NOVAMBRA VOLAN’NY MATY.

Published on 11/29,2006

Anisan’ny fomba fanao ao amin’ny Fiangonana Katolika ny fahatsiarovana sy fivavahana misimisy kokoa hoan’ireo havana efa nodimandry mandritra ny volana Novembre. Tsy haiko loatra ny antony ara-tantara nahatonga azy io fa ny tiako mba hifampizarana minao eto dia ny fampianaran’ny Fiangonana mifandray amin’izany. “Tradition” moa no filaza azy, nefa tsy tiako ny mampiasa ny dikan-teny hoe “Lovantsofina” satria tsy mahadika azy amin’ny lafiny rehetra io. Lovantsofina toa sahala amin’ny zavatra tsaho no fandraisako azy fa tsy misy fototra loatra, ny “Tradition” anefa dia azo adika ihany koa hoe “harena”, ny “fomba fanao nahasoa ka notehirizina” mandraka ankehitriny….Tsy io moa no tena votoatin’ity fifampizarana ity fa mba te-hifampizara fijery sy finoana kely aminao aho.

ANDRIAMANITRA FITIAVANA SADY FAHAMARINANA

Raha mivavaka hoan’ny maty ny kristianina katolika dia satria mino izy amin’ny ankapobeny fa tsy ididirana fahatany ny Lanitra fa mila fiomanana sy fahadiovana sahaza an’izany aloha.

Tsy iadian-kevitra fa Famindram-po tsy hita lany Andriamanitra. (Lc15,4-32: fanoharana momba ny zaza mpandany).  Tsy tokony ho hadino koa anefa fa “Fahamarinana” faratampony sy lavorary Izy (Justice par excellence). Noho izany Fahamarinany izany dia sarotsarotra ny hino ohatra fa hitovy ny fomba hitsenan’Izy Tompo amin’ny andro farany ny olona niezaka niaina ny fampianaran’i Kristy nandritra ny fiainany manontolo sy ny olona tsy nanao afatsy ny nanome fahoriana ny hafa teto an-tany. Manamafy izany ny tenin’i Kristy mikasika ny andro farany hoe:  “…avia ianareo nohasoavin’ny Raiko….noana aho nomenareo hanina…’ (Mt 25,31-46).

Mampiseho amintsika io andalan’ny fampianaran’i Kristy io fa mba misy fepetra ihany koa ny fidirana any am-paradisa na dia Fitiavana aza Andriamanitra fa tsy misy zavatra mandeha hoazy akory na kidaondrano fotsiny izao. Mitovitovy amin’izany ihany ny tiany hambara amin’ilay fanoharana momba ny hoe fanasana ka nisy amin’ireo olona nantsoina teny amin’ny kihon-dalana hamenoana ilay efitra fanasana tsy nitondra ny fanamiana fitondra amin’ny fampiakarana ka dia noroahina sy natsipy any ivelany mihitsy aza (Mt22,2-14). Mbola milaza ny mitovy amin’izany koa ny fanoharana momba ny harato ka anaovana ny fisodihana ny trondro tsara sy ratsy (Mt 13,47-50).

Sarotra ho antsika ary noho izany ny hilaza hoe Ranona na Ranona dia azo antoka fa tonga dia voavonjy avy hatrany na hoe very ihany koa. Tsy haintsika mantsy ny atifon’ny tsirairay ary Andriamanitra ihany no mahalala izay mitranga eo amin’ny segondra farany ialan’ny olona iray aina hoe nibebaka tamin’ny fony manontolo izy sa nisafidy fotsiny izao ny ho any amin’ny afo mandrakizay. “Ny vehivavy janga no hialoha lalana anareo any am-paradisa hoy i Kristy” (Mt21,31), raha tsy mitandrina isika fa variana amin’ny fisehoan’ny olona ety ivelany. Mety misy ny heverintsika fa mpanota matevin-koditra ka nefa miaiky heloka amim-panetren-tena eo imason’Andriamanitra izy ka Famindram-po no mitsena azy, mety misy kosa ny heverina fa masim-piainana nefa kay feno fako sy fankahalana ary fanambonian-tena sy avonavona ao anatiny. Izany no ivavahana hoan’ny maty satria sao mba eo an-dalam-pidiovana indrindra izy ireo mba ho mendrika hibanjina ny tavan’Andriamanitra mamirapiratra.

SAFIDY NY AFOBE

Raha jerena akaiky ny hoe Andriamanitra Fitiavana sy Famindram-po, dia mino aho fa tsy Izy no manery ny olona ho any amin’ny afo fahaverezana mandrakizay fa ilay olona no misafidy ny hoany fotsiny izao. Noho Izy Fitiavana dia manaja ny safidintsika koa Izy.

Hoy angamba ianao hoe dia hisy koa ve ny olona hisafidy tsy hahita an’Andriamanitra e.. Dia hoy aho hoe misy tokoa izany. Indray andro aho nahita olona niteny mazava hoe tsy te-haheno na dia ny teny hoe Andriamanitra hono izy satria toa tsy “Juste” Izy matoa misy ny mahantra sy ny manankarena ary ny fampijaliana ny madinika. Raha vao hitako hoy izy izany Andriamanitra izany dia hotrobariko amin’ny antsy ny kibony…” Tsy afaka hanao izany rehetra izany amin’Andriamanitra moa izy mazava hoazy fa ho entiko milaza aminao ihany io hoe misy tokoa ny olona vonona ny hisafidy fotsiny izao ny tsy hoany amparadisa. Ity tranga ity angaha no lazain’i Kristy hoe “ota manohitra ny Fanahy Masina ka tsy misy famelana na eto amin’izao fiainana izao na any amin’ilay hoavy” (Mt 12,31-32), izany hoe ny fanakipiana maso fotsiny izao eo anoloan’ny fahavononan’Andriamanitra hamela heloka antsika.

Ireo tsy misafidy izany kosa ka nefa tsy dia niaina loatra araka ny fampianaran’i Kristy nandritra ny fiainany (ny didim-pitiavana izany ‘Hotsaraina arakaraky ny haben’ny fitiavantsika isika hoy Md Jean de la croix’) dia lazain’ny fampianaran’ny Fiangoanana fa misy toerana omen’Andriamanitra azy ireo hahafahany miomana, manonitra ny otany, midio mba ho mendritra hahita Azy ankarihary sy hahatanty ny famirapiratany satria tsy misy tsy lavorary ka afaka hibanjina Azy izay lavorary tanteraka.

AFO FANDIOVANA

Io toerana io indrindra no antsoin’ny “Tradition” hoe “Afo fandiovana”. Ity angamba no lazain’i Kristy hoe : “Ny ota manohitra ny Fanahy Masina dia tsy misy famelana na eto amin’izao fiainana izao na any amin’ilay hoavy” (Mt 12,31-32) satria any andanitra tsy misy famelan-keloka intsony fa efa fahasambarana tsy misy fetra no miandry ny voavonjy any.

Ny mety tena mahalaza azy io angaha dia hoe “teboka ihaonanan’ny Famindram-pon’Andriamanitra sy ny Fahamarinany”. (Voie de conciliation entre la Miséricorde et la Justice de Dieu). Teboka ihanonan’ny Famindram-po sy ny Fahamarinana hoy aho satria misy ireo izay tsy tena lavorary teto an-tany nefa koa tsy dia hoe ratsy tanteraka ka tsy rariny raha ho very avy hatrany fa ampy azy ny midio fotsiny dia voavonjy ihany avy eo.

Na Famindram-po aza Andriamanitra dia tsy afaka ny hifanohitra amin’ny maha Fahamarinana Azy ihany koa Izy. Azo raisina ho ohatra eto angaha ny tantan’i Daniela raha nanao lalàna ny mpanjaka hoe izay tsy miankohoka amin’ny sary nataony dia atsipy amin’ny lavaky ny liona. Tia an’i Daniela tokoa ny mpanjaka ary tsy hitany izay hatao raha naheno izy fa i Daniela nandika ny didy vao navoakany. Hoy izy hoe: “tsy afaka ny tsy hampihatra ny lalàna izay navoako izaho ihany aho na dia tia anao aza, fa voatery hanasazy anao ka enga anie ilay Andriamanitra inoanao no hanafaka anao amin’ny vavan’ny liona” dia izany tokoa moa no nitranga.(Dn3) Izany hoe mety tsy mifanaraka amin’ny maha Fahamarinana an’Andriamanitra ny fidiran’ireo izay tsy niana firy araka ny sitrapony teto an-tany any amparadisa avy hatrany, ny tsirairay dia mila manala ny saziny toa an’i Daniela voalazantsika teo izany fa amin’ny farany dia ny Famindram-pony sy ny Fitiavany ihany no tsy maintsy handresy.

SAFIDY KOA NY AFO FANDIOVANA

Eto koa anefa dia mino isika fa tsy Andriamanitra no mandefa ny olona hidio any amin’ny Afo Fandiovana fa ny tsirairay ihany no misafidy ho any. Izany hoe rehefa maty isika dia hahita mazava tsara ny haben’ny soa sy ny ratsy vitantsika ka isika ihany dia hahatsapa hoe izaho mbola tsy madio na hoe izaho efa afaka miatrika ny Tompo. Ho toa an’i Adama sy Eva izany isika araka ny finoako: raha avy nanota izy ireo dia tsy Andriamanitra no nandroaka azy tao amin’ny zaridaina fa izy ireo ihany no nitsoaka fa menatra ny nataony satria nahita mazava ny vokatry ny nataony.( Jen 3). Izany koa angaha no mety hataontsika amin’ny andro hahafatesantsika hoe, tsapako fa mbola tsy madio sy tsy lavorary aho ka tsy hahatanty hibanjina ny Famirapiratan’ilay Nahary ahy ka aleo aloha hidio kely na hoe aleo hanonitra kely ny fahotana vitako aloha aho…

TSY MAHAVITA TENA

Mazava anefa fa rehefa maty ny olona iray dia tsy afaka miova toetra intsony izy, tsy afaka mibebaka intsony na hoe hanonitra ny ratsy vita natao. (Izany rahateo moa no mahatonga ny sasany tsy hino hoe misy ny toerana fidiovana aorian’ny fahafatesana.) Noho izany antony izany indrindra no ivavahantsika hoan’ny maty satria miankina tanteraka amin’ny vonjy avy amintsika ny fanafohezana izany fotoana fidiovana (purification) izany arakaraky ny tsy fitandreman’izy ireo na ny ezaka tsy vitan’izy ireo fahavelony izany.

Marina fa mamela heloka antsika Andriamanitra isaky ny mifona aminy isika (amin’ny Sakramentan’ny fampihavanana indrindra indrindra, ‘mbola hiresaka an’io isika’) ka nefa misy ny takaitra avelan’ny fahotantsika amin’ny olombelona sy ny fiaraha-monina ka ireny no mila ny fanonerana avy amintsika, ka raha tsy vita mandritta ny fiainantsika izany fanonerana izany dia io no ataontsika any amin’ny antsoina hoe Afo Fandiovana ka ilaina ny vavaky ny mbola velona afaka manao izany. Ny olona nangalatra volan’olona ohatra dia avelan’ny Tompo ny helony raha manenina marina izy tamin’ny ota nataony; ka nefa ilay olona nangalarany vola dia mijaly sy malahelo mafy ka io alatelo nateraky ny halatra io dia mila oneran’ilay fototry ny alatelo dia ilay nangalatra izany. Ny zavatra toy ireny izany no mety honerantsika any amin’ny Fidiovana any raha tsy vita eto an-tany amin’ny andro ivelomana izany. Vita miaraka amin’ny fiainantsika mantsy ny “merite”. Maro moa no manao fijoroana ho vavolombelona fa ny fivavahana hoan’ny fanahy any amin’ny Afo Fandiovana dia mamaha olana sarobahana satria izy ireo rehefa voavonjy dia lasa mpivavaka hoantsika eo anatrehan’Andriamanitra ka mahomby ny fitalahoany ho antsika. (Raha mahaliana anao dia mba tadiavo ity boky ity fa mety hanampy anao : “Un mois avec nos amies les Ames du purgatore. Les connaître, les prier, les délivrer” Abbé Berlioux. Sady mora vidy no mora vakiana izy io.)

Finoana moa izany ka tsy hifanerena ary na izaho manoratra ity aza dia ny finoako manokana no manosika ahy hizara aminao sao mba mahasoa anao ihany fa tsy dia maro loatra intsony ny olona miresaka momba ity finoana nolovaina tamin’ny ao amin’ny Finoana ity.

Miala tsiny raha lavalava fa tsy tiako notapahina ilay izy, vakio miadana fotsiny dia efa izy izay eee, mankasitraka anao naharitra….Dia izao e ro mandavà !!!!


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=2139

Leave a Reply

One Response to NOVAMBRA VOLAN’NY MATY.