Sampy daholo ve ny sary vongana rehetra ???

Published on 09/15,2006

Anisan’ny andraisan’ny Katolika fanenjehana hatraiza hatraiza ny resaka fanajana ny sary vongana na ireo sary fampisehoana endrika izay antsoina mahazatra hoe « sary masina ». Fa moa ary ve tena sampy tokoa izy ireny ? Io toko iray io no andeha hanombohantsika ny votoatin’ity fifampizarana ity. Alao hery ary….

Tsy hanompo andriamanin-kafa ianao.

Voasoratra hoe : « Tsy hanao sary voasokitra na endrin-javatra isan-karazany ianao, na zavatra eto an-tany izany na zavatra any andanitra » (Exode 20,4 ; Levitique 26, 1)

Io teny io hoan’ny sasany dia ampy hilazany fa ny sary vongana rehetra ao amin’ny Eglizy Katolika dia sampy avokoa.

Aoka kosa tsy hitarintsika ny resaka e. Aza avoaka ny zava-misy manodidina azy ny lahatsoratra (ne tirons pas ce texte de son contexte). Andriamanitra eto dia tsy mankasitraka ireo fombampivavahana atolotra amin’ny sampy jentily sy ireo andriamanin-kafa izay voalazan’ny andininy mialoha an’io filazana io rahateo moa : « Tsy hanana andriamanitra hafa ianao eo anoloako » (Ex 20,3).  Ny mponina manodidina ny vahoaka Isrely manko matetika dia mpivavaka eo anatrehan’ireo sary vongana andriamanitra kely inoany na ny sampy izany. Io rahateo no tohin’ilay fehezan-teny etsy ambony hoe : « …tsy hiankohoka eo anatrehan’izany sampy izany ianao ary tsy hanompo azy. » (Ex 20, 5 ; Lev 26,1)

Tsy ny sary vongana rehetra akory no raràn’Andriamanitra fa izay lasa miteraka vavaka fanompoan-tsampy ihany ka lasa maka ny toerany. Melohiny tsy misy antra ny vavaka fanompoantsampy izay midera, mankalaza na miantso zavatra nataon’olombelona na zavaboarin’Andriamanitra ihany ho toy ny « tompo masina » na manana « hery miafina » (Isaïe 44,17). Voakasika amin’izany ohatra ny zanak’omby volamena tany Ejipta (Ex 32) sy ny Famosaviana ary ny Fanandroana sy ny fanaovana Mpimasy angaha izany hoan’ny Malagasy sy ireo firenena maro any Afrika na antoeran-kafa tsy ho ary voantanisa eto.

« Andriamanitra koa dia nandidy ny olony mba hanao sary vongana »

Aza hadino fa Andriamanitra ohatra dia nangataka tamin’ny vahoakany mba hanao sary vitsivitsy toy ny Kérobima (anjely io) volamena natao tamin’ny Fiaran’ny Fanekena (Ex 25,18-20) sy ny bibilava varahina tany anefitra (Fanisana ‘nombres’21: Ny israelita dia tsy maintsy mijery an’io ka nefa tsy midera na mankalaza azy mba ho voavonjy rehefa lanin’ny bibilava mahafaty, ary i Kristy nilaza fa tandinony sahady io sary vongana io: cf Jn 3, 14)

Ireo sary voalazantsika ireo dia Andriamanitra mihitsy no nampanao azy ary mazava arak’izany fa tsy sampy izy ireo. Nasainy natao izy ireo mba ho toy ny tandindon’ny fisiany eo anivon’ny vahoakany ka natao mba hampahatsiahy azy ireo sy hamohafoha ny finoany sy ny fitokisany ny Andriamanitra izay miaro sy momba azy hatrany.

Hitantsika hatraiza hatraiza fa maro ireo famantarana nampiasain’Andriamanitra mba hitaizana ny vahoakany ao amin’ny finoany. Voalaza ohatra fa « Nanao fahagagana maro ny Tompo amin’ny alalan’ny tanan’i Paoly, hany ka na ny mosoara sy ny lamba nikasika azy fotsiny aza no nampikasihina ny marary dia nahasitrana ny olona izany sy nandroaka ny fanahy ratsy » (Asan’ny Apostoly 19, 11-12). Raha mandinika amin’ny fo tsy miangatra io tantara io isika dia mino aho fa mba mety hihamalefaka farafaharatsiny ny fitsikeran-tsika ny Katolika amin’ny resaka sisan-taolan’ny Olo-masina… eny fa na dia misy indraindray ny indro kely mila ahitsy satria misy manitra an’izany loatra.

Ny mazava dia mitovy tsy misy valaka amin’ireo tranga voalaza ireo ny ao amin’ny Eglizy Katolika : ny sary vongana na sary dia famantarana hoan’ny finoana ihany (signes et symboles). Tsy misy hoe fankalazana azy ireo manokana na oviana na oviana (elles ne font l’objet d’aucune adoration). Diso hevitra tanteraka izay milaza fa ny katolika dia midera na manompo azy ireny ho toy ny andriamanitra kely toy ny fanaon’ny jentilisa tsy mpino. Izay mihevitra izany dia mazava fa sady tsy mahazo na dia kely ny momba ny tena finoana katolika izy izay no tsy mahay ny andalana vitsivitsy ao amin’ny Baiboly izay mitantara ny fangatahan’Andriamanitra mba hanaovana fampisehoana an-tsary ny zavatra sasantsasany amin’ny zava-misy sasatsasany ilàna izany (dans certaines circonstances). 

OHATRA VITSIVITSY.

Ireo sary vongana aram-pivavahana dia mitovy amin’ny sarin’ny olona iray izay tena mamintsika. Tsy ny sary izay taratasy na baoritra fotsiny akory no inona, tsy iny no olona tiantsika sy hajaintsika fa ilay OLONA izay asehony (que la photo représente). Tsy mampiova n’inona n’inona amin’izany izay fomba fikojakojantsika ny sary na dia atao anaty “cadre” volamena aza ilay sary. Iza tokoa moa no dia ho adala ka hampifangaro ilay olona sy ny sariny fotsiny???

Raha mitondra fiara ianao ka mahita soratra eo alohanao hoe “ Mijanona, Zandarimeria”; dia tsy ilay soratra akory no ijanonanao fa ny zandarimariam-pirenena lazain’ny soratra ao ambadika ao. Toy izany ihany koa ny sary masina sy ny sarivongana, fitaovana natao hampitodika any amin’ilay tena izy ambarany.

MISY NY SARY TENA ILAINA.

Tany amin’ny voalohandohan’ny tantaran’ny Finoana Kristianina, ny sary sokitra na ny hoso-doko dia nampiasaina hampitana ny Finoana, izany hoe ny fampianarana katesizy amin’ny sary izany hoan’ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra, toy ny ataontsika ankehitriny amin’irony « bandes dessinées » kristianina irony. Tsy mandao lavitra ny lojikan’ny Fahatongavana ho nofo rahateo moa izany : « Andriamanitra dia nisafidy ny hampiseho ny tenany amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny Endriny dia i Kristy izany (Jn 14,9 ; Col 1, 15 ; Heb 1, 2-3 ; IJn 1, 1-3). Ka tsy mahagaga ary noho izany raha niezaka nampiseho ny Mpanavotra azy araka ny nisehoany tamin’izy ireo ny vahoaka mpino. Ireo fampisehoana ireo (représentation religieuse) voalohany indrindra dia mikasika an’i Kristy « Endrik’Andriamanitra » (Col 1,15). Ny sary masina indray kosa matetika dia sarin’ireo vavolombelona lehibe azo alaina tahaka ho modelim-piainantsika (Heb 11), ka ho zary fanilon’izao tontolo izao ». (Mt 5,14-16). « Raha toa ka manaja  (vénérer) ireo sary masina ny mpino dia ilay olona asehony no tena hajainy ao ambadik’izay » (Catéchisme de l’Eglise Catholique n°477)

AZA MANAO FITSARANA MITANILA

Ny mahagaga moa toa misy fijery mitanila eo amintsika matetika. Maninona no tsy mampaninona antsika na dia kely aza ny mahita ny tsangam-bato na sary vongan’ny filoham-pirenena na ny andriana na ny mpanjaka efa maty etsy sy eroa manerana ny tanàna, ary maninona no tsy misy onana kely akory hoantsika ny mampibaribary ireo sarin’ny havantsika na ny an’ny filoha ao antrano eny ambony birao eny. Ka nefa raha vao zavatra mikasika ny finoan’ny Katolika dia maika ery isika hilaza fa tsy mety ka nefa mampiseho an’i Kristy na i Masina Maria izy ireo ho toy ny sarim-pianakaviana aram-panahy.  Ahoana no ekentsika tsy ampisalasalana ireo karazana famantarana (insignes), na ireo fanamiana mitovy (uniformes) na ny sainam-pirenena koa aza izay samy manamarika ny maha mpikambana antsika ao amina vondrona iray na firenena iray ; ary samy manaja ny fanajana ny sainam-pirenena koa isika (salut au drapeau). Ka nahoana ary no tonga dia maika isika hiteny hoe sampy ny famatarana relijiozy (symbole religieux) sy ny fanajana (respect na vénération) ataon’ny katolika azy ireny ???

Raha toa ka ho raisina ara-bakiteny ny Baiboly dia tsy maintsy ho melohina avokoa izany ny zava-drehetra. Fa raha ekena ny famantarana sivily, nahoana no ariana maina be izao ny aram-pinoana ka lazaina fa sampy izy ireny ? Tokony hianatra manavaka ny hoe famantarana (symbole) azo ekena sy ny hoe sampy (idole) izay tsy maintsy ialana isika.

(Hitohy tsy ho ela, dia vakio tsikelikely raha lava loatra)


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=1820

Leave a Reply

One Response to Sampy daholo ve ny sary vongana rehetra ???