Firy ny "marina" e ?
Mandinidinika ny zava-misy sy ny adihevitra ifanaovana etsy sy eroa aho dia tonga ato antsaiko indray ilay fomba fitenin’i dadatoanay izay rehefa misy olona miady hevitra iny ka henony miteny hoe “Izao no tena marina”. Hoy izy matetika mamaly ny olona miteny toy izany: “Aza atao fahazarana ny miteny izany hoe marina marina izany fa ny ‘marina’ io raha be.” Raha atao malagasy ofisialy angaha ity hoe ‘ny marina raha be’ ity dia hoe ‘maro ny marina fa tsy tokana akory’. Dia ahoana tokoa moa izany fa firy ny marina?
Maro amintsika angamba no hamaly haingana dia haingana hoe tsy misy “marina” be dia be izany fa tokana ihany ny “marina”. Mety ho marina angamba izany, ka nefa mila jerena ihany koa hoe fa inona moa ny “marina”, ary ahoana no famaritanao azy io?
Ny “marina” tsy azo iadian-kevitra amiko dia mety hisy tokoa ary marina iraisam-pirenena angaha izany no hilazako azy io ka tsy misy ifanolanana fa rehefa izay dia izay. Toy izany ohatra ny ataon’ny frantsay hoe “vérité scientifique” sy ny “vérité historique” satria “fait” tsy azo ovaina izany. Ny 2 X 2 ohatra dia tsy miova isaky ny faritra na ny expériencen’ny tsirairay ny valiny fa efa nifarahan’izao tontolo izao sy ny kajiny fa 4.
Ao amin’ny Finoana ihany koa raha tsy hiteny afatsy ny maha Kristianina izay mba hain’ny tena bebe kokoa miohatra amin’ny Finoana hafa dia i Kristy no Marina ary tsy misy afaka hampianatra raha hafa tsy mifanaraka amin’izay nolazainy fa raha tsy izany dia diso lalana izay ilay fampianarana.
Eo amin’ny fiainana andavan’andro kosa dia heveriko fa mety hanana ny rariny ihany ilay dadatoanay satria ny zava-misy, ny zavatra hita, ny fianarana nolalovana, na ny toerana nibeazana sy nahaterahana na nanarahana fiofanana dia mampiova ny fomba fijerin’ny tsirairay ka tsy mampitovy ny heverina hoe “marina.” Naheno Koreana iray aho tamina radio nanao fifampizarana momba ilay antsoin’ny kristianina matetika hoe Eokominisma (firaisan’ny mpino no andikana azy ihany koa) dia hoy izy hoe ny tena sarotra amin’izy io dia ny tsirairay mbola samy resy lahatra amin’ny heveriny hoe “marina” ka raha tsy mbola miaiky ny andaniny sy ny ankilany fa misy zavatra heveriny hoe diso nefa “marina” hoan’ny ankilany dia ho sarotra mandrakariva ny fandidiana. Misy ohabolana any aminay hoy izy milaza hoe “Ao anaty trano misy olona 1000 dia misy “marina” 1000 ihany koa.” Teo moa izy dia nitantara hoe tany aminay hoy izy niray trano tamin’ny italiana aho ary ry zareo no nanorina ny trano… nimenomenona hoy izy izahay Koréanina rehetra fa tena tsy ampy ny jiro fa maizina lava ao antrano dia tsy resy lahatra mihintsy hoy izy ny italianina fa hoe efa ampy io fahazavana io fa fandaniam-poana raha mihoatra an’io… Dia nanaiky tsy fidiny izahay hoy izy fa tsy nisy azo atao hampiova hevitra azy ireo… Efa tonga aty Roma aho hoy izy mahita ny hazavan’ny jiro ao amin’ny trano aty zay vao azoko ny antony nahatonga azy ireo hidrikina fa tena ampy tamin’izy ireo tokoa ny hazavana tao amin’ny tranonay… satria maso italianina no nentiny nanorina trano tany Koré nefa ny Koréana kay izany tsy vitan’ny hoe kely maso ety ivelany fotsiny fa tena kely toa azy iny koa ny fahitàny raha tsy mazava tsara ny jiro.
Ny ohatra iray tena malagasy indray dia ity: noheveriko fa ny malagasy rehetra dia faly tamin’ny fahazahoana ny Fahaleovan-tena! Fa tena diso hevitra aho tamin’izay! Nisy tokoa ny malagasy nitomany raha vao nahazo ny Fahaleovan-tena i Madagasikara? Fa ahoana loatra? Tsotra ny antony: satria izy hono dia ‘andevo’ taloha (miala tsiny amin’ny fiteny fa izay no zava-nisy ary mahalaza tsara ny tiako hambara eto) ary ny mpanjanan-tany no nanafoana ny fanandevozana ka natahotra izy hoe raha miverina amin’ny gasy ny Fitondrana dia hiverina amin’ny fiainana nampijaly azy hatrizay izy…Niezaka nipetraka tamin’ny toerany aho ka azoko tsara ny nambarany. Hitantsika amin’izay ny maha samy hafa ny fomba fijery ny zavatra: miainga amin’ny zavatra iainan’ny tsirairay io, miainga amin’ny zavatra nolalovany (nahafaly na hampijaly koa), miainga amin’ny traikefa hoy isika ankehitriny, miainga amin’ny fianarana sy ny sisa araka izay efa nolazaiko tery ambony….
Raha fintiniko izany dia mety ho maro tokoa ny “marina” ka mety azo atao ny misoroka ny olana sy ny fifamaliana tsy dia mitera-bokatsoa loatra eo amin’ny fiaraha-monina raha samy mba mahay mampandefitra izay heveriny fa “marina” ny tsirairay ka hanomezana rariny ny heverin’ny sasany ho “marina” ihany koa. Asa ny fomba fiantsoana azy angamba mety mitavozavoza, mety tsy ny teny hoe “marina” no teny tokony hampiasaiko nefa azonao sahady ny tiako hambara dia aza asia olana loatra e. Ity tokoa angamba ilay hoe “Marina ny anao fa ny ahy tsa disoako”.
Dia samia ela velogna aby hitady ny marina e!!!!!!
11/18,2008, at 17:45
Visit simp
marina zany e
11/18,2008, at 17:52
Visit Mandainga sarotra
Dadafara a! marobe ny maria fa ny fahamarinana iray ihany! Ny olana dia tsy novalian'i Zezo ny fanontanian'i Pilaty hoe : Inona ny marina!
Rehefa tsy marina indray ny an-draika lahy iry no miseho dia ho hitanao fa tsy marina no voalaza fa tombontsoa manokana.
Dia izaho aloha tsy mba mandainga fa indraindray ihany no milaza ny marina
11/18,2008, at 19:40
Visit finoanaranoray
mARINA MARINA MaRINA..." hira nalaza tamin'izay mbola kely...
Ny marina amiko mety tsa marina aminao...ny iray amin'ny marinantsika izany no diso...na mety marina daholo...
Ny "Tiana na ny Mety" angamba mety tsy azo kilasiana amin'ny kilasin'ny "marina"...izaho izao tia MENA fa ianao mety tia MANGA...Mety amiko izao ny MENA fa ny anao mety ho ny MANGA NO METY AMINAO...dia inona no idiran'ny "Marina" amin'izany...
Ny marina dia TOKANA ihany amin'ny lafiny mahamarina azy...ohatra ny MENA dia tsy ho MANGA mihitsy ...
11/19,2008, at 08:07
Visit dadafara
Dia misaotra anareo amin'ny hevitra e, fa zao aloha, tsy mino aho hoe hahalaza ny tiako hambara hoe "marina" eto kosa ilay hoe Tiana e, dia mino ve ianao fa hoe probleme-na tiana na tsy tiana fotsiny ny resaka hazavana nolazaiko momba ilay rahalahy Koreana ao amin'ny texte io... Ny hoe "mety" koa asa mety ho azoko ekena ihany nefa indraindra anie dia azo lazaina ho "relatif" ihany ny "marina" na mety ho "subjectif" koa. Ny resaka lokonao io izao dia ahoana indray ny "daltonien"? Ho azy ny maintsonao dia mena ary tsy hoe izay no tiany na hoe tombotsoany manokana fa izay mihitsy no fahitany azy ary diso ny fijeriny hoanao fa hoazy dia tena marina? Ny MARINA "Majuscule" ihany no tsy misy maro fa ny "marina" madinika dia inoako fa mety tsy dia ho tokana loatra fa ny lohantsika indraindray no efa nofenoina hevitra iray dia tsy te-hi -adopter fomba fijery hafa intsony...
Mazotoa e, tôko izao ro maha be ny ona , hi hi
11/19,2008, at 14:44
Visit finoanaranoray
Tahaka ny laoka misy sira io...ny iray milaza fa be sira ny iray milaza fa kely sira...nefa ny "marina" sira 01 sotro kely no natao tao...
Ny daltonien tahaka ny ny tsy daltonien manao solomaso mena io toa mena avokoa na dia fotsy aza...nefa ny marina dia fotsy ihany ilay fotsy...
samihafa ny fahitany azy (mety) sy ny tena marina...
sa ahoana dadafara?
11/21,2008, at 17:44
Visit Tokinao
iaho dia sady maka kely ny hevits'i finoanarano1 no mitovitovy hevitsa @ dafr :)koa :
- misy ny marina tokana. Toy ny fandehen-javatra iray (halatra, ady, sns). Na samy hanana ny fitantarany aby izao ona abiaby zao, dia tokana ihany ro zava-nisy.
- misy koa ilay marina @ tsirairay. Ny tena marina (araka ny fahitako ny marina manko e hihihi) dia tsa mba tena marina io fa ny "fahitan'ny tsirairay ny marina fotsiny" :). Ohatra: ny lokon-javatra iray : misy loko mitovitovy @ manga, sy mena ary mavo mitambatra. Tsy ampy anefa ny anaran-doko izay ampiasain'ny olombelona ka dia lazaina ho manga na mena na mavo ilay izy. Fanampin'izany : raha misy tombotsoan'ny olona iray ny maha-manga izay, na maha-mena izany dia io no lazainy. Raha ny mpitondra fanjakana no anontaniana @ fivoaran'i Mkara dia zavatra tsara no holazainy ... fa raha mpanohitra dia ny zavatra ratsy no lazainy. Ny marina anefa dia marina ihany : mety misy ny tsara, mety misy ny ratsy, fa ny salan'isa no tokony iadin-kevitra :).