MIVAVAKA MANDOHALIKA???

Published on 10/26,2006

Maro no gaga ary matetika aza mitsikera ny katolika mihitsy rehefa sendra mahatsikaritra azy ireo manao ny fivavahany eo am-pandongalihana. Fa raran’ny fampianaran’i Kristy ve ny mandohalika rehefa mivavaka ? Andeha hojerentsika kely ny momba an’io sao mba afaka manampy ny sasany amin’ny fahazahoana kely ny tokony sy ny tsy tokony ho izy eo amin’ny fiainana ny finoana kristianina.

Maro no fomba fijoro ( asa moa na io angaha na hoe fomba fiseho no mahadika ny «Attitude » ) entin’ny mpino mivavaka. Misy ny mitsangana mahitsy tsara, misy mipetraka, misy mandohalika ary misy aza miankohoka amin’ny tany mihitsy toy ny ataon’ireo rahalahy silamo izany. Mety samy midika ho fanajana ny Andriamanitra ivavahana izany rehetra izany no fiekena ihany koa ny maha tsinotsinona ny tena izay mivavaka na mangataka Aminy. Tsy voatery hitovy mandrakariva anefa ny hafatra ampitain’ny mpino amin’ireo fihetsika nambarantsika teo ireo, satria mety hiova arakaraky ny zava-misy.

Raha mahita olona miditra ao ampiangonana ohatra ny maro tsy dia misy loatra ny mitsikera raha mahita olona mivavaka samy irery na inona na inona fijoro ampiasainy (attitude) na mandohalika izy na miankohoka na maninona na maninona. Fa matetika raha vao eo alohan’ny sary vongana iray no manao izany fihetsika izany ny katolika iray ohatra dia eo indrindra no manan-dram-peo ny maro hoe “io ndray ilay fanom-poan-tsampy katolika”.

Fa moa ary ve ny mivavaka eo ampandongalihana manoloana sary vongana iray dia midika avy hatrany hoe manao ilay sary ho toy ny tompo? (avy amin’io moa ny teny hoe manompo: “adorer”). Toy izany koa angamba ny miakohoka na ny miondrika toy ny manao marim-panajana (se prosterner). Efa niresaka lavabe momba ny hoe sary sy sary vongana moa isika ka tsy hiverenako intsony ny amin’io. Eto koa tsy mbola hiresaka isika hoe mivavaka amin’i Masina Maria ve ny katolika sa tsia, hanokanantsika lohahevitra manokana ny amin’izay. Hojerentsika fotsiny aloha hoe ny “mandohalika rehefa mivavaka ve raràn’i fampianaran’i Kristy sa tsia?”

TSIA avy hatrany no avaliko an’io fanontaniana io. Ny mivavaka eo am-pandohalihana akory tsy midika mandrakariva hoe fanompoana (adorer).

Fomba fivavaka nolovaina tamin’ny mpino jody ny mandohalika rehefa mivavaka. Ary koa satria loharano nipoiran’ny finoana Kristianina ny finoana jody dia noraisintsika avokoa izay tsara sy mahasoa ary mifanaraka amin’ny teny finoana miorina amin’ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Hita ao amin’ny Baiboly izany fomba fivavaka izany  ary na ireo apostoly zoky amin’ny fampianarana ny finoana aza dia nampihatra izaany teo amin’ny fivavahana nataony. (Mt17,14; cf Act 9,40; 20, 36…)

KA NEFA, ny zava-drehetra dia mila asiana fetrany mandrakariva raha tsy izany dia ho ramasa-bomanga lava ny fiainantsika. Misy ohatra ireo Ramama efa zokinjokiny izay miditra ao ampiangonana dia lasa miondrika na mandohalika eo anoloan’ny sarivongan’i Masina Maria ka nefa eo anoloan’ny Sakramenta Masina izy tsy manao marim-panajana na dia kely akory. Dia toy ny hoe i Ramaria indray no lasa hisongona an-janany izay Andriamanitra nahafoy ny Ainy ho famon-jena antsika mpanota. Zanany izay nanaiky ny honina ao anatin’ny mofo voa-tsodrano mandrampahatapitr’izao tontolo izao ary nanamafy fa iny mofo iny dia tsy mofo intsony akory fa Vatany izany hoe Izy mihitsy…(Mt26,26;Mc14,22;Lc22,19;ICor11,24). Misiterin’ny Finoako, Finoanao izany….


Trackback URL

https://blaogy.com/trackback.php?id=2029

Leave a Reply

One Response to MIVAVAKA MANDOHALIKA???