“Ny Finoana sy ny Finoanoam-poana�

Published on 07/04,2006

“Mionona e, izao no lahatra”:

Matetika no ahenoantsika io fomba fiteny io rehefa mamangy fahoriana isika. Fa tsy mifanalavitra loatra amin’izany ny teny fampiasan’ny olona rehefa manoratra irony taratasy filaza-manjo irony hoe : “Sitrak’Andriamanitra ny niantso ny zanany Ranona…”(Il a plu à Dieu, ou bien Dieu a permis que…)

Tsy fanahy iniantsika na ny marimarina kokoa angaha tsy tandritandrintsika (sans nous rendre compte) dia manendrikendrika an’Andriamanitra ho loharanon’ny fahafatesana isika amin’izany.

Fa moa sitrak’Andriamanitra tokoa ary ve ny fahafatesan’ny olona iray? Andriamanitra ve no namorona ny fahafatesana?
“Hitan’Andriamanitra fa tsara indrindra izany”:

Ny bokin’ny Jenezy raha mitantara ny nahariana izao tontolo izao dia mamarana isaky ny vita ny fahariana zavatra iray hoe “Hitan’Andriamanitra fa tsara izany”. Rehefa namorona ny olombelona kosa Izy dia misy ny fanondroana mazava (pécision) hoe « Ary Andriamanitra nahary ny olombelona mitovy endrika aminy ”. Avy eo ny fomba famaranana ny fahariana dia nihatsara ilay fomba filaza ka lasa hoe « Hitan’Andriamanitra fa tsara indrindra izany ». (Jen1,26-31). Manambara izany fa zavatra tsara indrindra tamin’ny zava-boaary rehetra ny olombelona satria noharian’Andriamanitra ho Azy (Md Augustin) ary noharîny hoan’ny tsy fahalovana. Moa tsy izany tokoa moa no ambaran’ny tenin’Andriamanitra voalohany naroson’ny Fiangonana hodinihintsika tamin’ny Alahady lasa teo hoe : “Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona….Noharîn’Andriamanita ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin’ny Tenany: Fa ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao » (Fah 1,13-15;2,23-25). Azon’i Md Irenée tsara io ambaran’ny Bokin’ny fahendrena io ka hoy izy hoe « Ny voninahitr’Andriamanitra dia ny mahita ny olombelona sambatra, velona sy miriaria ».

Mety manaitra antsika angamba izany fanambarana izany satria ny henontsika sy nampianarina antsika matetika dia hoe izay misy rehetra dia Andriamanitra no nahary azy. Eto anefa dia mazava ny resaka fa taon-jato maro talohan’ny Kristy no nosoratana ity Bokin’ny Fahendrena ity nefa dia efa milaza amintsika mazava izy fa tsy Andriamanitra velively no nahary ny fahafatesana, ary tsy hafaliany ihany koa ny fahafatesan-tsika araka ny teny mahazatra hoe : « Sitrak’Andriamanitra ny niantso an’i Ra….hody any aminy » (Il a plu au Seigneur…). Tsy afaka ho loharanon’ny ratsy na oviana na ovina Andriamanitra izay tia ny hahasambatra antsika miaraka aminy. Tsy loharanon’ny ratsy Izy ary tsy mankasitraka akory aza ny hisian’izany, saingy kosa avy amin’ny  zavatra ratsy dia hainy ny mamoaka zavatra faran’izay tena tsara. ( Dieu ne peut pas être à l’origine du mal, mais il est capable de faire du mal la source du bien.)

« Avelao hiara-maniry izy roa »
Raha nanazava ny momba ny Fanjakan’ny lanitra i Jesoa dia nandray io fanoharana io. Nikasa hanongotra ny ahidratsy nafafin’ny fahavalo ny mpanompon’ilay tompon’ny saha dia norarany mafy hoe avelao hiara-maniry izy roa fa sao ongotanareo mbamin’ny tena izy fa aleo amin’ny fotoam-pijinjana vao havahana ny vary sy ny tsifarifary. (Mt 13,24-30).
Heveriko fa tahatahak’izany no fihetsik’Andriamanitra manoloana ny fahafatesana izay tsy asan-tanany fa an’ny vahavalony. Tsy nanapakevitra ny hanongotra azy Izy na dia vitany aza izany satria Mahefa ny zavatra rehetra Izy. Hanehoany anefa fa ambonin’ny an’ny fahavalony ny Heriny dia avy amin’io faratampon’ny herin’ny fahavalony io indrindra no nanomezany zava-mahatalanjona hoantsika zanak’olombelona. Raha tokony hanafoana ny fahafatesana Izy dia ny fahafatesana indray no lasa fitaovana hoantsika hihaonana Aminy mivanta. Lasa varavarana hoantsika hidirana any amin’ny fiainana mandrakizay ity zavatra faran’izay ratsy sy nahatahorantsika ity. Ny fahafatesan’i Jesoa, Andriamanitra Zanaka no nanome toky antsika fa isika koa indray andro dia hitsangan-ko velona toa Azy. Moa tsy mahatalanjona tokoa ny asan’Andriamanitra…..Izany no Andriamanitra inoantsika fa tsy Andriamanitra faly amin’ny fahafatesantsika velively.
Izaho manokana dia mihevitra fa Kristianina kokoa ny fomba fanambarana iray izay tsy zovina amintsika intsony amin’izao fotoana dia ny hoe “Amin’ny fanantenana ny fitsanganan-ko velona no anambaranay aminao fa nodimandry ao amin’ny fiadanan’ny Tompo Ranona rehefa avy nivahiny izao taona teto an-tany…” Fomba fijeriko io fa mety ho toherinao tsy maninona fa izaho kosa mino fa mifaraka amin’ny Tenin’ny Tompo niaingantsika ity fomba fiteny farany ity.
“Fahagagana roa lehibe”:
Na izany na tsy izany moa dia manome fomba fijery vaovao ho antsika i Jesoa amin’ny alalan’ny Evanjely novakintsika tamin’ny Alahady teo mikasika an-drafahafatesana (Marka 5,21-43). Asehon’ny Tompo mazava amintsika ary fa tsy tompon-teny farany amin’ny fiainantsika tsy akory ny fahafatesana.
Mahasarika ny saina aloha voalohany indrindra dia i Jesoa manasitrana vehivavy roa eto. Haintsika anefa fa teo amin’ny riba sy ny fomba fanao jody dia somary notsinotsinoavina ihany ny vehivavy. Zazavavy kely 12 taona ka nefa vantany vao tafatsangana tao amin’ny torimasom-pahafatesana dia antsoin’i Jesoa avy hatrany hoe ry zatovo vavy. Ny iray kosa efa zokinjokiny ihany ary voadona tanteraka amin’ny lafiny maro eny fa na dia ao amin’ny loharanon’ny  fampitana ny aina avy amin’ny mpahary aza. Amin’ireto tranga roa ireto dia afaka nanao fahagagana i Jesoa satria ny voadona tsy namoifo, tsy nanary toky hoe ‘Tsy misy azo atao intsony fa izay ny amiko”. Raha vantany vao manao izany isika dia na Andriamanitra aza tsy afaka manao fahagagana satria manaja ny safidintsika Izy ka tsy manery, izany no maha Andriamanitra Fitiavana Azy: Andriamanitra manaja ny safidin’ny olombelona noharîny mitovy endrika aminy. Eto anefa dia hitantsika ny vokatry ny tsy fivariana lavo fa tonga mamony antsika ny Tompo, na lahy isika na vavy. Izany tokoa ka Vaovao Mahafaly satria tsy misy fanavahana fa samy nohariana ho sambatra sy tsy ho lo isika rehetra. Soa fa tonga nofo ny Teny.
“Fiampitana anankiroa”
 “Tsy hanary anao aho rafanantenana raha mbola misy ihany ny atao hoe farany, ka mbola eo koa ny aina hihantàko, ny masoandro tsy miangatra handefa ny tarany”. Io no teny filamatra tokony hivoy ny fiainantsika na dia mety ho mafy aza indraindra ny zavatra sedraintsika satria tsy manodoka ny Fanantenana.(Rom5,5).  Moa tsy izany tokoa moa no niseho tamin’I Abrahama izay lazain’ny tononkira hoe “Manantena fatratra na dia tsy misy azo antenaina aza ka tonga rain’ny firenena maro sy razam-ben’ny Mesia” (Rom4,18)
Io fanantenana io tokoa no nivoy ny fiainan-dramatoa sitrana lazain’ity Evanjely ity ka nahatonga azy tsy hanary toky. Ary rehefa tsy manary toky isika dia mampîta antsika ny Tompo. Ny fiampitàna voalohany eto dia ity ramatoa nandingana ny zanatohatry ny finoanoam-poana (superstition) ho any amin’ny tena finoana velona (la foi). Nandeha nikasika ny akanjon-dRazezo mantsy izy sady nieritreritra hoe mpanasitrana le rangahy io ka hikasika azy fotsiny aho dia ho sitrana. Dia izany tokoa moa no nitranga. Mahatalanjona eto ny mahita fa i Jesoa dia manao fahaganana na dia tsy vokatry ny sitrapony, na dia tsy hitany aza ny olona miandrandra fanasitranana avy aminy.Toa milaza amintsika izany hoe manaraka antsika amin’ny sitrapontsika ihany koa Andrimanaitra indraindray ka nefa tsy hanao ny sitrapontsika no tanjony eo fa hitarika antsika hanao ilay antsointsika hoe fiampitàna eto.
Sitrana ramatoa ka nefa tsy maintsy nanatrika an’i Jesoa aloha izy mba tsy ho sitrana fotsiny fa indrindra indrindra ho voavonjy (“ ta foi t’a sauvé” et non pas “ta foi t’a guérri”). Tsy angalarina na alaina an-katakonana ny Fahasoavan’Andriamanitra sy ny Fitiavany  fa tsy maintsy raisina amim-pinoana izany. Izany no nahatonga an’i Jesoa eto nanery amin’ny fomba ankolaka an’ity ramatoa ity hilaza ny zava-nitranga mba tsy ho sitrana fotsiny izy fa indrindra mba ho voavonjy. Dia niampîta avy eo amin’ny fiheverana fa i Jesoa dia mpanasitrana tsotra toy ny mpimasy angaha izany ity ramatoa ity ary tonga eto amin’ny finoana feno hoe hay Andriamanitra fitiavana sy Famonjena izy fa tsy mpanasitrana fotsiny. Dia sady sitrana izy no voavonjy ary lasa vavolom-belona ihany koa.
“Minoa fotsiny ihany”:
Mbola fiampitàna ihany koa no nasain’i Jesoa nataon’i Jaïra sy ilay zanany vavy araka ny nambarantsika ery ambony. Efa am-bavahaonany ilay zaza ka tsy nisy azon’ilay rangahy natao intsony afatsy ny niantoraka amin’izay noheveriny fa mpanasitrana ihany koa. Na iza na iza teo amin’ny toerany dia mety ho toy izany ihany koa no ho vahaolana raisina farany, afatsy dia hoe angaha hivarilavo isika hoe “Inona intsony moa fa dia izao no lahatra, mahaiza mionona”.
Niantso an’i Jesoa ary izy mba hanao fahagagana, mazimazia hoy isika (signe magique): “ametraho tanana hoy izy ny zanako mba ho sitrana”. Tsy dia mbola finoana loatra no eto fa mitovy amin’ilay ramatoa nitsi-drà ihany, izy ihany kodia tsy kivy ary tsy nivarilavo. Nilazana izy ireo teny an-dalana hoe maty razazavavy ka teo indrindra izy no nasain’i Jesoa hiampita, handao ny finoanoam-poana hoe mpimasy hanao mazia hametran-tanana fotsiny ity Razezo ity, ka handray ny Finoana velona hoe “Andriamanitra loharanon’ny aina ity ka tsy faly amin’ny fahafatesana velively”. Izany no ambaran’ny teny hoe “Minoa fotsiny ihany” eto fa tsy hoe mino eo am-pitoerana akory tsy manao n’inoninona dia ny Tompo no manao ny sisa rehetra. Averintsika indray ny hoe, “Tsy manery antsika Andriamanitra, eny fa na dia ny ho any an-danitra aza, manaja ny safidin-tsika Izy”. Ka raha nisafidy i Jaïra ny tsy hino fa mahavita manangana ny maty ity Jesoa nantsoiny ity dia tsy hanery azy nitondra Azy eo alohan’ilay zanany velively Razezo; Tsy hametran-tanana araka ny nangatahiny ihany akory, fa kosa mba “Hiteny aminy ary hitarika azy hiampîta ihany koa” (Enfant de 12 ans mais qui se reveille déjà jeune fille”. Mpanoratra iray no nilaza ny hoe “Ity fitsangana tamin’ny maty iray ity dia sady fiampitana amin’ny fahazazana ho amin’ny fahatanorana ihany koa”.

 

“Mikasika sa mikasoka”:
Mazava ny tenin’ny Evanjely hoe maro ny olona ary tsy azon’ny apostoly akory aza hoe maninona koa ity Jesoa no manontany hoe iza no nanendry ahy teo satria nifanesika ny olona ka saika nikasoka aminy avokoa ny nanodidina azy rehetra.
Manambara izany fa maro no nikasoka tamin’i Jesoa ary mety tsy nikasoka tamin’ny akanjony fotsiny aza ny sasany fa mety nikasoka tamin’ny tanany sy ny tongony mihitsy toa antsika (ho an’izay niaraka taminay teny moa izany) teny amin’ny kianjan’ny 13 Mai ireny, taona vitsivitsy lasa izay, mifanitsa-kitro hoy isika.
Iray ihany anefa no sitrana sy voavonjy tamin’ireto maro be nikasoka tamin’i Jesoa. Inona no azo anazavana izany?
Tsotra angamba hoy aho: “ mba ho sitrana sady voavonjy dia tsy ampy ny mikasoka fa tokony hikasika an’i Jesoa isika”. Izany hoe tsy ny mikasoka akory no inona fa ny Finoana sy ny Fantenana ary ny Fitiavana entina mikasika an’i Jesoa. Tsy maintsy miainga avy amin’ny faniriantsika ny famonjena antsika. Raha tsy finoana no entin-tsika mikasika an’i Jesoa dia ho toy ny vahoaka izay nifanety taminy isika ka tsy hisy n’inoninona hitranga eo. Isika no afaka manery Azy an-kolaka toy ny nataon’ilay ramatoa tsy niera taminy akory nefa nahazo fahagagana, fa Izy tsy manery antsika handray Fahasoavana satria tia antsika Izy ka manaja ny fahalalahantsika.
Samia ary manontany tena isika hoe : ”Mandritra ny Eokaristia izay ankalazaina isan’andro, na isak’Alahady hoan’ny sasany, moa mikasoka an’i Jesoa isika sa mba farafaharatsiny maniry ny hikasika Azy ka ho sitraniny sy hampitainy ka ho voavonjy?”
Impiry tokoa moa isika no mivoaka ny Fiangonana na ny toeram-pivavahana na ny fivavahana fotsiny izao aza ka nefa tsy tafiditra tao akory. Izany hoe, matetika isika no milaza fa mivavaka na mihevi-tena fa mivavaka nefa ny vava no mipetsopetsona fa ny saina sy ny fo any an-kafa. Firy amin’ireo niangona moa no mahatadidy andalana vitsivitsy amin’ireo Tenin’Andriamanitra nifampizarana tao? Ary firy amin’ireo mihevitra fa manao ny vavaky ny Fiangonana (Breviaire) no mitsakotsako tokoa ao am-po ny tenin’ny salamo izay vavaka teraka 2000 taona talohan’I Kristy. Firy amin’ireo manao raozery no tena mandinika ny misitery tsirairay avy sy ny fiarahaban’ny anjely maromaro mitambatra ho raozery? Sao dia tsy azon-tsika antsaina akory fa mikasoka an’i Jesoa isika fa tsy mba nikasika Azy velively.
“Mifampivavaka e”:
Hamaranako azy kosa dia ity: “Mifampivavaka “. Fomba famaranantsika ny taratasy ifanoratana io matetika na mifanao veloma amin’ny antso an-taroby na amin’ny finday izany. Tsara tokoa ny mifampivavaka. Fa moa tena mifampivavaka tokoa ve isika avy eo sa dia fomba mahazatra toy ny hoe tsaramadin’ny betsileo izy ity. “Salama va? E! Salama e” ka nefa rehefa mitohy ny resaka dia samy milaza ny aretiny ny tsirairay hoe “ Ny anay akoe ny kilonga ro magnavignavy ndrondroa andro zay”. Fa salama ve sa tsy salama e? Ka na mifampivavaka marina na tsy mifampanantena tsy misy sao lasa kabarin’ny mpanao politika fotsiny mampanantena paradisa nefa izy aza tsy tompon’ny paradisa ampanantenainy ny olona akory.
Ity Evanjely ity mantsy dia milaza amintsika ihany koa fa ilaina ny mivavaka hoan’ny hafa. Tsy razazavavy izay efa ambavahaona akory no nangataka tamin’ny Tompo ny hametrahan-tanana fa ny rainy. Ny rainy no nivavaka ho azy dia izy no nanjary nitsangan-kovelona sy niampita tamin’ny fahazazana ho amin’ny fahatanorana tao anatin’ny fotoana fohy.
Alao hery ary, azontsika atao ny misakana ady amin’ny alalan’ny vavaka, azontsika atao toy izany koa ny manasitrana marary amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina atolotra ho azy. Fa mialoha izany rehetra izany dia isika aloha mila miampita, mandao ny finoanoam-poana hoany amin’ny Finoana velona.
Raha sendra mandalo tany ngazana ny fanahintsika indraindray, tsy tokony hanary toky isika satria isika ihany koa afaka miandrandra ny fanohananan’ny fivavahan’ny rahalahy sy anabavintsika, afaka miantehitra amin’ny finoan’ny hafa, indrindra indrindra amin’ny Finoan’ny Fiangonana.
“Dia izao e ro mandavà!”


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=1361

Leave a Reply

One Response to “Ny Finoana sy ny Finoanoam-poana�