaon’ny olona eo anatrehan’ny sampy sy ny ody isan-karazany »

Andriamanitra mahalala tsara mihoatra lavitra noho isika fa mbola mitady mpaminany isika ankehitriny, mila olona feno fahamatorana eo amin’ny fomba fivavahany sy ny finoany ary manana fifohazam-panahy tena marina eo amin’ny fiainam-panahy.

Averiko indray fa hiezaka isika eto mba hampiseho ny fiorenanan’ny finoana katolika ao amin’ny Baiboly. Hiezaka hanatsoaka lesona ihany koa isika amin’ny alalan’ireo tsikera atao ny Fiangonana Katolika izay manainga antsika hanao fifohazana aram-panahy hiaina ny Finoana sy ny fomba fivavaka tena araka ny Evanjely.


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=1768

Leave a Reply

One Response to Manompo sampy ve ny Katolika?