OLOMBELONA KOA NY MAINTY

Published on 11/05,2008

Dia Filohan'ny Firenena matanjaka indrindra eto an-tany moa izany i Baracl OBAMA. Mino aho fa mahasarika ny fijerin'izao tontolo izao izany vaovao izany. Misy ny faly, misy kosa ny malahelo ary azo lazaina koa aza fa kivy sady matahotra... loza izany hoan'ny sasany...

Ho ahy manokana dia mahafinaritra ahy ny zavatra toy itony... Mino aho fa maro ny mitovy hevitra amiko izay mitovitovy volon-koditra amin'io Filoha vaovao io. Izahay mainty izany raha tsorina ny resaka e. Aoka tsy ho raisinao ho fanavakavaham-bolon-koditra izany fiteniko izany fa zava-misy izany indrisy eto amin'ity tany ity... Tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany... Maro tokoa mantsy no milaza fa tsy raciste nefa ny zava-misy dia mampivandravandra fotsiny izao fa raha vao mainty hoditra ianao dia na ny fomba fijery anao aza miova... ary sarotra hoazy ny hino fa mba mety mahavita zavatra tsara ianao.... (Raha sendra mba mahita olona efa antitra tsy manaan seza hipetrahana ianao anatin'ireny train na bus na metro ireny aty amin'itony tany lazaina fa mandroso itony ka hoe hanome azy ny fipetrahanao fa hoe zaza tsara taiza sy mahalala fomba.... matetika dia ianao indray aza no angarihany satria... mainty... porte malheur hono.... Hoan'ny sasany aza raha mivoaka ny trano izy ka mifanena amin'olona mainty hoditra dia miverina any antrano fotsiny izao fa hoe tsy hahomby hoe ny dia fa nahita monstre.... miala tsiny amin'ny fomba filaza fa zava-mitranga izany indrisy... ary hoan'izay mbola tsy nahita sy tsy nandré izany dia aza hadino fa misy izay....Tadidiko eto ny tenin'ilay camérounais iray niteny tao amin'ny RFI hoe indraindray isika aty amintsika tsy mieritreritra izany hoe maintsy aho satria tsy misy mampihosy loha amin'izany aty amintsika fa raha vao midina ny avion tonga amin'ny aeroportn'ireo mazava hoditra ny tena dia tonga dia mahatsapa hoazy hoe kay maintsy aho.... na ny fomba fitazan'ny olona anao aza dia manampy anao hahatsapa fa tsy mitovy aminy ianao...)

Mazava loatra fa tsy i Obama no hampandroso ny tontolon'ny mainty indrindra ara-ekonomika... sao dia be koa ny ho diso fanantenana amin'izay... fa kosa amiko ny tokony hahafaly dia hoe miova ny tantara satria mba efa manomboka mino izao tontolo izao fa ny olona mainty hoditra dia mba azo ametrahana fitokisana ihany koa... na ho tsara na ho ratsy ny vokatry ny fitondrany mandritra io mandat-ny io efa zava-dehibe amiko ny fiovan'izany tantara izany: ny fahasahiana manome azy ny possibilité hi prouver ny aptitude-ny... miala tsiny raha misy teny frantsay miditra eny antsefatsefany eny fa indraindray ireny mampazava ny resaka kokoa.

Ny irarina fotsiny dia mba hahomby amin'ny ataony izy... ka hitombo hatrany ny fivoaran'ny toe-tsaina satria ny fanaporofoana amin'ny alalan'ny asa sy ny fiainana tokoa no hampiova tsikelikely ny fijerin'ny sasany... na dia misy koa aza ireo izay tsy afaka ny hiova fijery izany mihintsy na inona na inona soa sy tsara vitan'ny tsy mitovy hevitra sy volon-koditra aminy...

Ny mahagaga dia ity... ny maintsy tsy dia manisy olana amin'izay resaka loko izany amin'ny ankapobeny... raha mahomby ilay olona dia mahomby satria nahavita azy... raha tsy nahomby dia tsy nahomby ka mila soloina... Tsy izany kosa anefa no fijerin'ny fotsy matetika raha sanatria ka ny mainty no tsy mahomby fa hafa avy hatrany ny vaki-teny fa dia ny volon-kodiny no aroso voalohany hoanisan'ny anton'ny tsy fahombiazana... eeeeeeeeeeeeeehhhhhhhhhh miangatra loatra ianao ry olona;;;;;;;;;

Asa any an-danitra any raha hisy maha samy hafa ny maintsy sy ny fotsy koa... inoako fa tsa hisy izay satria Andriamanitra TSY MANAN-DOKO araka ny Finoako tsy miova...

Salamà aby oooooooooo


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=5544

Leave a Reply

One Response to OLOMBELONA KOA NY MAINTY



  1. Visit Tritriva

    Eny tena "victoire sy espoir" ho an'ny mponina rehetra ao Amerika izany. Betsaka ny mitovy hevitra aminao.
    Enga anie ka mba feno mpitahy ny filoha Barak OBAMA ary ho tahin'Andriamanitra ny diany.



  2. Visit finoanaranoray

    afro americain anie Barack é

    metisy...dia raha ovaina hoe metisy daholo ny "mainty" ao amin'ny soratrao?- mety hampiova ilay hevitra ve ve?...



  3. Visit simp

    ra tsy attaquer-n'ny marsien tsika wa,
    tsy maintsy hisy foana ny racisme na @ samy mitovy loko aza :)

    c'est la vie!



  4. Visit Kdaombaramita

    Marina ny teninao Fa izao : any USA ihany io no tena misy fiantraikany fa raha eto France dia aza manantena fa mbola tsy vonona ny ho @ ny frantsay. Miova fontsiny ny fijerin'ny sasany ny mainty eto, eny fa dia ny samy maizina ary, mba lasa manana ny hoe mahavita azy koa anie isika kay. Fa lazaiko anao fa efa ela no nisy sherifs, maires, députés, conseilers présidentiels, Condoliza Rice, Collin Powel, ministres des affaires etrangers ... mainty any USA fa tsy napihontsina ny toe-tsaina eto izany. Ny hany mba azo antenaina fontsiny dia mety mba hanova ny politikany miaraka amin'ny afrikana ny USA, ka hanentana izao tontolo izao amin'ny fanampiana @ lafiny rehetra.



  5. Visit DotMG

    Azafady, mba raiso amin'ny fijery hoe olona tsy raciste aho manoratra ity fanamarihana ity.

    1) Barack Obama tsy mainty hoditra fa mainty ra. Izaho aty Madagasikara mieritreritra ny tenako hoe zarazara hoditra (satria betsaka ny mainty hoditra noho izaho), fa raha ny volon-koditr'i Barack Obama kosa dia tena mbola fotsy lavitra noho izaho. Raha tonga aty Madagasikara izy, tena mbola lazain'ny olona ho Eoropeanina e! Mety ho hafa ve ny fijerin'ny Amerikanina raha nitovy volon-koditra tamin'i Chris Rock na mainty toa an-dry Robert Mugabe ireny i Barack Obama? Ny tiako holazaina amin'ilay hoe mainty ra dia ny rainy no afrikanina mainty hoditra (Kenyanina), fa raha tsy fantatra aza ny rainy, iza no hilaza hoe mainty i Obama?

    2) Hors sujet: ny fahasahiana manome azy ny possibilité hi prouver ny aptitude-ny (Ny fahasahiana hanome azy sehatra ahafahany manaporofo ny fahaizamanaony).

    3) ny mainty tsy dia manisy olana amin'izay resaka loko izany amin'ny ankapobeny... raha mahomby ilay olona dia mahomby satria nahavita azy... raha tsy nahomby dia tsy nahomby ka mila soloina... Tsy izany kosa anefa no fijerin'ny fotsy matetika raha sanatria ka ny mainty no tsy mahomby fa hafa avy hatrany ny vaki-teny fa dia ny volon-kodiny no aroso voalohany ho anisan'ny anton'ny tsy fahombiazana.

    Tsy dia manaiky an'izay petrakevitra izay aho. Misy maro amin'ny fotsy no mieritreritra toy izany, fa misy marobe amin'ny mainty hoditra ihany koa no tena mpanavakava-bolon-koditra hiringiriny, indrindra fa ny mainty hoditra any Amerika.



  6. Visit dadafara

    DotMG a, misaotra anao mitsidika ny blaogy aloha, misaotra ny rehetra mametraka hevitra ihany koa..
    Mitovy fa tsy sahala ny fomba fijerintsika: ny famaritana ny mainty dia marina ny lazainao fa raha any dago dia mbola fotsy ny filaza ireny hoditr'i Obama ireny... ny aza hadino anefa dia raha any italia ireny dia antsoin'ny olona foana hoe "nero" na "di colore", hoan'ny miteny espagnol dia "negro", hoan'ny frantsay dia "noir" ary hoan'ny anglisy dia "black", dia ampio zay langue hafa hanampianaao azy fa ireo ihany no mba haiko mibadabada... Amaliako ny hevitr'i finoana ranofotsiny ihany koa io...
    Fa ny hoe hors sujet ny filazako dia tsy haiko hoe par rapport à quoi ny maha hors sujet azy... Satria ve ianao no nanome ny sujet ho traité-ko dia rehefa notsarainao dia hitanao fa tena tsy mifanaraka amin'ny valiny nandrasanao tamiko? Sa manakory tsara? Nilaza an'io aho satria maro ny olona tsy te-hijery izay competence-nao izany raha vao tsy mitovy firazanana na volon-koditra aminy ianao satria eo misy ilay atao hoe "méfiance".. dio io ilay ataoko hoe efa ma dingana ny ni-dépasser-n'izy ireo izany préjugement izany.. Maro anie ny vazaha no nanao commentaire tamin'ny fotoanan'ny campagne hoe loza raha izy no ho voafidy e, tout simplement car il est d'origine kéniane... Marina aloha fa ny fanavakavahana dia tsy mifidy volon-koditra fa rehefa ratsy fo ny olona dia na mainty aza izy dia manavakavaka ihany koa fa mba ny ankapobeny no lazaiko teo... Misy olona aza anie miverina avy any dago, ny avy any afrique centrale ohatra dia miteny mihintsy hoe tsy nampoiziko hoe ny gasy koa mba manavakava-bolon-koditra... na ao amin'ny société malagasy aza anie dia mifaniratsira ny olona hoe "ilay maintsy ratsy ity e", ... misy partout io fa ny lanjany no mety tsy itovizany loatra... dia mankasitraka e



  7. Visit Tritriva

    dadafara,
    Eny na ao Dago aza dia misy ny samy malagasy mifanaratsy amin'ny hoe: lokon'oditra na éthnie, na metisy... fiainana izany, ary tsy anio no hiova.



  8. Visit dadafara

    DotMG a, misaotra anao mitsidika ny blaogy aloha, misaotra ny rehetra mametraka hevitra ihany koa.. Mitovy fa tsy sahala ny fomba fijerintsika: ny famaritana ny mainty dia marina ny lazainao fa raha any dago dia mbola fotsy ny filaza ireny hoditr'i Obama ireny... ny aza hadino anefa dia raha any italia ireny dia antsoin'ny olona foana hoe "nero" na "di colore", hoan'ny miteny espagnol dia "negro", hoan'ny frantsay dia "noir" ary hoan'ny anglisy dia "black", dia ampio zay langue hafa hanampianaao azy fa ireo ihany no mba haiko mibadabada... Amaliako ny hevitr'i finoana ranofotsiny ihany koa io amin'ny teniny hoe ovaina hoe metisy ny teny hoe maintsy ao amin'ny lahatsoratro dia mampiova ny heviny... tsia tompoko, na metisy na inona fiantsoanao azy dia mitovy izany amin'izy ireo... Fa ny hoe hors sujet ny filazako dia tsy haiko hoe par rapport à quoi ny maha hors sujet azy... Satria ve ianao no nanome ny sujet ho traité-ko dia rehefa notsarainao dia hitanao fa tena tsy mifanaraka amin'ny valiny nandrasanao tamiko? Sa manakory tsara? Nilaza an'io aho satria maro ny olona tsy te-hijery izay competence-nao izany raha vao tsy mitovy firazanana na volon-koditra aminy ianao satria eo misy ilay atao hoe "méfiance".. dio io ilay ataoko hoe efa mba dingana ny ni-dépasser-n'izy ireo izany préjugement izany... Maro anie ny vazaha no nanao commentaire tamin'ny fotoanan'ny campagne hoe loza raha izy no ho voafidy e, tout simplement parce qu'il est d'origine kéniane... Marina aloha fa ny fanavakavahana dia tsy mifidy volon-koditra fa rehefa ratsy fo ny olona dia na mainty aza izy dia manavakavaka ihany koa fa mba ny ankapobeny no lazaiko teo... Misy olona aza anie miverina avy any dago, ny avy any afrique centrale ohatra dia miteny mihintsy hoe tsy nampoiziko hoe ny gasy koa mba manavakava-bolon-koditra... na ao amin'ny société malagasy aza anie dia mifaniratsira ny olona hoe "ilay maintsy ratsy ity e", ... misy partout io fa ny lanjany no mety tsy itovizany loatra... dia mankasitraka e



  9. Visit finoanaranoray

    Fa ilay izy tsy vazaha ve no nahalany azy e...sa ny hevitra natosany tsaratsara kokoa noho ny an'i Cain...?

    Ary naninona ny fotsy no nifidy azy noho ny volon-kodiny ve?- Misaotra an-dry zareo fotsy nifidy e...:-)

    Ilay metisy koa toa misabaka...raha toa ka tsy fotsy izy dia tokony tsy mainty koa...

    Mena foana no lokon'ny ra an'io...

    Toa efa nanomboka tamin'i Koffi Annan ny taranak'afrikana nitondra fotsy...



  10. Visit Tokinao

    >>>>>>dadafara, DotMGMomba : raha ny fijeriko ny resakareo momba ilay lokon-koditra dia mifandray tendro, ary samy tsy diso :
    - mainty no filazan'ny tandrefana ireo rehetra somary matromatroka lokon-tava (izay nandevozina taloha). Ka io ilay tian'i dadafara tenenina. Fahadisoam-pitenenana io mazava ho azy, ary fanambaniana koa.
    - raha ny marina anefa [araka ny hevitro manko e :)] dia amampolompolony ny karazana lokon-tava hita ao amin'ireo lazainy ho "mainty" ireo, ka tokony hantsoina araka izay maha-izy azy avy.

    Izay no fijeriko momba io.
    Momba an'i Obama indray ... Raha jerena @ maso tsy miangatra, raha nisy amerikana nifidy an'i Obama noho ny lokon-kodiny fotsiny dia efa mpanavakavaka foko izy izay (ny marimarna kokoa dia "tsy tia fotsy")...

    Ny mahafaly ahy manokana dia ny nahafahany naneho fa kinga saina izy, ary manana tetik'asa maharesy lahatra. Raha mandeha tsara (ary enga anie handeha tsara) ny fitantanany dia ho porofo lehibe izany fa mety ho kinga saina sy mahavita azy ireo "taranaky ny andevo" taloha (tsy nampiasaiko ny hoe "mainty" satria mampiady hevitra ny maro hihihi). "Porofo ho an'izao tontolo izao" fa tsy ho an'ny amerikana akory. Ny fandanian'ny amerikana azy mantsy dia efa midika fahatokisana lehibe : ary fahambonian-tsaina ambony dia ambony "indrindra fa avy amin'ireo atao hoe fotsy hoditra".

    Teo ampamakiana ireo tsy rariny (notantarain'i dadafara) mihatra @ "taranaka firenena nandevozina" aho dia mba mahatsiaro ireo zava-dratsy madinika efa nihatra tamiko hihihi. Mahita tantara tokoa ange rehefa aty an-tanin'olona e :) :

    - ny fandroahana ahy tamina toerana "publique" iray,

    - ny fiheverana ahy ho mpangalatra :).

    - ny fiheverana ahy ho mpangataka :).

    - ny fiheverana ahy ho doma velona :). Maro ny frantsay mihevitra fa raha tsy miteny frantsay tsara toa azy dia doma velona. Nefa izy aza tsy mahay teny vahiny hafa akory :-P. Tokony ho takany @ "tsy fahaizany teny vahiny" anefa fa ny vahiny iray dia tsy hahavita hiteny toa azy ... izy aza moa sahirana amin'ny teniny 'ko :).

    - ny fiheverana ahy ho zazakely :).

    - ny fanambaniana ny tanindrazako : rehefa miresaka @ frantsay sasany dia mahataitra mihitsy ny fanontaniana sasany : "toa omemem-potsiny hono ny diplaomanareo any?", "zanaka minisitra sa nanao risoriso no antony nahatongavanao aty Frantsa?", "mety ho lasa filoham-pirenena ve hono zah raha tonga any Madagasikara?". Efa zajatra an'ireo karazam-panontaniana ireo moa ny tena ka dia efa tsy manaiky lembenana intsony ankehitriny.

    - ny tsy fahatokiana : sahirana mihitsy rehefa hitady trano (vao reny an-taroby fotsiny ny feoko izay manindry "r" dia "efa azon'olona" hoy izy ny trano :).

    - ny fandarohana an-dalambe fony aho tany Rosia, raha noheverin-dry zareo ho kôkaziana. Asa .. oviana vao hisy kôkaziana ho lasa filohan'i Rosia hihihi.

    - sns mbola ho avy hihihi



  11. Visit dadafara

    Mahafinaritra daholo izany lazainareo rehetra izany eee
    Na tiana na tsy tiana dia tsy hitovy fomba fijery ny olon-drehetra satria tsy mitovy ny raha hita, tsy mitovy ny toerana nitomboana, tsy mitovy ny raha nianarana, tsy mitovy ny fiainana nolalovana.... ny zavatra rehetra dia misy fiatraikany eo amin'ny fomba fijery sy fomba fandiniky ny tsirairay ka samy malalaka hilaza izay hitany... fa ny zava-misy dia hijanona ho zava-misy eo ihany
    mankasitraka e



  12. Visit Tokinao

    >>>>>>dadafara : tsara be ary marina tokoa ny voalazanao, ary misaotra amin'ny fandravonana.